Toko Faha-34
Nahoana no Tokony Holavina ny Zava-mahadomelina?
“ZAZA be mora mihetsi-po aho”, hoy i Mike, lehilahy tanora 24 taona. “Indraindray aho dia matahotra, eny, mora mihorohoro na dia eo anoloan’ireo mitovy taona amiko aza. Mijaly noho ny fahaketrahana sy ny tsy fananana fatokian-tena aho ary indraindray dia efa nieritreritra ny hamono tena mihitsy.”
I Ann, 36 taona, dia milaza ny tenany ho “tena mbola kely eo amin’ny ara-pihetseham-po” sy “tsy mahatsiaro tena ho mendrika”. Hoy ny teny anampiny: “Tena sarotra be amiko ny manana fiainana ara-dalàna.”
I Mike sy i Ann dia mijinja ireo vokatry ny fanapahan-kevitra nataony fony izy ireo mbola kely dia kely, dia ny hanandrana zava-mahadomelina. Tanora an-tapitrisany maro ankehitriny no manao toy izany — mitsindrona, mitelina, mitroka ary mifoka ny zavatra rehetra manomboka amin’ny cocaïne ka hatramin’ny marijuana sy ny rongony. Ho an’ny tanora sasany, ny hoe ‘mifoka maoly’ dia fomba fandosirana zava-manahirana. Ny hafa dia tafiditra amin’izy io noho ny faniriana ta hahalala zavatra fotsiny. Ny hafa koa mampiasa zava-mahadomelina mba hanamaivanana fahaketrahana na fahasorisorena. Ary raha vao nanomboka izany ny maro amin’izy ireo, dia manohy mampiasa zava-mahadomelina noho ny fahafinaretana azony avy aminy fotsiny. Hoy i Grant, 17 taona: “Mifoka [marijuana] noho ny vokatra aterany fotsiny aho. Tsy hoe mba hisehoana ho ‘mahavita azy’ na mba ho tahaka ny hafa rehetra no nanaovako izany. (...) Tsy nifoka mihitsy noho ny faneren’ireo nitovy taona tamiko aho, fa satria naniry hanao izany fotsiny.”
Na ahoana na ahoana, na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hifanehatra amin’ny zava-mahadomelina ianao, na hisy hanolotra izany aminao mivantana. “Na dia ireo surveillants any am-pianarana aza mivarotra maoly”, hoy ny tanora iray. Misy aza tsy miafina akory mampiseho sy mivarotra ireo fitaovana fampiasa amin’ny zava-mahadomelina. Na dia tian’ny olona aza anefa izy io, dia misy antony tsara tokony hanaovanao hoe tsia rehefa tolorana zava-mahadomelina ianao. Ahoana izany?
Misakana ny fitomboana ny zava-mahadomelina
Diniho ireo tanora mampiasa zava-mahadomelina mba handosirana zava-manahirana, toa an’i Mike sy i Ann. Araka ny naseho tao amin’ny toko teo aloha, ny fitomboana eo amin’ny ara-pihetseham-po dia azo avy amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, avy amin’ny fahaiza-mandray ny fahombiazana, avy amin’ny fahaiza-mizaka ny faharesena. Ny tanora miantehitra amin’ny zavatra simika mba ho voaro amin’ny zava-manahirana dia misakana ny fitomboan’ny tenany eo amin’ny ara-pihetseham-po. Tsy mamboly ireo fahaizana ilaina mba hizakana zava-manahirana izy ireo.
Toy ny amin’ny fahaizana hafa rehetra, dia mitaky fanazaran-tena ny fahaizana mizaka zava-tsarotra. Indro misy ohatra iray: Efa mba nijery mpanao baolina kitra mahay iray teo am-pilalaovana ve ianao? Mahazendana aoka izany ny fampiasany ny lohany sy ny tongony! Kanefa, ahoana moa no nahazoany izany fahaizana izany? Tamin’ny alalan’ny fanazaran-tena nandritra ny taona maro. Nianatra nandaka, nijijy, nilalao ilay baolina, sy ny toy izany izy, mandra-pahatongany ho kinga tokoa amin’io lalao io.
Mitovy tsy misy hafa amin’izany ny fambolena fahaizana mizaka zava-tsarotra. Mila fanazaran-tena izany, izany hoe fanandraman-javatra! Kanefa, ao amin’ny Ohabolana 1:22, dia manontany toy izao ny Baiboly: “Ry [tsy ampy fanandraman-javatra, NW ], mandra-pahoviana no hitiavanareo ny [tsy fananana fanandraman-javatra, NW ], (...) ary hankahalan’ny adala ny fahalalana?” Ny tanora miafina ao ambadiky ny faharavoana ateraky ny zava-mahadomelina dia ‘tia ny tsy fananana fanandraman-javatra’; tsy mampitombo ilay fahalalana sy ilay fahaizana mizaka zava-tsarotra ilaina eo amin’ny fiainana izy. Milaza izany toy izao ny boky Talking With Your Teenager momba ireo zatovo mampiasa zava-mahadomelina: “Tsy azon’izy ireo mihitsy ilay fianarana fa hoe azo atao ny mizaka ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana tsy misy fampiasana ireny zavatra ireny.”
I Ann, izay nampiasa zava-mahadomelina ho fandosirana ny zava-misy, dia mitsotra toy izao: “Nandritra ny 14 taona aho dia tsy nanao na inona na inona mba handaminana ireo zava-nanahirana ahy.” Nilaza hevitra mitovy amin’izany i Mike tamin’ny filazana hoe: “Nampiasa zava-mahadomelina nanomboka hatramin’ny faha-11 taonako aho. Rehefa nitsahatra tsy nanao izany intsony aho teo amin’ny faha-22 taonako, dia nahatsapa ny tenako ho toy ny zazakely. Nisarangotra tamin’ny hafa aho mba hahitana tsy fananana ahiahy. Nanjary takatro fa nitsahatra tsy nitombo ara-pihetseham-po intsony aho raha vao nanomboka nampiasa zava-mahadomelina.”
“Lanilaniko foana ireny taona tokony ho nitomboako ireny”, hoy ny teny anampin’i Frank, izay nampiasa zava-mahadomelina hatramin’ny faha-13 taonany. “Rehefa nitsahatra aho, dia nanjary nahatakatra tamim-panaintainana fa tena tsy voaomana ny hiatrika ny fiainana mihitsy ny tenako. Niverina ho ankizy kely 13 taona indray aho, nandia indray ireo fikorontanana ara-pihetseham-po tsapan’ny zatovo rehetra.”
Mety hanimba ny fahasalamako ve ny zava-mahadomelina?
Zavatra hafa iray koa tokony hampanahy io. Ny ankamaroan’ny tanora dia mahatakatra fa mahafaty ireo zava-mahadomelina antsoina hoe mahery. Ahoana anefa ny amin’ireo zava-mahadomelina malefaka, toy ny marijuana sy ny rongony? Moa ve fomba fampitahorana fotsiny ireo fampitandremana rehetra renao momba azy ireny? Ho valin’izany, dia aoka isika izao hifantoka amin’ny marijuana.
Ny marijuana dia fototry ny ady hevitra be teo amin’ireo manam-pahaizana. Ary ekena fa mbola misy zavatra be dia be tsy fantatra momba io zava-mahadomelina tian’ny olona io. Voalohany aloha, ny marijuana dia be kojakojany aoka izany; ny setroky ny sigara marijuana iray dia misy zavatra simika maherin’ny 400. Nila 60 taona mahery ireo dokotera vao nahatakatra fa miteraka homamiadana ny setro-tsigara. Mety hila am-polony taona maro toy izany koa vao hisy ho afaka hahafantatra tsara hoe inona no vokatr’ireo taharo 400 ao amin’ny marijuana ireo eo amin’ny vatan’olombelona.
Na dia izany aza, rehefa avy nandinika taratasim-pikarohana an’arivony maro ny antokona manam-pahaizana manokana ao amin’ilay Sampan-draharahan’ny Fitsaboana Amerikana fanta-daza, dia nanatsoaka hevitra toy izao: “Ny porofo ara-tsiansa navoaka hatramin’izao dia mampiseho fa ny marijuana dia misy vokany eo amin’ny saina sy ny vatana, ka ny sasany amin’ireo dia manimba ny fahasalaman’ny olombelona, fara faharatsiny ao anatin’ny toe-javatra sasany.” Inona avy no sasany amin’ireo vokatra manimba ireo?
Ny marijuana — Izay ataony amin’ny vatanao
Diniho ohatra ny havokavoka. Na dia ireo mpanohana mafana fo indrindra ny marijuana aza dia miaiky fa ny fifohana ny setrony dia tsy mety ho tsara ho anao. Ny setroka marijuana, tahaka ny setro-tsigara ihany, dia voaforona zavatra misy poizina maromaro, toy ny godorao.
Ny Dr. Forest S. Tennant, Jr., dia nanao famotopotorana tamina miaramila 492 tao amin’ny tafika amerikana izay nampiasa marijuana. Saika ho ny 25 isan-jaton’izy ireo no “narary tenda noho ny fifohana cannabis (marijuana), ary ny 6 isan-jaton’izy ireo no nilaza fa voan’ny bronchite”. Tao amin’ny fandinihana hafa iray natao, dia ny 24 tamin’ireo mpampiasa marijuana 30 no hita fa voan’ny ‘fahasimban’ny havokavoka izay mampiavaka ireo dingana voalohany amin’ny homamiadana’.
Marina fa tsy misy afaka manome antoka fa ho voan’ny homamiadana tokoa izy ireo any aoriana. Kanefa ho tianao ve ny hihaika ny loza toy izany? Ankoatra izany, ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia “manome ho an’ny olona rehetra aina sy fofon’aina”. (Asan’ny Apostoly 17:25, NW ). Haneho fanajana ilay Mpanome aina ve ianao amin’ny fifohana amim-piniavana zavatra izay manimba ny havokavoka sy ny tenda?
Ao amin’ny Mpitoriteny 12:6, ny atidohan’olombelona dia antsoina amin’ny fomba poetika hoe “vilia volamena”. Zara raha lehibe kokoa noho ny totohondrinao sy milanja 1,4 kilao ny atidoha, ary tsy vitan’ny hoe fitoerana sarobidin’ireo fahatsiarovanao fotsiny, fa fitoeran’ny foibe mibaiko ny rafi-pitatitrao manontolo koa. Tadidio ao an-tsaina izany ary mariho ny fampitandreman’ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana Amerikana manao hoe: “Afaka milaza amim-patokiana izahay fa ny marijuana dia miteraka vokatra miharihary fa ratsy eo amin’ny atidoha, anisan’izany ny fiovana simika sy elektrofiziolojika.” Amin’izao fotoana izao, dia tsy misy porofo hentitra fa miteraka fahasimbana maharitra eo amin’ny atidoha ny marijuana. Na dia izany aza, dia tsy tokony hailika mora foana fa hoe mety hanimba ilay “vilia volamena” izy io.
Ary ahoana ny amin’ny mety hanambadianao sy hanananao zanaka indray andro any? Ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana dia nilaza fa ny marijuana dia fantatra fa “miteraka kilema hatrany an-kibon-dreny rehefa nomena be dia be tamin’izany ireo biby nanaovana fikarohana”. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy voaporofo ny hoe hiteraka vokatra toy izany eo amin’ny olombelona koa izy io. Tadidio anefa fa ireo kilema hatrany an-kibon-dreny (toy ilay ateraky ny hormonina D.E.S) matetika dia tsy hiseho raha tsy afaka taona maro atỳ aoriana. Koa ny hoavin’ireo zanaka sy zafikelin’ireo mpifoka marijuana àry dia mbola ho hita eo. Milaza ny Dr. Gabriel Nahas fa ny fifohana marijuana dia mety ho “tsapa vintana eo amin’ny rafi-pandovan-toetra”. Afaka ny hihaika ny loza toy izany ve na iza na iza mihevitra ny zanaka ho toy ny “lova avy amin’i Jehovah”? — Salamo 127:3.
Zava-mahadomelina — Ny fomba fihevitry ny Baiboly
Mazava ho azy fa iray monja amin’ireo zava-mahadomelina maro tian’ny olona ny marijuana. Kanefa mampiseho tsara izy io fa ampy ny antony tokony hanalavirana ny fampiasana zavatra manova ny saina noho ny fahafinaretana fotsiny. Hoy ny Baiboly: “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany”. (Ohabolana 20:29). Amin’ny maha-zatovo anao, dia tsy isalasalana fa manana fahasalamana tsara ianao. Nahoana ianao no hihaika akory ny loza ka hanary azy io?
Ny zava-dehibe kokoa anefa dia ny fananantsika ny fomba fihevitry ny Baiboly momba io raharaha io. Milaza amintsika mba ‘hirakitra ny fahaiza-misaina’, fa tsy hanimba azy amin’ny alalan’ny fampiasana zava-mahadomelina, izy io. (Ohabolana 3:21, NW ). Mampirisika antsika toy izao koa ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” Raha ny tena izy, dia ireo izay ‘nanadio tena tamin’ny fahalotoana’, ka nanalavitra ny fanao toy ny fampiasana zava-mahadomelina, ihany no anaovan’Andriamanitra izao fampanantenana izao: “Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho”. — 2 Korintiana 6:17–7:1.
Na dia izany aza, dia mety tsy ho mora ny fandavana zava-mahadomelina.
Ny faneren’ireo mitovy taona aminao
Indray takarivan’ny fahavaratra, dia nanao fanekena i Joe sy i Frank, zanak’olo-mpiray tam-po sady mpinamana akaiky. “Na inona na inona ataon’ny hafa rehetra”, hoy ny fanoloran-kevitr’i Joe, ny zandriny tamin’izy roa lahy, “dia aoka isika tsy hikasikasika zava-mahadomelina na oviana na oviana.” Nifamihin-tanana izy mirahalahy ho fanamafisana ilay voady. Dimy taona monja taorian’izay, dia hita maty tao anaty fiarany i Joe ho vokatry ny loza nateraky ny fampiasana zava-mahadomelina. Ary i Frank dia nandevozin’ny fampiasana zava-mahadomelina.
Inona no tsy nety? Ny valin’izany dia hita ao amin’izao fampitandremana mandodona hita ao amin’ny Baiboly izao: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Samy tafaraka tamina karazan’olona ratsy i Joe sy i Frank. Arakaraka ny nifaneraserany tamin’ireo izay nampiasa zava-mahadomelina no nanombohany nanandrana zava-mahadomelina koa.
Manao izao fanamarihana izao ny boky Self-Destructive Behavior in Children and Adolescents: “Ny namana akaiky iray matetika no mampahafantatra na ‘mampianatra’ ny tanora momba ireo zava-mahadomelina (...) Ny [fikasany] dia mety ho ny fiarahana hanana fanandraman-javatra manaitaitra na mahafinaritra.” Manamafy izany i Mike, noresahina terỳ am-boalohany, amin’ny filazana hoe: “Ny faneren’ireo nitovy taona tamiko no mafy indrindra tamiko. (...) Ny antony nifohako marijuana tamin’ny voalohany, dia satria nanao izany koa ireo ankizy niarahako, ary naniry ny horaisin’izy ireny aho.”
Raha lazaina amin’ny teny tsotra, raha manomboka mampiasa zava-mahadomelina ireo namanao, dia ho tafiditra ao amin’ny fanerena ara-pihetseham-po mafy mba hitovy aminy koa ianao. Raha tsy manova ny karaza-namana iarahanao ianao, dia azo inoana fa ho mpampiasa zava-mahadomelina koa ianao amin’ny farany.
“Miara-dia amin’ny hendry”
“Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza”, hoy ny Ohabolana 13:20. Ohatra, raha tsy te ho voan’ny sery ianao, moa ve ianao tsy hiezaka hanalavitra ireo olona voan’ny sery? “Mitovy amin’izany koa”, hoy ny boky Adolescent Peer Pressure, “raha tsy tiantsika (...) ny hampiasa zava-mahadomelina (...), dia mila ny mihazona rivo-piainana mahasalama sy fahaiza-mandanjalanja isika ary mampihena ny fisetrana fitaomana manimba.”
Tianao àry ve ny hanao hoe “tsia” amin’ny fanolorana zava-mahadomelina? Tandremo àry izay olona ifaneraseranao. Tadiavo ny fisakaizan’ireo Kristiana matahotra an’Andriamanitra ka hanohana ny fahatapahan-kevitrao tsy hikasika zava-mahadomelina. (Ampitahao amin’ny 1 Samoela 23:15, 16.) Mariho koa ireo teny ao amin’ny Eksodosy 23:2. Na dia natao ho an’ireo vavolombelona mianiana rehefa manao teny fanamarinana aza izy ireo tamin’ny voalohany, dia manolotra torohevitra tsara ho an’ny tanora, dia ny hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”.
Ny olona iray manaraka ambokony ireo mitovy taona aminy dia tsy inona fa andevo na mpanompo. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Romana 6:16: “Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo (...)?” Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly ny tanora hamboly “fahaiza-misaina”. (Ohabolana 2:10-12, NW ). Mianara misaina ho an’ny tenanao, dia tsy hirona hanaraka ireo tanora ratsy fitondran-tena ianao.
Marina fa mety ho liana ta hahalala momba ny zava-mahadomelina sy ny vokany ianao. Kanefa tsy mila ny mandoto ny sainao sy ny vatanao ianao vao hahalala ny vokatry ny zava-mahadomelina eo amin’ny olombelona. Diniho fotsiny ireo mpampiasa zava-mahadomelina izay mitovy taona aminao — indrindra fa ireo izay nampiasa izany efa nandritra ny fotoana ela. Hitanao ho kinga sy matsilo saina ve izy ireo? Mbola mahazo naoty tsara ihany ve izy ireo? Sa kosa izy ireo tsy rototra sy tsy mahay mifantoka, indraindray aza tsy mahalala akory izay mitranga manodidina azy? Misy voambolana iray namboarin’ireo mpampiasa zava-mahadomelina ihany mba hilazana ny olona toy izany, dia ny hoe: “tsy avotra”. Kanefa olona “tsy avotra” maro no azo inoana fa nanomboka nampiasa zava-mahadomelina noho ny fahalianana ta hahalala. Tsy mahagaga àry raha mampirisika ny Kristiana mba hamono ny faniriana ta hahalala tsy mahasoa toy izany ny Baiboly, ka mba ho “zazakely raha ny amin’ny faharatsiana”. — 1 Korintiana 14:20, NW.
Afaka manao hoe “tsia” ianao!
Ny bokikely iray navoakan’ny Sampan-draharaha Amerikana Miady Amin’ny Fampiasana Zava-mahadomelina dia mampahatsiahy antsika toy izao: “Ny fandavana ny fahafahana hampiasa zava-mahadomelina (...) dia zonao. Na iza na iza namanao mitady hanery anao hanova ny fanapahan-kevitrao dia manitsakitsaka ny zonao amin’ny maha-olona afaka anao.” Inona no azonao atao raha toloran’olona zava-mahadomelina ianao? Manàna herim-po hanao hoe “tsia”! Tsy voatery hidika akory izany fa hanao toriteny lavareny aminy momba ny maha-ratsy ny fampiasana zava-mahadomelina ianao. Ilay bokikely tetsy aloha dia manoro hevitra ny hamaliana fotsiny hoe “Misaotra fa tsy mifoka aho”, na hoe “An, an, an, tsy te hidi-kizo aho”, na koa ny hamaliana amim-pahakingan-tsaina mihitsy hoe “Tsy mpanaraka ny fandotoan-tena aho”. Raha manizingizina ihany izy ireo, dia mety ho voatery hanao hoe “tsia” amim-piekena mafy ianao! Ataovy fantatry ny hafa fa Kristiana ianao fa izany koa dia mety ho fiarovana ho anao.
Tsy mora ny mitombo ho olon-dehibe. Kanefa, raha mitady hanalavitra ireo fanaintainan’ny fitomboana amin’ny fampiasana zava-mahadomelina ianao, dia tena hisakana ny fahafahanao ho tonga olon-dehibe mahay mandray andraikitra sy matotra. Mianara miatrika ireo zava-manahirana mivantana. Raha toa manafotra ireo fanerena, dia aza mitady fandosirana amin’ny alalan’ny zavatra simika. Miresaha amin’ny rainao na ny reninao na amin’ny olon-dehibe hafa mahay mandray andraikitra izay afaka ny hanampy anao handamin-javatra. Tadidio koa izao fampirisihan’ny Baiboly izao: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny [hery ara-tsainareo, NW ]”. — Filipiana 4:6, 7.
Eny, hanome anao ny hery hanaovana hoe “tsia” i Jehovah Andriamanitra! Aza avela hanery anao hampihena ny fahatapahan-kevitrao na oviana na oviana ny hafa. Mampirisika toy izao i Mike: “Aza mba manandrana zava-mahadomelina. Hijaly mandritra ny androm-piainanao rehetra ianao!”
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana no tanora maro be aoka izany no manjary mampiasa zava-mahadomelina?
◻ Amin’ny ahoana ny fampiasana zava-mahadomelina no afaka misakana ny fitomboanao eo amin’ny ara-pihetseham-po?
◻ Inona no fantatra momba ny marijuana sy ny vokany eo amin’ny vatana?
◻ Inona no fomba fihevitry ny Baiboly momba ny fampiasana zava-mahadomelina noho ny fahafinaretana?
◻ Nahoana no tena iankinan’ny aina ny fitandremana ny amin’izay olona ifaneraseranao mba tsy hikasihana zava-mahadomelina?
◻ Inona avy no fomba sasantsasany ahafahana manao hoe “tsia” amin’ny fanolorana zava-mahadomelina?
[Teny notsongaina, pejy 274]
“Na dia ireo surveillants any am-pianarana aza mivarotra maoly”, hoy ny tanora iray
[Teny notsongaina, pejy 279]
“Nanjary takatro fa nitsahatra tsy nitombo ara-pihetseham-po intsony aho raha vao nanomboka nampiasa zava-mahadomelina.” — Mike, mpampiasa zava-mahadomelina taloha
[Efajoro, pejy 278]
Ny Marijuana — Fanafody Mahagaga Vaovao Ve?
Nisy resaka be momba ny filazana fa ny marijuana dia mety ho afaka hanasitrana ny glaucome (areti-maso) sy ny sohika ary hanamaivana ny loiloy tsapan’ireo voan’ny homamiadana mandritra ny fitsaboana chimiothérapique. Ny tatitra iray navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana Amerikana dia manaiky fa misy maha-marina izany filazana izany. Kanefa milaza ve izany fa, amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hanoratra hoe sigara marijuana eo amin’ny taratasim-panafody ho an’ny marary tsaboiny ireo dokotera?
Tsy azo inoana izany, satria, na dia mety ho hita fa mahasoa aza ny sasany amin’ireo taharo simika maherin’ny 400 ao amin’ny marijuana, ny fifohana marijuana dia tsy ho ny fomba araka ny fandrindran-kevitra hahazoana izany fanafody izany. “Ny fampiasana marijuana ”, hoy Dr. Carlton Turner, manam-pahaizana manan-daza, “dia ho toy ny fanomezana mofo efa bobongolo ho an’ny olona iray mba hohaniny ka hahazoany pénicilline.” Koa raha toa ka misy taharon’ny marijuana tonga fanafody marina, dia ho zavatra “mitovy na nalaina avy amin’ny” marijuana, izany hoe fifangaroan-javatra simika mitovy aminy, no hosoratan’ny dokotera eo amin’ny taratasim-panafody ho an’ny marary tsaboiny. Tsy mahagaga àry raha nanoratra toy izao ny minisitry ny fahasalamana sy ny fanasoavam-bahoaka any Etazonia: “Tokony hohamafisina fa izay mety ho soa ara-pitsaboana ho azo dia tsy manova velively ireo vokatra manimba ny fahasalamana entin’ny marijuana.”
[Sary, pejy 275]
Manàna herim-po hanao hoe “tsia” amin’ny fanolorana zava-mahadomelina!
[Sary, pejy 276, 277]
Mandosira ireo zava-manahirana anao amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina ankehitriny (...) dia mety ho hitanao fa sarotra ny hiatrika ireo zava-manahirana anao rehefa olon-dehibe ianao