FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gt toko 7
  • I Jesosy sy ireo mpanandro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • I Jesosy sy ireo mpanandro
  • Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Mitovitovy Aminy
  • Jesosy sy ireo mpanandro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Nitsidika An’i Jesosy Ireo Mpanandro
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza no Nandefa An’ilay “Kintana” Nitarika An’ireo Mpanandro?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
gt toko 7

Toko 7

I Jesosy sy ireo mpanandro

NISY lehilahy vitsivitsy tonga avy tany Atsinanana. Mpanandro izy ireo, izany hoe olona mihambo ho milaza ny hevitry ny toeran’ireo kintana. Raha mbola tany aminy, tany Atsinanana, izy ireo dia nahita kintana vaovao iray, ary nanaraka azy io nandritra ny an-jatony kilaometatra maro hatrany Jerosalema.

Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo dia nanontany ny olona hoe: “Aiza ilay zaza teraka mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.”

Rehefa nandre izany i Heroda mpanjaka tany Jerosalema dia nikorontan-tsaina mafy. Niantso ireo lohan’ny mpisorona àry izy ary nanontany azy ireo izay toerana tokony hahaterahan’ny Kristy. Nampifototra ny valinteniny tamin’ny Soratra masina izy ireo ka nanao hoe: “Ao Betlehema.” Tamin’izay i Heroda dia nampiantso ireo mpanandro ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Andeha, karohy amim-pitandremana ilay zazakely, ary rehefa hitanareo izy, dia ambarao atỳ amiko, mba hankanesako any koa hiankohofako eo anatrehany.” Raha ny tena marina anefa, ny nanirian’i Heroda hahita ilay zaza dia ny mba hamonoana azy!

Rehefa lasa izy ireo, dia nisy zavatra nahagaga nitranga. Nanao ny dia teo anoloany ilay kintana hitany tany Atsinanana. Mazava fa tsy kintana toy ny fahita rehetra izy io, fa natao hitarika azy ireo manokana. Tsy nitsahatra nanaraka azy io ireo mpanandro mandra-pijanony teo ambonin’ilay trano nipetrahan’i Josefa sy i Maria mihitsy.

Rehefa niditra tao amin’ilay trano ireo mpanandro dia nahita an’i Maria sy i Jesosy zanany kely. Avy hatrany izy ireo dia samy niankohoka teo anatrehany. Avy eo dia namoaka fanomezana volamena sy zava-manitra ary miora avy tao amin’ny entany izy ireo. Tatỳ aoriana kely, rehefa nadiva hiverina hilaza tamin’i Heroda izay nisy an’ilay zaza izy ireo, dia nampitandreman’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny nofy mba tsy hanao izany. Koa lasa nankany amin’ny taniny tamin’ny lalan-kafa àry izy ireo.

Iza, araka ny hevitrao, no nampiseho ilay kintana izay nifindrafindra teny amin’ny lanitra mba hitari-dalana an’ireo mpanandro? Tadidio fa tsy nitarika azy ireo nivantana ho any amin’i Jesosy tany Betlehema ilay kintana. Notarihina nankany Jerosalema kosa izy ireo, ary tao izy dia nihaona tamin’i Heroda mpanjaka izay naniry hamono an’i Jesosy. Ho nahavita izany izy raha tsy nisalovana Andriamanitra ary nampitandrina ireo mpanandro mba tsy hilaza tamin’i Heroda izay nisy an’i Jesosy. Ilay fahavalon’Andriamanitra, i Satana Devoly, no naniry ny hamonoana an’i Jesosy, ary nampiasa io kintana io izy mba hanandramana hanatanteraka ny fikasany. Matio 2:1-12, MN; Mika 5:1.

▪ Inona no mampiseho fa ilay kintana hitan’ireo mpanandro dia tsy kintana toy ny fahita rehetra?

▪ Taiza moa i Jesosy rehefa nahita azy ireo mpanandro?

▪ Ahoana no ahafantarantsika fa i Satana no nampiseho ilay kintana mba hitarihan-dalana an’ireo mpanandro?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara