FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g24 No. 1 p. 4-6
  • Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?
  • Mifohaza!—2024
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ZAVA-DEHIBE NY MANAJA NY HAFA
  • NY AZONAO ATAO
  • NY ATAONAY
  • Manaja ny Hafa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana?
    Mifohaza!—2024
  • Afaka Manampy Antsika Hahay Handefitra ny Baiboly
    Foto-kevitra Hafa
  • Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mifohaza!—2024
g24 No. 1 p. 4-6
Lehilahy iray misakafo any amin’ny hotely mivazavaza amin’ny mpandroso sakafo izay miezaka miala tsiny. Hita hoe tsy mahazo aina ny iray latabatra aminy.

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?

ZAVA-DEHIBE NY MANAJA NY HAFA

Tsy hitatra ny olana sady ho tony ny andaniny sy ny ankilany raha manaja ny hafa ianao.

  • Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.” (Ohabolana 15:1) Hoatran’ny hoe mandraraka lasantsy amin’ny afo ny olona iray rehefa tsy manaja ny hafa amin’ny teniny sy ny ataony, ary matetika no ratsy be ny vokatr’izany.

  • Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Matio 12:34) Hita hoe manana olana isika raha tsy manaja ny hafa amin’izay lazaintsika. Mety hiharihary mantsy hoe ahoana no tena fahitantsika ny olona tsy mitovy fiaviana, foko, firenena, na fari-piainana amintsika.

    Olona 32000 mahery avy any amin’ny tany 28 no nanaovana fanadihadiana vao haingana. Ny antsasany mahery no nilaza hoe mbola tsy betsaka hoatran’ny amin’izao mihitsy ny olona tsy mahalala fomba sy tsy mifanaja.

NY AZONAO ATAO

Hajao ny olona rehetra, na any am-pianarana na any am-piasana, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Miezaha hitady marimaritra iraisana. Hanampy anao tsy hanakiana na ho tia mitsaratsara olona izany.

“Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.”​—Matio 7:1.

Izay tianao hitondrana anao itondrana ny hafa. Raha miahy ny olona sy manao ny rariny amin-dry zareo ianao, dia ho azo inoana hoe hoatr’izany koa no hataony aminao.

“Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”​—Lioka 6:31.

Miezaha hamela heloka. Aza miahiahy ny hafa. Aza mifantoka amin’izay teny na fihetsika manafintohina nataony.

“Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.”​—Ohabolana 19:11.

Ao amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, alohan’ny fivoriana. Misy olona samy hafa taona sy fiaviana mifampiarahaba sy mifampiresaka tsara.
Ao amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, alohan’ny fivoriana. Misy olona samy hafa taona sy fiaviana mifampiarahaba sy mifampiresaka tsara.

NY ATAONAY

Manaja olona ny Vavolombelon’i Jehovah sady manampy ny fiaraha-monina hanao hoatr’izany koa, any amin’izay toerana ipetrahan-dry zareo sy iasany.

Asainay hianatra Baiboly maimaim-poana ny olon-drehetra, nefa tsy manery ny hafa hanaiky ny zavatra inoanay na ny hevitray izahay. Miezaka ny “halemy fanahy sy ho feno fanajana” kosa izahay rehefa mitory, araka ny torohevitry ny Baiboly.​—1 Petera 3:15; 2 Timoty 2:24.

Tsy manavakavaka izahay. Raisinay tsara daholo ny karazan’olona rehetra te hahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly ka tonga mivory miaraka aminay. Miezaka ‘manaja ny karazan’olona rehetra’ izahay na dia tsy mitovy amin’ny anay aza ny safidy ataon’izy ireo.​—1 Petera 2:17.

Manaja ny fahefan’ny mpitondra fanjakana any amin’izay tany misy anay izahay. (Romanina 13:1) Mankatò lalàna izahay ary mandoa hetra. Marina hoe tsy manao politika izahay nefa hajainay ny zon’ny olona hanapa-kevitra amin’ny resaka politika.

Sary: Sary nalaina avy tao amin’ilay video hoe “Afaka Mandresy ny Fankahalana ve ny Fitiavana?” 1) Lehilahy arabo. 2) Lehilahy jiosy.

FANAZAVANA FANAMPINY

Raha nampianarina hankahala olona sasany ianao dia ho sarotra aminao ny hanaja azy ireny. Misy lehilahy roa avy any amin’ny firenena roa miady anefa nahavita nanaja olona. Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Afaka Mandresy ny Fankahalana ve ny Fitiavana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara