Nahoana no maty ny olona?
8 Tian’i Jehovah Andriamanitra ny hanaovan’ny olona ny tany manontolo ho tsara tarehy, dia paradisa iray hifalian’ny rehetra.—Genesisy 1:28
Nety ho afaka niaina mandrakizay ny olombelona raha nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva. Nilazana izy ireo mba tsy hihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.—Genesisy 2:15-17
9 Nanjary ratsy ny anjely iray ka nampiasa bibilava mba hitarika an’i Eva sy Adama tsy hankatò an’Andriamanitra.—Genesisy 3:1-6
10 Nanjary nantsoina hoe ‘ilay menarana tany am-boalohany, dia Devoly sy Satana’ ilay anjely namitaka an’i Eva.—Apokalypsy 12:9
11 Noroahin’i Jehovah tsy ho ao amin’ny paradisa io mpivady tsy nankatò io.—Genesisy 3:23, 24
12 Nanana zanaka i Adama sy Eva, nefa tsy sambatra ilay fianakaviana manontolo.—Genesisy 3:17, 18
13 Tsy maintsy nihantitra sy maty izy ireo, araka ny nolazain’i Jehovah.—Genesisy 3:19; Romanina 5:12
14 Koa maty izy ireo, toy ny biby.
Tsy maintsy maty daholo ny zavamananaina eto an-tany.—Mpitoriteny 3:18-20