FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 10 p. 78-86
  • Fanjakana Iray “Tsy ho Rava”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakana Iray “Tsy ho Rava”
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizahana mitondra fampaherezana
  • Ireo zava-kendreny — Ny fomba hahatratrarany izany
  • Zava-bitany efa miharihary
  • Maharitra ilay fanjakana
  • Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Fanjakan’Andriamanitra​—Ilay Fanapahana Vaovaon’ny Tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 10 p. 78-86

Toko 10

Fanjakana Iray “Tsy ho Rava”

1, 2. a) Zava-misy inona no antitranterin’ireo zava-miseho eo amin’izao tontolo izao isan’andro, ary amin’ny fomba ahoana? b) Inona no hany fanafodiny?

IREO zava-miseho eo amin’izao tontolo izao dia manamafy fa tsy nahita fahasambarana ny olombelona tamin’ny fandavana ny fiandrianan’i Jehovah sy tamin’ny fanandramana hanapa-tena kosa. Tsy misy karazana fitondram-panjakan’olombelona na dia iray aza nitondra soa tamin’ny fomba tsy nisy avakavaka ho an’ny taranak’olombelona rehetra. Na dia nahatratra fari-pahalalana ara-tsiansa mbola tsy hita hatramin’izay aza ny olombelona, dia tsy afaka namongotra ny ota, nandresy ny aretina na namarana ny fahafatesana, na dia ho an’ny iray tamin’ireo olom-peheziny aza. Mifanohitra amin’izany kosa fa manohy mamorona fitaovam-piadiana vaovao sy mampihoron-koditra hatrany foana ireo firenena. Miroborobo ny herisetra sy ny heloka bevava. Ny fitambaran’ny haitao sy ny faniriana mihoa-pampana ary ny tsy fahalalana dia mitarika ho amin’ny fandotoana ny tany sy ny rano ary ny rivotra. Ny fisondrotan’ny vidim-piainana izaitsizy sy ny tsy fananana asa dia manasarotra tsy misy ohatra izany ny fahazoan’ny olona maro izay ilainy eo amin’ny fiainana. Mitady ala olana mafy ny olona. — Mpit. 8:9.

2 Inona no fanafodiny? Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hangatahany amin’ny vavaka. (Matio 6:9, 10). Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika satria efa antomotra dia antomotra ankehitriny ny fanamaivanana hoentin’izy io!

3. a) Mifandray amin’io Fanjakana io, inona no nitranga tany an-danitra tamin’ny 1914? b) Nahoana izany no zava-dehibe ho antsika?

3 Nanomboka tamin’ny 1914 sahady dia efa niasa ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy.a Tamin’io taona io, dia tena nitranga tany an-danitra tokoa ireo fisehoan-javatra hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana ara-paminaniana iray. Ny “Fahagola”, izany hoe i Jehovah Andriamanitra, dia nanome an’ilay zanak’olona, i Jesosy Kristy, “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana (...), mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. Nitantara io fahitana io i Daniela ka nanoratra hoe: “Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Dan. 7:13, 14). Amin’ny alalan’io Fanjakana io no hanaovan’Andriamanitra izay hankafizan’ireo tia ny fahamarinana ireo zava-tsoa tsy hita isa tafiditra tao amin’ny fikasany fony izy nametraka ireo ray aman-drenintsika olombelona voalohany tao amin’ny Paradisa.

4. Tsipirian-javatra inona avy momba ilay Fanjakana no mahaliana antsika aoka izany, ary nahoana?

4 Liana aoka izany amin’ny firafitr’io fitondram-panjakana io sy ny fomba fiasany ireo olom-pehezina mahatokin’io Fanjakana io. Maniry hahafantatra izay ataon’izy io amin’izao fotoana izao, izay hotanterahiny amin’ny hoavy ary izay takiny aminy, izy ireo. Mandinika akaiky azy io izy ireo ary, eo am-panaovany izany, dia mihamitombo ny fankasitrahany ka mivonona hilaza amin’ny hafa momba azy io izy ireo. — Sal. 48:12, 13.

Fizahana mitondra fampaherezana

5. a) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina hoe ny fiandrianan’iza no aseho amin’ny alalan’ilay Fanjakana Mesianika? b) Inona no vokatr’izay ianarantsika momba ilay Fanjakana eo amintsika?

5 Ny iray amin’ireo zavatra voalohany ahariharin’izany fandinihana izany dia hoe io Fanjakana Mesianika io dia fanehoana ny fiandrianan’i Jehovah. Izy no nanome “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” ho an’ny Zanany. Noho izany, rehefa avy nanomboka nanapaka io Fanjakana io, dia nisy feo tany an-danitra nanao izao fanambarana nety tokoa izao: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah Andriamanitra] sy ny Kristiny; ary Izy [Jehovah] no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apok. 11:15). Izay rehetra voadinitsika momba io Fanjakana io sy izay tanterahiny àry dia mitarika antsika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah mihitsy. Izany dia mampitombo ao amintsika ny faniriana hanaiky ny fiandrianany mandrakizay.

6. Nahoana no mahaliana antsika manokana ny maha-Mpanapaka lefitr’i Jehovah an’i Jesosy Kristy?

6 Zavatra tsara dia tsara tokoa ny nametrahan’i Jehovah an’i Jesosy Kristy eo amin’ny seza fiandrianany amin’ny maha-mpanapaka lefiny! Amin’ny maha-Mpiasa Faran’izay Mahay nampiasain’Andriamanitra mba hanao ny tany sy ny olombelona azy, i Jesosy dia mahafantatra tsara kokoa noho na iza na iza amintsika izay zavatra ilaintsika. Ambonin’izany, tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona izy dia efa naneho ny ‘fitiavany ny zanak’olombelona’. (Ohab. 8:30, 31, NW; Kol. 1:15-17). Lehibe aoka izany izany fitiavany izany, hany ka tonga teto an-tany mihitsy ny tenany ary nanome ny ainy ho avotra ho azy ireo. Tamin’izany izy dia nanome ny fomba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana, ary koa ny fahafahana hanana fiainana mandrakizay. — Matio 20:28.

7. a) Mifanohitra amin’ny fanapahan’olombelona na iza izany na iza, nahoana no haharitra io fitondram-panjakana io? b) Inona no fifandraisana misy eo amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ny fitondram-panjakana any an-danitra?

7 Fitondram-panjakana miorina mafy sady maharitra izy io. Ny maha-maharitra azy dia azo antoka, noho i Jehovah tsy mety azon’ny fahafatesana. (Hab. 1:12, NW; Sal. 146:3-5, 10). Mifanohitra amin’ireo mpanjaka olombelona, i Jesosy Kristy, ilay nanankinan’Andriamanitra ny fitondrana, koa dia tsy mety maty. (Rom. 6:9; 1 Tim. 6:15, 16). Ho tafaray amin’i Kristy eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra dia hisy 144 000 hafa, mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika izay nalaina avy tamin’ny “fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra”. Ireo koa dia omena fiainana isian’ny tsy fahafatesana. (Apok. 5:9, 10; 1 Kor. 15:42-44, 53). Efa any an-danitra ankehitriny ny ankamaroan’izy ireo, ary ny sisa aminy izay mbola eto an-tany dia mahaforona ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina’, izay mampandroso amim-pahatokiana ireo tombontsoan’izany Fanjakana izany eto an-tany. — Matio 24:45-47, NW.

8, 9. a) Hery mitaona mampisaratsaraka sy manimba inona avy no hesorin’ilay Fanjakana? b) Koa raha tsy maniry ny ho tonga fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra àry isika, fandaminana sy fanaovan-javatra inona avy no tsy hifandraisantsika?

8 Tsy ho ela izao, amin’ny fotoana voatendriny, i Jehovah dia haniraka ireo tafiny mpanatanteraka ny didim-pitsarany mba hanadio ny tany. Handringana mandrakizay ireo olombelona izay nifidy ny tsy hahafantatra an’Andriamanitra, tsy mety manaiky ny fiandrianany ary mandray amim-panamavoana ireo fandaharana feno fitiavana izay nataony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izy ireo. (2 Tes. 1:6-9). Izany no ho andron’i Jehovah, dia ilay fotoana nandrasana hatramin’ny ela ho fanamarinana azy amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao azy.

9 Ny fivavahan-diso rehetra, ary koa ireo fitondram-panjakan’olombelona rehetra sy ny tafiny, izay nampiasain’ilay mpanapaka ratsy tsy hita mason’ity tontolo ity tamim-pitiavan-tena, dia hofoanana mandrakizay. Ireo rehetra mampahafantatra ny tenany ho anisan’ity tontolo ity amin’ny fanarahana ny fomba fiainany feno fitiavan-tena sy ny fanaovana ny tsy marina ary ny fahalotoam-pitondran-tena dia horinganina amin’ny fahafatesana. Hesorina tsy hifampikasoka amin’ny mponin’ny tany i Satana sy ireo demoniany, satria ho voagadra tsara mandritra ny arivo taona. Ho fanamaivanana toy inona moa izany ho an’ireo rehetra tia ny fahamarinana! — Apok. 18:21, 24; 19:11-16, 19-21; 20:1, 2.

Ireo zava-kendreny — Ny fomba hahatratrarany izany

10. a) Ahoana no hanatanterahan’ilay Fanjakana Mesianika ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tany? b) Hilaza inona izany ho an’ny olona hiaina eto an-tany amin’izany fotoana izany?

10 Io Fanjakana Mesianika io dia hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany tany am-boalohany. (Gen. 2:8, 9, 15; 1:28). Hatramin’izao, dia tsy nahavita nahatanteraka izany fikasana izany ny olombelona. Kanefa, “ilay tany honenana ho avy” dia nampanekena ny zanak’olona, dia i Jesosy Kristy. Ireo rehetra ho tafita velona amin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ity fandehan-javatra tranainy ity dia hiara-miasa amim-piraisan-tsaina eo ambany fitarihan’i Kristy ho Mpanjakany, ka ho faly hanao izay rehetra hasainy hatao mba hahatongavan’ny tany manontolo ho Paradisa. (Heb. 2:5-9, NW ). Ny taranak’olombelona rehetra dia hifaly amin’ny asan’ny tanany ary handray soa feno avy amin’ny vokatra tondraky ny tany. — Sal. 72:1, 7, 8, 16-19; ampitahao amin’ny Isaia 65:21, 22.

11. a) Amin’ny fomba ahoana no hanomezana fahatanterahana ara-batana sy ara-tsaina an’ireo olom-pehezin’ilay Fanjakana? b) Inona no ho tafiditra amin’izany?

11 Fony noforonina i Adama sy i Eva, dia tanteraka, ary ny fikasan’Andriamanitra dia ny hamenoana ny tany amin’ny taranany, ka izy rehetra ireo dia hanana fahatanterahana ara-tsaina sy ara-batana. Eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, dia ho tonga zavatra tena misy be voninahitra izany fikasana izany. Izany dia hitaky ny fanesorana ny vokatra rehetran’ny ota, ka mba hahatongavana amin’izany, dia tsy ho Mpanjaka fotsiny i Jesosy fa ho Mpisoronabe koa. Hanampy amim-paharetana ireo olom-peheziny mankatò mba handray soa avy amin’ny famelan-keloka atolotry ny fanaovany sorona ny ain’olombelona nananany izy. Hahiratra ny mason’ny jamba. Halady ny sofin’ny marenina. Hanjary ho tsara noho ny an’ny zazakely ny nofo rotidrotiky ny fahanterana na ny aretina. Hisolo toerana ny aretina mitaiza ny fahasalamana tonga lafatra. Ho avy ny andro izay tsy hananan’ny olona na iza na iza antony hilazana hoe “Marary aho”, satria ny olombelona matahotra an’Andriamanitra amin’izay dia ho nafahana tamin’ny enta-mavesatry ny ota sy ny vokany mampalahelo. — Ampitahao amin’ny Isaia 33:22, 24; 35:5, 6; Joba 33:25; Lioka 13:11-13.

12. a) Zavatra hafa inona koa no takina mba hahatongavana amin’ny fahatanterahan’olombelona? b) Ahoana no hahatanterahan’izany, ary inona no ho vokany?

12 Mba hahatratrarana ny fahatanterahana anefa, dia zavatra hafa mihoatra noho ny fahazoana vatana salama sy saina salama no ilaina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana taratra araka ny tokony ho izy ireo toetra tsara mahaforona ny maha-izy an’i Jehovah, satria ny olombelona dia natao ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra, araka ny tarehiny’. (Gen. 1:26). Mba hahatongavana amin’izany, dia ilaina ny fampianarana be dia be. Io Fandehan-javatra Vaovao io dia “itoeran’ny fahamarinana”, hany ka nilaza mialoha i Isaia mpaminany fa “fahamarinana tokoa no hianaran’ny mponina amin’ilay tany mahavokatra”. (2 Pet. 3:13; Isaia 26:9, NW ). Mitarika ho amin’ny fisian’ny fihavanana io toetra io — eo amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, eo amin’ny mpiara-miasa akaiky, eo anivon’ny fianakaviana ary indrindra indrindra, amin’Andriamanitra mihitsy. (Isaia 32:17, NW; Sal. 85:10-13). Ireo izay mianatra fahamarinana dia hampianarina miandalana momba ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’izy ireo. Arakaraka ny iorenan’ny fitiavana ireo lalan’Andriamanitra lalina ao am-pony, dia hanaraka izany eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany izy ireo. I Jesosy, lehilahy tanteraka, dia afaka niteny hoe: ‘Izaho manao izay sitraky ny Raiko mandrakariva.’ (Jaona 8:29). Hahafinaritra toy inona moa ny fiainana rehefa ho marina izany amin’ny olombelona rehetra!

Zava-bitany efa miharihary

13. Ampiasao ireo fanontaniana etsy ambony mba hanasongadinana ireo zava-bitan’ilay Fanjakana sy izay tokony hataontsika noho izany.

13 Ireo zava-bitan’ilay Fanjakana manaitra dia efa miharihary mazava tsara amin’ireo olona manana mason’ny finoana. Ireo fanontaniana sy andinin-teny voalaza manaraka dia hampahatsiahy anao ny amin’ny sasany amin’izany, sy ny amin’ireo zavatra izay azon’ny olom-pehezin’ilay Fanjakana atao ary tokony hataony ankehitriny:

Ho famelezana an’iza ny zavatra voalohany nataon’ilay Mpanjaka, ary inona no vokatr’izany? (Apok. 12:7-10, 12).

Ny fanangonana ireo mpikambana sisa ao amin’ny antokon’olona iza no nasiana fiheverana haingana taorian’ny nanomezana ny fiandrianana an’i Kristy? (Matio 24:31; Apok. 7:1-4).

Ao amin’ny Matio 25:31-33, asa hafa inona no nolazain’i Jesosy mialoha fa hataony aorian’ny handraisany ny fiandrianana sy alohan’ny handringanany ny ratsy fanahy?

Amin’ny fomba ahoana no anatanterahana io asa io? Iza no mandray anjara amin’izany? (Matio 24:14; Sal. 110:3; Apok. 14:6, 7).

Nahoana no tsy afaka nampitsahatra azy io ireo mpanohitra ara-politika sy ara-pivavahana? (Asa. 5:38, 39; Zak. 4:6).

Ho vokatr’ilay asa fampianarana tanterahina amin’izao fotoana izao, fiovana inona avy no efa mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona manaiky ny fanapahan’ilay Fanjakana? (Isaia 2:4; 1 Kor. 6:9-11).

Maharitra ilay fanjakana

14. a) Hanjaka mandritra ny hafiriana i Kristy? b) Inona no hotanterahina mandritra izany fotoana izany?

14 Aorian’ny fanipazana an’i Satana sy ireo demoniany any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, dia hanapaka mandritra ny arivo taona i Jesosy Kristy miaraka amin’ireo mpiara-mandova aminy 144 000. (Apok. 20:6). Mandritra izany fotoana izany, dia hotarihina ho amin’ny fahatanterahana ny olombelona. Hesorina ny fanapahana sy fahefana ary hery rehetra manohitra an’i Jehovah. Rehefa vita izany, dia hamerina ilay Fanjakana amin’ny Rainy i Jesosy, “mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany”. — 1 Kor. 15:24, 28.

15. Amin’ny heviny ahoana no maha-marina ny hoe ‘tsy ho rava mandrakizay’ io Fanjakana io?

15 Noho izany, dia hiova àry ny toerana tanan’i Jesosy raha ny amin’ny tany. Na dia izany aza, ny fanapahany dia ho “mandrakizay”, ary ny Fanjakany “tsy ho rava”. (Dan. 7:14). Amin’ny heviny ahoana? Amin’ny heviny hoe tsy hafindra ho eo an-tanan’olon-kafa manana zava-kendrena hafa noho ny azy ny fahefana. Ireo zava-bitan’ilay Fanjakana koa dia “tsy ho rava”. Hitoetra mandrakizay izay ataon’ilay Fanjakana ho fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany momba ny tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, pejy 127-139.

Famerenana

● Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no ny hany fanafodin’ny zava-manahirana ny olombelona? Oviana izy io no nanomboka nanapaka?

● Inona no tena manintona anao momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hotanterahiny? Nahoana?

● Zava-bitan’ilay Fanjakana inona avy no hitantsika sahady? Inona no anjara asantsika amin’izany?

[Sary, pejy 84, 85]

Fahamarinana no hianaran’ny olona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara