Hira 199
“Miovaova ny Sehatr’ity Tontolo Ity”
1. Jehovah nanao ny tany,
Kanefa simba izany.
Ho sitrana ny voary;
’Zay no andrasantsika.
(Averina isan’andininy)
2. ’Reo fahavalo masiaka,
Manohitra ny asantsika.
Mifaly anefa isika,
Handresy tsy ho ela.
(Averina isan’andininy)
3. Mamitaka ny Devoly,
Manao izay hampahory.
’Reo mianatra ny Baiboly,
Dia tsy mba hivadika.
(Averina isan’andininy)
4. Hifarana tsy ho ela
Ny tontolon’i Satana.
Torio ilay Fanjakana,
Miandrasa an’i Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Miova ny sehatry ny tontolo,
Nefa Jehovah hanolo
Ny tany ho Paradisa.