FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 95
  • Ny Fomba Fampianatr’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Fampianatr’i Jesosy
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Mpiara-belona Iray Tsara Fanahy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Nasehon’ny Samaritanina Iray fa Tena Namana Izy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Inona no Dikan’ny hoe “Samaritanina Tsara Fanahy”?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 95

TANTARA 95

Ny Fomba Fampianatr’i Jesosy

INDRAY andro dia nilaza tamin’ny lehilahy iray i Jesosy fa tokony ho tia ny namany izy. Nanontany an’i Jesosy ilay lehilahy hoe: ‘Iza no namako?’ Eny, fantatr’i Jesosy izay noeritreretin’io lehilahy io. Nihevitra io lehilahy io fa ny olona mitovy foko sy fivavahana aminy ihany no namany. Koa aoka hojerentsika izay nolazain’i Jesosy taminy.

Indraindray i Jesosy dia mampianatra amin’ny alalan’ny tantara iray. Izany no hataony izao. Nilaza tantara momba ny Jiosy iray sy ny Samaritanina iray izy. Efa nianarantsika fa tsy tia Samaritanina ny ankamaroan’ny Jiosy. Eny, izao no tantara nataon’i Jesosy:

Indray andro dia nisy Jiosy iray nidina ny tendrombohitra mba ho any Jeriko. Nefa nisy jiolahy niantsambotra taminy. Nalain’ireo ny volany ary nokapohiny saiky maty izy.

Taorian’izany dia nandalo tamin’izany lalana izany ny mpisorona jiosy iray. Hitany ilay olona nokapohina. Araka ny hevitrao, inona no nataony? Nandeha terỳ amin’ny ilany hafa amin’ilay lalana izy ary nanohy ny diany. Avy eo dia nandalo ny olona tena mpivavaka hafa iray. Levita izy io. Nijanona ve izy? Tsia, tsy nijanona koa izy mba hanampy ilay lehilahy nokapohina. Azonao jerena ilay mpisorona sy ilay Levita midina ilay lalana erỳ lavidavitra.

Nefa jereo hoe iza eto no miaraka amin’ilay lehilahy nokapohina. Samaritanina izy io. Ary manampy ilay Jiosy izy. Manisy fanafody eo amin’ny ratrany izy. Taorian’izay dia nitondra ilay Jiosy ho any amin’ny toerana nahafahany niala sasatra sy nihatsara izy.

Rehefa vita ny tantarany, dia hoy i Jesosy tamin’ilay lehilahy nametraka fanontaniana taminy: ‘Iza moa amin’izy telo lahy no heverinao fa naman’ilay lehilahy nokapohina? Moa ve izany ilay mpisorona, ilay Levita sa ilay Samaritanina?’

Namaly ilay lehilahy hoe: ‘Ilay Samaritanina. Nampiseho hatsaram-po tamin’ilay lehilahy nokapohina izy.’

Hoy i Jesosy: ‘Marina ny teninao. Koa mandehana ary manaova amin’ny hafa toy izany koa.’

Tsy tianao ve ny fomba fampianatr’i Jesosy? Afaka mianatra zava-dehibe maro dia maro isika raha mihaino izay lazain’i Jesosy ao amin’ny Baiboly, sa tsy izany?

Lioka 10:25-37.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara