Hira 125
Jehovah no eo Anilako
1. Mitoky amin’i Jehovah
Ny foko sy ny saiko.
Ny hankatò ny didiny
No tena faniriako.
Ny fiainana ahitana
’Reo zava-mampahory,
Fa eo anilako i Jah,
Be ny hatsaram-pony.
(Averina isan’andininy)
2. Hosedraina ny finoako,
Handalo fitsapana.
Mandrahona hamely ahy
Ny olon’i Satana.
Kanefa tsy ho resy aho,
Jehovah no manampy.
’Zay tia azy anehoany
Ny firaiketam-pony.
(Averina isan’andininy)
3. Ny vahoakan’i Jehovah
Dia mihamaro hatrany,
Mitandrina ny didiny,
Manao ny sitrapony.
Tian’i Jehovah izy ’reo,
Omeny fanampiana.
Koa tapa-kevitra aho fa
Hidera an’i Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Jehovah eo anilako;
Ny anarany hoderaiko.