Toko Faha-35
Misy Maha-zava-dehibe Azy ve Izay Vakiko?
NAMPITANDRINA toy izao i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12). Tsy nanandrana ny hanakivy ny olona tsy hamaky teny akory i Solomona teto; nanoro hevitra anao mba hahay hifantina fotsiny izy.
Hoy i René Descartes, filozofa frantsay tamin’ny taonjato faha-17: “Rehefa mamaky boky tsara ny tena, dia toy ny miresaka amin’ny olona avara-pianarana tamin’ny lasa. Azontsika antsoina hoe resaka voafantina tsara mihitsy izany, resaka izay tsy ilazan’ilay mpanoratra afa-tsy ireo eritreritiny mendrika indrindra.” Tsy ny mpanoratra rehetra anefa no mendrika ny ‘hiresahana’, sady tsy dia tena “mendrika” avokoa akory ny eritreritr’izy ireny rehetra.
Koa tafiditra eto indray koa àry ilay fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tononina matetika manao hoe: “Manimba ny fahazarana mahasoa ny fifaneraserana ratsy.” (1 Korintiana 15:33, NW ). Eny tokoa, afaka mamolavola ny maha-ianao anao ireo olona ifaneraseranao. Efa nandany fotoana be dia be aoka izany niarahana tamin’ny namana iray ve ianao, hany ka nanjary nanomboka nanao zavatra, niteny ary nieritreritra tahaka azy mihitsy aza? Ny famakiana boky dia toy ny fandaniana ora maro iresahana amin’ilay olona nanoratra azy.
Mety tsara àry ilay fotopoto-pitsipika notononin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:15 (NW ) manao hoe: “Aoka ny mpamaky hampiasa fahaiza-manavaka”. Mianara mamakafaka sy mandanjalanja izay vakinao. Samy manana izay itompoany teny fantatra manokana ny olombelona rehetra ary tsy milaza ny marina rehetra foana izy ireo rehefa mitantara ny zava-misy. Noho izany, dia aza manaiky befahatany ny zavatra rehetra vakinao na renao: “Ny kely saina mino ny teny rehetra: fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.
Tokony hitandrina indrindra ianao raha ny amin’ny famakiana zavatra manazava filozofian’olona momba ny fiainana. Ireo gazetiboky natao ho an’ny tanora, ohatra, dia feno torohevitra momba ny zavatra rehetra manomboka amin’ny fiarahana amin’ankizilahy na amin’ankizivavy tsy tahaka ny tenany ka hatramin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana — torohevitra izay tsy tokony horaisin’ny Kristiana foana anefa. Ary ahoana ny amin’ireo boky izay tafalentika ao anatin’ny fanadihadiana filozofika lalina?
Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, (...) fa tsy araka an’i Kristy.” (Kolosiana 2:8). Ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly toy ity boky ity, dia manolotra torohevitra tsara lavitra. — 2 Timoty 3:16.
Boky misy tantaram-pitiavana — Tsy manimba ve?
Ny famakiana boky misy tantaram-pitiavana dia nanjary fahazarana manandevo olona tokony ho 20 tapitrisa any Etazonia fotsiny. Mazava ho azy fa Andriamanitra mihitsy no nametraka tao amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny faniriana ho raiki-pitia sy hanambady. (Genesisy 1:27, 28; 2:23, 24). Tsy mahagaga àry raha asongadina be dia be ao amin’ny ankamaroan’ny tantara noforonina ny fitiavana, ary tsy voatery ho zavatra azo kianina akory izany. Ny boky misy tantaram-pitiavana sasany aza nahazo ny lazan’ny haisoratra ambony. Kanefa, araka ny fari-pitsipika maoderina, dia heverina ho matsatso ireny tantara efa tranainy ireny, hany ka tsy ela izay, dia hitan’ireo mpanoratra fa ahitany tombony kokoa ny mamokatra karazana tantaram-pitiavana vaovao. Ny sasany amin’izany dia mbola mampiasa zava-nitranga ara-tantara tamin’ny lasa mba hisian’ny tapany mampangitakitaka sy mampihetsi-po fanampiny ao amin’ilay tantara. Ny hafa mampiasa fomba fanoratra sy zava-miseho maoderina. Na dia izany aza, dia manaraka fitsipika iray azo vinanina mialoha ireny boky misy tantaram-pitiavana maoderina ireny, na dia misy fahasamihafana madinika vitsivitsy aza: ilay lehilahy sy ilay vehivavy fototry ny tantara miezaka handresy vato misakana goavana izay mandrahona ny tantaram-pitiavany vao nitsiry.
Mazàna ilay lehilahy fototry ny tantara dia matanjaka, mizahozaho mihitsy aza, mampideradera fatokian-tena. Ilay vehivavy fototry ny tantara anefa dia azo ampoizina fa ho malemy sy mora voa, ary matetika dia zandrin’ilay lehilahy fototry ny tantara 10 na 15 taona. Ary na dia entin’ilay lehilahy amim-panamavoana matetika aza ilay vehivavy, dia tsy azo sakanana fa mbola misisika aminy ihany.
Matetika dia misy rafy iray. Na dia tsara fanahy sy feno fiheverana aza izy, dia tsy manaitaitra na mahaliana ilay vehivavy fototry ny tantara. Noho izany, dia mampiasa ny fahaizany manangoly ravehivavy mba hamolavolana ilay lehilahy be herim-po tiany mba hiovan’io ho olo-malefaka ka hamborahany aminy ny fitiavany tsy mety rava. Voalamina sy namelana heloka avokoa izao ny fiahiahiana rehetra teo aloha, ary dia mivady ao anatin’ny faharavoam-be izy ireo ka miaina amim-pahasambarana mandrakizay (...)
Mitovy amin’ny ao amin’ireo tantaram-pitiavana ve ny fitiavana?
Mety hanakona ny fomba fijerinao ny zava-misy ve ny famakiana tantara noforonina toy izany? Mahatsiaro toy izao i Bonnie, izay nanomboka namaky boky misy tantaram-pitiavana teo amin’ny faha-16 taonany: “Nitady ilay tovolahy ranjanana sy tsara tarehy aho; lehilahy iray hanaitaitra ahy sady hanana toetra manjakazaka.” Nitsotra toy izao izy: “Raha nampiaraka tamin’ankizilahy iray aho ka tsy nety nanoroka na nanafosafo ahy izy, dia nanorisory ahy, na dia feno fiheverana sy tsara fanahy aza izy. Nitady ilay fanaitairana novakiko tao amin’ireo tantaram-pitiavana aho.”
Nanohy namaky boky misy tantaram-pitiavana i Bonnie na dia taorian’ny nanambadiany aza. Hoy izy: “Nanana trano sy fianakaviana nahafinaritra aho, kanefa toa tsy ampy ilay izy (...) Nitady ilay fahasahisahiana sy fahataitairana voatantara amin’ny fomba manintona erỳ ao amin’ireo tantaram-pitiavana aho. Tamiko dia toa nisy zavatra tsy nety tamin’ny fanambadiako.” Ny Baiboly anefa dia nanampy an’i Bonnie hahatakatra fa ny lehilahy iray dia tsy maintsy manolotra ho an’ny vadiny zavatra hafa ankoatra ny fahaiza-manangoly na “fahataitairana”. Hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy”. — Efesiana 5:28, 29.
Ary ahoana ny amin’ireo foto-kevitra izay mampiavaka ireo boky misy tantaram-pitiavana, dia ny fiafarana tsara sy ny fandaminana mora foana ireo fifanolanana? Tsy misy zavatra mifanalavitra kokoa amin’ny tena izy toy izany. Mahatsiaro toy izao i Bonnie: “Rehefa nisy tsy nifanarahako tamin’ny vadiko, dia tsy niresaka momba izany taminy aho, fa naka tahaka ireo fihetsik’ilay vehivavy fototry ny tantara novakiko kosa. Rehefa tsy nitovy tamin’ny an’ilay lehilahy fototry ny tantara ny nataon’ny vadiko, dia nidongy aho.” Moa ve tsy araka ny tena izy sady azo ampiharina lavitra ny torohevitra omen’ny Baiboly ny vehivavy manambady manao hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo”? — Kolosiana 3:18.
Ny fahafaham-po eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy
Mahaliana fa ireo tantaram-pitiavana miresaka an-karihary momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy — hita any amin’ireo trano famakiam-bokin’ny tanàn-dehibe sasany — no tena tadiavin’ny zatovo. Mety hanimba anao ve izy ireny? Manazava toy izao i Karen, 18 taona: “Tena nanaitra fihetseham-po mahery teo amin’ny maha-vavy ahy ireny boky ireny sady nahatonga ahy ho liana ta hahalala zavatra. Ny faharavoam-be sy ny fihetseham-po mahafinaritra tsapan’ilay vehivavy fototry ny tantara tamin’ny fihaonany feno fahamaimaizana tamin’ilay lehilahy tiany dia nahatonga ahy haniry hahatsapa izany koa; hany ka, rehefa nampiaraka aho”, hoy izy manohy ny teniny, “dia nanandrana ny hampipoitra ireny fahatsapan-javatra ireny. Nitarika ahy ho amin’ny fijangajangana izany.” Kanefa nitovy tamin’ny an’ireo vehivavy fototr’ireo tantara novakiny sy nonofinofisiny ve ny zavatra tsapan’ny tenany? Izao no hitan’i Karen: “Noforomporonin’ny sain’ireo mpanoratra fotsiny ireny fihetseham-po ireny. Tsy araka ny tena izy izy ireny.”
Tena ny zava-kendren’ny mpanoratra sasany tokoa ny hampiteraka nofinofy momba ny lahy sy ny vavy. Diniho ireo toromarika omen’ny mpampanonta iray ho an’ireo mpanoratra tantaram-pitiavana: “Ireo fihaonana misy firaisan’ny lahy sy ny vavy tantarainareo dia tokony hifantoka amin’ny fahamaimaizana sy ny fahatsapana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy aterak’ireo oroka sy safosafo omen’ilay lehilahy fototry ny tantara an’ilay vehivavy.” Fanampin’izany, dia toroana hevitra koa ireo mpanoratra fa “tokony hiteraka fahataitairana sy fihenjanana ary fihetseham-po lalina sy fihetsika ara-nofo eo amin’ny mpamaky” ireo tantaram-pitiavana soratany. Miharihary fa ny famakiana zavatra toy izany dia tsy hanampy ny olona iray hanaraka ny fananaran’ny Baiboly mba ‘hamono ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy’. — Kolosiana 3:5.
Fahaiza-mifantina
Ny tsara indrindra àry dia ny fanalavirana ireo boky izay manaitra fihetseham-po maloto na izay miteraka fanantenana tsy araka ny tena izy. Nahoana ianao raha miova ka manandrana mamaky karazam-boky hafa, toy ny boky momba ny tantara na ny siansa? Tsy hoe tsy azo kasihina mihitsy akory ny boky misy tantara noforonina, satria misy amin’izy ireny mahafinaritra sady ahitana fianarana. Kanefa, raha toa ny tantara iray ka manasongadina ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny herisetra tsy misy antony, ny fanao mifandray amin’ny fanahy ratsy, na olona fototry ny tantara izay maloto fitondran-tena, tsy misy fiantrana, na feno faniriana mihoa-pampana, moa ve ianao tokony handany ny fotoananao hamakiana izany?
Manehoa àry fitandremana. Alohan’ny hamakiana boky iray, dia diniho ny fonony sy ny fanazavana eo amin’ny fonony; jereo raha misy zavatra mampiahiahy momba azy io. Ary na dia eo aza izany fitandremana rehetra izany, ka hitanao eo am-pamakiana azy fa tsy madio ny boky iray, dia manàna herim-po hamela azy.
Mifanohitra amin’izany kosa, ny famakiana ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra mifandray amin’ny Baiboly dia hanampy anao fa tsy hanimba anao akory. Milaza ny ankizivavy japoney iray, ohatra, fa ny famakiana ny Baiboly dia nanampy azy tsy hampifantoka ny sainy amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy — zavatra izay sarotra ho an’ny tanora. “Apetrako eo akaikin’ny fandriako foana ny Baiboly, ary ataoko ho fahazarana ny mamaky azy alohan’ny hatoriako”, hoy izy. “Rehefa ilay irery ka tsy manan-katao iny aho (toy ny rehefa handeha hatory) no mitodika any amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ny saiko. Tena manampy ahy mihitsy àry ny famakiana Baiboly!” Eny tokoa, ny “firesahana” amin’ireo olona manam-pinoana voasoratra ao amin’ny Baiboly dia afaka hanome anao tanjaka ara-pitondran-tena marina ary hanampy anao be dia be mba ho sambatra. — Romana 15:4.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ianao no tsy maintsy mahay mifantina izay vakinao?
◻ Nahoana ireo tantaram-pitiavana no manintona aoka izany ny tanora maro? Inona avy anefa no loza entin’izy ireo?
◻ Ahoana no ahafahanao mifantina zavatra hovakina mety tsara?
◻ Inona avy no soa sasany azo avy amin’ny famakiana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly?
[Teny notsongaina, pejy 287]
“Nanana trano sy fianakaviana nahafinaritra aho, kanefa toa tsy ampy ilay izy (...) Nitady ilay fahasahisahiana sy fahataitairana voatantara amin’ny fomba manintona erỳ ao amin’ireo tantaram-pitiavana aho. Tamiko dia toa nisy zavatra tsy nety tamin’ny fanambadiako”
[Sary, pejy 283]
Koa satria an’arivony be dia be aoka izany ireo boky misy, dia tsy maintsy mahay mifantina ianao
[Sary, pejy 285]
Mety haharevo anao ny famakiana tantaram-pitiavana, kanefa moa ve izy ireny mampianatra anao fomba fijery madio momba ny fitiavana sy ny fanambadiana?