FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g23 No. 1 p. 3-5
  • Rano Fisotro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rano Fisotro
  • Mifohaza!—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atahorana tsy ho ampy ny rano fisotro
  • Noforonina mba haharitra ny tany
  • Ny ezaka efa atao
  • Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?
  • Tsy Ampy ny Rano Fisotro Madio Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Rano Miboiboika Manome Fiainana Mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Antoky ny Fahavelomana ny Rano
    Mifohaza!—2003
  • Inona no efa Natao Manoloana ny Tsy Fahampian-drano?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—2023
g23 No. 1 p. 3-5
Vehivavy iray mandraoka rano madio amin’ny tanany, avy eo amin’ny loharano.

AHOANA NO HIAFARAN’ITY TANINTSIKA ITY?

RANO FISOTRO

TSY hisy fiainana eto an-tany raha tsy misy rano, indrindra fa rano fisotro. Raha ny marina, dia rano no tena betsaka ao amin’ny zavamananaina rehetra. Manome rano fisotro ho an’ny olona sy ny biby ny farihy, ny renirano, ny heniheny, ary ny tahirin-drano any ambanin’ny tany. Ahazoantsika rano hanondrahana voly koa izy ireny.

Atahorana tsy ho ampy ny rano fisotro

Rano no ampahany betsaka indrindra amin’ity planetantsika ity. Milaza anefa ny Fikambanana Mpamantatra ny Toetrandro Eran-tany fa “0,5%-n’ny rano etỳ ambonin’ny tany ihany no ranomamy sady azo ampiasaina.” Tokony ho ampy mba hahavelomana io rano io na dia kely aza. Lasa maloto anefa ny ankamaroan’izy io na lasa sarotra azo, satria be dia be no mila an’ilay izy sady miovaova be ny toetrandro. Milaza ny manam-pahaizana fa ato anatin’ny 30 taona dia mety ho olona 5 000 tapitrisa no tsy ho afaka hahazo rano fisotro.

Noforonina mba haharitra ny tany

Efa misy fomba voajanahary miaro ny rano eto an-tany mba tsy ho lany mihitsy. Miara-miasa koa ny nofon-tany sy ny zavamananaina any anaty rano ary ny tara-masoandro mba hanadiovana ny rano. Andao àry isika hijery porofo vitsivitsy hahitana hoe noforonina mba haharitra ity tanintsika ity.

  • Vitan’ny nofon-tany ny manala ny zavatra maro mandoto ny rano. Any amin’ny heniheny indray misy zavamaniry mahavita manala ny azota, faosifaoro, ary fanafody famonoana bibikely.

  • Hitan’ny mpahay siansa hoe misy zavatra mananaina sy tsy mananaina manadio ny rano amin’ny loto avy amin’ny zavaboary. Levonin’ny rano mandeha ireny loto ireny, ary avy eo potipotehin’ny zavamananaina faran’izay bitika.

  • Ao anatin’ny andro vitsivitsy fotsiny, dia vitan’ny betsimitsitekiteky sy ny sifo-dranomamy ny manala ny zavatra simika sasany mety hankarary ao amin’ny rano. Na ny orinasa mpanadio rano maloto aza angamba tsy mahavita ny vitan-dry zareo.

  • Mitahiry rano ity tanintsika ity, satria misy foana ny tsingerin’ny rano. Io tsingerina io sy ny zavatra hafa mitranga eo amin’ny natiora no misakana ny rano tsy hivoaka any ivelan’ny atmosfera na hanjavona.

    FANTATRAO VE?

    Sivana Voajanahary ny Nofon-tany

    Tazonin’ny nofon-tany ny metaly, ny poizina simika, ny loto avy amin’ny zavaboary, ary ny loto hafa amin’ny rano rehefa mitsika any anaty tany izy io. Lasa azo sotroina mihitsy aza ilay rano rehefa tonga any amin’ny tahirin-drano any ambanin’ny tany.

    Kisary mampiseho nofon-tany manivana rano maloto. Ranonorana mitsika, ka mandalo nofon-tany sy vato ary tanimanga mandra-pahatongany any amin’ny tahirin-dranomamy any ambanin’ny tany.

    Zavatra tsy mananaina

    Hoatran’ny pasoara kely maso ny fasika sy ny vato, satria misakana ny loto sasany izy ireny.

    Zavamananaina

    Lasa tsy mampidi-doza ho an’ny olombelona intsony ny zavatra sasany, noho ny fiasan’ny zavamananaina faran’izay bitika ao anaty nofon-tany. Vitan’ny bakteria sasany mihitsy aza ny manasaratsaraka ny singa ao anaty menaka misy poizina ho gazy karbonika sy rano.

    Zavatra simika

    Misy herinaratra kely ao anaty nofon-tany. Afaka maka ny zavatra simika misy poizina manana herinaratra mifanohitra aminy izy ireny. Manana herinaratra miiba, ohatra, ny tanimanga, ka afaka manala ny herinaratra miabo ao anaty karazana amôniôma manimba hita ao anaty rano.

Ny ezaka efa atao

Sary: 1) Lehilahy manamboatra ny fiarany mba tsy hitete menaka. Mampiasa koveta kely izy mba hitantazany an’izay menaka mitete. 2) Lehilahy iray manatitra fitoerana zavatra simika any amin’ny orinasa mpanodina an’ireny.

Miaro ny ranomamy hadio foana isika, rehefa manamboatra ny fiarantsika mba tsy hitete menaka sy manary an’izay zavatra misy poizina any amin’ny toerana tokony hisy azy

Milaza ny manam-pahaizana fa tsy tokony handanilany rano isika raha mbola azo atao. Mba hampihenana ny fandotoana ny rano, dia natoron-dry zareo hoe tokony hamboarina izay fiara na môtô mitete menaka. Tsy tokony hariana any an-kabine koa, hono, ny fanafody efa lany daty, ary tsy tokony hariana any anaty fantson-drano ny zavatra misy poizina.

Nahita fomba miavaka sy maoderina ny injeniera mba hanesorana ny sira avy ao anaty ranomasina. Tian-dry zareo hahazo rano fisotro betsaka kokoa mantsy ny olona.

Tsy ampy anefa izany. Tsy tena hoe vahaolana ho an’ny tany maro mantsy na ilay hoe manala ny sira avy ao anaty ranomasina aza, satria lafo be ilay izy sady mitaky angovo be loatra. Nanao tatitra momba ny fomba iarovana ny rano fisotro ny Firenena Mikambana (ONU) tamin’ny 2021. Izao no nolazainy: “Mbola mila ampitomboina avo roa heny ny ezaka ataontsika eran-tany.”

Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?

‘Ampiakarin’Andriamanitra ireo piti-drano; lasa zavona ireny, ka tonga orana; dia araraky ny rahona izany, ka mirotsaka amin’ny olombelona.’​—Joba 36:26-28.

Nampisy tsingerina eo amin’ny natiora Andriamanitra mba hiarovana ny rano etỳ ambonin’ny tany.​—Mpitoriteny 1:7.

Diniho izao: Nataon’ny Mpamorona izay hisian’ny fomba samihafa hanadiovana ny ranomamy. Dia tsy ho vitany ve ny hanarina ny voka-dratsin’ny fandotoan’ny olona azy io? Tsy hoe vitany fotsiny izany fa izay mihitsy no tiany hatao. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity”, ao amin’ny pejy 15.

FANAZAVANA FANAMPINY

Molekiolana rano nohalehibeazina.

Miavaka ny rano, ka miantoka ny fiainana etỳ ambonin’ny tany izy io. Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary: Rano.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara