FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g22 No. 1 p. 7-9
  • 2 | Arovy ny Fanananao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2 | Arovy ny Fanananao
  • Mifohaza!—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • Tsara ho fantatra
  • Ny azonao atao
  • Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Mahaiza Mitantam-bola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2022
g22 No. 1 p. 7-9
Mpandrafitra mamantsika hazo.

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

2 | Arovy ny Fanananao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Betsaka ny olona mitrongy vao homana isan’andro. Mampalahelo fa vao mainka mafy ny mahazo an-dry zareo, rehefa mikorontana izao tontolo izao. Fa maninona?

  • Midangana ny vidim-piainana, anisan’izany ny vidin’ny sakafo sy ny hofan-trano.

  • Vao mainka mitombo ny olona tsy an’asa, na mihena ny karama.

  • Vokatry ny loza, dia mety ho simba na rava ny toeram-piasana, trano, na ny fananana hafa, ka betsaka no lasa mahantra.

Tsara ho fantatra

  • Arakaraka ny hahaizanao mitantam-bola no hahavitanao hiatrika olana.

  • Tadidio fa tsy voatery hoe hilamina be foana ny fiainanao. Mety tsy hahavoavonjy anao ny vola, na tahiry, na fananana hafa.

  • Misy zavatra tsy voavidin’ny vola, ohatra hoe ny fahasambarana sy ny fianakaviana miray saina.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.”​—1 Timoty 6:8.

Mahay mianina isika raha afa-po rehefa mahazo an’izay tena ilaina isan’andro fa tsy be sitrapo. Tena ilaina izany, indrindra raha lasa kely ny vola miditra.

Mety hila hanova ny fomba fiainanao ianao raha te hahay hianina. Raha mihoatra ny vola miditra mantsy ny vola mivoaka, dia vao mainka ianao ho sahirana.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TAFAVOAKA? Torohevitra Mahasoa

Rehefa misy korontana, dia araho ireo torohevitra ireo mba hiarovanao ny fanananao.

AHENAO NY FANDANIANA

  • Vehivavy zokiolona maka karaoty avy eo amin’ny tanimboliny.

    Manaova teti-bola

    Aza manolo fitaovana na mividy akanjo vaovao, raha tsy hoe tena ilaina angaha. Eritrereto izao: ‘Tsy maintsy mandeha aotomobilina ve aho? Sao dia afaka mamboly legioma aho ao an-tokotany?’

  • Alohan’ny hividiananao zavatra, dia eritrereto izao: ‘Tena mila an’ity ve aho? Takatry ny volako ve ity?’

  • Mangataha fanampiana amin’ny fanjakana na fikambanana mpanao asa soa raha misy an’izany any aminareo.

“Niara-nandinika ny fomba fiainanay izahay mianakavy. Najanonay na nahenanay izay fialam-boly nandany vola. Nanomboka nikarakara sakafo tsotsotra koa izahay.”​—Gift.

MANAOVA TETI-BOLA

Vehivavy mampiasa masinina fanaovana kajy ary mandray an-tsoratra ny zavatra ao anaty faktiora.

Ahenao ny fandaniana

Hoy ny Baiboly: “Mandamina mialoha an’izay hataony ny mazoto, ka mahomby, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Raha manao teti-bola ianao, dia hahazo antoka hoe tsy hihoatra ny vola miditra ny vola mivoaka.

  • Voalohany, soraty ny vola miditra aminao isam-bolana.

  • Faharoa, ataovy lisitra ny vola mivoaka aminao ao anatin’ny volana ary diniho tsara ny fandanianao isam-bolana.

  • Ampitahao avy eo ny vola miditra sy mivoaka, dia jereo raha misy mila ahena na ajanona ny zavatra sasany mba tsy hihoatra ny vola miditra ny vola mivoaka.

“Ataonay lisitra ny vola mivoaka sy miditra isam-bolana. Miezaka manao tahiry koa izahay, sao misy ilana an’izany maika any aoriana any. Raha misy zavatra fantatray hoe mila vidina, dia tonga dia manokana vola izahay. Lasa tsy dia manahy izahay, satria fantatray mialoha ny hampiasanay ny volanay.”​—Carlos.

AZA MITROSA / MANAOVA TAHIRY

  • Ramatoa manampy ny zanany vavikely handrotsaka vola ao anaty tavoahangy.

    Aza mitrosa / manaova tahiry

    Eritrereto hoe ahoana no azonao ampihenana ny trosanao. Aza midi-trosa mihitsy raha azo atao. Aleo kosa manangona tsikelikely mba hividiananao an’izay ilainao.

  • Manokàna vola kely isam-bolana mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika.

MIASÀ MAFY / ATAOVY IZAY HIHAZONANAO NY ASANAO

Hoy ny Baiboly: “Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra.”​—Ohabolana 14:23.

  • Mpandrafitra mamantsika hazo.

    Miasà mafy / ataovy izay hihazonanao ny asanao

    Tiavo foana ny asanao. Na dia tsy ny asa nonofinofisinao aza mantsy ilay izy, dia efa mba hahazoana vola hivelomana aloha.

  • Miezaha hazoto hiasa sy ho azo itokisana. Hanampy anao hihazona ny asanao izany, na fara faharatsiny, ho mora kokoa aminao ny hahita asa any aoriana any.

“Ataoko daholo izay asa hitako na dia tsy tiako aza, na hoe kely tsy araka ny nieritreretako azy ny karama. Ataoko hoatran’ny hoe an’ahy ilay asa, dia miezaka foana aho mba ho azo itokisana sy hitandrina tsara ary hikaly asa.”​—Dmitriy.

Raha mitady asa ianao dia...

  • Tonga dia manaova zavatra. Miresaha amin’izay orinasa mety hanana asa azonao atao, na dia tsy nanao filazana aza ry zareo hoe mitady mpiasa. Iresaho koa ny namanao sy ny fianakavianao hoe mitady asa ianao.

  • Ekeo izay misy eo. Mety tsy hahita an’ilay asa mety be aminao mantsy ianao.

Mpivady mandinika ny toe-bolan’izy ireo, moa ny ankizy milalao eny an-tokotany.

FANAZAVANA FANAMPINY. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara