Toko Faha-19
Nahoana Aho no Ataon’izy Ireo Lasibatra Foana?
Hita amin’ny fandehan’ilay ankizilahy fa hendratrendratra mafy sy tsy matoky tena izy, ary miharihary fa sakodiavatra izy ao amin’ilay toerana vaovao. Hitan’ireo lehibe kokoa avy hatrany fa mpianatra vaovao izy. Vetivety foana dia voahodidin’ankizy manomboka manototra ompa azy, izy! Mivoaramena ny tarehiny ary dia mandositra any amin’ny toeram-pialofana akaiky indrindra izy — ny toerana fivoahana. Reny avy ao ambadiky ny rindrina ny hehin’izy ireo.
NY FAMPIJALIJALIANA tsy an-kijanona, ny fananihaniana ary ny fitenenan-dratsy ny hafa no fandaniana andro tsy misy fiantran’ny tanora maro. Na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza, dia nisy ankizy nampiseho toetra feno haratsiam-panahy. Nisy andian’ankizilahy kely, ohatra, nampijalijaly tsy an-kijanona an’i Elisa mpaminany. Nanevateva ny anjara raharaha notanany ireo ankizy ireo ary niantsoantso tsy nisy fanajana hoe: “Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!” (2 Mpanjaka 2:23-25). Amin’izao andro izao, dia tanora maro no manana fironana toy izany hanao teny manaratsy sy manindrona momba ny hafa.
“Izaho no ilay ‘tapak’olona’ tao amin’ny kilasy fahefatra nisy ahy”, hoy ny tsaroan’ny iray amin’ireo mpanoratra ny Growing Pains in the Classroom. “Ny hoe sady mpianatra nahay indrindra no mpianatra fohy indrindra tao an-dakilasy dia fitambaran-javatra nampidi-doza tany am-pianarana: ireo tsy ta hamely ahy noho izaho fohy kely dia namely ahy noho izaho nahay. Tsy vitan’ny hoe ‘kati-maso’ fotsiny aho, fa nantsoina koa hoe ‘diksionera mandehandeha’ sy [anaran-dratsy an-jatony maro] hafa.” Manampy teny toy izao ny mpanoratra ny The Loneliness of Children: “Ny ankizy manan-kilema ara-batana, tsy mahay miteny tsara na misy zavatra hafahafa miharihary eo amin’ny vatany na ny fihetsiny, dia lasibatra mora foana ho an’ny fananihanian’ny ankizy hafa.”
Indraindray ny ankizy sasany dia miaro tena amin’ny fandraisana anjara koa amin’io azo antsoina hoe fifaninanana tsy misy fiantrana io: ny fifamelezana amin’ny alalan’ny teny ratsy mihamandratra hatrany (matetika momba ny ray aman-drenin’ilay iray hafa). Ankizy maro anefa no tsy manam-piarovana eo anoloan’ny fampijalijaliana tsy an-kijanona ataon’ireo mitovy taona aminy. Tsaroan’ny tanora iray fa nisy andro naha-feno tahotra azy sy naha-ory azy aoka izany, noho ny fananihaniana sy ny fampijalijaliana tsy an-kijanona nataon’ireo iray kilasy taminy, hany ka ‘nila handoa mihitsy’ izy. Tsy afaka nifantoka tamin’ny fianarany izy satria nanahy ny amin’izay hataon’ireo mpianatra hafa taminy.
Tsy natao hihomehezana
Efa lasibatry ny tsy fiantran’ireo mitovy taona aminao ve ianao? Raha eny, dia mety hampionona anao ny fahafantarana fa Andriamanitra dia tsy mihevitra izany ho fihomehezana. Diniho ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny lanonana iray natao ho fankalazana ny fanotazana an’i Isaka zanak’i Abrahama. Toa nialona ny lova ho azon’i Isaka i Isimaela, zanak’i Abrahama lahimatoa, ka “nihomehy” an’i Isaka. Tsy vazivazy tamim-pahatsorana anefa ilay fananihaniana, fa tena ‘fanenjehana’ mihitsy. (Galatiana 4:29). Nahatsikaritra tsy fitiavana tao amin’ilay fananihaniana i Saraha, renin’i Isaka. Noraisiny ho toy ny faniratsirana ny fikasan’i Jehovah hamokatra “taranaka”, na Mesia, tamin’ny alalan’i Isaka zanany, izany. Noho ny fangatahan’i Saraha, dia nampandehanina hiala tao amin’ny ankohonan’i Abrahama i Isimaela sy ny reniny. — Genesisy 21:8-14.
Mitovy amin’izany koa, ny fampijalijalian’ny ankizy anao amin-karatsiam-panahy tsy an-kijanona dia tsy natao hihomehezana — indrindra fa raha noho ny fiezahanao hanaraka ireo fari-pitsipiky ny Baiboly no anaovany izany. Ireo tanora kristiana, ohatra, dia fantatra noho ny firesahany momba ny finoany amin’ny hafa. Kanefa milaza toy izao ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah sasany: “Mihomehy anay ireo ankizy any am-pianarana satria mitory isan-trano izahay, ary ivaivainy izahay noho ny fanaovanay izany.” Eny, toy ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny andro fahiny, dia tanora kristiana maro no ‘miaritra fanesoana’. (Hebreo 11:36). Tena deraina izy ireo noho ny herim-pony hiaritra fanakianana toy izany!
Ny antony anaovan’izy ireo izany
Na dia izany aza, dia mety hanontany tena ianao hoe inona no azonao atao mba tsy hanaovan’izy ireo anao ho lasibatra intsony. Voalohany aloha, dia diniho ny antony ananihaniany anao. “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 14:13. Toran’ny hehy ny hafa rehefa manorisory olona iray tsy an-kijanona ny andiana tanora iray. Kanefa tsy ‘fihobiana noho ny faharavoam-po’ ny azy. (Isaia 65:14). Matetika ny fihomehezana dia fanafenana tebiteby anaty. Ao ambadik’ireo tabataba ivelany, ireo mpampahory dia mety hilaza raha ny tena izy hoe: ‘Tsy tianay ny tenanay, kanefa rehefa manevateva olona iray izahay, dia mahatsiaro ho faly kokoa amin’ny tenanay.’
Ny fialonana koa dia mahatonga ny famelezan’ny hafa. Tadidio ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Josefa fony zatovo. Nampitondra faisana azy ireo rahalahiny satria izy no tian’ny rainy indrindra. Tsy vitan’ny hoe nitarika ho amin’ny fitenenan-dratsy fotsiny ny fialonana mafin’izy ireo, fa ho amin’ny fisaintsainana ny hamono olona mihitsy! (Genesisy 37:4, 11, 20). Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, ny mpianatra iray faran’izay mahay na tian’ireo mpampianatra dia mety hiteraka ny fialonan’ireo mitovy taona aminy. Toa ‘hametraka azy amin’ny toerany’ ny fitenenan-dratsy azy.
Ny tsy fananana fatokian-tena sy ny fialonana ary ny fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika àry matetika no antony anarabiana ny hafa. Koa nahoana àry ianao no hamoy ny fahatsiarovanao tena ho mendrika satria namoy ny azy ny tanora tsy matoky tena sasany?
Fampijanonana ilay fampijalijaliana tsy an-kijanona
“Sambatra ny olona (...) tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 1:1). Ny fanarahana ny ataon’ireo mpaniratsira mba hampialana ny vazivazy tsy ho aminao intsony dia tsy manao afa-tsy ny manitatra ilay izy. “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Reseo amin’ny soa ny ratsy”, hoy ny torohevitr’Andriamanitra. — Romana 12:17-21.
Manampy teny toy izao ny Mpitoriteny 7:9: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” Eny, nahoana no horaisinao ho toy ny zava-dehibe aoka izany ny fananihaniana? Marina aloha fa mandratra ny fihomehezan’ny olona momba ny bikanao na ny tarehinao. Kanefa ireny teny ireny, na dia mety tsy hahafinaritra aza, dia tsy voatery ho haratsiam-panahy no manosika ny hafa hanao azy ireny. Koa raha misy olona manisy teny, na amin-karatsiam-panahy izany na tsia, momba ny zavatra iray maha-sarotiny anao indrindra, nahoana ianao no hisendaotra? Raha tsy fanompana na fanaovana ho tsinontsinona ilay teny, dia miezaha hijery izany amim-pahaiza-mandray vazivazy. “Ao ny andro ihomehezana”, ary ny fahatafintohinana noho ny fananihaniana kely dia mety ho fihetsika tafahoatra. — Mpitoriteny 3:4.
Ahoana anefa raha tsy misy fiantrana na feno haratsiana mihitsy ilay fananihaniana? Tadidio fa maniry hahita ny fihetsikao, maniry hifaly noho ny fahorianao, ilay mpaniratsira. Raha mamaly azy amin’ny fomba mitovy amin’izany ianao, na mitady hiaro tena, na mitomany, dia azo inoana fa vao mainka hampirisika azy hanohy ilay fampijalijaliana tsy an-kijanona. Nahoana ianao no hanome azy ny fahafaham-po hahita anao tezitra? Ny fomba tsara indrindra hanilihana ny fitenenan-dratsy matetika dia ny tsy firaharahana izany amim-pahatoniana.
Nanampy teny toy izao i Solomona Mpanjaka: “Aza [manome ny fonao amin’ny, NW ] teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao hianao; fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.” (Mpitoriteny 7:21, 22). Ny ‘fanomezanao ny fonao’ hihaino ireo teny maharary ataon’ny mpanaraby dia hidika fa hoe miahy be loatra ny amin’ny fomba fitsarany anao ianao. Azo ekena ve ny fomba fitsarany? Niharan’ny famelezana tsy ara-drarin’ireo nitovy taminy izay nialona azy ny apostoly Paoly, kanefa hoy ny navaliny: “Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’olona; (...) fa ny Tompo no Mpitsara ahy”. (1 Korintiana 4:3, 4). Mafy aoka izany ny fifandraisan’i Paoly tamin’Andriamanitra, hany ka nanana ny fatokian-tena sy ny tanjaka anaty nilaina mba hizakana famelezana tsy ara-drariny izy.
Ampamirapirato ny fahazavanao
Indraindray dia mety hesoina ianao noho ny fomba fiainanao kristiana. Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy dia voatery niaritra “teny feno fankahalana” toy izany. (Hebreo 12:3, NW ). I Jeremia koa dia “tonga fihomehezana mandritra ny andro” noho ny firesahany tamim-pahasahiana momba ny hafatr’i Jehovah. Tsy an-kiato aoka izany ilay fampijalijaliana, hany ka namoy vetivety ny risi-pony i Jeremia. “Tsy hanonona Azy [Jehovah] aho na hiteny intsony amin’ny anarany”, hoy ny fanapahan-keviny. Kanefa ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fahamarinana tamin’ny farany dia nanosika azy handresy ny tahony. — Jeremia 20:7-9.
Nisy tanora kristiana sasany amin’izao andro izao nahatsiaro ho kivy toy izany koa. May ny hampitsahatra ilay fananihaniana izy ireo, ka nanandrana nanafina fa Kristiana ny tenany. Ny fitiavany an’Andriamanitra anefa tamin’ny farany dia nanosika azy handresy ny tahony ka ‘hampamirapiratra ny fahazavany’! (Matio 5:16, NW ). Izao, ohatra, no nolazain’ny zatovolahy iray: “Niova ny fihetsiko. Nitsahatra tsy nijery ny maha-Kristiana ahy ho toy ny enta-mavesatra intsony aho ary nanomboka nihevitra izany ho toy ny zavatra tokony hireharehana.” Ianao koa dia afaka ‘mirehareha’ noho ny tombontsoanao mahafantatra an’Andriamanitra sady ampiasainy mba hanampiana ny hafa. — 1 Korintiana 1:31.
Mitandrema anefa mba tsy hahatonga ny hafa tsy ho tia anao amin’ny fanakianana lava azy na amin’ny fanaovana izay hiheverany fa mihevi-tena ho ambony noho izy ianao. Rehefa mipoitra ny fahafahana hiresaka momba ny finoanao, dia ataovy izany, kanefa “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15). Ny lazanao noho ny fitondran-tenanao tsara dia mety ho ny fiarovan-tenanao tsara indrindra raha mbola mandeha mianatra ianao. Na dia mety tsy ho tian’ny hafa aza ny herim-ponao hihazona ny toeranao, matetika izy ireo dia hanaja anao tsy fidiny noho izany.
Ny ankizivavy iray antsoina hoe Vanessa dia niharan’ny fampijalijaliana tsy an-kijanona avy tamin’ny andian-jazavavy izay nikapoka azy, nanositosika azy, nanjera ny bokiny teny an-tanany — mba hahatonga ady fotsiny. Nandraraka kakao teo ambony lohany sy teo amin’ny akanjony fotsy nadio mihitsy aza izy ireo. Kanefa tsy nanaiky ho resin’ilay fihantsiana mihitsy izy. Tatỳ aoriana, dia nahita ny mpitarika ilay andian-jazavavy tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Vanessa! “Tena halako mihitsy ianao tamin’ireny (...)”, hoy io mpampijaly kely taloha io. “Naniry ny hahita anao hamoy ny fahatonianao na dia indray mandeha monja aza aho.” Liana ta hahalala ny antony nahafahan’i Vanessa nihazona ny fahatoniany anefa izy, ka nanaiky fampianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Nanjary raiki-pitia tamin’ilay zavatra nianarako aho”, hoy izy nanohy ny teniny, “ary rahampitso aho dia hatao batisa.”
Koa aza manaiky ho rera-po noho ny “teny feno fankahalana” ataon’ireo mitovy taona aminao àry. Rehefa mety, dia manehoa fahaiza-mandray vazivazy. Valio amin’ny hatsaram-panahy ny ratsy. Aza manaiky hampirisika ny hisian’ny fifamaliana, ary amin’ny farany, dia mety tsy hahita fahafinaretana firy hanao anao ho lasibatry ny fanarabiany intsony ireo mpampahory anao, satria “raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”. — Ohabolana 26:20.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Manao ahoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ireo izay mananihany ny hafa tsy misy fiantrana?
◻ Inona matetika no ao ambadiky ny fampijalijaliana tsy an-kijanona ataon’ny tanora?
◻ Ahoana no hahafahanao hampihena ho faran’izay kely na hampijanona mihitsy aza ny fanarabiana?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny ‘hampamirapiratanao ny fahazavanao’ any an-tsekoly, na dia rehefa mananihany anao aza ny hafa?
◻ Dingana inona avy no azonao atao mba hiarovanao ny tenanao amin’ny herisetra any an-tsekoly?
[Teny notsongaina, pejy 155]
Ao ambadik’ireo tabataba ivelany, ireo mpampahory dia mety hilaza raha ny tena izy hoe: ‘Tsy tianay ny tenanay, kanefa rehefa manevateva olona iray izahay, dia mahatsiaro ho faly kokoa amin’ny tenanay’
[Efajoro, pejy 152]
Ahoana no Hanalavirako Tsy ho Voavonon’izy Ireo?
‘Manao vy very ny ainao ianao rehefa mankany an-tsekoly.’ Izany no lazain’ny mpianatra maro. Hadalana sady mihantsy zava-manahirana anefa ny fitondrana fiadiana. (Ohabolana 11:27). Ahoana àry no ahafahanao miaro ny tenanao?
Fantaro ary halaviro ireo faritra mampidi-doza. Ireo lalantsara sy tohatra ary efitra fitoeran’entan’ny mpianatra dia tena faritra ahitan-java-manahirana mihitsy any amin’ny sekoly sasany. Ary malaza aoka izany ho toeram-piadiana sy fampiasana zava-mahadomelina ireo toerana fivoahana, hany ka aleon’ny tanora maro miaritra fahoriana kely toy izay ho any.
Tandremo ny fifaneraseranao. Matetika dia voarohirohy amin’ny ady iray ny tanora iray noho izy nifanerasera tamin’ny karazan’olona ratsy fotsiny. (Jereo Ohabolana 22:24, 25.) Mazava ho azy fa raha miavonavona amin’ireo iray kilasy aminao ianao dia mety hampihataka azy ireo aminao izany na hahatonga azy ireo ho tsy tia anao. Raha sariaka sy mahalala fomba aminy ianao, dia mety ho vonona kokoa ny tsy hanao anao ho lasibatra izy.
Halaviro ny ady. Halaviro ny ‘fifampihaikana’. (Galatiana 5:26). Na dia mivoaka ho mpandresy amin’ny ady iray aza ianao, ilay niady taminao dia mety hanao kendry tohana hamaliana faty fotsiny. Koa miezaha aloha hiresaka mba tsy hisian’ny ady. (Ohabolana 15:1). Raha tsy misy vokany ny firesahana, dia mialà — na mihazakazaha mihitsy aza — mba handosirana fifandonana feno herisetra iray. Tadidio fa “ny amboa velona no tsara noho ny liona maty”. (Mpitoriteny 9:4). Ho fitadiavana fanampiana farany, dia ampiasao izay fomba antonony rehetra ilaina mba hiarovanao tena. — Romana 12:18.
Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Ny tanora dia “mahalana vao miresaka amin’ny ray aman-dreniny momba ireo fampihorohoroana any an-tsekoly, noho ny tahotra sao heverin’ny ray aman-dreniny ho kanosa na sao ho bedy satria tsy nahatohitra ireo mpampijaly kely.” (The Loneliness of Children). Matetika anefa dia ny fisalovanan’ny ray na ny reny no hany fomba hampijanonana ilay zava-manahirana.
Mivavaha amin’Andriamanitra. Tsy manome antoka Andriamanitra fa hiaro anao tsy hiharan’ny fahavoazana ara-batana. Kanefa afaka manome anao ny herim-po hiatrehana ireo fifandonana, sy ny fahendrena ilaina mba handaminana ilay tarehin-javatra, izy. — Jakoba 1:5.
[Sary, pejy 151]
Tanora maro no voan’ny fampijalijaliana tsy an-kijanona avy amin’ireo mitovy taona aminy
[Sary, pejy 154]
Maniry ny hifaly amin’ny fahorianao ilay mpanaraby. Ny famaliana izany amin’ny fomba mitovy amin’izany na ny fitomaniana dia vao mainka mety hampirisika azy hanohy ny fampijalijaliany anao tsy an-kijanona
[Sary, pejy 156]
Miezaha haneho fahaiza-mandray vazivazy rehefa misy mananihany