FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 1 p. 3
  • Miady Saina Be ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miady Saina Be ve Ianao?
  • Mifohaza!—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina
    Mifohaza!—2010
  • Inona no Hataoko fa Miferinaina Be Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Ny Antony sy ny Vokatry ny Adin-tsaina
    Mifohaza!—2005
  • Mandreraka ny Fiainana!
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 1 p. 3
Vehivavy iray any am-piasana, mitanondrika sady malahelo be.

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Miady Saina Be ve Ianao?

“Samy miady saina daholo ny olona, fa ny ahy efa mila tsy ho zakako. Be dia be mantsy ny olana atrehiko fa tsy hoe olana iray ngezabe fotsiny. Efa taona maro koa aho izay no nikarakara ny vadiko. Marary mantsy izy sady efa tsy miasa tsara intsony ny sainy.”​—Niry.a

“Nilaozan’ny vadiko aho, dia izaho irery no nitaiza ny zanakay mianadahy. Tena tsy mora ilay hoe mitaiza irery. Lasa tsy an’asa koa aho, dia tsy nanam-bola hanamboarana ny fiarako. Tsy hitako izay natao. Nila tsy ho zakako ny adin-tsaiko. Fantatro fa tsy mety ny mamono tena, dia niangavy an’Andriamanitra aho hoe: ‘Aleo re aho ho faty e!’”​—Benja.

Mila tsy ho zakanao koa ve ny adin-tsainao? Raha izany, dia enga anie mba hanampy anao ity gazety ity. Horesahina ato hoe inona matetika no mahatonga ny adin-tsaina, inona no vokatr’izy io eo amintsika, ary inona no azontsika atao mba tsy hiady saina be loatra.

a Novana ireo anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara