FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g22 No. 1 p. 10-12
  • 3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa
  • Mifohaza!—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • Tsara ho fantatra
  • Ny azonao atao
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Afaka Mifaly Amin’ny Fisakaizana Maharitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ato Amin’ity Gazety Ity
    Mifohaza!—2022
Hijery Hafa
Mifohaza!—2022
g22 No. 1 p. 10-12
Mpivady zokiolona falifaly mifamihina.

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Rehefa mihamiady saina ny olona, dia betsaka no lasa tsy miraharaha ny fifandraisany amin’ny hafa na dia tsy fanahy iniany aza.

  • Misy olona lasa mitokantokana fa tsy miaraka amin’ny namany.

  • Ny mpivady lasa vao mainka mifampila vaniny.

  • Ny ray aman-dreny lasa zara raha miraharaha ny adin-tsain’ny zanany, na tsy miraharaha an’izany mihitsy.

Tsara ho fantatra

  • Tena ilaina ny namana, satria ry zareo manampy anao ho salama sy ho tony foana, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra.

  • Mampiady saina ny korontana eo amin’izao tontolo izao, dia mety hampisy olana tsy ampoizina eo amin’ny fianakavianao izany.

  • Mety hisy vokany be amin’ny zanakao ny vaovao ratsy, fa tsy araka ny ieritreretanao azy.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

Eritrereto hoe iza no mety ho afaka hanampy anao sy hanome anao torohevitra mahasoa. Na ny mahafantatra fotsiny aza hoe misy olona miahy anao any ho any, dia efa manampy anao hiatrika ny olana amin’iny andro iny.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TAFAVOAKA? Torohevitra Mahasoa

Rehefa misy korontana, dia araho ireo torohevitra ireo mba hiarovanao ny fifandraisanao amin’ny hafa

HATSARAO NY FIFANDRAISANAREO MIVADY

Mpivady zokiolona falifaly mifamihina.

Hatsarao ny fifandraisanareo mivady

Hoy ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray ... Fa raha lavo ny iray, dia afaka manampy azy hiarina ilay namany.” (Mpitoriteny 4:9, 10) Hoatran’ny ekipa iray miara-miasa ny mpivady, fa tsy hoatran’ny ekipa mpifaninana.

  • Aza ny vadinao no analanao vonkina rehefa miady saina ianao. Miezaha hanam-paharetana sy handefitra fa misy vokany be izany.

  • Manokàna fotoana indray mandeha isan-kerinandro, fara fahakeliny, mba hiresahana ny olanareo mivady. Aza lany andro mifanome tsiny, fa ny olana no vahao.

  • Manokàna fotoana hanaovana zavatra ankafizinareo roa.

  • Tsarovy ireo fotoana mamy niarahanareo. Maninona, ohatra, raha mijery ny sary mariazinareo na fahatsiarovana mahafinaritra hafa?

“Tsy voatery hitovy hevitra ny mpivady, nefa tsy midika izany hoe tsy afaka miara-miasa ry zareo. Afaka miara-mandray fanapahan-kevitra ry zareo, dia avy eo mifarimbona mba hanatanteraka an’iny fanapahan-kevitra iny.”​—David.

AZA HADINOINA NY NAMANAO

  • Vehivavy maromaro samy hafa fiaviana, miara-mihomehy ary falifaly tafaraka.

    Aza hadinoina ny namanao

    Aza mianina amin’ny hoe mahazo fanampiana avy amin’ny namanao, fa eritrereto koa izay azonao anampiana an-dry zareo. Rehefa mampahery ny hafa mantsy ianao, dia mampahery ny tenanao koa.

  • Miresaha amin’ny namanao sasany isan’andro, mba hahalalanao hoe manao ahoana ry zareo.

  • Anontanio ny namanao hoe ahoana no niatrehany ny olana mitovy amin’ilay atrehinao amin’izao.

“Hoatran’ny ao anaty tafio-drivotra ianao rehefa manana olana. Rehefa tsy hitanao intsony izay hatao, dia ny namanao no afaka manoro anao hoe aiza ho aiza ianao izao, ary aiza ny lalana tokony hizoranao. Indraindray aza zavatra efa fantatrao ihany no ampahatsiahiviny anao. Tia anao ny namanao, ary fantany koa hoe tia an-dry zareo ianao.”​—Nicole.

AMPIO NY ZANAKAO

Mpivady miaraka amin’ny zanany roa, mipetraka eo amin’ny tetezana sady mankafy ny manodidina.

Ampio ny zanakao

Hoy ny Baiboly: “Aoka [ianao] ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.” (Jakoba 1:19) Mety tsy ho sahy hiresaka an’izay mampatahotra azy sy mampanahy azy ny zanakao amin’ny voalohany. Raha manam-paharetana sy mihaino tsara anefa ianao, dia hanampy azy hamoaka ny ao am-pony izany.

  • Ataovy izay hahatonga azy hahazo aina tsara, dia amin’izay izy milaza an’izay tsapany. Vonona hiresaka kokoa ny ankizy rehefa tsy matahotahotra, ohatra hoe rehefa miaraka misakafo na mandeha an-tongotra, fa tsy rehefa mifanatrika amin’ny dadany na ny mamany.

  • Aza avela hijery na hihaino vaovao ratsy betsaka loatra ny zanakao.

  • Resaho aminy hoe inona avy no efa nataonao mba hiarovana anareo mianakavy.

  • Omano mialoha izay hatao raha sendra misy loza, dia manaova fanazaran-tena miaraka aminy.

“Miresaha amin’ny zanakao, dia avelao ry zareo hilaza an’izay tsapany. Mety hafeniny hoe matahotra izy, na manahy, na tezitra. Ampahafantaro azy fa mba mahatsapa hoatr’izany koa ianao, dia lazao azy hoe ahoana no hiatrehanao an’izany fihetseham-po izany.” ​—Betania.

Sary avy amin’ilay video hoe “Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?” Mpivady falifaly mifampitantana eny an-dalana.

FANAZAVANA FANAMPINY. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara