Hira 69
Mahafoy Tena ho An’Andriamanitra Sady Mahay Mianina
1. Ho be ny fitahiana
Raha mianina isika,
Ka mankatò amin’ny fo
Ny Tenin’i Jehovah.
Mahasoa antsika foana
Ny fahafoizan-tena.
Koa mazotoa Isan’andro
Manao ny fanompoana.
2. Aok’ isika ho faly
Sy hianina hatrany.
Tompoy i Jah, Mpamorona;
Torio ny Fanjakany.
Ny lalan’ny famonjena
No arahintsika foana.
Banjino koa ny valisoa,
Miandrasa an’i Jehovah.
3. Isaorantsika i Jah,
Satria miahy antsika.
’Zay tia azy arovany,
Na dia voasedra aza.
Henoy hatrany Jehovah,
Esory ny fanahiana.
Ho haintsika ny hianina
No sady hahafoy tena.