FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 1 p. 8-9
  • Torohevitra Manampy Anao ho Faly sy Afa-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra Manampy Anao ho Faly sy Afa-po
  • Mifohaza!—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mazotoa miasa
  • Manaova ny marina
  • Mahaiza mandanjalanja amin’ny resaka vola
  • Fidio ny fampianarana tsara indrindra
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Vola
    Mifohaza!—2014
  • Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 1 p. 8-9
Mpianaka faly sy afa-po mandeha amin’ny toerana be fivarotana any Inde ary misy olona be dia be variana mijery entana lafo vidy.

Torohevitra Manampy Anao ho Faly sy Afa-po

Te ho faly sy afa-po isika rehetra na manambady na tsia, na tanora na antitra. Tian’ny Mpamorona ho faly sy afa-po koa isika dia nomeny torohevitra mba hanampiana antsika.

Mazotoa miasa

“Aoka ... izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.”​—EFESIANINA 4:28.

Tian’ny Mpamorona raha tia miasa isika. Rehefa mazoto miasa mantsy ny olona iray dia lasa falifaly satria afaka mamelona ny tenany sy ny ankohonany. Mety ho afaka hanampy olona mihitsy aza izy. Ho tian’ny mpampiasa azy koa izy, ary azo inoana hoe hateza amin’ny asany. Izany no mahatonga ny Soratra Masina hilaza hoe “fanomezana avy amin’Andriamanitra” ny valisoa azon’ny olona mazoto miasa.​—Mpitoriteny 3:13.

Manaova ny marina

“Matoky ... izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.”​—HEBREO 13:18.

Mahatsapa isika hoe manana ny hajantsika rehefa manao ny marina. Milamin-tsaina koa isika sady mahita tory tsara. Ankoatra izany dia atokisan’ny olona sy hajainy isika. Tsy mba hoatran’izany kosa ny olona tsy manao ny marina. Mety hanenjika azy ny eritreriny sady hatahotra foana izy hoe sao dia tratra.

Mahaiza mandanjalanja amin’ny resaka vola

“Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.”​—HEBREO 13:5.

Mila vola isika mba hividianana sakafo sy izay ilaintsika. Raha ‘tia vola’ anefa ny olona iray dia laniny hitadiavam-bola ny ankamaroan’ny fotoanany sy ny heriny. Tena mampidi-doza izany satria mety tsy hifandray tsara amin’ny vadiny izy, mety tsy hanam-potoana hiarahana amin’ny zanany, ary mety harary mihitsy aza. (1 Timoty 6:9, 10) Ankoatra izay dia mety halaim-panahy hanao ny tsy marina izy. Nilaza ny lehilahy hendry iray hoe: “Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana, fa tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny kosa izay maimay te hanan-karena.”​—Ohabolana 28:20.

Fidio ny fampianarana tsara indrindra

“Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina.”​—OHABOLANA 3:21.

Lasa olon-dehibe sy ray aman-dreny mandray andraikitra isika rehefa nianatra tany amin’ny fianarana tsara. Azo antoka ve anefa hoe ho sambatra sy hahazo an’izay ilaintsika isika satria fotsiny hoe tsara ny fianarana nianarantsika? Tsy izany mihitsy. Raha tiantsika hahomby izay zavatra rehetra ataontsika, dia mila ny fampianarana avy amin’Andriamanitra isika. Milaza ny Soratra Masina hoe rehefa mihaino an’Andriamanitra ny olona iray dia “hahomby daholo izay ataony.”​—Salamo 1:1-3.

Faly sy Afa-po Aho Izao

“Miezaka be ny olona atỳ aminay mba ho tafita amin’ny fianarana sy ho lasa mpanankarena ary halaza. Tsy sambatra ihany anefa izy ireo na dia efa tratrany aza ny tanjony. Nianarako tao amin’ny Baiboly hoe inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Marina fa afaka miaro antsika amin-javatra sasany ny vola, nefa tsy voavidim-bola ny fahasambarana sy ny tena fitiavana. Manampy ahy hahay hanapa-kevitra momba ny vola sy ny asa ny Baiboly dia faly sy afa-po aho izao.”​—Kishore.

Kishore.

Fanazavana fanampiny:

Manome torohevitra momba ny resaka asa sy vola ary fianarana ny Mpamorona. Jereo ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FIADANAN-TSAINA & FAHASAMBARANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara