Toko Faha-27
Ny Fanaovana ny Marina — Tena ny Lalana Tsara Indrindra Tokony Harahina Ve?
EFA mba nalaim-panahy handainga ve ianao? Nilaza tamin-dreniny i Donald fa efa nanadio ny efitranony izy, kanefa, raha ny tena izy, dia natsipiny tao ambany fandriana fotsiny ny zavatra rehetra. Nanandrana ny hamahan-dainga ny ray aman-dreniny tamin-kadalana toy izany koa i Richard. Nilazany izy ireo fa ny antony nahazoany naoty ratsy dia tsy noho izy tsy nianatra akory, fa satria ‘tsy nifankahazo tsara izy sy ny mpampianatra azy’.
Tsy voafitaky ny famahanan-dalitra toy izany mazàna ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe hafa. Izany anefa dia tsy manakana ny tanora maro tsy hanandrana fara faharatsiny ny handainga, hanolana ny marina na hamitaka mihitsy aza, rehefa toa ahitany tombony ilay izy. Ny antony iray mahatonga izany dia satria tsy manana fihetsika tony foana eo anoloan’ny zava-manahirana ny ray aman-dreny. Ary rehefa mody adiny roa aorian’ny tokony ho nodianao ianao, dia mety ho toa halaim-panahy hilaza fa nisy loza lehibe teny an-dalana, toy izay hilaza amin’ny ray aman-dreninao ilay fahamarinana mahasakodiaviatra, dia ny hoe variana loatra ianao ka hadinonao tsotra izao ny fotoana.
Ny any an-tsekoly koa dia mety hisedrana ny fanaovana ny marina. Mahatsiaro ho tototry ny entimody matetika ireo mpianatra. Eo koa matetika ny fifaninanana tsy misy fiantrana. Any Etazonia, ireo fandinihana natao dia mampiseho fa maherin’ny antsasaky ny mpianatra rehetra no manao na efa nanao fraude. Kanefa, na dia mety ho toa hanintona aza ny lainga, ary ala olana mora ampiasaina ny fanaovana fraude, moa ve ahitana tombony ny fanaovana ny tsy marina?
Ny lainga — Ny antony tsy ahitana tombony avy aminy
Mety ho toa ahitana tombony eo no ho eo ny lainga mba hisorohana ny sazy. Mampitandrina toy izao anefa ny Baiboly: “Izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.” (Ohabolana 19:5). Ny tena azo ampoizina dia ny hoe ho vaky ilay lainga ary hihatra ihany ny sazy na ahoana na ahoana. Amin’izay ny ray aman-dreninao dia ho tezitra, tsy noho ilay fahadisoana voalohany nataonao fotsiny, fa noho ny nandainganao taminy koa!
Ahoana ny amin’ny fanaovana fraude any an-tsekoly? Hoy ny lehiben’ny fandaharam-pifehezana ao amin’ny oniversite iray: “Izay mpianatra rehetra manao ny tsy marina eo amin’ny fianarany dia tena hanimba ireo fahafahana azony hararaotina eo amin’ny fianarany sy ny asany amin’ny hoavy.”
Marina aloha fa maro no toa tsy tratra. Mety hanome anao ilay naoty ilainao mba hahafahana tokoa ny fanaovana fraude, kanefa inona no vokany maharitra? Tsy isalasalana fa hanaiky ianao fa ho hadalana ny hanaovana fraude amin’ny lesona fianarana milomano. Rehefa dinihina tokoa, iza moa no maniry ho tavela eny ivelany nefa ny olon-kafa rehetra finaritra ao anaty rano! Ary raha natosika ho ao anaty dobo ianao, dia mety hahatonga anao ho maty an-drano ny fahazaranao hanao fraude!
Ahoana anefa ny amin’ny fanaovana fraude amin’ny matematika na amin’ny famakian-teny? Marina aloha fa mety tsy hampidi-doza toy izany ny vokany — amin’ny voalohany. Raha tsy namboly ireo fahaizana fototra anefa ianao, dia mety “hilentika” eo amin’ny tsenan’ny asa! Ary ny diplaoma iray azo amin’ny alalan’ny fanaovana fraude dia tsy hiaro firy ny ainao. Hoy ny Baiboly: “Ny fahazoan-karena amin’ny lela mandainga dia fofonaina mihelina”. (Ohabolana 21:6). Izay tombony rehetra mety hoentin’ny lainga iray dia mihelina toy ny etona. Ho tsara lavitra ny hiezahanao mafy amin’ny fianarana, toy izay handainga sy hanao fraude mba hahatafitana any an-tsekoly! “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena”, hoy ny Ohabolana 21:5.
Ny lainga sy ny feon’ny fieritreretanao
Nandainga ny ankizivavy iray antsoina hoe Michelle rehefa niampanga ny anadahiny ho namaky ny haingon-trano nankamamina iray tao an-trano, na dia voatery nitsotra ny amin’ny laingany tamin’ny ray aman-dreniny aza izy tatỳ aoriana. “Tena tsy faly tamin’ny tenako mihitsy aho tamin’ny ankamaroan’ny fotoana tamin’izay”, hoy i Michelle nanazava. “Nametraka fitokiana tamiko ny ray aman-dreniko, nefa nandiso fanantenana azy ireo aho.” Izany dia mampiseho tsara fa nametraka tao amin’ny olombelona ny fahafahana hanana feon’ny fieritreretana Andriamanitra. (Romana 2:14, 15, NW ). Nampijaly azy tamin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka ny feon’ny fieritreretan’i Michelle.
Mazava ho azy fa afaka ny hifidy ny tsy hiraharaha ny feon’ny fieritreretany ny olona iray. Kanefa arakaraka ny andaingany no hahatongavany ho tsy miraika eo anoloan’ny ratsy — “voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany”. (1 Timoty 4:2). Tena tianao tokoa ve ny ho maty eritreritra toy izany?
Ny fomba fijerin’Andriamanitra ny lainga
“Ny lela mandainga” dia iray tamin’ireo zavatra “halan’i Jehovah”, ary mbola halany ihany. (Ohabolana 6:16, 17). Rehefa dinihina tokoa, dia ny tenan’i Satana Devoly no “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44). Ary ny Baiboly dia tsy manisy fanavahana amin’ny lainga sy izay antsoina hoe “lainga masina”. ‘Tsy misy lainga avy amin’ny marina.’ — 1 Jaona 2:21.
Ny fanaovana ny marina àry no tsy maintsy ho ny lalana tokony harahin’iza na iza maniry ho sakaizan’Andriamanitra. Manontany toy izao ny Salamo faha-15: “Jehovah ô, iza no [hampiantranoinao, NW ] ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” (Sl 15:1 Andininy voalohany). Aoka isika handinika ny valiny omena ao amin’ireo andininy efatra manaraka:
“Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony”. (Sl 15:2 Andininy faha-2). Filazalazana momba ny mpangalatra entam-barotra na ny mpanao fraude ve izany? Manome sary an-tsaina ny amin’ny olona iray mandainga amin’ny ray aman-dreniny na mihambo ho hafa noho ny tena izy, ve izany? Sarotra ny mino izany! Raha maniry ny ho sakaizan’Andriamanitra àry ianao, dia mila ny manao ny marina, tsy eo amin’ny zavatra ataonao ihany, fa ao am-ponao koa.
“Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany”. (Sl 15:3 Andininy faha-3). Efa namela ny tenanao hanaraka tanora hafa izay nanao teny feno haratsiam-panahy sy mandratra momba ny olon-kafa iray ve ianao? Mambole ny tanjaka sy ny fahatapahan-kevitra ilaina mba tsy hanekena handray anjara amin’ny resaka toy izany!
“[Lavina eo imasony tokoa izay olona tsy mendrika rehetra, NW ], fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah [izy], tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza”. (Sl 15:4 Andininy faha-4). Lavo tsy ho namanao izay ankizy rehetra mandainga, manao fraude na mandoka tena noho ireo fahalotoam-pitondran-tena ataony; hanantena anao hanao zavatra toy ny ataony koa izy ireny. Nanamarika izany toy izao ny tanora iray antsoina hoe Bobby: “Hampidi-kizo anao ny namana iray iarahanao mandainga. Tsy namana azonao itokiana izy.” Mitadiava namana izay manaja ny fari-pitsipika momba ny fanaovana ny marina. — Ampitahao amin’ny Salamo 26:4.
Voamarikao ve fa mankasitraka, na “manome voninahitra”, an’ireo izay mitana ny teny nataony i Jehovah? Angamba ianao nampanantena ny hanampy ao an-trano amin’izao asabotsy izao, kanjo iny fa nisy nanasa anao hanao baolina amin’io tolakandro io. Tsy hanisy fiheverana firy ny teny nataonao ve ianao ka hiaraka amin’ireo namanao, ary hamela ny ray aman-dreninao hanao ny asa ao an-trano, sa kosa ianao hitana ny teny nataonao?
“Tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, — izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.” (Sl 15:5 Andininy faha-5). Tsy marina ve fa ny faniriana mihoa-pampana dia antony lehibe iray manosika ny olona hamitaka sy hanao ny tsy marina? Ireo mpianatra izay manao fraude amin’ny fanadinana dia maniry fatratra hahazo naoty tsy nanaovany fianarana. Ireo olona mandray kolikoly dia mihevitra ny vola ho sarobidy kokoa noho ny rariny.
Marina aloha fa misy manondro ireo mpanao politika sy mpanao raharaham-barotra izay manolana ny fitsipika momba ny fanaovana ny marina mba hahombiazana. Haharitra ve anefa ny fahombiazan’ireny olona ireny? Mamaly toy izao ny Salamo 37:2: “Hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.” Na dia tsy tratra sy tsy alain’ny hafa baraka aza izy ireo, amin’ny farany dia hiatrika ny fitsaran’i Jehovah Andriamanitra. Ireo sakaizan’Andriamanitra kosa anefa “tsy mba hangozohozo mandrakizay”. Azo antoka ny hoaviny mandrakizay.
Fambolena “feon’ny fieritreretana tia ny fanaovana ny marina”
Moa àry ve tsy misy antony mahery tokony hifadiana izay karazana lainga rehetra? Hoy ny apostoly Paoly momba ny tenany sy ireo namany: “Matoky izahay fa manana fieritreretana tia ny fanaovana ny marina ny tenanay”. (Hebreo 13:18, NW ). Moa ve ny feon’ny fieritreretanao mora mahatsapa ny tsy fahamarinana tahaka izany koa? Raha tsy izany no izy, dia ampiofano ho amin’izany izy amin’ny fianarana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly toy Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!
Nanao izany i Bobby ary nahita vokatra tsara. Nianatra ny tsy hanafina zava-manahirana tamin’ny alalan’ny lainga mifanototra izy. Manosika azy hanatona ny ray aman-dreniny sy hiresaka amim-pahamarinana momba ireo zava-mitranga ny feon’ny fieritreretany. Indraindray dia nitarika ho amin’ny fahazoany famaizana izany. Na dia izany aza, dia miaiky izy fa ‘mahatsiaro ho faly kokoa amin’ny tenany’ noho ny fanaovany ny marina.
Tsy mora foana akory ny filazana ny marina. Kanefa ilay olona manapa-kevitra ny hilaza ny marina dia hihazona feon’ny fieritreretana madio, fifandraisana tsara amin’ireo tena namany, ary ny tsara indrindra, dia ny tombontsoa ‘hampiantranoina’ ao amin’ny tabernakelin’Andriamanitra! Ny fanaovana ny marina àry dia tsy vitan’ny hoe ny lalana tsara indrindra tokony harahin’ny Kristiana rehetra, fa ny fomba mety tokony harahiny koa.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Tarehin-javatra sasany inona avy no mety hisian’ny fakam-panahy handainga?
◻ Nahoana no tsy ahitana tombony ny fandaingana na ny fanaovana fraude? Afaka mampiseho izany amin’ny alalan’ny zavatra voamarikao na nitranga tamin’ny tenanao ve ianao?
◻ Amin’ny fomba ahoana ny mpandainga iray no manimba ny feon’ny fieritreretany?
◻ Vakio ny Salamo faha-15. Amin’ny ahoana ireo andinin-teny ireo no mihatra amin’ny raharaha momba ny fanaovana ny marina?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora iray mamboly feon’ny fieritreretana tia ny fanaovana ny marina?
[Teny notsongaina, pejy 213]
‘Izay mpianatra rehetra manao ny tsy marina eo amin’ny fianarany dia tena hanimba ireo fahafahana azony hararaotina amin’ny hoavy’
[Teny notsongaina, pejy 216]
Ny Baiboly dia tsy manisy fanavahana amin’ny lainga sy izay antsoina hoe “lainga masina”
[Sary, pejy 214]
Tsy voafitak’ireo fanandramana mampalahelo natao hanalana tsiny ny tsy fankatoavana azy mazàna ny ray aman-dreny