FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • re toko 9 p. 41-47
  • Mifikira Amin’ny Anaran’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifikira Amin’ny Anaran’i Jesosy
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaoman-dratsy
  • Halaviro ny fisaratsarahana!
  • ‘Mana nafenina sy vatokilonjy fotsy’
  • Miteny Amin’ny Fiangonana i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Pergamosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Henoy izay lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fandraisan-tsoa Amin’ny “Varin’ny Lanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
re toko 9 p. 41-47

Toko 9

Mifikira Amin’ny Anaran’i Jesosy

PERGAMOSY

1. Iza no fiangonana nandray ny hafatr’i Jesosy nanaraka, ary nanao ahoana ilay tanàna niainan’ireo Kristianina tany?

TONGA any Pergamosy (Bergama ankehitriny) isika, raha mandeha 80 kilaometatra manaraka ny morontsiraka avy any Smyrna, ary miditra 25 kilaometatra mamakivaky ny lohasahan’ny Reniranon’i Caïque. Nalaza tao ny tempolin’i Zeosy, na Jopitera. Nentin’ny mpikaroka ho any Alemaina ny alitaran’io tempoly io, tamin’ny taonjato faha-19. Mbola any amin’ny Tranombakoka Pergamon, any Berlin, izy io sy ny sarivongana ary sary mivohitran’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy maro. Inona no hafatr’i Jesosy Tompo ho an’ilay fiangonana teo anivon’izany fanompoan-tsampy izany?

2. Inona no noresahin’i Jesosy momba ny tenany, ary inona no dikan’ilay hoe manana “sabatra roa lela” izy?

2 Milaza ny momba azy aloha i Jesosy hoe: “Ary soraty izao ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Pergamosy: Izao no lazain’ilay manana sabatra roa lela izay sady lava no maranitra.” (Apokalypsy 2:12) Averin’i Jesosy eo ny fanazavana momba azy, tao amin’ny Apokalypsy 1:16. Mpitsara sy Mpandringana izy, ka hamely an’ireo manenjika ny mpianany. Tena mampahery antsika izany! Aoka koa anefa isika handray fampitandremana momba ny didim-pitsarana mahakasika ireo eo anivon’ny fiangonana. Hanao zavatra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, “Anjelin’ny fanekena”, mantsy i Jehovah, ka “ho vavolombelona faingana” hamely an’ireo mitonona ho Kristianina nefa manompo sampy, maloto fitondran-tena, mandainga, manao ny tsy marina, ary tsy mikarakara ny sahirana. (Malakia 3:1, 5; Hebreo 13:1-3) Tsy maintsy arahintsika àry ny torohevitra sy fananarana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy!

3. Inona no fivavahan-diso nisy tany Pergamosy, ary nahoana no lazaina hoe tany ny “seza fiandrianan’i Satana”?

3 Hoy i Jesosy tamin’ilay fiangonana: “Fantatro hoe aiza no misy anao, dia ao amin’izay misy ny seza fiandrianan’i Satana.” (Apokalypsy 2:13a) Voahodidin’ny fivavahana tamin’i Satana tokoa ireo Kristianina ireo. Nisy toerana masina ho an’i Esculape, andriamanitry ny fanasitranana tao, ankoatra ilay tempolin’i Zeosy. Nalaza koa i Pergamosy, noho izy foiben’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. Midika hoe “Mpanohitra” ilay teny hebreo nadika hoe “Satana.” Ny ‘seza fiandrianany’ kosa dia manondro ny fitondrany eran-tany, mbola avelan’Andriamanitra hisy. Niorina tsara tany Pergamosy ny ‘seza fiandrianan’i’ Satana, rehefa jerena ny fanompoan-tsampy nanjaka tao. Mivavaka aminy raha ny marina ireo mpanindrahindra firenena, ka tezitra izy satria tsy manao izany ny Kristianina!

4. a) Inona no teny fiderana nataon’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Pergamosy? b) Inona no nosoratan’i Pline ho an’ny Mpanjaka Trajan, momba ny zavatra natao tamin’ny Kristianina? d) Inona no nataon’ny Kristianina tany Pergamosy, na dia teo anatrehan’ny loza aza?

4 Tany Pergamosy tokoa ny “seza fiandrianan’i Satana.” Hoy indray i Jesosy: “Mifikitra amin’ny anarako foana anefa ianao, ary tsy nolavinao ny finoanao ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, dia ilay vavolombeloko mahatoky, izay novonoina teo aminareo, eo amin’izay onenan’i Satana.” (Apokalypsy 2:13b) Teny fiderana mampahery izany! Maty maritiora i Antipasy, satria tsy nety nanao fombafomba fivavahana tamin’ny demonia, na nivavaka tamin’ny mpanjaka romanina. Nanoratra ho an’i Trajan, mpanjakan’i Roma, i Pline Zandriny, solontenan’ny mpanjaka, tsy ela taorian’ny nahazoan’i Jaona an’io faminaniana io. Nohazavainy ny zavatra ataony amin’ireo ampangaina ho Kristianina, ary neken’ilay mpanjaka izany. Nafahana ireo nanda tsy ho Kristianina, ka nanao araka ny nosoratan’i Pline toy izao: “Naverin’izy ireo ny fiantsoako an’ireo andriamanitra, nanolotra emboka manitra sy divay ho an’ny sarinao [an’i Trajan] izy ireo, ... ary nanozona an’i Kristy.” Novonoina kosa izay hita fa Kristianina. Tsy nanda ny finoany anefa ny Kristianina tany Pergamosy, teo anatrehan’izany loza izany. ‘Nifikitra tamin’ny anaran’i Jesosy foana’ izy ireo, izany hoe nanaiky ny fahefany, noho izy Mpanamarina ny zon’i Jehovah hitondra sady Mpitsara voatendriny. Nanaraka tamim-pahatokiana ny dian’i Jesosy izy ireo, ka nijoro ho vavolombelon’ilay Fanjakana.

5. a) Inona ankehitriny no mitovy amin’ny fivavahana amin’ny mpanjaka, ka nahatonga fitsapana mafy ho an’ny Kristianina? b) Inona no fanampiana nomen’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny Kristianina?

5 Imbetsaka i Jesosy no nampahafantatra fa i Satana no mitondra ity tontolo ratsy ity. Tsy nanana fahefana taminy anefa i Satana, noho izy tsy nivadika. (Matio 4:8-11; Jaona 14:30) Niady mba hifehy an’izao tontolo izao ireo firenena matanjaka ankehitriny, indrindra fa ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo.” (Daniela 11:40) Ampirisihina mafy ho tia tanindrazana ny olona, ary mitovy amin’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka fahiny ny fanindrahindram-pirenena eran-tany. Namoaka lahatsoratra momba ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1939 (anglisy) sy 1 Mey 1980, ary 1 Desambra 1986. Nolazaina mazava tao ny fampianaran’ny Baiboly momba io raharaha io, ary nomena toromarika ny Kristianina te handeha amin’ny anaran’i Jehovah sy handresy an’izao tontolo izao, toa an’i Jesosy.—Mika 4:1, 3, 5; Jaona 16:33; 17:4, 6, 26; 18:36, 37; Asan’ny Apostoly 5:29.

6. Inona no mampiseho fa toa an’i Antipasy tsy nivadika ny Vavolombelona ankehitriny?

6 Nilaina maika ireny torohevitra ireny. Tsy maintsy niorina mafy tamin’ny finoana ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra sy ny namany, mba tsy ho voafitaky ny fitiavan-tanindrazana tsy araka ny tokony ho izy. An-jatony ny ankizy sy mpampianatra noroahina tany am-pianarana tany Etazonia, satria tsy nanangan-tsaina. Nenjehina mafy koa ny Vavolombelona tany Alemaina, noho izy ireo tsy naneho fihetsika fanajana manokana ny lakroa nazia. Efa noresahintsika fa namono mpanompon’i Jehovah nahatoky an’arivony ny Nazia notarihin’i Hitler, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fomba fivavahana manindrahindra firenena izy ireo. Nisy anabavy mpisava lalana roa koa nazoto nitory tany Taïwan, teo anelanelan’ny 1930 sy 1940. Nofehezin’ny Japoney i Taïwan tamin’izay, ary niroborobo be ny fivavahana tamin’ny mpanjaka shintoista. Nogadrain’ny miaramila ireo anabavy roa, ary maty tany ny iray, noho ny fampijaliana nihatra taminy. Nafahana ilay iray tatỳ aoriana, nefa novonoina sahala amin’i Antipasy ihany avy eo, satria notifirina avy tao andamosiny. Mbola misy tany ankehitriny manery ny vahoakany hanompo ny Tanindrazana sy hivavaka amin’ny sainam-pirenena. Maro ny tanora Vavolombelona nogadraina, ary nisy novonoina ho faty, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Raha tanora miatrika tarehin-javatra toy izany ianao, dia ianaro isan’andro ny Tenin’Andriamanitra mba ‘hanam-pinoana ho amin’ny famonjena ny aina’ ianao, ka hiaina mandrakizay.—Hebreo 10:39–11:1; Matio 10:28-31.

7. Ahoana no niatrehan’ny ankizy tany Inde ny raharaha momba ny fanindrahindram-pirenena, ary inona no vokany?

7 Niatrika toe-javatra toy izany koa ny tanora tany am-pianarana. Nisy ankizy zanaka Vavolombelon’i Jehovah telo tany Kerala, any Inde, tamin’ny 1985, tsy nety nanao hiram-pirenena, noho ny finoany miorina amin’ny Baiboly. Nijoro tamim-panajana izy ireo, nandritra ilay hira, nefa noroahina tao amin’ilay sekoly ihany. Nampakarin’ilay rainy hatrany amin’ny Fitsarana Tampon’i Inde ilay raharaha. Nisy mpitsara roa nanome rariny an’ireo ankizy, sady sahy nilaza hoe: “Nozarina halala-tsaina isika hatramin’izay, ary anisan’ny toe-tsaina mampiavaka antsika izany. Tokony halala-tsaina koa isika araka ny lalàm-panorenana. Aoka àry tsy hovantsika izany.” Niresaka tsara momba izany ireo gazety teo an-toerana. Efa ho ny ampahadimin’ny mponina eran-tany ny mponin’i Inde tamin’izany. Nanjary fantatr’izy ireo àry fa misy Kristianina eo amin’ny taniny. I Jehovah, ilay tena Andriamanitra, no tompoin’izy ireo, ary tena mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo.

Fitaoman-dratsy

8. Inona no zavatra nitenenan’i Jesosy ny Kristianina tany Pergamosy?

8 Tsy nivadika tokoa ny Kristianina tany Pergamosy. “Misy zavatra vitsivitsy hitako aminao anefa”, hoy i Jesosy. Fa inona no nataon’izy ireo? Hoy i Jesosy: “Ao aminao ireo mitana mafy ny fampianaran’i Balama, izay nampianatra an’i Balaka handavo ny zanak’Israely, mba hihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy sy hijangajanga.”—Apokalypsy 2:14.

9. Iza moa i Balama, ary nahoana ny toroheviny no ‘nandavo ny zanak’Israely’?

9 Mpaminany tsy Israelita i Balama, nefa nahalala ny lalàn’i Jehovah. Nokaramain’i Balaka mpanjakan’i Moaba àry izy mba hanozona ny Israely tamin’ny andron’i Mosesy. Notoherin’i Jehovah anefa izy, ka voatery nanonona fitahiana ho an’ny Israelita, sady nanozona ny fahavalon’izy ireo. Tezitra i Balaka. Nampitony azy i Balama, ka nilaza fomba fanafihana feno hafetsena kokoa: Asaina hitaona ny lehilahy israelita ny vehivavin’i Moaba, mba hijangajanga sy hanompo an’i Bala-peora andriamani-dison’izy ireo! Nahomby ilay tetika. Tezitra i Jehovah, ka nandefa loza nahafaty mpijangajanga 24 000 teo amin’ny Israely. Tsy nijanona ilay izy, raha tsy nanao zavatra hentitra hanesorana ny faharatsiana teo amin’ny Israely i Finehasa mpisorona.—Nomery 24:10, 11; 25:1-3, 6-9; 31:16.

10. Inona no zavatra nandavo tafatsofoka teo anivon’ny fiangonana tany Pergamosy, ary nahoana ireo Kristianina ireo no nety ho nihevitra fa tsy hijery ny fahotan’izy ireo i Jehovah?

10 Nisy zavatra nandavo an’ireo tany Pergamosy koa ve tamin’ny andron’i Jaona? Nisy tokoa! Tafatsofoka teo anivon’ny fiangonana ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy. Tsy nanaraka ny fampitandremana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly ireo Kristianina ireo. (1 Korintianina 10:6-11) Niaritra fanenjehana izy ireo, ka nety ho nihevitra hoe tsy hijery ny fitondran-tena maloton’izy ireo i Jehovah. Nataon’i Jesosy nazava àry fa tokony hohalavirin’izy ireo izany zava-dratsy izany.

11. a) Tokony hitandrina amin’ny inona ny Kristianina, ary inona no hevi-diso tokony hohalaviriny? b) Firy no voaroaka tsy ho eo anivon’ny fiangonana kristianina, nandritra ny taona maro, ary inona matetika no antony?

11 Tsy maintsy mitandrina koa ny Kristianina ankehitriny, mba tsy ho ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitsika no avadiny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena mahamenatra.” (Joda 4) Tsy maintsy mankahala ny ratsy isika, ary ‘manisy mafy ny vatantsika’ mba hananana toetra kristianina foana. (1 Korintianina 9:27; Salamo 97:10; Romanina 8:6) Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe afaka ny haloto fitondran-tena, satria mazoto manompo an’Andriamanitra, sady tsy mivadika ao anatin’ny fanenjehana. An’aliny ireo mpanota voaroaka tsy ho eo anivon’ny fiangonana eran-tany, nandritra ny taona maro, noho ny fitondran-tena maloto matetika. Mbola maro noho ireo lavo tamin’i Bala-peora aza no voaroaka, nandritra ny taona sasany. Enga anie isika hiambina foana, ka tsy ho anisan’izy ireo!—Romanina 11:20; 1 Korintianina 10:12.

12. Inona no toro lalana mihatra amin’ny Kristianina ankehitriny, toy ny tamin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny?

12 Notenenin’i Jesosy koa ny Kristianina tany Pergamosy, satria ‘nihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy.’ Inona no dikan’izany? Raha jerena ny tenin’i Paoly ho an’ny Korintianina, dia mety ho nanararaotra ny fahafahany ny Kristianina sasany, ka ninia nanafintohina ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. Azo inoana koa anefa hoe nandray anjara kely tamin’ny fanompoan-tsampy mihitsy izy ireo. (1 Korintianina 8:4-13; 10:25-30) Tsy tokony ho tia tena ny Kristianina mahatoky amin’izao andro izao, ka tsy hanararaotra ny fahafahana ananany, fa hitandrina kosa mba tsy hanafintohina ny hafa. Tokony hohalavirin’izy ireo koa ny fanompoan-tsampy maoderina, toy ny fivavahana amin’ny olo-malaza ao amin’ny televiziona, filma, fanatanjahan-tena. Ny sasany aza dia ny vola na ny kibony mihitsy no andriamaniny!—Matio 6:24; Filipianina 1:9, 10; 3:17-19.

Halaviro ny fisaratsarahana!

13. Inona no fananarana nomen’i Jesosy ny Kristianina tany Pergamosy, ary nahoana no nila izany ilay fiangonana?

13 Mbola nananatra ny Kristianina tany Pergamosy ihany i Jesosy hoe: “Ary ao aminao koa ireo mitana mafy toy izany ny fampianaran’ny sektan’i Nikoleo.” (Apokalypsy 2:15) Nidera ny Efesianina i Jesosy teo aloha, noho izy ireo nankahala ny zavatra nataon’io sekta io. Nila torohevitra kosa ny Kristianina tany Pergamosy mba hiaro ny fiangonana tsy hisy fisaratsarahana. Nila ny ho hentitra kokoa izy ireo, rehefa nanaraka ny fitsipika kristianina, mba hiarovana ilay firaisan-tsaina noresahin’i Jesosy tamin’ny vavaka, ao amin’ny Jaona 17:20-23. Tokony “handrisika ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa” izy ireo, sady ‘hahay hananatra an’izay manohitra.’—Titosy 1:9.

14. a) Iza no tsy maintsy notoherin’ny fiangonana kristianina hatramin’ny voalohany, ary ahoana no fomba niresahan’i Paoly azy ireny? b) Inona no tenin’i Jesosy tokony harahin’ireo mitady hitaona olona hiala?

14 Tsy maintsy nanohitra an’ireo mpivadi-pinoana tsy nanetry tena ny fiangonana kristianina, hatramin’ny voalohany. Manao teny malefaka sy mamitaka izy ireo, ka “mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina”, izay mifanohitra amin’ny fampianarana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ireo solontenany. (Romanina 16:17, 18) Nampitandrina momba izany foana ny apostoly Paoly tao amin’ireo taratasiny.a Namerina ny fahadiovana sy firaisan-tsain’ny fiangonana kristianina koa i Jesosy, nefa mbola nahina foana ny hisian’ny fisaratsarahana. Tokony harahin’ireo mitady hitaona olona hiala ka hamorona sekta, àry ny tenin’i Jesosy manaraka hoe: “Koa mibebaha àry, fa raha tsy izany, dia ho avy aminao haingana aho ka hiady amin’izy ireo ary hamely azy amin’ilay sabatra lava lela avy eo amin’ny vavako.”—Apokalypsy 2:16.

15. Ahoana no anombohan’ny sekta?

15 Ahoana no anombohan’ny sekta? Mety hisy mpampianatra hampipoitra fisalasalana, ary miady hevitra momba ny fahamarinana ara-baiboly sasany (toy ny hoe ao anatin’ny andro farany isika), ka misy antokon’olona mihataka mba hanaraka azy. (2 Timoty 3:1; 2 Petera 3:3, 4) Mety hisy olona hanakiana ny fomba fiasan’i Jehovah koa, ka milaza fa tsy tokony ho be zotom-po isika, satria sady tsy araka ny Soratra Masina no tsy ilaina ny mitory ilay Fanjakana isan-trano. Hanetry tena ny olona toy izany raha manao io fanompoana io toa an’i Jesosy sy ny apostoliny. Aleon’izy ireo anefa mitokana sy manamora ny fiainany, ka miara-mamaky Baiboly tsindraindray fotsiny angamba. (Matio 10:7, 11-13; Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20, 21) Amboamboarin’ireny olona ireny ny heviny momba ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, ny didin’ny Soratra Masina hifady ny ra, ny fankalazana fety, ary ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Manamavo ny anaran’i Jehovah koa izy ireny, ka tsy ela dia lasa milefitra loatra toa an’i Babylona Lehibe. Vao mainka aza ny sasany aminy atosik’i Satana ‘hikapoka ny mpanompo hafa’, dia ny rahalahiny taloha.—Matio 24:49; Asan’ny Apostoly 15:29; Apokalypsy 17:5.

16. a) Nahoana no tokony hibebaka haingana ireo misalasala noho ny fitaoman’ny mpivadi-pinoana? b) Inona no hitranga amin’ireo tsy mety mibebaka?

16 Tokony hibebaka haingana araka ny tenin’i Jesosy, ireo misalasala noho ny fitaoman’ny mpivadi-pinoana! Tokony hariana toy ny poizina ny hevitry ny mpivadi-pinoana! Fitsiriritana sy fankahalana no fototr’izy ireny, fa tsy tena fahamarinana madio sy mahatehotia toy ny nomen’i Jesosy ny fiangonany. (Lioka 12:42; Filipianina 1:15, 16; 4:8, 9) ‘Hiady’ amin’ireo tsy mibebaka tokoa i Jesosy, ‘ary hamely azy amin’ilay sabatra lava lela avy eo amin’ny vavany.’ Manasivana ny olony izy mba hiarovana ny firaisan-tsaina noresahiny tamin’ny vavaka, tamin’ilay alina farany niarahany tamin’ny mpianany teto an-tany. (Jaona 17:20-23, 26) Tsy mety mandray ny torohevitra amim-pitiavana omen’ireo kintana eo an-tanan’i Jesosy havanana ny mpivadi-pinoana, ka hotsarain’i Jesosy sy homeny sazy “faran’izay mafy”, ary halefany “any amin’ny haizina any ivelany.” Horoahina izy ireny, mba tsy ho toy ny lalivay hanimba ny vahoakan’Andriamanitra.—Matio 24:48-51; 25:30; 1 Korintianina 5:6, 9, 13; Apokalypsy 1:16.

‘Mana nafenina sy vatokilonjy fotsy’

17. Inona no valisoa ho an’ireo Kristianina voahosotra “mandresy”, ary inona no tsy maintsy noresen’ny Kristianina tany Pergamosy?

17 Misy valisoa lehibe ho an’ireo manaraka ny torohevitr’i Jesosy, nomena tamin’ny alalan’ny fanahy masin’i Jehovah. Henoy ange e: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana hoe: Izay mandresy dia homeko amin’ny mana nafenina sady homeko vatokilonjy fotsy. Ary eo amin’ilay vatokilonjy misy anaram-baovao voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay mahazo azy ihany.” (Apokalypsy 2:17) Ampirisihina ‘handresy’ toy ny Kristianina tany Smyrna, ny Kristianina tany Pergamosy. Tsy maintsy manalavitra ny fanompoan-tsampy izy ireo, raha te handresy, satria tao ny synagogan’i Satana. Tsy maintsy resen’izy ireo ny fitondran-tena maloto, fisaratsarahana, fivadiham-pinoana nifandray tamin’i Balaka sy Balama, ary ny sektan’i Nikoleo. Hasaina hihinana amin’ny “mana nafenina” ireo Kristianina voahosotra ireo, raha manao izany. Inona no dikan’izany?

18, 19. a) Inona ilay mana nomen’i Jehovah ny Israelita? b) Inona ilay mana nafenina? d) Inona no dikan’ilay hoe mihinana ny mana nafenina?

18 Nomen’i Jehovah mana ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, mba hohanina nandritra ny dia tany an-tany efitra. Tsy nafenina io mana io, satria niseho tamin’ny fomba mahagaga isa-maraina, ankoatra ny tamin’ny Sabata, ary toy ny ranomandry manify nanarona ny tany ilay izy. Fandaharan’Andriamanitra natao hiarovana ny ain’ny Israelita izany. Nasain’i Jehovah nitahiry tamin’io “mofo” io tao amin’ny siny volamena tao anatin’ny vata misy ny fifanekena i Mosesy, mba hahatsiarovana izany ‘hatramin’ny taranaka fara mandimby’ teo amin’ny Israely.—Eksodosy 16:14, 15, 23, 26, 33; Hebreo 9:3, 4.

19 Mety tokoa izany famantarana izany! Nafenina tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay io mana io. Nisy fahazavana mahagaga nitsingevaheva teo ambonin’ny saron’ilay Vata, mba hampisehoana fa manatrika eo i Jehovah. (Eksodosy 26:34) Tsy nisy olona nahazo niditra tao amin’io toerana io mba hihinana ilay mana nafenina. Nilaza anefa i Jesosy fa hihinana amin’ilay “mana nafenina” ny mpianany voahosotra mandresy. Toa an’i Kristy izy ireo, ka tsy hiditra amin’ny “toerana masina nataon-tanana, izay tahaka an’ilay tena izy ... fa ny lanitra mihitsy.” (Hebreo 9:12, 24) Hanjary tsy mety lo sy tsy mety maty izy ireo, rehefa tafatsangana amin’ny maty. Fanomezana mahagaga avy amin’i Jehovah izany, ka mifanandrify amin’ilay hoe nomena “mana nafenina” tsy mety lo izy ireo. Tombontsoa tokoa ny an’ireo mpandresy vitsy ireo!—1 Korintianina 15:53-57.

20, 21. a) Inona no dikan’ilay hoe omena vatokilonjy fotsy ny Kristianina voahosotra? b) Inona no fanantenan’ny vahoaka be, raha 144 000 monja ny vatokilonjy fotsy?

20 Hahazo “vatokilonjy fotsy” koa izy ireo. Nampiasaina hamoahana didim-pitsarana ny vatokilonjy tany amin’ny fitsarana romanina.b Fanafahana madiodio no dikan’ny vatokilonjy fotsy, fa fanamelohana kosa ny vatokilonjy mainty, ary fanamelohana ho faty izany matetika. Ny dikan’ny hoe nomen’i Jesosy “vatokilonjy fotsy” àry ny Kristianina tany Pergamosy, dia hoe ambarany fa tsy manan-tsiny sy madio tanteraka izy ireo. Mety hisy dikany lalina kokoa anefa ny tenin’i Jesosy. Nampiasaina ho toy ny tapakila hidirana tamin’ny fisehoan-javatra lehibe koa ny vatokilonjy tamin’ny andron’ny Romanina. Mety hidika zavatra manokana ho an’ny Kristianina voahosotra mandresy àry ny vatokilonjy fotsy, dia ny fidirany ao amin’ny toerana be voninahitra any an-danitra, amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Tsy misy afa-tsy 144 000 ny vatokilonjy nozaraina toy izany.—Apokalypsy 14:1; 19:7-9.

21 Midika ve izany hoe tsy raharahaina ianao, raha anisan’ny vahoaka be mpiara-mivavaka amin’izy ireo? Tsy izany mihitsy! Na dia tsy mahazo vatokilonjy fotsy mba hidirana any an-danitra aza ianao, dia afaka ny ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe, raha miaritra, ka handray anjara amin’ilay asa mahafaly hamerenana ny Paradisa eto an-tany. Hiaraka aminao amin’izany ny olona mahatoky talohan’ny andro Kristianina sy ny ondry hafa maty vao haingana kokoa, izay hatsangana amin’ny maty. Hatsangana koa ireo maty hafa rehetra mendrika ny famonjena, ka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Salamo 45:16; Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 14.

22, 23. Inona no dikan’ilay anarana voasoratra eo amin’ilay vatokilonjy omena ny Kristianina voahosotra, ary inona no fampaherezana azo avy amin’izany?

22 Inona ilay anarana vaovao eo amin’ilay vatokilonjy? Ny anarana no amantarana sy anavahana ny olona. Mahazo an’ilay vatokilonjy ireo Kristianina voahosotra ireo, rehefa nahavita tamim-pandresena ny fanompoany teto an-tany. Mazava àry fa ilay vatokilonjy dia mifandray amin’ny tombontsoan’izy ireo hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra, izany hoe ho tena akaiky azy sy hiara-manjaka aminy. Ireo handova ilay Fanjakana any an-danitra ihany no hanana izany tombontsoa tena miavaka izany! “Tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay mahazo azy ihany” izany anarana, na fanendrena izany.—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:12.

23 Mandrisika an’ireo voahosotra toa an’i Jaona izany mba “hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana” sy hampihatra izany! Manjary mazoto koa ny vahoaka be naman’izy ireo, ka miara-manompo aminy amim-pahatokiana sy mampahafantatra ny Fanjakan’i Jehovah miaraka aminy, raha mbola eto an-tany izy ireo!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo koa ny 1 Korintianina 3:3, 4, 18, 19; 2 Korintianina 11:13; Galatianina 4:9; Efesianina 4:14, 15; Filipianina 3:18, 19; Kolosianina 2:8; 1 Tesalonianina 3:5; 2 Tesalonianina 2:1-3; 1 Timoty 6:3-5; 2 Timoty 2:17; 4:3, 4; Titosy 1:13, 14; 3:10; Hebreo 10:26, 27.

b Jereo ny Asan’ny Apostoly 26:10.

[Sary, pejy 43]

Aseho ao amin’ny Tranombakok’i Pergamon any Berlin ireo porofon’ny fanompoan-tsampy nibaribary ireo

[Sary, pejy 45]

Nisy mana nafenina tao amin’ny vata misy ny fifanekena. Omena an’ilay mana nafenina an’ohatra ireo voahosotra mandresy, izany hoe hanjary tsy mety maty

[Sary, pejy 45]

Ho an’ireo afaka hiditra ao amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ny vatokilonjy fotsy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara