FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g18 No. 2 p. 10
  • 7 Ampio Izy Hanana Toetra Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 7 Ampio Izy Hanana Toetra Tsara
  • Mifohaza!—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Manana Toetra Tsara
    Mifohaza!—2019
  • Mbola Mahasoa Ihany ve ny Manao ny Tsara?
    Mifohaza!—2013
  • Miovaova ny Fitsipika Arahin’ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2018
g18 No. 2 p. 10
Lehilahy iray sy ny zanany, mampiasa tondroavaratra mba hahitany ny lalan-kizorana

Hoatran’ny hoe manoro ny zanakao an’izay lalana tokony hizorany ianao, rehefa manampy azy hanana toetra tsara

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

7 Ampio Izy Hanana Toetra Tsara

AHOANA IZANY?

Azo antoka hoe misy zavatra heverinao hoe mety na tsy mety, ary tianao hahay hanavaka an’izany koa ny zanakao. Ampianao, ohatra, izy mba hanao ny marina.

Tsara koa ny ankizy raha ampianarina hazoto hiasa, tsy hanavakavaka, ary hiahy na hihevitra ny hafa. Tokony hozarina hanao an’izany izy ireo, dieny mbola kely.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Mandroso be izao ny teknolojia, ka tena mila mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny ankizy. Hoy i Karyn: ‘Mora mahita zava-dratsy ny ankizy rehefa mampiasa finday na tablette. Mety hahatonga ny zanatsika hanao ratsy izany. Mety tsy ho haintsika akory hoe mijery sary vetaveta ry zareo, nefa mipetraka eo akaikintsika eo!’

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny olona matotra.’—Hebreo 5:14.

Mila miahy ny hafa koa izy ireo. Tafiditra amin’izany ny hoe mahalala fomba, ka miteny hoe “azafady” na “misaotra.” Tsy dia miraharaha ny hafa intsony mantsy ny olona amin’izao. Ny fitaovana elektronika no hoatran’ny sarobidy kokoa aminy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”—Lioka 6:31.

INONA NO AZONAO ATAO?

Hazavao tsara aminy ny atao hoe mety sy tsy mety. Hitan’ny mpikaroka, ohatra, fa tsy ho mora voatarika hanao firaisana ny tanora, raha efa nohazavaina tsara taminy hoe natao ho an’ny olona manambady ihany izany.

SOSO-KEVITRA: Hararaoty izay zava-miseho mba hampianarana azy. Raha miresaka vonoan’olona, ohatra, ny vaovao, dia afaka miteny ianao hoe: “Mahavanon-doza mihitsy ny olona rehefa tsy mahafehy ny hatezerany. Fa maninona ny olona no lasa hoatr’izany, hozy ianao?”

“Vao mainka tsy hain’ny ankizy ny tokony hataony, raha tsy fantany akory ny atao hoe mety sy tsy mety.”—Bruno.

Ampianaro hiahy ny hafa ny zanakao. Efa azo ampianarina hiteny hoe “azafady” sy “misaotra”, na dia ny ankizikely aza. Azo ampiana koa izy ireo mba ho tsara fanahy amin’ny hafa. “Tokony ho tsapan’ny ankizy hoe tsy izy irery akory no olona, fa mbola misy olon-kafa koa manodidina azy. Ohatra hoe ny fianakaviany, ny mpiara-mianatra, ary ny mpiray tanàna aminy. Vonona kokoa hanao soa ho an’ny hafa izy raha mahatsapa an’izany.”—Ny Fitaizan-janaka any Amin’ny Tany Samihafa (anglisy).

SOSO-KEVITRA: Ampanaovy raharaha izy, amin’izay tsapany hoe tena ilaina ny manampy ny hafa.

“Tsy ho sahirana ny zanatsika rehefa mitokan-trano, raha mbola kely izy dia efa ampanaovina raharaha. Efa zatra mandray andraikitra mantsy izy.”—Mariah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara