Miandry ny Andian’ondrin’Andriamanitra ao Anatin’ny Firaisan-tsaina Izy Ireo
Misy manontany hoe: ‘Ahoana no fomba itondrana ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany?’ Ny avalinay dia hoe: Araka ny ohatra naorin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany.
Tao anatin’ireo taona 1870, i Charles Russell sy ireo namany dia tapa-kevitra ny hamoaka ny vokatry ny fikarohana nataon’izy ireo sy ny fianarany ny Baiboly tamin’ny alalan’ny lahateny sy ny zavatra vita an-tsoratra. Ireo izay, tao amin’ilay tany, ka niara-nanao an’io asa io, dia nihevitra an’i Russell sy ireo mpiara-miasa taminy ho antokon’olona nanana fanandraman-javatra lehibe teo amin’ny asan’ny Tompo, ary olona azony nangatahana torohevitra nifandray tamin’ny asan’izy ireo.
Tamin’ny 1884, ny Zion’s Watch Tower Tract Society dia naorina nifanaraka tamin’ireo lalàn’ny Commonwealth any Pennsylvanie. Nitantana an’io fikambanana io i Russell sy ireo mpikambana taminy lehibe indrindra, ary nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Tamin’ny 1909 izy ireo dia namindra ireo biraony ho any Brooklyn. Rehefa nandeha ireo taona, ireo tonian’ny Fikambanana Watch Tower mbamin’ny mpiara-miasa hafa manana ireo toetra ara-panahy ilaina sy voahosotra, dia nahaforona ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny Fitambara-mpitantana dia voaforon’ny antokon’olona kristianina voahosotra (10 tamin’ny 1999), ka ny fito aminy dia anisan’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana Watch Tower. Mitarika ireo asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izy ireo. Noho izy ireo tsy mahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra, dia mety diso izy ireo; miankina amin’ny Tenin’Andriamanitra tsy mety diso, ny fahefana ambony indrindra ambonin’ny tany, anefa izy ireo, ary manana fanandraman-javatra tamin’ny fiainana manontolo nanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia efa tao amin’ny fanompoana manontolo andro niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny 60 taona, tamin’ny antsalany.
Ny Fitambara-mpitantana no mitarika ny fanaovana ireo zavatra soratan’ny Fikambanana. Ny fifidianana ireo foto-kevitra dia arakaraka izay zavatra ara-panahy ilain’ny andian’ondry, ary ireo zavatra voasoratra dia vokatry ny fianarana feno ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikarohana atao amin’ny alalan’ny vavaka. Koa satria ireo olona ireo mianatra tsy an-kijanona ny Baiboly, manaraka akaiky ny fahatanterahana miandalan’ny fikasan’Andriamanitra, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny fisehoan-javatra maneran-tany ary ny toeran’ny olon’Andriamanitra, oharina amin’izao tontolo izao, indraindray izy ireo dia tsy maintsy manao fanitsiana, izay manome fahazavana ara-panahy, raha ny amin’ny fahatakarana ny fampianarana sasany. Amin’izany dia mitombo kokoa ihany ny fahalalana ny fahamarinana. — Salamo 97:11; Ohabolana 4:18; Daniela 12:4.
Any amin’ny tsirairay avy amin’ireo sampana maherin’ny 100 maneran-tany, ny Fitambara-mpitantana dia nanendry Komitin’ny Sampana voaforon’ny lehilahy telo, fara fahakeliny, mahafeno fepetra ara-panahy, tendreny hitarika ny asa atao any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 230. Ireo sampana dia mitana fifandraisana akaiky amin’ireo kongregasiona iandraiketany. Mifandray mandrakariva amin’ireo Komitin’ny Sampana ny Fitambara-mpitantana, ary isan-taona ireo mpikambana ao amin’io Fitambara-mpitantana io dia mitsidika sampana maro mba hahafantarana ny tarehin-javatra ao amin’ny tsirairay avy aminy.
Tsy manjaka eo amin’ny finoan’ireo namany akory ireny lehilahy ireny; izy ireo dia mpitory miasa mafy mba hianaran’ny hafa hahalala ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mitady tombony ara-bola izy ireny; omena izay zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izy ireny, sahala amin’ny fomba anomezana izany ny mpikambana hafa ao amin’ny Betela. Manompo amim-pahatokiana izy ireo; izany dia porofoin’ny zotom-po, ny firaisan-tsaina, ny fari-pitondran-tena ambony sy ny fifikirana amin’ny Baiboly asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. — 1 Korintiana 3:5-9; 4:1, 2; 2 Korintiana 1:24; 3:1-3; 1 Petera 5:2, 3.
• Ahoana no fomba itondrana ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
• Iza amin’izao andro izao no anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary inona avy no andraikitr’ireo lehilahy ireo?
• Ahoana no fomba itarihana ny asa any amin’ireo tany hafa?
[Sarintany, pejy 26]
(Jereo ny bokikely)
Faritany anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sitrapon’Andriamanitra
[Sary, pejy 26]
Prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny lasa
Charles Russell, 1884-1916
Joseph Rutherford, 1917-1942
Nathan Knorr, 1942-1977
Frederick Franz, 1977-1992
[Sary, pejy 27]
Ny sasany amin’ireo sampana itantanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany
Kanada
Zambia
Alemaina
Japon
Aostralia
Brezila