“Aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamasahana”!
‘Zavatra izay tsy hain’Andriamanitra andaingana’
Rehefa voadinikao izao ny fahamarinana fototra sasany ao amin’ny Baiboly, dia ilainao ny hanohy handroso ara-panahy. Tsy isalasalana fa irinao ny hanaraka an’ity torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ity: “Rehefa navelantsika izao ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, dia aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamasahana.” — Hebreo 6:1, “MN”.
Mba hanampiana anao amin’izany lafiny izany, dia manoro hevitra anao tokoa izahay mba hamaky an’ilay boky mitondra ny lohateny hoe: ‘Zavatra izay tsy hain’Andriamanitra andaingana’
Hanampy anao handroso ho amin’ny fahamasahana io boky fanampiana amin’ny fianarana ny Baiboly io. Ho hitanao ao, ankoatry ny zavatra hafa:
● Fahalalana sy fahaiza-mandalina ny Teny marin’Andriamanitra;
● Famintinana fohy ny Baiboly manontolo;
● Ny valiny omen’ilay Fahefana tampony an’ireo fanontaniana mahavery hevitra amin’izao androntsika izao;
● Fanondroam-pejin’ireo teny nalaina avy ao amin’ny Baiboly.
Boky mifono baoritra, 416 pejy, misy sary be dia be.
Manorata amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voatondro ato ambadika.