FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g22 No. 1 p. 13-15
  • 4 | Arovy ny Fanantenanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 4 | Arovy ny Fanantenanao
  • Mifohaza!—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA
  • Tsara ho fantatra
  • Ny azonao atao
  • Mampanantena Zavatra Tsara ny Baiboly
  • Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manome Fanantenana ny Baiboly
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manome Fanantenana ny Baiboly
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fanombohana Fianarana Baiboly
  • Te Hanana Fanantenana ve Ianao Amin’ity 2024 Ity? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2022
g22 No. 1 p. 13-15
Baiboly mivelatra eo akaikin’ny vazy misy voninkazo.

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

4 | Arovy ny Fanantenanao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA

Manahy ny olona rehefa mikorontana izao tontolo izao, dia misy vokany amin’ny fahasalamany sy ny fihetseham-pony izany. Betsaka no lasa very fanantenana. Ahoana no ataon-dry zareo?

  • Misy tsy te hieritreritra momba ny hoavy akory.

  • Ny hafa indray manary dia amin’ny toaka na amin’ny zava-mahadomelina.

  • Ny sasany kosa mamoy fo, dia tsy te ho velona intsony.

Tsara ho fantatra

  • Mandalo ihany ny olana sasany atrehinao, ary tsy ampoizinao fa mety hihatsara ny zava-misy.

  • Na tsy mivaha aza ilay olana, dia misy azonao atao ihany mba hiatrehana an’ilay izy.

  • Mampanantena ny Baiboly hoe misy vahaolana maharitra ho an’ny olana atrehin’ny olombelona.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”​—Matio 6:34.

Ny androany aloha atrehina. Aza manahy loatra momba ny ampitso, sao tsy ho vitanao izay tokony hataonao androany.

Raha manahy be momba an’izay mety hitranga mantsy ianao, dia hanampy trotraka ny adin-tsainao izany, ary mety hahatonga anao ho very fanantenana.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TAFAVOAKA? Torohevitra Mahasoa

IZAY TSARA IFANTOHANA

Vehivavy mijery eo am-baravarankely sady mahatsiaro ho afa-po be.

Hoy ny Baiboly: “Manjombona foana ny andron’ny olona malahelo, fa hoatran’ny manao fety foana kosa ny olona manana fo falifaly.” (Ohabolana 15:15) Raha izay ratsy foana no ifantohanao, dia tsy ho hitanao na dia ny vahaolana eo ambany masonao aza. Mety hahita fomba iatrehana an’ilay olana anefa ianao, raha izay tsara no ifantohanao.

  • Fero ny fotoana laninao hihainoana na hijerena vaovao.

  • Soraty ny zavatra roa na telo nahafaly anao rehefa mifarana ny andro.

  • Ataovy lisitra izay tokony hataonao, dia izay tratranao androany ihany soratana. Raha zavatra ngezabe no tokony hataonao, dia tsinjarao ho kelikely, amin’izay ho hitanao ny vokatry ny ezaka nataonao rehefa mifarana ny andro.

MANGATAHA FANAMPIANA

Lehilahy zokiolona mampahery lehilahy iray tanora kokoa.

Hoy ny Baiboly: ‘Izay mitokantokana dia mandà an’izay mety ho fahendrena.’ (Ohabolana 18:1) Tsy ho vitanao samirery ny hivoaka avy ao anaty lavaka lalina be, fa mila fanampiana ianao.

  • Mangataha fanampiana amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao.

  • Mitadiava koa fomba azonao anampiana an-dry zareo. Tsy hifantoka be amin’ny olana mahazo anao mantsy ianao, rehefa manampy ny hafa.

  • Manatòna dokotera raha mamoy fo ianao, ka tsy te hiaina intsony. Raha mahatsapa mantsy ianao hoe tototry ny hakiviana, dia mety ho efa soritr’aretina izany. Betsaka no nandray soa rehefa notsaboina.a

a Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!

Mampanantena Zavatra Tsara ny Baiboly

Izao no nolazain’ny mpanao salamo rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra izy: “Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.” (Salamo 119:105) Hoatr’izany mihitsy ny Tenin’Andriamanitra. Diniho izao:

Rehefa maizina ny andro, dia ny jiro no manampy antsika hahita an’izay asiantsika ny tongotsika. Misy torohevitra feno fahendrena koa ao amin’ny Baiboly. Afaka mitari-dalana antsika izy ireny, rehefa misy fanapahan-kevitra sarotra mila raisintsika.

Afaka mitsilo ny eny lavitra koa ny jiro, mba hahitantsika ny lalana mbola hodiavintsika. Hoatr’izany koa ny Baiboly. Ampahafantariny antsika hoe hamiratra ny hoavy.

Boky masina ny Baiboly. Tsy ny niandohan’ny tantaran’ny olombelona ihany no resahina ao, fa ny zavatra tsara hitranga amin’ny hoavy koa. Valiana ao hoe:

Ahoana?

Ahoana no nampisy ny fijaliana? Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao noho ny nataon’ny lehilahy iray, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”​—Romanina 5:12.

Nahoana?

Nahoana no tsy voavahan’ny fitondram-panjakan’olombelona ny olana atrehintsika? Hoy ny Baiboly: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Manamarina an’izany ny zava-misy maneran-tany.

Inona?

Inona no hataon’Andriamanitra mba handaminana an’izany olana izany? Resahin’ny Baiboly hoe “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—Apokalypsy 21:4.

Sary avy amin’ilay video hoe “Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?” Vehivavy iray mampiseho amin’ny vadiny izay vakiny ao amin’ny Baiboly.

FANAZAVANA FANAMPINY. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara