FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 3 p. 3
  • Manavakavaka ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manavakavaka ve Ianao?
  • Mifohaza!—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana Eran-tany ny Fanavakavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Iharan’ny Fitsarana An-tendrony ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Enga Anie Isika Rehetra ho Tafaray Tahaka An’i Jehovah sy Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 3 p. 3
Lehilahy roa mifanena, dia mieritreritra ilay lehilahy iray hoe ngezabe sy mampahatahotra ny alok’ilay olona mifanena aminy.

Manavakavaka Ve Ianao?

Hoatran’ny virosy ny fanavakavahana. Tena manimba izy io, ary mety ho efa ao aminao fa tsy fantatrao akory.

Mety hiharan’ny fanavakavahana ny olona iray noho ny fiaviany, volon-kodiny, fiteniny, fivavahany, sarangany, na noho izy lahy na vavy. Misy olona mankahala ny hafa noho ny taonany, ny fianarana vitany, ny kilemany, na ny paoziny. Mbola mieritreritra ihany anefa izy hoe tsy manavakavaka.

Mety hanavakavaka koa ve ianao? Mora amin’ny ankamaroantsika ny mahita hoe manavakavaka ny hafa. Mety ho efa manavakavaka koa anefa isika, fa sarotra amintsika ny mahita an’ilay izy. Azo lazaina hoe manavakavaka daholo isika. Misy olona mankahala karazan’olona sasany, dia tsy tsapany akory hoe hafa mihitsy ny fomba itondrany an’ireny olona ireny rehefa mihaona aminy izy. Izany no tenin’ny Profesora David Williams, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina.

Mipetraka ao amin’ny tany iray any atsimoatsinanan’i Eoropa, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Jovica. Hoy izy momba ny foko iray any: “Nino aho hoe tsy afaka ny ho tsara toetra mihitsy ny olona avy amin’io foko io.” Hoy koa izy: “Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe nanavakavaka tamin’izany. Izany tsinona no zava-misy.”

Be dia be ny fitondram-panjakana mamoaka lalàna hiadiana amin’ny fanavakavahana. Mbola misy foana anefa ilay izy. Natao hifehezana ny zavatra ataon’ny olona fotsiny mantsy ny lalàna, fa tsy afaka mifehy ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Manomboka ao an-tsaina sy ao am-po anefa ny fanavakavahana. Tsy ho resy mihitsy àry ve izany ny fanavakavahana? Inona no vahaolana amin’izy io?

Olona maro no afaka nanala ny fanavakavahana tao am-pony sy tao an-tsainy. Hijery toro lalana dimy nanampy azy ireo isika ato.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara