FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g22 No. 1 p. 4-6
  • 1 | Arovy ny Fahasalamanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 | Arovy ny Fahasalamanao
  • Mifohaza!—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • Tsara ho fantatra
  • Ny azonao atao
  • Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2015
  • Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Fomba Iarovana ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—1999
  • Arovy ny finoanao sy ny fahasalamanao ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—2022
g22 No. 1 p. 4-6
Sakafo mahasalama isan-karazany eo ambony latabatra.

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

1 | Arovy ny Fahasalamanao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Mety hisy vokany isan-karazany amin’ny fahasalaman’ny olona ny krizy na ny loza.

  • Miady saina ny olona rehefa manana olana, ary mora marary raha miady saina lava.

  • Mety tsy haharaka ny fanafody sy ny mpitsabo rehefa misy loza sy valanaretina.

  • Mihena ny vola miditra rehefa misy loza, ka mila tsy ho voavidy na dia izay tena ilaina aza, toy ny sakafo na fanafody.

Tsara ho fantatra

  • Mety tsy hisaina tsara intsony ianao rehefa marary mafy sy miady saina be, ka lasa ataonao an-tsirambina ny fahasalamanao. Raha izany anefa, dia vao mainka ianao harary.

  • Mihombo ny aretina rehefa tsy tsaboina, ary mety hahafaty mihitsy aza.

  • Hahavita handray fanapahan-kevitra tsara ianao raha salama, na dia miatrika olana aza.

  • Misy azonao atao mba hiarovana ny fahasalamanao, na mahantra ianao na manankarena.

Ny azonao atao

Mahatsinjo loza ny olona hendry, ary manao zavatra mba hisorohana an’izany, raha mbola azo atao. Hoatr’izany koa amin’ny resaka fahasalamana. Matetika no tsy dia handairan’ny aretina isika na tsy harary mafy, raha mitandrina fahadiovana. Aleo mantsy misoroka toy izay mitsabo.

“Ataonay madio foana ny vatanay sy ny tranonay. Tsy dia lany vola amin’ny fitsaboana izahay amin’izay.”​—Andreas.a

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity gazety ity.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TAFAVOAKA? Torohevitra Mahasoa

Rehefa misy korontana, dia araho ireo torohevitra ireo mba hiarovana ny fahasalamanao

MANAOVA MADIO TSARA

Lehilahy iray manasa tanana amin’ny rano sy savony eny an-tokotany.

Manaova madio tsara

Hoy ny Baiboly: “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Ezaho fantarina àry izay mety hankarary anao, dia mitandrema tsara.

  • Sasao matetika amin’ny rano sy savony ny tananao, indrindra alohan’ny hikasihana sakafo na rehefa avy any an-kabine.

  • Diovy matetika ny tranonao ary vonoy ny mikraoba, indrindra amin’ny faritra sy zavatra kitihina foana.

  • Aza mifandray be amin’ny olona tratran’ny areti-mifindra, raha mbola azo atao.

MIHINÀNA SAKAFO MAHASALAMA

Sakafo mahasalama isan-karazany eo ambony latabatra.

Mihinàna sakafo mahasalama

Hoy ny Baiboly: ‘Tsy misy olona mankahala ny tenany, fa mamelona sy miahy azy kosa.’ (Efesianina 5:29) Ahoana no ampisehoanao hoe tianao ny vatanao? Tandremo izay ampidirinao ao.

  • Misotroa rano be dia be.

  • Mihinàna voankazo sy legioma isan-karazany.

  • Aza mahery mihinana zavatra matavy, sira, ary siramamy.

  • Aza mifoka sigara na mihinam-paraky na midoroka zava-mahadomelina. Tandremo koa ny zava-pisotro misy alkaola.

“Miezaka mitandrina an’izay hohaninay izahay mba tsy harary, sao ho lany amin’ny fitsaboana indray ny karama kelinay. Aleonay mividy sakafo mahasalama.”​—Carlos.

MANAOVA FANATAHANJAN-TENA ARY MANAOVA AMPY TORIMASO

Lehilahy mihazakazaka eny amin’ny lalan-tany.

Manaova fanatanjahan-tena

Hoy ny Baiboly: “Aleo fialan-tsasatra eran’ny tanan’ila, toy izay asa mafy eran’ny tanan-droa nefa misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Mila miasa isika, nefa mila maka aina koa.

  • Mampiasà vatana. Dia an-tongotra kely anombohana azy, fa ataovy matetitetika. Hihasalama ianao raha mampiasa vatana, na dia efa antitra aza, na kilemaina, na manana aretina mitaiza.

  • Tovovavy iray matoritory maka aina.

    Manaova ampy torimaso

    Manaova ampy torimaso. Vao mainka ianao hiady saina sy tsy hahavita hifantoka rehefa tsy ampy torimaso, ka mety harary mafy amin’ny farany.

  • Farito hoe amin’ny firy ianao no hatory, dia hajao izay. Aza ovaovana ny ora atorianao sy ifohazanao isan’andro.

  • Aza mijery tele na mampiasa fitaovana elektronika rehefa eo am-pandriana.

  • Aza mihinana sakafo saro-devonina na misy kafeinina ary aza misotro zava-pisotro misy alkaola, alohan’ny hatory.

“Hitako hoe misy vokany amin’ny fahasalamako ny torimasoko. Raha tsy ampy torimaso aho, dia indraindray marary be ny lohako sady manakotsako ny vatako. Rehefa ampy torimaso kosa aho, dia falifaly sady mahavita an’izay rehetra tokony hataoko. Matanjaka be aho sady tsy dia marary.”​—Justin.

Sary avy ao amin’ilay video hoe “Inona no Tokony Hataonao Rehefa Misy Virosy Miparitaka?” Vehivavy manokatra varavarana mba hidiran’ny virosy.

FANAZAVANA FANAMPINY. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Inona no Tokony Hataonao Rehefa Misy Virosy Miparitaka?, sy ilay lahatsoratra hoe “Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara