FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 1 p. 5-7
  • Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TSY VOATERY HO RATSY FOANA NY ADIN-TSAINA
  • Reraka ny Vatana sy ny Saina
    Mifohaza!—2010
  • Ny Antony sy ny Vokatry ny Adin-tsaina
    Mifohaza!—2005
  • Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina
    Mifohaza!—2010
  • Mandreraka ny Fiainana!
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 1 p. 5-7
Lehilahy iray handeha hiasa, mihazakazaka miakatra tohatra.

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?

Misy zavatra mitranga ao amin’ny vatanao rehefa miady saina ianao. Manome baiko ny atidohanao, dia lasa misy hormonina be dia be miparitaka eran’ny vatanao. Lasa midobodoboka be ny fonao noho ireny hormonina ireny. Miakatra koa ny tosidranao, misefosefo be ianao, ary mihenjana ny hozatrao. Efa vonona hanao zavatra ny vatanao, na dia mbola tsy hainao tsara aza izay mitranga. Miverina amin’ny laoniny indray ireo rehetra ireo, rehefa tsy miady saina be intsony ianao.

TSY VOATERY HO RATSY FOANA NY ADIN-TSAINA

Miady saina na mitebiteby ianao, rehefa miatrika olana na misy zavatra mety hampidi-doza. Tonga dia vonona hanao zavatra ny vatanao rehefa hoatr’izany, ary ny atidohanao no manao zavatra voalohany. Mety hahasoa anao izany, satria lasa afaka manao zavatra haingana ianao. Mety hanampy anao hanatratra ny tanjonao koa izany, na hanampy anao hahavita zavatra tsara kokoa rehefa manao fanadinana na zavatra hafa.

Misy vokany ratsy anefa ny adin-tsaina raha be loatra, maharitra be, na miverimberina. Mety harary mantsy ianao. Mety hisy vokany amin’ny fihetseham-ponao koa ilay izy, ohatra hoe lasa tezitezitra ianao na malahelohelo. Misy indray lasa manadinodino zavatra, taitaitra, na tsy misaina tsara intsony. Mety hiova koa ny fihetsiny, ohatra hoe ny fomba itondrany ny olon-kafa. Ny sasany indray mety hidoroka zava-mahadomelina na hanao zavatra hafa mankarary, mba hiatrehana an’ilay izy. Mety ho kivy be mihitsy aza izy, tsy te hanao na inona na inona intsony, na mieritreritra ny hamono tena.

Mety tsy hitovy ny vokatry ny adin-tsaina eo amin’ny olona tsirairay. Be dia be anefa ny aretina vokatr’izy io. Saika ny vatana manontolo mihitsy no voakasika rehefa miady saina ny olona iray.

NY VOKATRY NY ADIN-TSAINA EO AMIN’NY VATANAO

Ny atidoha.

Lehilahy iray miady saina be, ary ataony eny amin’ny handriny ny tanany.

Manome baiko ny atidohanao, dia lasa mamokatra hormonina toy ny adirenalinina sy cortisol ny vatanao. Ireo hormonina ireo no mahatonga ny fonao hitepo haingana be. Miakatra koa ny tosidranao ary mitombo ny siramamy ao amin’ny ranao. Ireo rehetra ireo no mahatonga anao ho vonona hanao zavatra haingana rehefa misy zavatra mampidi-doza. Raha miady saina loatra anefa ianao dia mety...

  • ho mora tezitra, ho be fanahiana, ho kivy be, harary andoha, ary tsy hahita tory

Ny hozatra sy ny taolana.

Mihenjana ny hozatra ao amin’ny vatanao, mba hiarovana anao amin’izay zavatra mety hampidi-doza. Raha miady saina loatra anefa ianao dia mety...

  • harary andoha, hanakotsako ny vatanao, ary hivonkina loatra ny hozatrao ka hanaintaina

Ny taovam-pisefoana.

Mifoka rivotra haingana kokoa ianao mba hahazoana oksizenina betsaka kokoa. Raha miady saina loatra anefa ianao dia mety...

  • hisefosefo be na ho sempotra. Mety ho taitra na hatahotra be tampoka koa ianao, raha efa mpahazo anao izany

Ny fo sy lalan-dra.

Midobodoboka be ny fonao, mba hahatonga ny ra hiparitaka eran’ny vatanao manontolo. Mihamalalaka na mihatery ny lalan-dranao mba ho tonga any amin’izay toerana tena mila azy ny ra, ohatra hoe any amin’ny hozatra. Raha miady saina loatra anefa ianao dia mety...

  • hiakatra ny tosidranao, hihetsika ny aretim-ponao, ary ho tapaka lalan-dra ianao

Ireo taova mpamokatra hormonina.

Mamokatra adirenalinina sy cortisol ny taova ao amin’ny vatanao. Manampy ny vatanao hiatrika ny adin-tsaina ireo hormonina ireo. Ampitomboin’ny atinao koa ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny ranao, mba hanana hery kokoa ianao. Raha miady saina loatra anefa ianao dia mety...

  • ho voan’ny diabeta, hihamatavy, ary hiovaova be ny fihetseham-ponao. Mety hihena koa ny hery fanefitra ao amin’ny vatanao, ka ho mora marary ianao

Ireo taovam-pandevonan-kanina.

Mikorontana ny fiasan’ireo taovam-pandevonan-kanina. Raha miady saina loatra ianao dia mety...

  • haloiloy, handoa, hivalana, ary hitohana

Ny taovam-pananahana.

Mety hisy vokany amin’ny taovam-pananahana sy ny faniriana hanao firaisana ny adin-tsaina. Raha miady saina loatra ny olona iray dia mety...

  • halemy ny filahiany. Raha vehivavy kosa izy dia mety hikorontana ny fotoana hahatongavan’ny fadim-bolany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara