Toko 33
Tsaraina Ilay Mpivaro-tena Maharikoriko
Fahitana 11—Apokalypsy 17:1-18
Foto-kevitra: Mitaingina bibidia mena midorehitra i Babylona Lehibe. Hamely sy handrava azy, io bibidia io amin’ny farany
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1. Inona no ahariharin’ny iray tamin’ireo anjely fito amin’i Jaona?
TSY maintsy hararaka daholo ny ao anatin’ireo vilia fiton’ny fahatezerana ara-drarin’i Jehovah! Midika ho loza ho an’i Babylona Lehibe ny fandrarahan’ny anjely fahenina ny viliany teo amin’i Babylona fahiny, satria mihamanatona haingana ny ady Hara-magedona. (Apokalypsy 16:1, 12, 16) Io anjely io ihany angamba izao no mampiharihary ny antony hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany sy ny fomba hanaovany izany. Nahagaga tanteraka an’i Jaona izay hitany sy reny: “Ary tonga ny iray tamin’ireo anjely fito nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko hoe: ‘Avia fa hasehoko anao ny fitsarana an’ilay mpivaro-tena lehibe izay mipetraka eo ambonin’ny rano maro. Ireo mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, fa ny mponina amin’ny tany kosa natao mamon’ny divain’ny fijangajangany.’ ”—Apokalypsy 17:1, 2.
2. Porofoy fa ilay “mpivaro-tena lehibe” dia a) tsy i Roma fahiny b) tsy ny mpandraharaha lehibe d) fivavahana.
2 “Mpivaro-tena lehibe”! Nahoana no antsoina amin’izany anaran-dratsy izany io vehivavy io, ary iza izy io? Misy milaza fa i Roma fahiny io mpivaro-tena an’ohatra io. Fanjakana ara-politika anefa i Roma. Mijangajanga amin’ny mpanjakan’ny tany io mpivaro-tena io, ary anisan’izany ireo mpanjakan’i Roma. Voalaza koa fa halahelo azy ny “mpanjakan’ny tany” rehefa rava izy. Tsy fanjakana ara-politika àry izy io. (Apokalypsy 18:9, 10) Tsy ny mpandraharaha lehibe koa izy io, satria halahelo azy ny mpivarotra eran-tany. (Apokalypsy 18:15, 16) Milaza ilay andininy fa ‘voafitaky ny filalaovany ody ny firenena rehetra.’ (Apokalypsy 18:23) Mazava àry fa fivavahana eran-tany no mifanitsy amin’ilay mpivaro-tena lehibe.
3. a) Hazavao fa lehibe kokoa noho ny Eglizy Katolika na ny Kristianisma Anarana, no mifanitsy amin’ilay mpivaro-tena lehibe. b) Inona avy ireo fampianarana avy any Babylona hita eo anivon’ny fivavahana any Azia sy ny sektan’ny Kristianisma Anarana? d) Inona no neken’i John Newman momba ny niandohan’ireo fampianarana sy fombafomba ary fanaon’ny Kristianisma Anarana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
3 Fivavahana inona? Ny Eglizy Katolika araka ny lazain’ny sasany ve? Sa ny Kristianisma Anarana manontolo? Tsia, mbola lehibe kokoa noho ireo no mifanitsy amin’ilay mpivaro-tena, satria ny firenena rehetra mihitsy no voafitany. Izy io dia ny fivavahan-diso rehetra. Niandoha tany Babylona tokoa ny maro amin’ireo fampianarana sy fanao eo anivon’ireo fivavahana eran-tany. Ampianarina any amin’ny ankamaroan’ny fivavahana any Azia sy ny sektan’ny Kristianisma Anarana, ohatra, ny momba ny fanahy tsy mety maty, ny afobe fampijalijaliana, ary ny andriamanitra telo izay iray. Niely eran-tany ny fivavahan-diso niandoha tany Babylona fahiny, 4 000 taona mahery lasa. Nihanahazo vahana hatrany izy io, ka tena mety ny hiantsoana azy hoe Babylona Lehibe.a Nahoana anefa izy io no omena ilay anarana maharikoriko hoe “mpivaro-tena lehibe”?
4. a) Nahoana no lazaina fa nijangajanga ny Israely fahiny? b) Nahoana koa no lazaina fa mijangajanga i Babylona Lehibe?
4 Tamin’ny andron’i Nebokadnezara no tena natanjaka i Babylona (na Babela, izay midika hoe “Fisafotofotoana”). Sady fanjakana ara-politika izy io no ara-pivavahana, izay nanana tempoly sy trano fiangonana kely maherin’ny arivo. Nanana fahefana be koa ny mpisorona tao. Efa ela no tsy firenena matanjaka intsony i Babylona. Mbola eo anefa i Babylona Lehibe, izay te hanana fahefana sy hamolavola ny toe-draharaha politika, toa an’i Babylona fahiny. Tian’Andriamanitra anefa ve ny hidiran’ny fivavahana amin’ny politika? Milaza ny Soratra Hebreo fa nivaro-tena ny Israely, rehefa nanaraka fivavahan-diso sy nanao fifanarahana tamin’ireo firenena, fa tsy nitoky tamin’i Jehovah. (Jeremia 3:6, 8, 9; Ezekiela 16:28-30) Mijangajanga koa i Babylona Lehibe. Manao izay tratran’ny heriny izy mba hifehezana an’ireo mpanjakan’ny tany.—1 Timoty 4:1.
5. a) Porofoy fa tia laza amam-boninahitra ny mpitondra fivavahana. b) Nahoana no mifanohitra tanteraka amin’ny tenin’i Jesosy Kristy ny fitadiavana fahefana eo amin’ity tontolo ity?
5 Fahita ankehitriny ny mpitondra fivavahana manao fampielezan-kevitra mba hahazoana toerana ambony ao amin’ny fitondrana. Misy amin’izy ireny aza lasa minisitra mihitsy. Nisy mpitondra fivavahana protestanta roa nalaza, ohatra, nilatsaka ho filohan’i Etazonia, tamin’ny 1988. Tia laza amam-boninahitra ny mpitondra fivavahana eo anivon’i Babylona Lehibe. Miseho gazety matetika ny sarin’izy ireo miaraka amin’ny mpanao politika malaza. Tsy nanao politika mihitsy anefa i Jesosy, fa hoy izy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 6:15; 17:16; Matio 4:8-10; jereo koa ny Jakoba 4:4.
‘Fivarotan-tena’ maoderina
6, 7. a) Ahoana no nahazoan’i Hitler ny fitondrana tany Alemaina? b) Hazavao fa nandrisika an’i Hitler hanitatra ny fahefany naneran-tany, ny fifanekena nataon’i Vatikana sy ny Nazia.
6 Nitondra fahoriana be ho an’ny olona ny fidiran’ilay mpivaro-tena lehibe amin’ny politika. Diniho, ohatra, izay nitranga talohan’ny niakaran’i Hitler teo amin’ny fitondrana tany Alemaina. Nahatsiravina ny zava-nitranga tamin’izany, ka tian’ny sasany hokosehina eo amin’ny tantara. Nahazo toerana 32 tao amin’ny Parlemanta Alemà ny Antoko Nazia, tamin’ny Mey 1924. Nihena ho 12 izany tamin’ny Mey 1928. Nisy Krizy Ara-toe-karena Lehibe anefa naneran-tany tamin’ny 1930. Nanararaotra izany ny Nazia, ka nahazo vahana be, satria ny 230 tamin’ireo toerana 608 no azony nandritra ny fifidianana tany Alemaina tamin’ny Jolay 1932. Nanampy an’ireo Nazia avy eo i Franz von Papen, chancelier teo aloha sady manamboninahitry ny Papa. Nilaza ireo mpahay tantara fa naniry hanangana Fanjakana Romanina Masina i von Papen. Vetivety kely mantsy no naha chancelier azy, ka nanantena izy fa hanampy azy hahazo fahefana indray ny Nazia. Vitany ny nitaona an’ireo mpandraharaha lehibe mba hanohana an’i Hitler, tamin’ny Janoary 1933, ary nanao hafetsena izy mba hahatonga an’i Hitler ho chancelier tamin’ny 30 Janoary 1933. Voatendry ho chancelier lefitra izy, ary nampiasain’i Hitler mba hahazoana ny fanohanan’ireo faritra katolika tany Alemaina. Noravan’i Hitler ny parlemanta, roa volana taorian’ny nahazoany ny fitondrana. Nalefany tany amin’ny toby fitanana ireo lehiben’ny mpanohitra an’arivony, ary natombony ny fampijaliana ny Jiosy.
7 Nihanatanjaka hatrany ny Nazia, ka nahaliana an’i Vatikana izany. Nanao fifanekena tany Roma àry i Vatikana sy Alemaina Nazia tamin’ny 20 Jolay 1933, ka ny Kardinaly Pacelli (izay lasa Papa Pio Faha-12) sy von Papen, solontenan’i Hitler no nanao sonia izany. Nomen’i Pacelli mari-boninahitra ambony avy amin’ny Papa i von Papen tamin’izay.b Niresaka momba izany i Tibor Koeves tao amin’ny boky nosoratany. Hoy izy: “Fandresena lehibe ho an’i Hitler ilay Fifanekena. Sambany mantsy no nisy tany hafa nankasitraka azy, sady tena be voninahitra ilay mpanohana.” Nifanarahana fa tsy hanohana intsony ny Antoko Afovoany Katolika Alemà i Vatikana. Nasehony tamin’izany fa nekeny ny fitondrana “tsy refesi-mandidy” sy ny antoko politika tokana nentin’i Hitler.c Hoy koa ny andininy faha-14 tamin’ilay fifanekena: “Tsy maintsy miandry ny faneken’ny governora nofidin’ny fanjakana, vao azo ekena ny fanendrena eveka sy arseveka ary ny namany. Hohamarinin’ilay governora mantsy aloha hoe tsy misy mampiahiahy ny momba azy ireo eo amin’ny lafiny politika.” Nandrisika be an’i Hitler hanitatra ny fahefany naneran-tany, ny fanohanan’i Vatikana tany amin’ny faramparan’ny taona 1933 (izay nambaran’ny Papa Pio Faha-11 hoe “Taona Masina”).
8, 9. a) Inona no nataon’i Vatikana sy ny Eglizy Katolika ary ny mpitondra fivavahany, nanoloana ny fitondrana jadona nazia? b) Inona no nambaran’ny eveka katolika alemà raha vao nanomboka ny Ady Lehibe II? d) Inona no vokatry ny fiarahan’ny fivavahana sy ny politika?
8 Nisy pretra sy masera vitsivitsy ihany nanohitra ny habibiana nataon’i Hitler, ka nampijalina noho izany. Nanohana an-karihary na an-kolaka ny fitondrana jadona nazia anefa i Vatikana sy ny Eglizy Katolika ary ireo mpitondra fivavahana maro be teo anivony, tamin’ny ankapobeny. Nihevitra izy ireo fa ny Nazia no hisakana ny fitaran’ny Kominisma. Tsara toerana tao Vatikana ny Papa Pio Faha-12, ary tsy nokianiny velively ny Famonoana Tambabe an’ireo Jiosy sy ny fanenjehana mafy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah mbamin’ny olon-kafa. Mahatsikaiky ihany ny nataon’ny Papa Jean-Paul II, rehefa nidera ny pretra tso-po iray nanohitra ny Nazia tamin’izy nitsidika an’i Alemaina tamin’ny Mey 1987. Inona no nataon’ireo mpitondra fivavahana alemà an’arivony, nandritra ny fotoana nampihorohoro nitondran’i Hitler? Izao no nosoratan’ireo eveka katolika alemà tamin’ny Septambra 1939, raha vao nanomboka ny Ady Lehibe II: “Mampirisika ny miaramila katolika izahay amin’izao fotoan-dehibe izao mba hanefa ny adidiny, izany hoe hankatò an’i Hitler sy ho vonona hanao sorona ny tenany. Miangavy ny Mpino izahay hivavaka mafy mba hanomezan’Andriamanitra fandresena antsika.”
9 Izany fomba fiadin’ny Katolika izany dia mampiseho tsara ny fivarotan-tena ataon’ny fivavahana, efa maherin’ny 4 000 taona izao. Mila sitraka amin’ireo mpitondra ara-politika izy, mba hahazoana fahefana sy tombontsoa. Mahatonga ady sy fanenjehana ary fahoriana eran-tany anefa izany fiarahan’ny fivavahana sy ny politika izany. Soa ihany fa madiva hampihatra ny didim-pitsarany amin’ilay mpivaro-tena lehibe i Jehovah. Enga anie ka hataony tsy ho ela izany!
Mipetraka eo ambonin’ny rano maro
10. Inona ireo “rano maro” antenain’i Babylona Lehibe hiaro azy, ary inona no mitranga amin’izy ireny?
10 Nipetraka teo ambonin’ny rano maro i Babylona fahiny, dia ny Reniranon’i Eofrata sy lakandrano maro be. Niaro an’ilay tanàna ireny sady nahafahana nanao raharaham-barotra, ka nahazoana harem-be. Ritra tao anatin’ny indray alina anefa izy ireny. (Jeremia 50:38; 51:9, 12, 13) Miantehitra amin’ny “rano maro” koa i Babylona Lehibe mba hiaro sy hampanan-karena azy. Inona ireo rano maro ireo? Tsy inona fa “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny”, izany hoe ireo olona an’arivony tapitrisa eo ambany fahefany, izay manome azy vola aman-karena. Mihena anefa ireo rano ireo, izany hoe tsy manohana azy toy ny taloha intsony.—Apokalypsy 17:15; ampitahao amin’ny Salamo 18:4; Isaia 8:7.
11. a) Ahoana no nataon’i Babylona fahiny mba ‘hahamamo ny tany rehetra’? b) Ahoana no nataon’i Babylona Lehibe mba ‘hahamamo ny tany rehetra’?
11 Voalaza koa fa “kapoaka volamena teny an-tànan’i Jehovah, izay nahamamo ny tany rehetra” i Babylona fahiny. (Jeremia 51:7) Toy ny hoe noteren’i Babylona fahiny higoka ny fahatezeran’i Jehovah mantsy ireo firenena resiny, ka nanjary nalemilemy toy ny olona mamo. Toy ny fitaovana nampiasain’i Jehovah i Babylona tamin’izany. Nahazo fandresena maro koa i Babylona Lehibe, ka lasa toy ny firenena matanjaka eran-tany. Tsy fitaovana ampiasain’Andriamanitra velively anefa izy. Manompo an’ireo “mpanjakan’ny tany” kosa izy, sady mijangajanga aminy eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Mba hampifaliana azy ireo, dia mampiasa ny fampianaran-disony sy ny fanaony manandevo izy mba hahatonga ny sarambaben’olona hanaraka ambokony ny sitrapon’ireo mpitondra. Nataony malemilemy toy ny olona mamo tokoa “ny mponina amin’ny tany.”
12. a) Nahoana no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’olona maro be ny fivavahana iray any Japon anisan’i Babylona Lehibe, nandritra ny Ady Lehibe II? b) Inona no dikan’ny hoe nihena ny “rano” teo anivon’i Babylona Lehibe tany Japon, ary inona no vokany?
12 Ohatra miavaka amin’izany ny fivavahana shintoista any Japon. Nampidirina tao an-tsain’ireo miaramila japoney fa voninahitra lehibe ny hoe maty ho an’ny mpanjaka, izay noheverina ho andriamanitra ambony indrindra ao amin’ny Shintoisma. Miaramila japoney 1 500 000 teo ho eo àry no maty nandritra ny Ady Lehibe II, satria noheveriny ho fahafaham-baraka ny nitolo-batana. Resy anefa ny Japoney, ka tsy afaka nihambo ho andriamanitra intsony ny Mpanjaka Hirohito. Nihena be àry ireo “rano” na ireo mpanaraka ny fivavahana shintoista, izay anisan’i Babylona Lehibe. Efa nandriaka be anefa ny ra nandritra ny ady tany Pasifika, talohan’izay! Koa satria tsy dia nahasarika olona intsony ny Shintoisma, dia Japoney 200 000 mahery tato ho ato no nanolo-tena sy natao batisa, ka tonga mpanompon’i Jehovah Tompo Fara Tampony. Shintoista sy Bodista ny ankamaroan’izy ireo taloha.
Mitaingina bibidia ilay mpivaro-tena
13. Inona no zava-mahagaga hitan’i Jaona rehefa nentin’ilay anjely tamin’ny herin’ny fanahy nankany an-tany efitra izy?
13 Inona koa no lazain’ny faminaniana momba an’ilay mpivaro-tena lehibe sy izay hiafarany? Mitantara ny zavatra mahagaga hitany i Jaona. Hoy izy: “Ary nentin’ilay anjely tamin’ny herin’ny fanahy nankany an-tany efitra aho. Ary hitako fa nisy vehivavy iray nitaingina bibidia mena midorehitra. Ary feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra ilay bibidia sady nanan-doha fito sy tandroka folo.”—Apokalypsy 17:3.
14. Nahoana no nety ny nitondrana an’i Jaona tany an-tany efitra?
14 Nahoana i Jaona no nentina tany an-tany efitra? Niresaka ny amin’ny “loza hanjo ny Efitra Ranobe” ny faminaniana iray momba ny fanamelohana an’i Babylona fahiny. (Isaia 21:1, 9) Nampitandremana i Babylona fa ho lao toy ny tany efitra ilay tanàna, na dia teo aza ireo rano niaro azy. Mety àry ny nitondrana an’i Jaona ho any an-tany efitra tao amin’ny fahitana, mba hahitany izay hiafaran’i Babylona Lehibe. Tsy maintsy ho lao sy ho toy ny tany efitra koa izy io. (Apokalypsy 18:19, 22, 23) Nahagaga an’i Jaona anefa ny zavatra hitany tany. Tsy irery mantsy ilay mpivaro-tena lehibe, fa mitaingina bibidia mampahatahotra!
15. Inona no tsy mampitovy an’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1 sy ilay ao amin’ny Apokalypsy 17:3?
15 Manan-doha fito sy tandroka folo ilay bibidia. Ilay bibidia manan-doha fito sy tandroka folo hitan’i Jaona teo aloha ihany ve io? (Apokalypsy 13:1) Tsia, satria misy tsy mampitovy azy ireo. Mena midorehitra ilay bibidia eto sady tsy manana diadema toy ilay teo aloha. Ary tsy ny lohany fito ihany no misy anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fa izy manontolo mihitsy no “feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra.” Azo antoka anefa fa misy ifandraisana ity bibidia ity sy ilay teo aloha. Be loatra mantsy ny fitoviany, ka tsy azo inoana hoe kisendrasendra fotsiny izany.
16. Inona ilay bibidia mena midorehitra, ary inona no tanjony?
16 Inona indray àry ity bibidia mena midorehitra ity? Izy io dia ny sarin’ilay bibidia. Nampirisika ny hananganana azy io ny Anglisy-Amerikanina, na ilay bibidia manan-tandroka roa toy ny an’ny zanak’ondry. Navela hanome fofonaina ny sarin’ilay bibidia ilay bibidia manan-tandroka roa. (Apokalypsy 13:14, 15) Efa velona àry ny sarin’ilay bibidia hitan’i Jaona eto. Izy io dia ny Fikambanam-pirenena, izay natsangan’ilay bibidia manan-tandroka roa tamin’ny 1920. Nihevitra i Wilson, filoha amerikanina tamin’izany, fa “ho toerana hanomezana rariny ny rehetra sy hisorohana izay mety ho ady rehetra any aoriana” ilay Fikambanana. Ny Firenena Mikambana no nasolo azy io taorian’ny Ady Lehibe II, ary ny “hitandro ny fandriampahalemana sy filaminana iraisam-pirenena” no tanjony.
17. a) Nahoana no lazaina fa feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra ilay bibidia mena midorehitra? b) Iza no mitaingina an’io bibidia io? d) Hazavao fa nifandray akaiky tamin’ny Fikambanam-pirenena sy ilay nandimby azy ny fivavahana.
17 Nahoana no lazaina fa feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra io bibidia io? Satria nanangana an’io sampy io ireo firenena ho solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe hanatontosa izay nolazain’Andriamanitra fa hotanterahin’ny Fanjakany irery ihany. (Daniela 2:44; Matio 12:18, 21) Mahavariana anefa fa mitaingina an’ilay bibidia mena midorehitra i Babylona Lehibe, ao amin’ilay fahitan’i Jaona. Nifandray akaiky tamin’ny Fikambanam-pirenena sy ilay nandimby azy tokoa ireo fivavahana, indrindra fa ny Kristianisma Anarana. Ny 18 Desambra 1918 dia efa nilaza ny Filan-kevi-pirenen’ny Fiangonan’i Kristy tany Amerika fa “tsy fitaovana politika fotsiny ny Fikambanam-pirenena, fa solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany mihitsy. ... Afaka mandrisika ny olona hifandray tsara ny Eglizy, ary tsy haharitra ny Fikambanam-pirenena, raha tsy misy an’izany. ... Mifanaraka amin’ny voalazan’ny Filazantsara io Fikambanana io, satria ny tanjony dia ny ‘hisian’ny fandriampahalemana eran-tany sy fisakaizana eo amin’ny olona.’ ”
18. Porofoy fa nanohana ny Fikambanam-pirenena ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana.
18 Izao no matoan-dahatsoratry ny Gazetin’i San Francisco tamin’ny 2 Janoary 1919: “Mangataka ny Hanekena ny Soso-kevitr’i Wilson Momba ny Fikambanam-pirenena ny Papa.” Nisy fangatahana nosoniavin’ny mpitondra fivavahana 14 450 avy tamin’ny fiangonana lehibe maro, natolotra ny Antenimieran-doholon’i Etazonia tamin’ny 16 Oktobra 1919. Nangatahin’izy ireo ny “hanekena ny fifanekem-pihavanana natao tany Paris, momba ny fananganana ny Fikambanam-pirenena.” Tsy nolanin’ny Antenimieran-doholona ilay fifanekem-pihavanana, nefa mbola nanao fampielezan-kevitra momba ny Fikambanam-pirenena ihany ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Inona no nitranga rehefa notokanana ilay Fikambanana? Izao no vaovao voaray avy tany Soisa, ny 15 Novambra 1920: “Naneno daholo ny lakolosim-piangonana teto Genève tamin’ny 11 ora, rehefa nanomboka ny fivoriambe voalohan’ny Fikambanam-pirenena.”
19. Inona no nataon’ireo voahosotra, rehefa nipoitra ilay bibidia mena midorehitra?
19 Ahoana no nataon’ireo voahosotra toa an’i Jaona, izay hany nanaiky ny fiorenan’ny Fanjakan’ny Mesia? Nanome voninahitra an’ilay bibidia mena midorehitra toy ny nataon’ny Kristianisma Anarana, koa ve izy ireo? Tsy nanao izany velively izy ireo. Nanao fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, ny vahoakan’i Jehovah ny alahady 7 Septambra 1919. Nitondra ny lohateny hoe “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy” ny lahateny ho an’ny besinimaro nataon’i J. Rutherford teo anatrehan’ny olona efa ho 7 000. Izao no nolazainy tao amin’ny lahateniny, araka ny notaterin’ny Gazetin’i Sandusky ny ampitson’iny: “Tsy ankasitrahan’ny Tompo mihitsy ny Fikambanam-pirenena ... Milaza ho solontenan’Andriamanitra mantsy ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta, nefa mandà ny fikasany sady manohana ny Fikambanam-pirenena, sy milaza azy io hoe solontenan’ny fanjakan’i Kristy eto an-tany.”
20. Nahoana no nanevateva an’i Jehovah ny mpitondra fivavahana, rehefa nilaza fa “solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany” ny Fikambanam-pirenena?
20 Tsy nahomby anefa ilay Fikambanam-pirenena. Tokony ho takatr’ireo mpitondra fivavahana àry fa tsy solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra etỳ an-tany velively io fikambanana naorin’olombelona io. Fanevatevana an’Andriamanitra ny fiheverana toy izany, satria toy ny milaza fa tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahombiazan’ilay fikambanana izy. “Tanteraka” anefa ny ‘asan’Andriamanitra.’ Ny Fanjakany any an-danitra tantanan’i Kristy, no hitondra ny fiadanana sy hanatanteraka ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra, fa tsy ny mpanao politika tsy mifanara-kevitra sy tsy mino an’Andriamanitra mihitsy.—Deoteronomia 32:4; Matio 6:10.
21. Porofoy fa manohana sy mankasitraka ny Firenena Mikambana, izay nandimby ny Fikambanam-pirenena, ilay mpivaro-tena lehibe.
21 Ary ahoana ny amin’ny Firenena Mikambana, izay nandimby ny Fikambanam-pirenena? Vao niforona izy io dia efa nitaingenan’ilay mpivaro-tena lehibe, izay mifandray akaiky aminy sy te hibaiko azy. Hita taratra izany, rehefa nankalaza ny faha-20 taona niorenany ny Firenena Mikambana tamin’ny Jona 1965. Nanohana sy nankalaza azy io ny fivavahana maro, ka nandefa olona izay voalaza fa solontenan’ny mponina roa arivo tapitrisa teo ho eo, mba hivory tany San Francisco, any Etazonia. Nanana solontena tamin’izany ny Eglizy Katolika sy Ortodoksa, ny Protestanta, ny mpanaraka ny Jodaisma, ny Hindoa, ny Bodista ary ny Silamo. Nilaza ny Papa Paoly Faha-6 tamin’izy nikabary tamin’ny fivorian’ny ONU tamin’ny Oktobra 1965, fa io no “fikambanana iraisam-pirenena miavaka indrindra.” Hoy koa izy: “Ny Firenena Mikambana no hany antenain’ny olona eran-tany hitondra fifanarahana sy fandriampahalemana.” Nilaza tamin’ny ONU koa ny Papa Jean-Paul II tamin’ny Oktobra 1979 hoe: “Manantena aho fa ho sehatra fara tampon’ny fandriampahalemana sy ny rariny hatrany ny Firenena Mikambana.” Tsara homarihina fa zara raha niresaka momba an’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan’Andriamanitra ny papa tao amin’ny kabariny. Hoy ny Gazetin’i New York rehefa nitsidika an’i Etazonia izy tamin’ny Septambra 1987: ‘Niresaka be momba ny Firenena Mikambana i Jean-Paul II. Nilaza izy fa miezaka mampiray hina an’izao tontolo izao izy io.’
Anarana mifono zava-miafina
22. a) Bibidia manao ahoana no itaingenan’ilay mpivaro-tena lehibe? b) Inona no nolazain’i Jaona momba an’i Babylona Lehibe na ilay mpivaro-tena an’ohatra?
22 Tsy ela dia ho hitan’ny apostoly Jaona fa mampidi-doza ilay bibidia itaingenan’ilay mpivaro-tena. I Babylona Lehibe mihitsy anefa aloha no nahaliana azy. Mihaingo be izy io, nefa maharikoriko ny mijery azy! “Ary nitafy lamba volomparasy sy mena midorehitra ravehivavy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla, ary teny an-tanany dia nisy kaopy volamena feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany. Ary teo amin’ny handriny nisy anarana voasoratra, dia zava-miafina hoe: ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.’ Ary hitako fa mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy ravehivavy.”—Apokalypsy 17:4-6a.
23. Iza no anarana fenon’i Babylona Lehibe, ary inona no dikany?
23 Nisoratra teo amin’ny handrin’ilay mpivaro-tena ny anarany, araka ny fanao tany Roma fahiny.d Lava ilay anarana: “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” “Zava-miafina” io anarana io, izany hoe tsy miharihary ny heviny. Hohazavaina anefa izany amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Ampy tsara tokoa ny fanazavana nomen’ilay anjely an’i Jaona, ka fantatry ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny ny dikan’io anarana io. Fantatsika fa ny fivavahan-diso rehetra no antsoina hoe Babylona Lehibe. “Renin’ny mpivaro-tena” izy, satria mivaro-tena eo amin’ny lafiny ara-pivavahana toa azy ny zanany vavy, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, anisan’izany ireo sektan’ny Kristianisma Anarana. Renin’ny “zava-maharikoriko” koa izy, satria nampisy na niteraka an’ireto fanao mahatsiravina ireto: Fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fanandroana, astrolojia, fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana, sorona olombelona, fivarotan-tena ao amin’ny tempoly, fimamoana ho fanomezam-boninahitra andriamani-diso ary fanao mamoafady hafa.
24. Nahoana no mifanentana tsara amin’i Babylona Lehibe ny “lamba volomparasy sy mena midorehitra” tafiny sy ny “volamena sy vatosoa ary perla” iravahany?
24 Mitafy “lamba volomparasy sy mena midorehitra”, izay lokon’ny fitafian’ny mpanjaka, i Babylona Lehibe. ‘Miravaka volamena sy vatosoa ary perla’ koa izy. Mifanentana aminy tokoa izany! Eritrereto ny harena nangonin’ny fivavahan’ity tontolo ity: Trano mijoalajoala, sarivongana sy sary hoso-doko tsy fahita firy, sary masina lafo be, ary zavatra hafa maro be misy ifandraisana amin’ny fivavahana. Eo koa ny fananany sy ny volany tsy toko tsy forohana. Nangorona harem-be i Babylona Lehibe, ary indraindray koa namoy izany. Hita izany na any Vatikana, na eo amin’ireo fikambanana goavam-be mpitory teny amin’ny televiziona any Etazonia, na any amin’ireo tempoly any Azia.
25. a) Inona no ao anatin’ilay “kaopy volamena feno zava-maharikoriko”? b) Nahoana no lazaina fa mamo ilay mpivaro-tena an’ohatra?
25 Jereo indray ny eny an-tanan’ilay mpivaro-tena. Azo antoka fa ankona i Jaona nahita ilay kaopy volamena “feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany”! Ao anatin’izy io “ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany”, izay nampisotroiny an’ireo firenena. (Apokalypsy 14:8; 17:4) Toa lafo vidy erỳ ilay kaopy, nefa maharikoriko sy maloto ny ao anatiny. (Ampitahao amin’ny Matio 23:25, 26.) Hita ao ny fanao maloto sy ny lainga rehetra nampiasain’ilay mpivaro-tena lehibe, mba hanangolena an’ireo firenena sy hitaomana azy hanao izay tiany. Vao mainka naharikoriko an’i Jaona ny nahita an’ilay mpivaro-tena mamon’ny ran’ny mpanompon’Andriamanitra! Voalaza tokoa tatỳ aoriana fa “tao aminy no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24) Trosan-dra re izany!
26. Porofoy fa manana trosan-dra i Babylona Lehibe.
26 Namono olona be dia be ny fivavahan-diso nandritra ny taonjato maro. Navadika ho tanàna mimanda, ohatra, ny tempoly tany Kyoto any Japon, taonjato maro lasa izay. Nifamono toy ny miaramila ireo moanina mpiady, izay niantso “ny anarana masin’i Bouddha”, mandra-pandriakan’ny ra hatraiza hatraiza. Nandritra ny taonjato faha-20 indray, dia niaraka tamin’ireo tafiky ny fireneny avy ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, ka dimy tapitrisa, fara fahakeliny, ny aina nafoy rehefa nifamono ireo miaramila. Hoy i Nixon, filoha amerikanina taloha, tamin’ny Oktobra 1987: “Ny taonjato faha-20 no nahitana fandatsahan-dra be indrindra teo amin’ny tantara. Be kokoa noho ireo maty tamin’ny ady rehetra nisy talohan’ny nanombohan’ity taonjato ity, ny maty tamin’ny ady nandritra ity taonjato ity.” Melohin’Andriamanitra àry ny fivavahan’ity tontolo ity noho izany rehetra izany. Halany mantsy “ny tànana mandatsa-dra marina.” (Ohabolana 6:16, 17) Nahare antso avy teo amin’ny alitara i Jaona teo aloha hoe: “Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hitsara ka tsy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” (Apokalypsy 6:10) Tsy ho afa-miala i Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany, rehefa tonga ny fotoana hamaliana io fanontaniana io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nilaza i John Newman, kardinaly katolika tamin’ny taonjato faha-19, fa tsy avy amin’i Kristy ny ankamaroan’ireo fampianarana sy fombafomba ary fanaon’ny Kristianisma Anarana mpivadi-pinoana. Hoy izy ao amin’ilay bokiny hoe Fiavian’ny Fampianarana Kristianina (anglisy): “Avy amin’ny mpanompo sampy daholo ireto manaraka ireto fa nohamasinin’ny Eglizy: Tempoly ho an’ny olo-masina sy ravahana sampan-kazo indraindray, emboka manitra sy jiro ary labozia, fanatitra ho fanefam-boady rehefa sitrana, rano voahasina, fampialokalofana olon-dratsy, fety sy fankalazana samihafa, fampiasana alimanaka, filaharam-be, fitsofan-drano ny saha, fitafiana manokana ho an’ny mpitondra fivavahana, tampon-doha solaina, peratra mariazy, fitodihana any Atsinanana, ny fampiasana sary (tatỳ aoriana kokoa), hiram-pivavahana angamba, ary [ilay hira hoe “Tompo ô, Mamindrà Fo Aminay”].”
Tsy mankasitraka ny fanompoan-tsampy mihitsy i “Jehovah, ilay Mahery Indrindra.” Mananatra ny Kristianina kosa izy hoe: ‘Mivoaha eo aminy ary misaraha aminy, ary aza mikasika intsony izay maloto.’—2 Korintianina 6:14-18.
b Nilaza i William Shirer ao amin’ilay bokiny hoe Ny Nisandratan’ny Fitondran’i Hitler sy ny Naharavany (anglisy), fa i von Papen no “tena nahatonga an’i Hitler hahazo fitondrana tany Alemaina.” Hoy i von Schleicher, chancelier alemà taloha, momba an’i von Papen, tamin’ny Janoary 1933: “Mpamadika gaigilahy izy, ary mbola olo-masina i Jodasy Iskariota raha oharina aminy.”
c Nilaza tamin’ny mpianatry ny Oniversiten’i Mondragone ny Papa Pio Faha-11, tamin’ny 14 Mey 1929, fa vonona hifampiraharaha amin’ny Devoly izy, raha izay no hahasoa ny olona.
d Hoy i Sénèque, mpanoratra romanina, tamin’ny mpisorona vavy iray nivarilavo: “Ratsy laza ny tranonao, ravehivavy ... Nisoratra teo amin’ny handrinao ny anaranao; nandray vola ianao ho takalon’ny fanalam-baraka.”—Controv. i, 2.
[Efajoro, pejy 237]
Nahariharin’i Churchill Ilay “Mpivaro-tena”
Milaza i Winston Churchill ao amin’ilay bokiny hoe Mitatao ny Oram-baratra (anglisy, 1948) fa notendren’i Hitler ho ambasadaoro alemà tany Vienne, any Aotrisy, i Franz von Papen. Nahoana? “Mba hampihena ny fahefan’ireo lohandohan’ny mpisoron’ny antoko politika aotrisianina, na hitaona azy ireo hiandany” amin’ny Alemà. Izao, hono, no nolazain’ny ambasadaoro amerikanina tany Vienne momba an’i von Papen: ‘Sady naneso i Papen no tsy menatra akory nilaza tamiko fa hohararaotiny ny maha Katolika mahafatra-po azy, mba hitaomana ny Aotrisianina, toy ny nataon’ny Kardinaly Innitzer.’
Rehefa resin’ny miaramilan’i Hitler i Aotrisy, ka tafiditra tao Vienne ireo mpanafika ireo, dia nandidy ny fiangonana aotrisianina rehetra ny kardinaly katolika Innitzer mba hanangana ny saina misy ny lakroa famantarana ny Nazia. Nasainy nampaneno lakolosy sy nivavaka ho an’i Adolf Hitler koa izy ireo, ho fankalazana ny aniverserany.
[Efajoro/Sary, pejy 238]
‘VAVAKA HO AN’NY ADY’ MBA HANDRESEN’NY ALEMÀ
Izany no lohatenin’ity lahatsoratra nivoaka tao amin’ny fanontana voalohan’ny Gazetin’i New York, tamin’ny 7 Desambra 1941, ity:
“Mangata-pitahiana sy Fandresena Ireo Eveka Katolika any Fulda ... Nampirisika ny hanaovana ‘vavaka ho an’ny ady’ ny mpanatrika ny Fihaonamben’ny Eveka Katolika Alemà tany Fulda. Tokony hovakina io vavaka manokana io, isaky ny manomboka sy mifarana ny fotoam-pivavahana rehetra. Fangatahana amin’Andriamanitra izy io mba hanomezany fandresena ny Alemà, sy hiarovany ny aina sy ny fahasalaman’ny miaramila rehetra. Nilaza tamin’ny mpitondra fivavahana katolika koa ireo eveka ireo mba hahatsiaro manokana ny tafika alemà ‘an-tanety sy an-dranomasina, ary ana habakabaka.’ Tokony hanao toriteny manokana momba izany izy ireo ny alahady, fara fahakeliny, indray mandeha isam-bolana.”
Nesorina io lahatsoratra io rehefa natonta indray ilay gazety tatỳ aoriana. Ny 7 Desambra 1941 mantsy no nanafika an’ireo sambo amerikanina niantsona tany Pearl Harbor i Japon, mpiray dina tamin’i Alemaina Nazia.
[Efajoro, pejy 244]
“Anarana Fanevatevana”
Rehefa nampirisika ny hananganana ny Fikambanam-pirenena ilay bibidia manan-tandroka roa, taorian’ny Ady Lehibe I, dia nankasitraka izany avy hatrany ny sakaiza ratsiny, izany hoe ireo mpitondra fivavahana. Nanjary “feno anarana fanevatevana” àry ilay fikambanana vaovao nikatsaka fandriampahalemana.
“Afaka manampy an’ireo mpikambana [ao amin’ilay Fikambanam-pirenena] hanana fahavononana sy risi-po ny Kristianisma. Tsy ho an-taratasy fotsiny amin’izay ilay fifanekena, fa ho azon’ny fanjakan’Andriamanitra ampiasaina.”—Taonjato Kristianina (anglisy), Etazonia, 19 Jona 1919, pejy 15.
“Mitovy ihany ny zava-kendren’ny Fikambanam-pirenena sy ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny hisian’ny tontolo iray anjakan’ny fisakaizana. ... Izany no angatahin’ny Kristianina rehetra, rehefa mivavaka izy ireo hoe: ‘Ho tonga anie ny fanjakanao.’ ”—Taonjato Kristianina, Etazonia, 25 Septambra 1919, pejy 7.
“Ny Ran’i Kristy no mampiray ny Fikambanam-pirenena.”—Dr. Frank Crane, pasitera protestanta, Etazonia.
“Manohana ilay [Fifaneken’ny Fikambanam-pirenena] ny Konsily [Nasionalin’ny Fiangonana Kongregasionalista]. Heverinay fa io no hany fitaovana politika azon’ny Fanahin’i Jesosy Kristy ampiasaina ankehitriny, mba hanampiana bebe kokoa an’ireo firenena.”—Ny Kongregasionalista sy ny Fandrosoana (anglisy), Etazonia, 6 Novambra 1919, pejy 642.
“Asaina ny Metodista rehetra mba hanohana sy hanandratra ho avo ny [tanjon’ny Fikambanam-pirenena], araka ny fampianaran’Andriamanitra Ray sy ireo zanany eto an-tany.”—Fiangonana Metodista, Grande-Bretagne.
“Rehefa dinihina ny tanjona tian’ity fifanarahana ity hotratrarina, sy ny zavatra mety ho vita ary ny fanapahan-kevitra ato anatiny, dia hita fa mirakitra ny votoatin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy izy io. Tsy inona izany fa ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ... Tsy azo iadian-kevitra ny amin’izany.”—Toritenin’ny Arsevekan’i Cantorbéry tamin’izy nanokatra ny fivoriamben’ny Fikambanam-pirenena tany Genève, 3 Desambra 1922.
“Mitovy zo amin’ny Misiona mpanao asa soa ny Fikambanam-pirenena, eto amin’ity firenena ity. Izy io mantsy aloha izao no fitaovana mandaitra indrindra ampiasain’i Kristy, ilay Andrianan’ny Fiadanana, izay manjaka eo amin’ireo firenena.”—Dr. Garvie, mpitondra fivavahana kongregasionalista, Grande-Bretagne.
[Sarintany, pejy 236]
(Jereo ny boky)
Niandoha tany Babylona ireo fampianaran-diso eran-tany
Babylona
Andriamanitra telo izay iray
Mbola velona ny fanahy rehefa maty ny vatana
Fanaovana ody ratsy, firesahana amin’ny “maty”
Fampiasana sary masina
Teny majika hampitonena ny demonia
Mpitondra fivavahana manam-pahefana be
[Sary, pejy 239]
Nipetraka teo ambonin’ny rano maro i Babylona fahiny
[Sary, pejy 239]
Toy ny mipetraka eo ambonin’ny “rano maro” koa ilay mpivaro-tena lehibe ankehitriny
[Sary, pejy 241]
Mitaingina bibidia mampidi-doza i Babylona Lehibe
[Sary, pejy 242]
Mijangajanga amin’ny mpanjakan’ny tany ilay mpivaro-tena
[Sary, pejy 245]
“Mamon’ny ran’ny olona masina” ilay vehivavy