FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 115
  • Paradisa Vaovao ho eto An-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Paradisa Vaovao ho eto An-tany
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hatao Amin’ny Tany?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 115

TANTARA 115

Paradisa Vaovao ho eto An-tany

JEREO ireo hazo lava, voninkazo tsara tarehy ary tendrombohitra avo ireo. Tsy mahafinaritra ve eto? Jereo ny fomba fihinan’ilay diera eo amin’ny tanan’ilay zazalahy kely. Ary jereo ny liona sy ny soavaly mitsangana erỳ amin’ny ahi-maitso erỳ. Tsy ho tianao ve ny hipetraka ao amin’ny trano iray eo amin’ny toerana toy izao?

Irin’Andriamanitra ny hahavelomanao mandrakizay eto an-tany ao amin’ny paradisa. Ary tsy iriny ny hahitanao ny fahoriana sy ny fanaintainana izay mampijaly ny olona ankehitriny. Izao no fampanantenana omen’ny Baiboly an’ireo izay hiaina ao amin’ny paradisa vaovao: ‘Ho eo amin’izy ireo Andriamanitra. Tsy hisy fahafatesana na ranomaso na fanaintainana intsony. Efa lasa ny zavatra taloha.’

Hataon’i Jesosy izay hitrangan’izany fiovana mahatalanjona izany. Fantatrao ve hoe rahoviana? Eny, aorian’ny fanadiovany ny tany amin’ny faharatsiana sy ny olona ratsy fanahy rehetra. Tadidio fa fony i Jesosy tetỳ an-tany dia nanasitrana ny olona tamin’ny karazan’aretina rehetra, ary nanangana olona tamin’ny maty mihitsy. Nataon’i Jesosy izany mba hampisehoana izay hataony manerana ny tany rehetra rehefa ho tonga Mpanjakan’ny fanjakan’Andriamanitra izy.

Hevero ange fa tena hahatalanjona izany paradisa vaovao eto an-tany izany! I Jesosy, miaraka amin’ny sasany amin’ireo hofidiny, dia hanapaka any an-danitra. Ireo mpanapaka ireo dia hikarakara ny olona tsirairay avy eto an-tany ary hanao izay hahasambatra azy. Aoka hojerentsika izay ilaintsika hatao mba hahazoana antoka fa homen’Andriamanitra antsika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisany vaovao.

Apokalypsy 21:3, 4; 5:9, 10; 14:1-3.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara