Hira 116
‘Tsy Maintsy Ampiantsika Ireo Mila Ampiana’
1. Maro ny fahalemena
Ananantsika,
Kanefa i Jehovah
Dia tia antsika.
Mamindra fo izy,
Maniry hanampy.
Tahafo i Jehovah,
Ampio ny hafa.
2. Aza manameloka
Ireo malemy.
Miezaha ho tsara fanahy,
Ka hifanampy.
Teny mampahery
No tena ilainy.
Izay no hampifaly,
Hampionona azy.
3. Nasehon’i Paoly fa
Tena ilaina
Ny manampy ny hafa
Sy mangoraka.
Ianao matanjaka,
Ampio ny reraka.
Kristy namoy ny ainy
Hamonjy azy.
4. Tsy maintsy ampiantsika
’Reo mila ampiana.
Hotahina isika,
Hoy ’lay Raintsika.
Ampio ny malemy,
Jehovah tia azy.
Hahita fiadanana
’Reo mangoraka.