Toko Faha-31
Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?
FITIAVANA — Ho an’ireo mpanonofinofy, izy io dia hery saro-pantarina iray mamabo anao, fahatsapana fahasambarana tanteraka mitranga indray mandeha eo amin’ny fiainanao. Ny fitiavana, hoy izy ireo, dia raharahan’ny fo ranofotsiny, zavatra tsy azo takarina fa tsapa fotsiny. Ny fitiavana dia mandresy ny zava-drehetra ary maharitra mandrakizay (...)
Toy izany no fomba fiteny averimberin’ireo mpanonofinofy. Ary tsy isalasalana mihitsy fa afaka ny ho fanandraman-javatra mahafinaritra tsy misy ohatra izany ny hoe raiki-pitia. Inona marina anefa no atao hoe tena fitiavana?
Coup de foudre ve?
Nahita an’i Fanja voalohany tany amin’ny lanonana iray i Hery. Avy hatrany izy dia voasinton’ny bikany mahafinaritra sy ny fomba fianjeran’ny volony teo amin’ny masony rehefa nihomehy izy. I Fanja kosa voasariky ny masony mainty lalina sy ny vazivaziny mampiseho hakingan-tsaina. Tena toa coup de foudre nifamaly ilay izy!
Nandritra ireo roa tokom-bolana nanaraka, dia tsy nisaraka mihitsy i Hery sy i Fanja. Avy eo, indray alina, dia nahazo antso an-telefaonina nanafotra azy avy tany amin’ilay ankizilahy niarahany taloha i Fanja. Niantso an’i Hery an-telefaonina izy mba hahazoana fampiononana. Kanefa i Hery nahatsiaro tena ho norahonan’ny rafy iray sy ho sanganehana, ka niseho ho nangatsiaka. Ilay fitiavana noheverin’izy ireo fa haharitra mandrakizay dia maty tamin’io alina io ihany.
Ataon’ireo sarimihetsika sy boky ary fampisehoana amin’ny televiziona izay hinoanao fa maharitra mandrakizay ny coup de foudre. Ekena aloha fa ny hatsaran-tarehy ara-batana mazàna no mahatonga ny olona roa hifampijery amin’ny voalohany. Nilaza izany toy izao ny zatovolahy iray: “Sarotra ny ‘mahita’ ny toetran’ny olona iray.” Kanefa inona moa ilay “tian’ ”ny tena rehefa ora na andro vitsivitsy monja no naharetan’ilay fifaneraserana? Moa ve izany tsy ny sary asehon’ilay olona? Raha ny tena izy, dia tsy mahafantatra zavatra firy momba ireo eritreritra, fanantenana, tahotra, fikasana, fahazarana, fahalalana na fahaizan’izany olona izany ianao. Tsy nahita afa-tsy ilay fonosana ivelany ianao fa tsy ny “toetra miafina ao am-po”. (1 Petera 3:4). Hety haharitra ve ny fitiavana toy izany?
Mamitaka ny endrika ivelany
Fanampin’izany, dia afaka ny hamitaka ny fisehoana ivelany. Hoy ny Baiboly: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy”. Ireo fonosana mamirapiratry ny fanomezana iray dia tsy milaza na inona na inona aminao ny amin’izay ao anatiny. Raha ny marina, ireo fonosana tsara tarehy indrindra aza dia mety hanarona fanomezana iray tsy misy ilana azy. — Ohabolana 31:30.
Hoy ny Ohabolana: “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” (Ohabolana 11:22). Firavaka tian’ny olona ny kavin’orona tamin’ny andron’ny Baiboly. Tsara tarehy fatratra izy ireny, vita tamin’ny volamena ranofotsiny. Mazava ho azy fa ny kavina toy izany no firavaka ho hita voalohany eo amin’ny vehivavy iray.
Mety tsara ny fampitahan’ilay ohabolana ny vehivavy tsara tarehy ivelany tsy ampy ‘fahendrena’ amin’ny “kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa”. Tena tsy mifanentana amin’ny vehivavy iray kely saina tokoa ny hatsaran-tarehy; firavaka tsy misy ilana azy eo aminy izany. Amin’ny farany, dia tsy hahatonga azy hanintona ny hafa izany, toy ny kavin’orona kanto iray tsy hahatonga ny kisoa iray hanintona! Ho fahadisoana toy inona àry ny ho ‘raiki-pitia’ amin’ny endriky ny olona iray ivelany — ka tsy hahita izay maha-izy izany olona izany anaty.
“Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”
Misy anefa mihevitra fa ny fon’ny olombelona dia manana fahaiza-mitsara tsy mety diso momba ny fitiavana. ‘Henoy fotsiny ny fonao’, hoy izy ireo. ‘Ho fantatrao rehefa tonga ny tena fitiavana!’ Mampalahelo fa ny zava-misy dia milaza zavatra mifanipaka amin’izany. Nisy fanadihadiana iray natao tamin’ny tanora 1 079 (18 ka hatramin’ny 24 taona) izay nilaza fa tamin’ny antsalany dia efa nandia tantaram-pitiavana fito izy ireo hatramin’izay. Ny ankamaroan’izy ireo dia niaiky fa izany tantaram-pitiavana tamin’ny lasa izany dia fahatsapana ho matimaty tamin’olona fotsiny — fihetseham-po nandalo sy nanjavona. Kanefa ireo tanora ireo dia “samy nilaza avokoa fa fitiavana ilay zavatra tsapany tamin’izao fotoana izao”! Azo inoana anefa fa ny ankamaroany dia hihevitra ny zavatra diaviny amin’izao fotoana izao ho toy ny fiheverany ilay zavatra hitany tamin’ny lasa — ho toy ny fahatsapana ho matimaty amin’olona fotsiny.
Ny loza dia hoe olona an’arivony maro no mivady isan-taona noho ny fiheverany ny tenany ho ‘raiki-pitia’, kanefa dia mahita, rehefa afaka kelikely, fa nanao fahadisoana lehibe ny tenany. Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia “mamitaka ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mitandrina hiditra ao amin’ny fanambadiana tsizarizary toy ny zanak’ondry entina ho amin’ny famonoana”, hoy i Ray Short ao amin’ny bokiny hoe Sex, Love, or Infatuation.
“Izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Matetika loatra, ny fitsaran’ny fontsika no voatarika amin’ny fomba diso. Raha ny marina, dia hoy mihitsy ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”. (Jeremia 17:9). Kanefa ilay ohabolana notononina teo aloha dia manohy toy izao: “Fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Ianao koa dia ho afa-miala ireo loza sy fahadisoam-panantenana efa hitan’ny tanora hafa raha mianatra hahafantatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahatsapana ho matimaty amin’olona sy ny fitiavana araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly, dia ilay fitiavana tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana.
Fitiavana sy fahatsapana ho matimaty amin’olona
“Jamba ny fahatsapana ho matimaty amin’olona ary tia ny hitoetra ho toy izany. Tsy tia ny mijery ny zavatra araka ny tena izy izy io”, hoy ny fieken’i Calvin, 24 taona. Nanampy teny toy izao i Kenya, 16 taona: “Rehefa mahatsapa ho matimaty amin’ny olona iray ianao, dia mihevitra fa tsy misy tsininy daholo izay zavatra rehetra ataony.”
Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia fitiavana sandoka. Tsy araka ny zavatra tena izy izy io ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena. Ireo olona matimaty amin’olona dia mirona hilaza hoe: ‘Tena mahatsiaro tena ho zavatra mihitsy aho rehefa miaraka aminy. Tsy mahita tory aho. Tsy hitako intsony izay ilazana an’izao fahatsapan-javatra mahafinaritra izao’, na koa hoe: ‘Tena mahatonga ahy hahatsiaro tena ho sambatra izy.’ Voamarikao ve hoe impiry no niverina ny hoe “aho” na “ahy”? Tsy maintsy ho rava ny fifandraisana miorina amin’ny fitiavan-tena toy izany! Mariho anefa ny filazalazan’ny Baiboly momba ny fitiavana marina: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo”. — 1 Korintiana 13:4, 5.
Koa satria “tsy mitady ny azy” ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly, dia sady tsy mifantoka amin’ny tenany ihany no tsy tia tena. Marina fa mety hahatsapa fihetseham-pom-pitiavana sy fifanintonana mafy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Kanefa ireo fihetseham-po ireo dia voalanjalanjan’ny fisainana sy ny fanajana lalina ilay iray. Rehefa tena raiki-pitia marina ianao, dia miahy ny amin’izay hahasoa sy hahasambatra ilay iray, tsy misy hafa amin’ny fiahianao ny amin’ny an’ny tenanao manokana. Tsy mamela ny fihetseham-po mahery handrava ny fahaiza-mitsara zavatra ianao.
Ohatra iray ny amin’ny tena fitiavana
Ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Jakoba sy i Rahely dia mampiseho izany tsara. Izy roa ireo dia nifankahita teo amin’ny fantsakana iray nahatongavan-dRahely hantsaka rano ho an’ireo ondrin-drainy. Avy hatrany dia voasintona ho amin-dRahely i Jakoba, tsy noho izy “bikana sy tsara tarehy” ihany, fa noho izy nanompo an’i Jehovah. — Genesisy 29:1-12, 17.
Rehefa avy nipetraka iray volana maninjitra tao an-tranon’ny fianakavian-dRahely i Jakoba, dia nampahafantatra fa raiki-pitia tamin-dRahely izy ary naniry ny hanambady azy. Fahatsapana ho matimatim-pitia fotsiny ve izany? Tsia! Nandritra izany volana izany izy dia nahita an-dRahely teo amin’ny faritra nisy azy andavanandro — ny fomba nitondrany ny ray aman-dreniny sy ny hafa koa, ny fomba nanatontosany ny asany tamin’ny naha-mpiandry ondry azy, ny nandraisany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ho zava-dehibe. Tsy isalasalana fa nahita azy tamin’ny “lafiny tsara” sy tamin’ny “lafiny ratsy” i Jakoba. Noho izany, ny fitiavany azy dia tsy fihetseham-po tsy azo nofehezina akory, fa fitiavana tsy nisy fitiavan-tena niorina tamin’ny fisainana sy ny fanajana lalina.
Noho izany, dia afaka nilaza i Jakoba fa vonona ny hiasa ho an’ny rain-dRahely mandritra ny fito taona izy mba hahazoana azy ho vady. Azo antoka fa tsy hisy fahatsapana ho matimaty amin’olona haharitra ela be toy izany! Ny fitiavana marina, ny fiheverana tsy misy fitiavan-tena an’ilay iray, ihany no hahatonga ireo taona ireo ho “toa andro vitsy foana”. Noho izany fitiavana marina izany, dia afaka nihazona ny fahadiovany izy ireo nandritra izany fe-potoana izany. — Genesisy 29:20, 21.
Mila fotoana ilay izy!
Tsy lefin’ny fotoana àry ny fitiavana marina. Raha ny marina aza, matetika ny fomba tsara indrindra hitsapana ny fihetseham-ponao amin’ny olona iray dia ny famelana fotoana sasantsasany ho lasa. Fanampin’izany, dia hoy ny zatovovavy iray antsoina hoe Sandra: “Tsy hanolotra anao ny maha-izy azy tsotra fotsiny ny olona iray amin’ny filazana hoe: ‘Indro ny maha-izy ahy. Fantatrao izao ny zava-drehetra momba ahy.’ ” Tsia, mila fotoana koa ny fahalalana olona iray mahaliana anao.
Ny fotoana koa dia mahatonga anao ho afaka handinika ny fahatsapanao fitiavana araka ny fahazavan’ny Baiboly. Tadidio fa ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy”. Moa ve ilay namanao may hahita ireo fikasanao hahomby — sa ny azy ihany? Moa ve izy maneho fanajana ny fomba fihevitrao, ny fihetseham-ponao? Moa ve izy nanery anao hanao zavatra izay tena “tsy mahamendrika” tokoa mba hanomezana fahafaham-po ireo fahamaimaizany feno fitiavan-tena? Moa ve mirona hanambany anao sa hanambony anao eo anoloan’ny hafa io olona io? Ny fanontaniana toy izany dia afaka manampy anao hanombana ireo fihetseham-ponao amin’ny fomba tsy miangatra kokoa.
Fihantsiana loza ny tantaram-pitiavana idirana maimaika. “Raiki-pitia tsotra izao aho, haingana sady lalina”, hoy i Jill, 20 taona. Taorian’ny tantaram-pitiavana nihodinkodina mafy naharitra roa volana, dia nanambady izy. Kanefa dia nanomboka nipoitra ireo kileman-toetra nafenina teo aloha. Nanomboka naneho ny tsy fananany fatokian-tena sy ny tsy fahitany afa-tsy ny tenany ihany i Jill. I Rick vadiny kosa nanadino ny naha-olon-tia nahay nanangoly azy ka nanjary tia tena. Rehefa avy nivady roa taona izy ireo, dia nikiakiaka i Jill indray andro fa “tsy misy ilana azy”, “kamo lahy” ary “tsy mahavita azy” ny vadiny. Namaly tamin’ny famelezana totohondry ny tarehiny i Rick. Nitomany be i Jill nihazakazaka niala ny tranony — sy ny fanambadiany.
Ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly dia tsy isalasalana fa ho nanampy azy ireo hanavotra ny fanambadiany. (Efesiana 5:22-33). Kanefa nety ho hafa noho izany ny tarehin-javatra rehetra raha nifankahalala tsara kokoa talohan’ny nivadiany izy ireo! Tsy ho fitiavana “sary” iray ny fitiavan’izy ireo, fa ho fitiavana ny tena naha-izy ilay iray — miaraka amin’ny toetrany ratsy sy ny toetrany tsara. Ho nifanaraka tamin’ny zavatra tena izy kokoa ny fanantenany.
Ny tena fitiavana dia tsy mipoitra ao anatin’ny indray andro. Ankoatra izany, ilay olona ho vady tsara ho anao dia tsy voatery ho olona hitanao ho tsara tarehy aoka izany. I Barbara, ohatra, dia nahita lehilahy tanora iray izay ekeny fa tsy nanintona azy loatra — tamin’ny voalohany. “Kanefa arakaraka ny nahafantarako azy tsaratsara kokoa”, hoy i Barbara nahatsiaro, “dia niova izany. Hitako ny fiahian’i Stephen ny hafa sy ny nametrahany ny tombontsoan’ny hafa talohan’ny azy foana. Ireo no toetra fantatro fa hahatonga ny lehilahy iray ho vady tsara. Voasintona ho aminy aho ary nanomboka tia azy.” Fanambadiana mafy orina no naterak’izany.
Ahoana àry no ahafahanao mahafantatra ny tena fitiavana? Mety hiteny ny fonao, kanefa ny sainao voavolavolan’ny Baiboly no itokio. Ataovy izay hahafantarana mihoatra noho ny “sary” ivelany asehon’ilay olona. Omeo fotoana hitomboany ny fifandraisanareo. Tadidio fa ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia mahatratra ny fara tampony ao anatin’ny fotoana fohy monja nefa avy eo dia manjavona. Ny fitiavana marina dia mihamafy arakaraka ny fotoana ary manjary “fatorana mampiray tanteraka”. — Kolosiana 3:14, NW.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona no loza amin’ny firaiketam-pitia amin’ny endriky ny olona iray ivelany?
◻ Azo itokiana mba hamantatra ny tena fitiavana ve ny fonao?
◻ Inona avy no fahasamihafana sasantsasany misy eo amin’ny fitiavana sy ny fahatsapana ho matimaty amin’olona?
◻ Nahoana ireo lehilahy sy vehivavy miaraka no misaraka matetika? Ratsy foana ve izany?
◻ Ahoana no ahafahanao mizaka ny fahatsapanao ho nilaozana raha mifarana ny tantaram-pitiavanareo?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fakana fotoana mba hifankahalalana?
[Teny notsongaina, pejy 242]
Raiki-pitia amin’ilay olona ve ianao sa amin’ny “sary” iray fotsiny?
[Teny notsongaina, pejy 247]
“Jamba ny fahatsapana ho matimaty amin’olona ary tia ny hitoetra ho toy izany. Tsy tia ny mijery ny zavatra tena misy izy io.” — Lehilahy iray 24 taona
[Teny notsongaina, pejy 250]
“Tsy afaka afa-tsy ny hiarahaba ireo ankizilahy fotsiny aho izao. Tsy hamela na iza na iza aminy hanatona akaiky ahy intsony aho”
[Efajoro/Sary, pejy 248, 249]
Ahoana no Ahafahako Manadino ny Ratram-poko?
Fantatrao tsotra izao fa tsy maintsy ilay hovadinao izy. Samy faly ny miaraka ianareo, mitovy zavatra tiana, ary samy mahatsapa fa voasinton’ilay iray. Tampoka teo anefa dia mifarana ilay fifaneraserana, ao anatin’ny fahatezeram-be — na ny ranomaso be.
Ao amin’ny bokiny hoe The Chemistry of Love, ny Dr. Michael Liebowitz dia mampitovy ny fiandohan’ny fitiavana amin’ny famelezan’ny zava-mahadomelina mahery iray. Kanefa toy ny zava-mahadomelina koa, dia afaka ny hiteraka ‘vokatry ny fialana aminy’ mahery vaika koa izy io raha maty. Ary, amin’izany, dia tsy misy fahasamihafana firy eo amin’ny fahatsapana ho matimaty amin’olona sy ilay ‘tena izy’. Izy ireo dia samy miteraka faharavoana faran’izay mahafanina — ary koa alahelo faran’izay mahafadiranovana raha mifarana ilay fifaneraserana.
Ny fahatsapana ho nilaozana, ny ratram-po ary angamba ny fahatezerana aorian’ny fisarahana àry dia mety hanimba ny fomba fijerinao ny hoavy. Milaza ny tenany ho ‘maratra am-po’ noho izy ‘nadaboka’ fotsiny ny zatovovavy iray. “Tsy afaka afa-tsy ny hiarahaba ireo ankizilahy fotsiny aho izao. Tsy hamela na iza na iza aminy hanatona akaiky ahy intsony aho.” Arakaraka ny halalin’ny fihetseham-po tsapanao eo amin’ilay fifandraisana no vao mainka haha-lalina ilay ratra mety hateraky ny fisarahana.
Eny tokoa, tena arahin’ny vidiny avo dia avo ny fahalalahana hiaraka amin’ankizilahy na ankizivavy araka izay tianao: ny tena mety hitrangan’ny fandaozany anao. Tsy misy antoka tsotra izao fa hoe hitombo ny tena fitiavana. Koa raha nisy olona nanomboka niaraka taminao tamin’ny fananana fikasana tamim-pahatsorana, kanefa nanatsoaka hevitra tatỳ aoriana fa tsy ho fahendrena ny fanambadiana, dia tsy hoe voatery ho nentina tsy ara-drariny akory ianao.
Ny zava-manahirana dia hoe, na dia atao amim-pahaiza-mandanjalanja sy amin-katsaram-panahy faran’izay lehibe aza ny fisarahana, dia tsy maintsy mbola hahatsapa ratram-po sy fahatsiarovana ho nilaozana ihany ianao. Tsy antony tokony hamoizanao ny fahatsapanao tena ho mendrika anefa izany. Ny tsy maha-“olona natao ho an’io olona io” anao dia tsy midika fa tsy natao ho an’ny olon-kafa iray ianao!
Miezaha handray ilay tantaram-pitiavana rava amin’ny fomba tsy miangatra. Mety hanasongadina tsara toetra sasany tsy faniry loatra tao amin’ilay olona niarahanao ilay fisarahana — toy ny tsy fahamatorana ara-pihetseham-po, tsy fahaiza-manapa-kevitra, tsy fahaiza-milefitra, tsy fandeferana, tsy fananana fiheverana ny fihetseham-ponao. Tsy faniry ao amin’ny vady iray ny toetra toy izany.
Ahoana raha avy amin’ilay iray fotsiny ilay fisarahana, fa ianao kosa mino fa ho nandeha tsara ny fanambadianareo? Tena manana zo hampahafantatra ny fomba fihevitrao amin’ilay iray ianao. Angamba nisy tsy fifankahazoan-kevitra fotsiny. Tsy hanatanteraka zavatra firy anefa ny resaka be sy ny tabataba be. Ary raha manizingizina ny hisarahanareo izy, dia tsy misy antony tokony hanalanao baraka tena amin’ny fitomanianao hahazo ny fitiavan’ny olona iray izay miharihary fa tsy mahatsapa na inona na inona aminao. Nilaza i Solomona fa “ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana”. — Mpitoriteny 3:6.
Ahoana raha manana antony tsara inoana ianao fa nohararaotin’ny olona iray tsy liana tamim-pahatsorana ny hanambady anao akory? Tsy mila ny hamaly faty ianao. Matokia fa voamarik’Andriamanitra ny toetra feno fitak’izany olona izany. Hoy ny Teniny: “Ny lozabe dia todìn’ny halozany.” — Ohabolana 11:17; ampitahao amin’ny Ohabolana 6:12-15.
Indraindray dia mety ho mbola resin’ny fahatsapana ho manirery sy ireo fahatsiarovana mitondra alahelo ianao. Raha izany no izy, dia tsy misy maha-ratsy ny mitomany mihitsy. Manampy koa ny ho be zavatra hatao, angamba amin’ny fanaovana asa ara-batana iray na ny fanompoana kristiana. (Ohabolana 18:1). Ampifantohy amin’ny zavatra mahafaly sy mampahery ny sainao. (Filipiana 4:8). Boraho amin’ny namana akaiky iray ny ao am-ponao. (Ohabolana 18:24). Mety hitondra fampiononana lehibe koa ireo ray aman-dreninao, na dia mihevitra aza ianao fa efa ampy taona mba hahaleo tena. (Ohabolana 23:22). Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia boraho amin’i Jehovah ny ao am-ponao.
Mety ho hitanao izao fa mila ny hanatsara ny lafiny sasany amin’ny toetranao ianao. Mety hazava tsara kokoa noho ny hatramin’izay ny fahafantarana izay irinao ho hita ao amin’izay ho vadinao. Ary rehefa avy nitia ianao ka diso fanantenana, dia mety hanapa-kevitra ny hitandrina kokoa eo amin’ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka anao raha misy olona iray tianao, miditra indray ao amin’ny fiainanao — fetezan-javatra izay azo ampoizina kokoa noho izay eritreretinao ny hitrangany.
[Tabilao, pejy 245]
Fitiavana sa Fahatsapana ho Matimaty Amin’olona Fotsiny?
FAHATSAPANA HO
FITIAVANA MATIMATY AMIN’OLONA
1. Fiahiana tsy misy 1. Feno fitiavan-tena, tsy misy
fitiavan-tena ny fiheverana ny hafa rehetra.
tombontsoan’ilay iray Mieritreritra ny tena hoe:
‘Inona no azoko avy amin’izao?’
2. Manomboka moramora 2. Manomboka haingana ny
ilay tantaram-pitiavana, tantaram-pitiavana, angamba ao
angamba maka volana anatin’ny ora na andro
na taona vitsivitsy vitsivitsy
3. Voasinton’ny maha-izy 3. Tena manohina mafy na
manontolo an’ilay iray mahavariana mafy ny
sy ireo toetrany fisehoan’ilay iray ara-batana.
ara-panahy ianao (‘Manintona erỳ ny masony.’
‘Hatsaram-bika izany’)
4. Ny vokatr’io eo 4. Miteraka vokatra
aminao dia mahatonga manimba sy
anao ho olona mampisafotofoto
tsaratsara kokoa
5. Mihevitra ilay iray 5. Tsy mihevitra ny zavatra
araka ny tena izy araka ny tena izy. Toa
ianao, mahita ireo lavorary ilay iray hafa.
kileman-toetrany, Odianao tsy hita ireo
ary anefa mbola fisalasalana miverimberina momba
tia azy ihany ireo toetra ratsy lehibe
ananany
6. Misy zavatra tsy 6. Matetika mitranga ny
ifanarahanareo, kanefa fifamaliana. Tsy misy aminy
hitanao fa afaka tena voalamina marina.
miresaka momba azy Maro no “voalamina” amin’ny
ireo sy mandamina alalan’ny fifanorohana.
azy ireo ianareo
7. Maniry ny hanao 7. Mifantoka amin’ny fahazoana
zavatra ho an’ilay sy ny fandraisana, indrindra
iray sy hizara fa eo amin’ny fanomezana
zavatra aminy ianao fahafaham-po ireo faniriana
momba ny lahy sy ny vavy
[Sary, pejy 244]
Ny lehilahy iray na vehivavy iray tsara tarehy, kanefa kely saina, dia ‘toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron’ny kisoa iray’
[Sary, pejy 246]
Ny olona iray manambany anao tsy tapaka eo anoloan’ny hafa dia tena mety tsy hanana fitiavana marina anao