FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g18 No. 2 p. 5
  • 2 Mahaiza Miara-miasa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2 Mahaiza Miara-miasa
  • Mifohaza!—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Torohevitra Faha-3: Aza Tia Tena
    Mifohaza!—2009
  • Mahaiza Mifandefitra
    Mifohaza!—2014
  • Ahoana Raha Tsy Mitovy Hevitra Ianareo?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • ‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mifohaza!—2018
g18 No. 2 p. 5
Mpivady miara-mitondra fiaramanidina, ka ny iray mpanamory ary ny iray mpanampy

Tokony hahay hiara-hiasa ny mpivady, hoatran’ny mpanamory fiaramanidina sy ny mpanampy azy

HO AN’NY MPIVADY

2 Mahaiza Miara-miasa

AHOANA IZANY?

Hoatran’ny mpanamory fiaramanidina sy ny mpanampy azy ny mpivady mahay miara-miasa. Mifanampy foana izy ireo na dia ao anatin’ny sarotra aza, fa tsy hoe samy maka ho azy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.”—Matio 19:6.

“Tao trano, hono, tsy efan’irery. Tsy maintsy miara-miasa ny mpivady raha te hanana tokantrano sambatra.”—Christophe.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Raha tsy mahay miara-miasa ny mpivady, dia ho mora aminy ny hifanome tsiny rehefa mifamaly izy ireo. Na zavatra kely tsy misy dikany aza dia ho lasa olana lehibe.

‘Tena mila miara-miasa ny mpivady, raha tsy izany dia ho lasa hoatran’ny mpiray trano fotsiny sisa. Ho sahirana ry zareo rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe mila raisina.’—Alexandra.

INONA NO AZONAO ATAO?

FANTARO IZAO

  • Ahoana no fahitako ny karamako? Volako “irery” sa volanay mivady?

  • Rehefa tsy eo anilan’ny vadiko ve aho vao afa-po tsara rehefa miala voly?

  • Mihatakataka amin’ny havam-badiko ve aho, na dia mifandray be amin’ny vadiko aza izy ireo?

MIRESAHA AMIN’NY VADINAO

  • Rehefa manao inona isika roa no tena mahay miara-miasa?

  • Rehefa manao inona isika no tsy tena mahay miara-miasa fa mbola mila miezaka?

  • Inona avy no azontsika atao mba ho tiantsika kokoa ny miara-miasa?

SOSO-KEVITRA

  • Eritrereto hoe miara-manao fanatanjahan-tena ianareo mivady, ary ao anaty ekipa iray fa tsy hoe mpifanandrina.

  • Aza mieritreritra hoe: ‘Inona no tokony hataoko mba handresena azy?’, fa hoe: ‘Inona no tokony hataonay mba handresenay?’

“Aza ilaozana mifanome tsiny hoe iza no marina na iza no diso. Ny tena zava-dehibe dia hoe mihavana sy miray saina ianareo roa.”—Ethan.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara