FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • we p. 20-25
  • Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?
  • Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay tokony hatao ...
  • Izay tsy tokony hatao ...
  • Fampiononana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Alahelonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
we p. 20-25

Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?

“ILAZAO fotsiny aho raha misy zavatra azoko anampiana.” Izany no lazain’ny ankamaroantsika amin’ny namana na havana vao nidonam-pahoriana. Tena amim-pahatsorana no ilazantsika izany. Hanao izay rehetra azo anampiana azy isika. Miantso antsika ve anefa ilay nidonam-pahoriana mba hilaza hoe: “Misy zavatra noeritreretiko fa azonao anampiana ahy”? Mazàna no tsia. Mazava fa isika no mila manao zavatra avy hatrany, raha tena tiantsika ny hanampy sy hampahery an’ilay olona nidonam-pahoriana.

Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 15:23; 25:11) Mila fahendrena ny fahafantarana izay tokony sy tsy tokony holazaina, ary izay tokony sy tsy tokony hatao. Indreto misy fanipazan-kevitra miorina amin’ny Soratra Masina, izay hitan’ny olona nidonam-pahoriana fa mahasoa.

Izay tokony hatao ...

Mihainoa: Aoka ianao “ho mailaka hihaino”, hoy ny Jakoba 1:19. Ny mihaino no anisan’ny zavatra mahasoa indrindra azonao atao, mba hiombonan’alahelo amin’ilay olona nidonam-pahoriana. Misy mantsy amin’izy ireny mety haniry hiresaka momba ilay havany maty, momba ilay loza tampoka na aretina nahafaty azy, na momba izay mahazo azy nanomboka tamin’ny nitrangan’ilay fahafatesana. Anontanio àry izy hoe: “Te hiresaka momba ilay izy ve ianao?” Avelao izy no hanapa-kevitra. Hoy ny tovolahy iray, nitantara ny nahafatesan-drainy: “Tena nanampy ahy rehefa nisy nanontany izay nitranga, ary tena nihaino avy eo.” Mihainoa amim-paharetana sy amim-pangorahana, fa aza mieritreritra hoe tokony hanome valiny na vahaolana ianao. Avelao izy hamoaka izay zavatra rehetra tiany hambara.

Manomeza toky: Omeo toky ilay olona nidonam-pahoriana fa nanao izay rehetra azony natao izy (na izay zavatra fantatrao fa marina sy mampahery). Omeo toky izy fa ara-dalàna ny fihetseham-po tsapany, toy ny alahelo, hatezerana, fanamelohan-tena, na fihetseham-po hafa. Tantarao aminy ny olona fantatrao fa maty havana tahaka azy, nefa sitrana soa aman-tsara. “Mahatsara ny taolana” ny “teny mahafinaritra” toy izany, hoy ny Ohabolana 16:24.—1 Tesalonianina 5:11, 14.

Aoka ianao ho vonona: Aoka ianao ho vonona hanao zavatra, tsy mandritra ny andro vitsivitsy mbola maha eo ny havana aman-tsakaiza fotsiny, fa mandritra ny volana maromaro atỳ aoriana koa, rehefa niverina amin’ny fiainany andavanandro ny olona. Ho “tena sakaiza” tokoa ianao amin’izay, dia ilay manotrona ny namany amin’ny “fahoriana.” (Ohabolana 17:17) Hoy i Teresea, maty anaka tamin’ny lozam-piarakodia: “Nataon’ireo namanay foana izay hanananay zavatra hatao ny takariva, mba tsy ho irery naharitra ela be loatra tao an-trano izahay. Nanampy anay hizaka ny fahabangana izany.” Mbola mety ho fotoana mavesatra ho an’ny velona foana ny fitsingerenana daty, toy ny datin’ny mariazy, na ny fahafatesana, na dia taona maro atỳ aoriana aza. Nahoana raha marihina eo amin’ny kalandrienao ireny daty ireny? Amin’izay rehefa ho tonga ilay daty, dia ho vonona ianao hanohana azy ireo amim-pangoraham-po, raha ilaina izany.

Ataovy avy hatrany izay zavatra hitanao fa tena ilaina hatao, fa aza miandry angatahina

Manaova zavatra avy hatrany: Misy irakiraka tokony hatao ve? Mila olona ve mba hikarakara ny ankizy? Mila toerana hilasiana ve ireo havana aman-tsakaiza mamangy? Matetika no efa tototry ny fahasahiranana mafy ireo nidonam-pahoriana ka tsy fantany akory izay tokony hataony, ka mainka fa ny hilaza amin’ny olona izay azony anampiana. Raha hitanao àry fa misy zavatra tena ilaina hatao, dia aza miandry hangatahina, fa manaova zavatra avy hatrany. (1 Korintianina 10:24; ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:17, 18.) Hoy ny vehivavy iray maty vady: “Maro no nilaza hoe: ‘Ilazao aho raha misy azoko anampiana.’ Nisy namana iray kosa tsy mba nanontany, fa avy hatrany dia niditra tao amin’ny efitra fandriana, nanaisotra ny lambam-pandriana ary nanasa ny lamba naloto tamin’ny fatin’ny vadiko. Nisy iray koa naka siô sy rano ary fitaovana fanadiovana, ka nanasa sy nikosoka ny karipetra nandoavan’ny vadiko. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy anti-panahy tonga, nanao fitafiana fitondra miasa, niaraka tamin’ny fitaovany, ary niteny hoe: ‘Fantatro fa tsy maintsy misy zavatra mila fanamboarana ato. Inona ilay izy?’ Nankasitrahako erỳ izy, satria namboariny ilay varavarako tsy nisy afa-tsy savily iray, sy fitaovana mandeha amin’ny elektrisite!”—Ampitahao amin’ny Jakoba 1:27.

Mahaiza mampiantrano vahiny: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny”, hoy ny Baiboly. (Hebreo 13:2) Ny fampiantranoana an’ireo mana-manjo indrindra no tokony hotadidintsika. Lazao ny daty sy fotoana, fa aza miteny fotsiny hoe: ‘Tongava rehefa afaka ianareo e.’ Aza mora kivy raha mandà izy. Mety hila fampirisihana amin-katsaram-panahy izy. Angamba matahotra izy sao tsy hahafehy ny fihetseham-pony eo imason’olona, ka izany no nahatonga azy handa ilay fanasana. Na mety hahatsapa ho meloka izy satria hiaraka amin’ny namana hankafy sakafo tsara, nefa vao teo no nidonam-pahoriana. Tadidio i Lydia, ilay vehivavy lazain’ny Baiboly fa nahay nampiantrano vahiny. Rehefa nasainy hankany aminy i Lioka, dia nilaza hoe: “Tsy namelany izahay raha tsy tonga.”—Asan’ny Apostoly 16:15.

Manàna faharetana ary iezaho takarina izay manjo ny hafa: Aza gaga loatra amin’izay mety holazain’ny olona nidonam-pahoriana, amin’ny voalohany. Tadidio fa mety hahatsapa ho tezitra sy meloka izy ireo. Raha ianao no anamparany ny fony, dia tokony hanana fahaiza-mahataka-javatra sy faharetana ianao, mba tsy ho sosotra ka hamaly azy. Hoy ny Baiboly: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.”—Kolosianina 3:12, 13.

Manorata: Matetika no hadino ny hasarobidin’ny taratasy fanehoana fiaraha-miory. Inona no mahatsara azy ireny? Hoy i Cindy, maty reny noho ny kansera: “Nanoratra taratasy nahafinaritra tatỳ amiko ny namana iray. Tena nampahery ahy ilay izy, satria azoko naverimberina novakina.” Mety ho “teny vitsivitsy” ny taratasy fampaherezana toy izany, nefa tokony ho avy amin’ny fo. (Hebreo 13:22) Azonao lazaina ao fa nanohina anao ilay fisehoan-javatra, ary manana fahatsiarovana manokana momba ilay olona maty ianao. Azonao aseho koa fa misy akony eo amin’ny fiainanao ny fahafatesan’io olona io.

Miaraha mivavaka aminy: Aza hamaivanina ny hasarobidin’ny vavaka iarahanao amin’ireo olona nidonam-pahoriana sy ny vavaka ataonao ho azy. Hoy ny Baiboly: “Ny fitalahoan’ny olo-marina dia manan-kery lehibe.” (Jakoba 5:16) Mety hanamaivamaivana ny fahatsapany ho meloka, ohatra, ny fihainoana anao mivavaka ho azy.—Ampitahao amin’ny Jakoba 5:13-15.

Izay tsy tokony hatao ...

Mety hampahery an’ireo nidonam-pahoriana ny fahatongavanao any amin’ny hopitaly

Aza mihatakataka na dia tsy fantatrao aza izay tokony holazaina na hatao: Mety hieritreritra isika hoe: ‘Inoako fa mila avela ho irery izy ireo izao.’ Ny marina anefa angamba dia hoe mihatakataka isika, satria matahotra sao milaza na manao zavatra tsy mety. Raha hihatakatahan’ny havana aman-tsakaiza, na ny mpiray finoana aminy anefa ny olona nidonam-pahoriana, dia vao mainka izy hahatsapa ho manirery, ka hitombo ny alahelony. Tadidio fa ireo teny sy zavatra tena tsotra indrindra no tena mahasoa. (Efesianina 4:32) Ny maha eo anao fotsiny dia efa mampahery azy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:15.) Hoy i Teresea, rehefa nahatsiaro ny andro nahafatesan’ny zanany vavy: “Tao anatin’ny adiny iray, dia feno an’ireo namanay ny lalantsaran’ny hopitaly. Teo daholo ny anti-panahy sy ny vadiny. Mbola teny an-dohan’ireo vehivavy sasany aza ny fanolanam-bolony, ary nisy mbola nanao ny akanjo fitondra miasa. Navelan’izy ireo ny zavatra rehetra, dia tonga nidodododo izy. Nilaza ny ankamaroany fa tsy fantany izay tokony holazaina, nefa tsy nampaninona izany satria efa teo izy ireo.”

Aza terena tsy hamoaka ny alahelony izy: Mety ho te hilaza isika hoe: ‘Aoka re izay e, mangina amin’izay.’ Mety ho tsara kokoa anefa ny hamelana ny ranomaso hirotsaka. Hoy i Katherine, efa maty vady: “Heveriko fa tena ilain’ireo olona nidonam-pahoriana ny maneho ny fihetseham-pony, sy mamoaka tanteraka ilay alahelo.” Tohero ny faniriana hilaza amin’ny olona izay tokony ho fihetseham-pony. Aza mieritreritra koa hoe tokony hanafina ny fihetseham-ponao ianao mba hitsimbinana ny an’ilay olona. Hoy kosa ny Baiboly: “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.”—Romanina 12:15.

Aza maika manoro hevitra azy hanary ny fitafiana na fitaovana manokan’ilay havany maty. Andraso izy ireo ho vonona amin’izany: Mety hieritreritra isika hoe aleo ariana izay zavatra mampanembona azy, satria hampaharitra ny alahelo izany. Mety tsy hihatra eto anefa ilay filazana hoe: “Lavitra ny maso, lavitra ny fo.” Mety hisinda miadana ny fahatsiarovan’ireo nidonam-pahoriana an’ilay havany maty. Tsarovy ny filazalazan’ny Baiboly ny fihetsik’i Jakoba, loham-pianakaviana, rehefa natao izay hinoany fa matin’ny bibidia i Josefa, zanany tanora. Rehefa naseho azy ny akanjon’i Josefa feno ra, dia “nisaona ny zanany andro maro [izy]. Dia avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy.”—Genesisy 37:31-35.

Aza miteny hoe: ‘Mbola mety hiteraka indray ianao.’: Hoy ny reny iray maty anaka: “Halako ny olona niteny tamiko fa mbola nety hiteraka indray aho.” Mety ho tsy nieritreritra handratra fihetseham-po izy ireo, nefa mety ho “toy ny fanindron’ny sabatra”, ho an’ilay reny nidonam-pahoriana, ny teny mahatonga hieritreritra fa azo soloana ilay zanaka maty. (Ohabolana 12:18) Tsy misy mihitsy zanaka afaka misolo zanaka iray hafa. Nahoana? Satria tsy manan-tsahala ny zanaka tsirairay.

Tsy voatery hohalavirina ny firesahana momba an’ilay maty: Hoy ny reny iray: “Maro ny olona tsy nety nanonona akory ny anaran’i Jimmy zanako lahy, na niresaka ny momba azy. Tsoriko fa nalahelo ihany aho rehefa nanao izany ny olona.” Aza tonga àry dia manova resaka, rehefa voatonona ny anaran’ilay olona maty. Anontanio ilay olona raha mila miresaka momba ilay havany maty izy. (Ampitahao amin’ny Joba 1:18, 19 sy 10:1.) Misy nidonam-pahoriana mankasitraka, rehefa mandre namana miresaka momba ny toetra tsaran’ilay olona maty.—Ampitahao amin’ny Asan’Apostoly 9:36-39.

Aza mailaka loatra milaza hoe: ‘Aleo izy maty e!’: Tsy voatery ‘hampahery’ an’ireo nidonam-pahoriana ka kivy ny fanandramana hahita lafy tsarany amin’ny fahafatesana. (1 Tesalonianina 5:14) Hoy ny vehivavy iray rehefa nahatsiaro ny nahafatesan’ny reniny: “Nisy niteny hoe: ‘Tsy mijaly intsony izy’, na ‘Mandry amim-piadanana izy, fara faharatsiny.’ Tsy tiako anefa ny nandre izany.” Ny fanamarihana toy izany dia mety hilaza tsy mivantana amin’ny velona fa tsy tokony halahelo izy, na hoe tsy dia nampaninona ilay fahafatesana. Mety ho tena ory anefa izy ireo, satria malahelo be an’ilay havany.

Aleo tsy miteny hoe: ‘Fantatro izay tsapanao’: Tena fantatrao tokoa ve ilay izy? Mety ho fantatrao ve, ohatra, izay tsapan’ny ray na reny maty anaka, raha mbola tsy maty anaka ianao? Ary na izany aza, dia tsy voatery hitovy tanteraka amin’izay tsapanao ny tsapan’ny olon-kafa. (Ampitahao amin’ny Fitomaniana 1:12.) Raha mifanentana amin’ny toe-javatra anefa, dia mety hahasoa ihany ny hitantaranao ny fomba nahasitrana anao tamin’ny nahafatesan’ilay havanao. Nisy vehivavy nanana zanakavavy novonoin’olona. Nahazo toky, hono, izy rehefa nitantaran’ny reny iray maty zanakavavy ny fomba niverenan’ny fiainany tamin’ny laoniny. Hoy izy: “Tsy ilay hoe: ‘Fantatro izay tsapanao’ no nanombohany ny fitantarany. Notantarainy tamiko fotsiny izay nanjo azy, dia izaho ihany no navelany hampifandray ny toe-javatra.”

Mitaky fangoraham-po sy fahaiza-manavaka ary fitiavana be ny fanampiana olona nidonam-pahoriana. Aza miandry azy hanatona anao. Aza miteny fotsiny hoe: “Raha misy zavatra azoko anampiana ...” Tadiavo io “zavatra” io, ary tonga dia ataovy ilay izy.

Mbola mipetraka anefa ireto fanontaniana vitsivitsy ireto: Ahoana ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly? Inona no mety ho dikan’izany ho anao sy ho an’ilay havanao maty? Ahoana no inoantsika fa marim-pototra io fanantenana io?

Fanontaniana Hosaintsainina

  • Nahoana no ilaina ny mihaino an’ireo nidonam-pahoriana mba hiombonan’alahelo aminy?

  • Inona ny zavatra sasany azontsika atao mba hampiononana olona nidonam-pahoriana?

  • Inona no tsy tokony holazaintsika na hataontsika amin’ny olona nidonam-pahoriana?

Ampio ny Ankizy Hiatrika ny Alahelo Ateraky ny Fahafatesana

Nidonam-pahoriana ny fianakaviana. Amin’izay, dia matetika no tsy fantatry ny ray aman-dreny sy ny havana aman-tsakaiza ny tokony holazaina na hatao mba hanampiana ny ankizy hahazaka ny zava-nitranga. Mila olon-dehibe anefa izy ireo mba hanampy azy hiatrika ny alahelo ateraky ny fahafatesana. Indreto misy fanontaniana vitsivitsy fametraky ny olona momba ny fanampiana ny ankizy hahatakatra ny atao hoe fahafatesana.

Ahoana no anazavana amin’ny ankizy ny atao hoe fahafatesana? Tena ilaina ny manazava izany amin’ny teny tsotra nefa marina. Aza misalasala mampiasa ny teny marina toy ny hoe “maty” sy “fahafatesana.” Mipetraha miaraka amin’ilay ankizy, ohatra, dia sakambino izy ary ilazao hoe: “Nisy zavatra tena mampalahelo be nitranga. Nisy aretina tsy mpahazo olona maro [na izay zavatra marina fantatrao] nahavoa an’i Dada ka maty izy. Tsy fahadisoan’olona na iza na iza izany. Tena halahelo azy isika satria tiantsika izy sady tia antsika koa.” Mety ho tsara anefa ny hanazavana fa tsy hoe ho faty koa ilay ankizy, na ilay ray na reniny mbola velona, satria fotsiny hoe marary indraindray.

Ampirisiho izy hametraka fanontaniana. Mety hanontany izy hoe: ‘Ahoana izany maty izany?’ Azo atao ny mamaly toy izao: “Rehefa ‘maty’ ny olona dia tsy miasa intsony ny vatany ka tsy mahavita intsony izay zavatra vitany taloha izy. Ohatra, tsy afaka miteny na mahita, na mandre intsony izy, ary tsy mahatsapa na inona na inona.” Afaka manararaotra an’io fotoana io ny ray na reny mino ny fampanantenana fitsanganana hita ao amin’ny Baiboly. Azony hazavaina fa hotsaroan’i Jehovah Andriamanitra ilay olona maty, ary hatsangany amin’ny maty, ao amin’ilay tany paradisa. (Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29)—Jereo ilay fizarana hoe “Fanantenana Azo Antoka ho An’ny Maty.”

Misy zavatra tsy tokony holazainao ve? Tsy tsara ny milaza fa lasa nanao dia lavitra ilay havana maty. Tena mampanahy ny ankizy ny hilaozana, indrindra raha efa maty ny rainy na ny reniny. Mety ho vao mainka hahatsapa ho nilaozana izy, raha ilazana fa lasa nanao dia lavitra ilay havany maty. Izao no mety hoeritreretiny: ‘Dia lasa izany i Bebe nefa tsy nanao veloma akory!’ Mitandrema koa mba tsy hilaza amin’ny ankizikely hoe lasa natory ilay maty, satria mazàna izy ireny no mandray hevitra ara-bakiteny. Raha ampitoviny amin’ny maty mantsy ny matory, dia hatahotra ny handeha hatory izy amin’ny alina.

Tokony hanatrika ny fandevenana ve ny ankizy? Tokony hanisy fiheverana ny fihetseham-pon’ny ankizy ny ray aman-dreny. Raha tsy te handevina izy, dia aza terena, ary aza atao izay hiheverany fa diso izy raha tsy mandeha. Raha te handeha kosa izy, dia lazao aminy daholo izay hitranga any, anisan’izany ny hoe, hisy vatam-paty ve, ary hosokafana ve ilay izy sa hohidiana. Hazavao koa fa mety hahita olona maro hitomany izy any, satria malahelo. Avelao indray izy hametraka fanontaniana. Lazao aminy fa afaka mandao ilay toerana izy raha ilainy izany.

Manao ahoana ny ankizy rehefa misy maty? Matetika ny ankizy no mahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny havana maty. Raha nisy fotoana nahatezitra azy tamin’io olona io, dia mety hino izy, fa ny zavatra noeritreretiny na nolazainy tamin’izay, no nahatonga ilay fahafatesana. Mety hilaina ny hampaherezanao azy toy izao: ‘Tsy izay zavatra noeritreretinao sy nolazainao no mahatonga ny olona harary, na ho faty.’ Mety hilaina ny mamerimberina izany amin’ny ankizikely.

Tokony hafeninao amin’ny ankizy ve ny alahelonao? Ara-dalàna sy mahasoa ny mitomany eo imason’ny ankizy. Sarotra be koa ny hanafina tanteraka ny fihetseham-po amin’ny ankizy. Mora mahatsikaritra mantsy izy ireny, ka matetika no tsapany rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara. Raha tsy afeninao azy ny alahelonao, dia ho fantany fa ara-dalàna ny malahelo sy maneho fihetseham-po indraindray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara