Toko Faha-6
Nahoana no Sarotra Erỳ ny Mifanaraka Amin’ny Zandriko sy ny Zokiko?
FIFANDRAFIANA eo amin’ny mpiray tam-po — nisy efa hatramin’ny andron’i Kaina sy Abela izany. Tsy hoe mankahala ny mpiray tam-po aminao akory ianao. Niaiky toy izao ny zatovo iray: “Ao anatiko lalina ao, toa tsy tsapako amin’izao fotoana izao, dia angamba tia ny rahalahiko aho. Ia, toa tia azy aho ka.”
Nahoana no mamitsaka eo amin’ny fifandraisan’ny mpiray tam-po matetika erỳ ny fifandirana? Ilay mpanoratra atao hoe Harriet Webster dia manonona ny tenin’i Claudia Schweitzer, mpanolo-tsaina momba ny fianakaviana, manao hoe: “Ny fianakaviana tsirairay dia samy manana fananana sasany, ara-pihetseham-po sy ara-nofo.” Manampy teny toy izao i Webster: “Rehefa miady ny mpiray tam-po, dia mazàna izy ireo no mifaninana hahazo ireo fananana ireo, izay mahafaoka ny zavatra rehetra manomboka amin’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ka hatramin’ny vola sy ny fitafiana.” I Camille sy ireo zoky sy zandriny dimy, ohatra, dia mizara efitrano telo. “Indraindray aho dia mba maniry ny ho irery”, hoy i Camille, “ary te hisakana azy ireo tsy hiditra, nefa dia eo foana izy ireo.”
Mety ho tonga koa ny fifandirana momba ny fizarana ny tombontsoa sy ny andraikitra ao an-tokantrano. Ireo zokiny dia mety tsy ho faly satria asaina manao ny ampahany lehibe indrindra amin’ny raharaha. Ireo zandriny dia mety ho sosotra satria irahin’ny zokiny na mety hialona rehefa mahazo tombontsoa notsiriritiny ny zokiny. ‘Mianatra mamily fiarakodia ny zokiko vavy, nefa aho tsy mahazo’, hoy ny fitarainan’ny tovovavy iray any Angletera. ‘Tsy mahafaly ahy izany ary manao izay hanasarotana ny fiainany aho.’
Indraindray dia vokatry ny fifandonan’ny toetran’ireo mpiray tam-po fotsiny ny tsy fifanarahany. I Diane, 17 taona, dia milaza toy izao ny amin’ireo mpiray tam-po aminy: “Raha mifankahita isan’andro mihiratra, na maraina na hariva, ianareo (...) Ary raha mahita olona iray isan’andro manao zavatra iray manorisory anao ianao — izany dia mety hanirikiry anao.” Manampy teny toy izao ny zatovo iray antsoina hoe Andre: “Rehefa ao an-trano ianao (...), dia manao zavatra araka ny tena maha-ianao anao.” Mampalahelo fa ‘ny fanaovan-javatra araka ny tena maha-ianao anao’ matetika dia midika ho tsy fanehoana fahalalam-pomba sy hatsaram-panahy ary fahaiza-mandanjalanja.
Ny fitiavan’ireo ray aman-dreny ny iray mihoatra noho ny hafa (‘Ianao no tian’i Neny indrindra!’) dia antony iray hafa fahita mahatonga ny mpiray tam-po hifanditra. Niaiky toy izao i Lee Salk, profesora momba ny psikolojia: “Tsy misy mihitsy fomba hitiavan’ny ray na ny reny iray ny zanany rehetra amin’ny fomba mitovy satria olombelona samy hafa izy ireo ary tsy maintsy miteraka fihetsika samy hafa avy amintsika [ray aman-dreny].” Izany dia marina tamin’ny andron’ny Baiboly. I Jakoba (Isiraely) patriarika dia ‘tia an’i Josefa mihoatra noho ny zanany rehetra’. (Genesisy 37:3). Nanjary nialona azy mafy ny rahalahin’i Josefa.
Tsy fanisiana kitay ny afo
“Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”. Toy izany no lazain’ny Ohabolana 26:20. Voasakana mialoha matetika ny fitaran’ny doro tanety amin’ny fanomanana aro afo, izany hoe toerana nanapahana ny hazo rehetra teo aminy. Raha misy afo mirehitra tokoa, dia mazàna mandroso hatreo amin’izany faritra izany fotsiny izy io ary aorian’izay dia maty. Tahaka izany koa, fa misy fomba hisakanana mialoha — na fara fahakeliny hamerana — ny tsy fitovian-kevitra. Ny fomba iray dia ny fifampiresahana sy ny fifanarahana amin’ny hevitra iray eken’ny rehetra, alohan’ny hipoahan’ny fifamaliana.
Ohatra, moa ve ny tsy fahampian’ny fahafahanao mitoetra ho irery no zava-manahirana? Raha izany no izy, amin’ny fotoana izay tsy mampahafana ny ady hevitra, dia miaraha mipetraka mba handaminana fandaharam-potoana iray tena izy. (‘Mampiasa ny efitrano aho amin’izao andro (na ora) izao, ary ianao kosa amin’ireto.’) Aorian’izany, dia “aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”, amin’ny fanajanao ilay fifanekena. (Matio 5:37). Raha misy zavatra mipoitra izay mitaky ny hanovana azy io, dia aoka ho fantatr’ilay hafa mialoha izany, fa aza manao fiovana fotsiny ka hanery azy hanaiky izany tsy misy filazana mialoha.
Moa ve ianareo miady ny amin’ny zo ho tompon-javatra iray? Nitaraina toy izao ny zatovovavy iray: “Mampiasa ny zavatro foana tsy misy fierana amiko ny zanaky ny renikeliko. Nampiasainy mihitsy aza ireo zavatra fanosotro amin’ny tarehy, ary avy eo dia sahiny ny niteny tamiko fa tsy ilay karazany tsara no novidiko!” Ho azonao atao ny hangataka ny ray aman-dreninareo mba ho mpanelanelana farany. Kanefa ho tsara kokoa ny miara-mipetraka amin’ny zokinao na ny zandrinao amin’ny fotoana maha-tony anareo. Amin’izay anefa dia aza miady fo amin’ireo “zonareo” fotsiny, fa aoka ianareo “ho vonona ny hizara”. (1 Timoty 6:18, NW ). Ataovy izay hifanarahana ny amin’ny fitsipika sasantsasany momba ny findraman-javatra, ka ny iray amin’izany dia mety ho ny fierana foana alohan’ny hakana zavatra. Ataovy izay hisian’ny fifanarahana ny amin’ny hevitra iray eken’ny rehetra, raha ilaina izany. Amin’izany fomba izany, dia ho hitanareo fa ‘ho faty ny afo’ alohan’ny hirehetany!
Ahoana raha manorisory anao tsotra izao ny toetran’ny iray tam-po aminao iray? Raha ny marina, dia tsy misy zavatra firy azonao atao mba hanovana azy. Koa mianara àry “mifandefitra amin’ny fitiavana”. (Efesiana 4:2). Aza halehibeazina mihoatra noho ny tena izy ireo fahadisoana sy kileman-toetran’ny mpiray tam-po aminao, fa ampiharo kosa ny fitiavana kristiana, izay “manarona fahotana maro”. (1 Petera 4:8). Aza mampahasosotra ny hafa na tsy maneho hatsaram-panahy, fa esory kosa ny “fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy”, ary “aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva”. — Kolosiana 3:8; 4:6.
‘Tsy rariny izany!’
“Mahazo izay zavatra rehetra tiany ny anabaviko”, hoy ny fitarainan’ny zatovolahy iray. “Fa raha izaho kosa, dia hadino tanteraka ny amiko.” Fitarainana fandre ô? Mariho anefa ireo teny tafahoatra hoe “zavatra rehetra” sy “tanteraka”. Tena lasa lavitra toy izany tokoa ve ilay tarehin-javatra? Tsy dia izany loatra angamba. Ary na dia toy izany aza no izy, moa ve fijerena zavatra araka ny tena izy ny fanampoizana ny hitondrana olona roa samy hafa amin’ny fomba mitovy tanteraka? Mazava ho azy fa tsia! Mety hanao zavatra araka izay zavatra ilainareo manokana sy ireo toetranareo tsirairay avy fotsiny ny ray aman-dreninareo.
Kanefa, moa ve manao ny tsy rariny ny ray aman-dreny tia kokoa ny zanaka iray manokana? Tsy voatery ho izany. Tadidio ny nampisehoan’i Jakoba fankasitrahana manokana tamin’i Josefa. Inona no antony? I Josefa no zanak’i Jakoba naterak’i Rahely vady tsy foiny, izay efa maty. Moa ve tsy mora azo ny fahatsapan’i Jakoba tena ho akaiky an’io zanany lahy io manokana? Ny fitiavan’i Jakoba an’i Josefa anefa dia tsy nanilika an’ireo zanany lahy hafa, satria tena naneho fiheverana marina izay hahasoa azy ireo izy. (Genesisy 37:13, 14). Tsy marim-pototra àry ny fialonan’izy ireo!
Mety hifandray am-po kokoa amin’ny zokinao na ny zandrinao tahaka izany koa ny ray aman-dreninao, angamba noho ny zavatra mahaliana iombonany aminy, ny fitovian’ny toetrany, na noho ny anton-javatra hafa. Tsy midika anefa izany fa tsy tia anao izy ireo. Raha tsy faly na mialona noho izany ianao, dia fantaro fa nanjary resin’ny fonao tsy lavorary fotsiny ianao. Ataovy izay handresena izany fihetseham-po izany. Raha mbola mahazo izay ilainao koa ianao, nahoana ianao no voahelingelina raha toa mahazo fiheverana fanampiny ny iray tam-po aminao?
Ny fananana zoky sy zandry — Fitahiana
Mety ho sarotra inoana izany indraindray — indrindra rehefa manorisory anao izy ireo. Nefa mampahatsiahy antsika toy izao i Diane: “Mahafinaritra ny manana anadahy sy rahavavy.” Fito ny azy. “Manana olona iresahana sy itantarana ireo zavatra mahaliana anao ianao.”
Manampy teny toy izao i Anne Marie sy i Andre anadahiny: “Na dia afaka miaraka amin’ny namanao aza ianao, dia manana ny zokinao sy ny zandrinao foana kosa. Eo foana izy ireo rehefa te hilalao na hanao fanatanjahan-tena na hitsangantsangana ianao.” Mahita tombony hafa eo amin’ny lafin’ny asa i Donna: “Manana olona izarana ny raharaha ao an-trano ianao.” Ny hafa dia nilazalaza ny zokiny na ny zandriny ho toy ny “mpanolo-tsaina sy olona manongilan-tsofina” ary ho olona “mahatakatra ny hevitrao”.
Any aoriana any, ny sasany amin’ireo zava-manahirana eo aminao sy ny zokinao na ny zandrinao ankehitriny dia hipoitra eo aminao sy ny olon-kafa. Ny fialonana, ny zo ho tompon-javatra iray, ny fitondrana olona amin’ny fomba tsy mitovy, ny tsy fisian’ny fahafahana hitokana, ny fitiavan-tena, ny tsy fitovian’ny toetra — anisan’ny fiainana avokoa ireo zava-manahirana rehetra ireo. Ny fianarana hifanaraka tsara amin’ireo zokinao sy zandrinao dia fiomanana tsara eo amin’ny sahan’ny fifandraisana amin’olona.
Mamerina ny tenin’ny Baiboly ao amin’ny 1 Jaona 4:20 i Andre, 17 taona, rehefa milaza hoe: “Raha tsy mahay mifanaraka amin’olona izay hitanao ianao, ahoana moa no hifanarahanao amin’i Jehovah, izay tsy hitanao?” Hitranga indraindray ny tsy fitoviana hevitra amin’ireo zokinao sy zandrinao. Kanefa afaka mianatra ny hizara sy hifampiresaka amin’ny hafa ary hanaiky ny heviny ianao. Inona no ho vokatry ny fiezahana toy izany? Mety ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra tsara ianao fa tsy dia ratsy loatra akory ny manana zoky sy zandry.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana no mifandona matetika ny mpiray tam-po?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azonao isakanana mialoha ny fiadiana momba ny fahafahana hitokana sy ny zo ho tompon-javatra iray?
◻ Nahoana indraindray ireo ray aman-dreny no tia kokoa zanaka iray? Tsy maintsy ho tsy rariny ve izany, araka ny hevitrao?
◻ Maty antoka ve ny zanaka tokana?
◻ Inona avy no tombony sasany amin’ny fananana zoky sy zandry?
[Teny notsongaina, pejy 52]
“Tsy misy mihitsy fomba hitiavan’ny ray na ny reny iray ny zanany rehetra amin’ny fomba mitovy satria olombelona samy hafa izy ireo”. — Lee Salk, profesora momba ny psikolojia
[Efajoro, pejy 54]
‘Zanaka Tokana Aho’
Raha izany no toe-javatra misy anao, dia tsy voatery ho maty antoka ianao. Voalohany, raha mety hahita fahasahiranana ny tanora hafa mba hifanarahana tsara amin’ny mpiray tam-po aminy, ianao kosa dia afaka mifantina ireo namanao akaiky (miaraka amin’ny faneken’ny ray aman-dreninao, mazava ho azy). Mety hanana fotoana bebe kokoa mihitsy aza ianao mba hianarana sy hisaintsainana na hampitomboana fahaizana manao zavatra na talenta sasany. — Jereo ny Toko faha-14 mikasika ny fahatsiarovana ho manirery.
I Thomas dia manintona ny saina ho amin’ny tombony hafa iray, rehefa milaza hoe: “Amin’ny maha-zanaka tokana ahy, dia nanana ny fiheveran’ny ray aman-dreniko manontolo aho.” Marina aloha fa ny fanehoan’ny ray aman-dreny fiheverana tafahoatra dia mety hahatonga ny tanora iray tsy hieritreritra afa-tsy ny tenany. Kanefa, raha mampiseho fandanjalanjana ireo ray aman-dreny eo amin’ny fanehoana fiheverana, izany dia hanampy anao ho matotra haingana kokoa ary tsy hahatsiaro tena ho sanganehana miaraka amin’olon-dehibe.
Kanefa, satria ianao tsy manana zoky na zandry mba hifampizara zavatra aminao, dia mety hahatonga anao ho lasa tia tena izany. Nanoro hevitra toy izao i Jesosy: “Mianara manome”. (Lioka 6:38, NW ). Miezaha hizara zavatra amin’ny namana sy ny havana. Mianara hahita izay ilain’ny hafa, ka atolory ny fanampianao rehefa mety izany. Hanana fihetsika tsara eo anoloan’ny fahalalahan-tanana toy izany ny olona. Ary mety ho hitanao fa na dia zanaka tokana aza ianao, dia tsy zanaka manirery velively.
[Sary, pejy 53]
Matetika aho dia malahelo fa tsy manana rahavavy; kanefa manana tombony sasany koa aho