Boky Atolotra
Ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra dia ho zava-dehibe lavitra ho an’ny olombelona noho izay rehetra mety ho fisehoan-javatra hafa eo amin’ny Tantara. Koa ilaina ny hahazoantsika fanazavana tanteraka ny amin’io Fanjakana io.
Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika ny amin’io raharaha lehibe io aminao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao, ary izany dia maimaimpoana. Ampy anao ny manoratra any amin’ny sampana ao amin’ny taninao, izay ny adiresiny dia voalaza ao amin’ny pejy farany amin’ity boky ity, mba hangatahana fiaraha-midinika toy izany. Hisy Vavolombelona mahay hitsidika anao sy hanampy anao hahazo fahalalana mazava ny amin’ilay Fanjakana. Angamba amin’izany ianareo dia hampiasa ireo fanontaniana voasoratra ao amin’ity boky ity.
Olona an-tapitrisany maro avy amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao no efa nandray soa tamin’izany fanampiana maimaimpoana izany. Azonao atao koa ny mahazo valiny mahafapo izay hanampy anao hanorina finoana mafy ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ho tianao ve ny hamaky ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny fandikan-teny frantsay marina sy mora azo iray? 40 000 000 mahery amin’ny “Saintes Ecritures — Traduction du monde nouveau” amin’ny fiteny maromaro no efa natonta. Mba hahafantarana ny fomba hahazoanao anankiray amin’izany, dia manorata amin’ny sampana ao amin’ny tany anankiray izay ny adiresy dia voalaza ao amin’ny pejy faha-192.