Toko Faha-12
Nahoana no Mahasosotra Ahy ny Tenako?
“TSY mihevitra ny tenako ho tena misongadina mihitsy aho”, hoy ny fitarainan’i Louise. Ianao koa ve indraindray mba tsy faly amin’ny tenanao?
Raha ny tena izy, ny tsirairay dia mila ny mahatsiaro tena ho mendrika. Io fahatsiarovan-tena ho mendrika io dia nantsoina hoe “ilay fangaron-javatra manome fahamendrehana ny fiainan’ny olombelona”. Ankoatra izany, ny Baiboly dia manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 19:19). Ary raha tsy tia ny tenanao ianao, dia azo inoana fa tsy ho tia ny hafa koa.
‘Tsy mahavita na inona na inona tsara mihitsy aho!’
Nahoana ianao no mety hanana fihetseham-po tsy manorina momba ny tenanao? Voalohany aloha, dia mety ho kivy ianao noho ireo fetran’ny mety ho vitanao. Eo an-dalam-pitomboana ianao, ary matetika dia misy fotoana mampikaviavia anao, andatsahanao zavatra na idonanao amin-javatra, izay zava-mitranga mahasanganehana anao isan’andro. Manaraka izany, dia tsy manana tsotra izao ny fanandraman-javatry ny olon-dehibe ianao raha ny amin’ny fahaiza-mizaka fahadisoam-panantenana. Ary satria mbola tsy ‘zatra nampiasaina tsara ny sainao’, dia mety tsy hanao ny fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena foana ianao. (Hebreo 5:14). Indraindray ianao dia mety hahatsapa fa tsy mahavita na inona na inona tsara mihitsy!
Ny tsy fahatratrarana izay antenain’ny ray aman-drenin’ny tena amin’ny tena koa dia mety ho antony hahatsiarovan-tena ho tsy mendrika. “Raha nahazo hoe ‘Tsara’ tany am-pianarana aho”, hoy ny tanora iray, “dia manontany ny ray aman-dreniko hoe nahoana no tsy ‘Tena tsara’ no azoko, ary dia lazainy aho fa tsy mahomby amin’izay ataoko.” Mazava ho azy fa zavatra mandeha ho azy amin’ny ray aman-dreny ny fampirisihana ny zanany hanao ny tsara indrindra mety ho vitany. Ary rehefa tsy mahatratra izany zavatra araka ny antonony antenainy izany ianao, dia afaka mahazo antoka fa tsy maintsy handre momba izany. Ny torohevitry ny Baiboly dia izao: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:8, 9). Aza kivy fa raiso mora fotsiny ny fanakianana ary mandraisa fianarana avy amin’izany.
Ahoana anefa raha manao fampitahana tsy araka ny rariny ny ray aman-drenin’ny tena? (“Nahoana àry ianao no tsy mba tahaka an’i Tovo zokinao? Izy aloha dia mpianatra faran’izay mahay foana e.”) Ny fampitahana toy izany, na dia toa mety handratra aza indraindray, matetika dia fanipazan-kevitra tsara. Tsy maniry afa-tsy izay tsara indrindra ho anao ny ray aman-dreninao. Ary raha mahatsapa ianao fa henjana loatra aminao izy ireo, nahoana raha miresaka aminy amim-pahatoniana momba izany?
Fanorenana ny fahatsapanao fanajan-tena
Ahoana no ahafahanao manamafy indray ny fahatsiarovanao tena ho mendrika rehefa toa very izany? Voalohany aloha, dia jereo amim-pahamarinana ireo lafin-toetra tsara sy lafin-toetra ratsy anananao. Ho hitanao fa tsy dia manao ahoana akory ireo lazainao hoe lafin-toetra ratsy eo aminao. Ahoana ny amin’ny toetra ratsy lehibe, toy ny fahasaro-po na ny fitiavan-tena? Miezaha amim-pahamalinana mba handresy ireo zava-manahirana ireo ary dia azo antoka fa hitombo ny fahatsapanao fanajan-tena.
Ambonin’izany, dia aza manafina amin’ny tenanao ireo lafin-toetra tsara efa anananao! Mety tsy hihevitra ianao fa zava-dehibe ny fahaizana mahandro sakafo na manolo pne. Kanefa ny olona noana iray na ny mpamily fiara iray vaky pne dia ho talanjona ny aminao noho ny fanananao ireo fahaizana ireo! Eritrereto koa ireo toetra tsaranao. Mazoto mianatra ve ianao? Sa manana faharetana? Sa mamindra fo? Sa malala-tanana? Sa tsara fanahy? Manan-tombo be lavitra noho tsy fahatanterahana madinika ireo toetra tsara ireo.
Mety hanampy koa ny fandinihana ireto zavatra tsara hojerena indray ireto:
Mamera zava-kendrena araka ny tena izy: Raha mikendry zavatra ambony loatra ianao, dia mety ho voan’ny fahadisoam-panantenana mafy. Mamera zava-kendrena azo tratrarina. Nahoana raha mianatra mitendry milina fanoratana na zavatra hafa toy izany? Mianara mitendry zava-maneno na fiteny vahiny iray. Hatsarao na ovao ny zavatra vakinao. Ny fahatsapana fanajan-tena dia vokatra tsara entin’ny fahavitan’ny tena zavatra.
Ataovy tsara izay ataonao: Raha manao asa zara fa vita ianao, dia tsy ho faly amin’ny tenanao. Nahita fahafinaretana tamin’ireo asa famoronany Andriamanitra ary nanambara fa “tsara” ireo fotoam-pamoronana isaky ny vita izany. (Genesisy 1:3-31). Ianao koa dia afaka mahita fahafinaretana amin’izay asa rehetra ataonao ao an-trano na any an-tsekoly amin’ny fanaovana izany tsara sy amim-pahamalinana. — Jereo Ohabolana 22:29, NW.
Manaova zavatra ho an’ny hafa: Ny fahatsapana fanajan-tena dia tsy azo amin’ny fipetraham-potsiny sy amin’ny famelana ny hafa hanao ny zava-drehetra ho an’ny tena. Nilaza i Jesosy fa ‘na iza na iza te ho lehibe dia tsy maintsy ho mpanompon’ny hafa’. — Marka 10:43-45, NW.
I Kim, ankizivavy 17 taona, ohatra, dia nandany 60 ora isam-bolana nandritra ny fotoam-pialan-tsasany, mba hanampiana ny hafa hianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Nampanatona ahy akaiky kokoa an’i Jehovah izany, sady nanampy ahy hampitombo fitiavana marina ny olona.” Tsy azo inoana hoe tsy hahatsapa fanajan-tena io zatovovavy sambatra io!
Fidio amim-pitandremana ireo ho namanao: “Tena tsy afa-po amin’ny tenako mihitsy aho”, hoy i Barbara, 17 taona. “Rehefa miaraka amin’olona matoky ahy aho, dia mahavita zavatra tsara. Rehefa miaraka amin’olona mihevitra ahy ho toy ny manelingelina azy fotsiny kosa aho, dia lasa vendrana.”
Tena afaka hahatonga anao ho tsy faly amin’ny tenanao tokoa ny olona manao azy ho zavatra na manevateva anao. Mifidiana àry namana izay tena mihevitra marina ny hahasoa anao, dia namana izay mampahery anao. — Ohabolana 13:20.
Ataovy ho ny namanao akaiky indrindra Andriamanitra: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy”, hoy i Davida mpanao salamo. (Salamo 18:2). Tsy niankina tamin’ny fahaizan’ny tenany ny fatokian-tenany fa tamin’ny fisakaizany akaiky tamin’i Jehovah. Noho izany, rehefa nisy zava-tsarotra nianjady taminy, dia afaka nizaka fanakianana mahery tamim-pahatoniana izy. (2 Samoela 16:7, 10). Ianao koa dia afaka ‘manatona akaiky an’Andriamanitra’ ka ‘hirehareha’, tsy noho ny tenanao, fa noho i Jehovah! — Jakoba 2:21-23; 4:8, NW; 1 Korintiana 1:31.
Ireo lalana tsy mitondra na aiza na aiza
Nilaza toy izao ny mpanoratra iray: “Indraindray ny zatovo iray tsy manana herin-tsaina sy tsy mahatsiaro tena ho mendrika dia mitady ny hampiseho endrika ivelany sandoka mba hiatrehana izao tontolo izao.” Fantatra tsara ireo karazan’olona tian’ny sasany hisehoana: Ilay “bandy mazana be”, ilay mpanenjika vehivavy any amin’ny lanonana isan-karazany, ilay rocker punk manao fiakanjo sampontsampona. Kanefa ao ambadik’ireo fisehoana ireo, dia mbola miady mafy amin’ny fahatsiarovan-tena ho ambany ihany ny tanora toy izany. — Ohabolana 14:13.
Diniho, ohatra, ireo izay manaram-po amin’ny fahalotoam-pitondran-tena “mba hanafoanana ny fahaketrahany, mba hampitomboana ny fahatsiarovany tena ho mendrika [amin’ny fahatsapan-tena ho irin’ny hafa], mba hananana firaisana ary, raha sendra mitoe-jaza, dia mba hahazoana ny fitiavana sy ny fanekena tanteraka avy amin’ny olombelona hafa iray — ilay zazakely”. (Coping With Teenage Depression). Nanoratra toy izao ny zatovovavy iray diso fanantenana mafy: “Nitady hampiasa ny fanaovana firaisana ho toy ny fampiononana aho, fa tsy ny fanorenana fifandraisana mafy orina tamin’ny Mpamorona ahy. Ny hany namboleko tamin’izany dia tsy inona fa fahatsapana fahafoanana, fahatsiarovan-tena ho manirery ary fahaketrahana fanampiny.” Mitandrema tena àry amin’ny lalana tsy mitondra na aiza na aiza toy izany.
Teny fampitandremana
Mahaliana fa ny Soratra Masina dia mampitandrina matetika amin’ny fiheveran-tena ho ambony loatra! Fa nahoana? Izany dia satria ny ankamaroantsika dia toa mirona hihoatra ilay tanjona noferantsika, eo am-piezahantsika hahazo fatokian-tena. Maro no manjary tia tena ary manao laza masaka momba ny fahaizany sy ny zava-bitany. Ny sasany manambony tena amin’ny fanambaniana ny hafa.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy fifankahalana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa (tsy Jiosy) tao amin’ny kongregasiona kristiana iray tany Roma. Nampahatsiahy an’ireo Jentilisa ny apostoly Paoly fa noho ny “hatsaram-panahin’Andriamanitra” no ‘nanatsofohana’ azy ireo mba hitana toerana ankasitrahan’Andriamanitra. (Romana 11:17-36, NW ). Ireo Jiosy niseho ho marina koa dia voatery niaiky ny amin’ny tsy fahatanterahany. “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, hoy i Paoly. — Romana 3:23.
Tsy nanala tamin’izy ireo ny fahatsiarovany tena ho mendrika i Paoly fa nilaza hoe: “Fa noho ilay hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory nomena ahy dia milaza amin’ny rehetra aho (...) mba tsy hihevi-tena mihoatra noho izay ilaina hoheverina.” (Romana 12:3, NW ). Koa na dia “ilaina” aza ny fahatsapana fanajan-tena sasantsasany, dia tsy tokony hanao zavatra tafahoatra isika amin’io lafiny io.
Manamarika momba izany toy izao ny Dr. Allan Fromme: “Ny olona iray manana fomba fihevitra antonony momba ny tenany dia tsy malahelo, nefa tsy voatery ho ravoravo amin’ny fomba tafahoatra. (...) Tsy hoe tsy mahita afa-tsy ireo lafy ratsin-javatra izy, nefa koa tsy hoe tsy voafehiny akory ny fahaizany mijery ireo lafin-tsaran-javatra. Sady tsy sahisahy ratsy izy no tsy hoe tsy manan-tahotra mihitsy (...) Fantany fa, na dia tsy fahombiazana manaitra mandrakariva aza no hitany, dia tsy hoe azom-pahavoazana tsy an-kijanona ny tenany.”
Mihevera tena araka ny tena izy àry. “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (Jakoba 4:6). Ekeo ireo lafin-toetra tsara anananao, kanefa aza odian-tsy hita ireo fahadisoanao. Miezaha kosa hanatsara azy ireo. Mbola hisalasala momba ny tenanao ihany ianao indraindray. Kanefa tsy voatery hisalasala na oviana na oviana momba ny fahamendrehan’ny tenanao na momba ny fitiavan’Andriamanitra anao, ianao. Satria “raha misy tia an’Andriamanitra, dia izy no fantany”. — 1 Korintiana 8:3.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny tanora sasany no manana fihetseham-po tsy manorina momba ny tenany? Manana izany fihetseham-po izany koa ve ianao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no mety handraisanao ireo zavatra takin’ny ray aman-dreninao aminao?
◻ Inona avy no fomba sasany azo anorenana ny fahatsapana fanajan-tena?
◻ Inona avy no lalana sasany tsy mitondra na aiza na aiza raha ny amin’ny fanorenana ny fahatsiarovan-tena ho mendrika?
◻ Nahoana ianao no tsy maintsy mitandrina mba tsy hihevi-tena ho ambony loatra?
[Teny notsongaina, pejy 98]
Ny fahatsiarovan-tena ho mendrika dia nantsoina hoe “ilay fangaron-javatra manome fahamendrehana ny fiainan’ny olombelona”
[Sary, pejy 99]
Mahatsiaro tena ho rera-po sy ambany ve ianao? Misy fanafodiny izany
[Sary, pejy 101]
Tsy fanafodin’ny fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika ny fahatongavana ho mpandoka tena na mpidera tena
[Sary, pejy 102]
Mahatsapa ve ianao indraindray fa tsy mahavita na inona na inona tsara mihitsy?