FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fy toko 4 p. 39-50
  • Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?
  • Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MANÀNA FOMBA FIAINA ARAKA NY FAHAFAHANAO ARA-BOLA
  • FIZARANA NY ENTA-MAVESATRA
  • NY FAHADIOVANA — NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE AOKA IZANY?
  • MAHATONGA ANTSIKA HIROBOROBO NY FAMPAHEREZANA
  • Zava-tsarotra tsy maintsy resena — Ny fahadiovana
    Mifohaza!—1990
  • Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Fahadiovana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Tian’Andriamanitra ny Olona Madio
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
fy toko 4 p. 39-50

TOKO FAHEFATRA

Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?

1. Nahoana no afaka ny ho sarotra aoka izany ny fitantanana ankohonana amin’izao andro izao?

“EO AM-PIOVANA ny sehatr’itỳ tontolo itỳ.” (1 Korintiana 7:31, NW ). Ireo teny ireo dia nosoratana 1 900 taona mahery lasa izay, ary toy inona moa ny fahamarinan’izy ireo amin’izao andro izao! Eo am-piovana ny zava-drehetra, indrindra fa raha ny amin’ny fiainam-pianakaviana. Izay noheverina ho ara-dalàna na nentim-paharazana 40 na 50 taona lasa izay, dia matetika no tsy azo ekena amin’izao andro izao. Noho izany, ny fitantanana ankohonana amim-pahombiazana dia afaka manolotra zava-tsarotra goavam-be. Na dia izany aza, raha arahina ny torohevitra araka ny Soratra Masina, dia afaka miatrika ireny zava-tsarotra ireny ianao.

MANÀNA FOMBA FIAINA ARAKA NY FAHAFAHANAO ARA-BOLA

2. Toe-javatra ara-bola inona no miteraka fihenjanana ao amin’ny fianakaviana?

2 Amin’izao andro izao, dia olona maro no tsy afa-po intsony amin’ny fomba fiaina tsotra sy mihodinkodina eo amin’ny fianakaviana. Arakaraka ny amokaran’ny tontolo ara-barotra vokatra sy ampiasany ny fahakingany manao dokam-barotra mba hitadiavana hitaona ny vahoaka, dia ray sy reny an-tapitrisany maro no mandany ora maro any am-piasana mba hahafahany hividy ireny zavatra novokarina ireny. An-tapitrisany maro hafa no miatrika isan’andro vaky izao ny ady mafy hahafahany hitondra sakafo kely ao an-tokantrano fotsiny. Voatery mandany fotoana betsaka kokoa any am-piasana noho ny taloha izy ireo, ary angamba hihazona asa roa mihitsy aza, mba hividianana ny zavatra tena ilaina fotsiny. Mbola misy hafa koa ho faly raha mahita asa, satria zava-manahirana miely patrana ny tsy fahitana asa. Eny, tsy mora foana ny fiainana ho an’ny fianakaviana amin’ny andro ankehitriny, nefa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia afaka manampy ny fianakaviana handray ny soa be indrindra amin’ny toe-javatra misy azy.

3. Fotopoto-pitsipika inona no nohazavain’ny apostoly Paoly, ary amin’ny ahoana ny fampiharana azy io no afaka manampy ny tena hahomby eo amin’ny fitantanana ankohonana?

3 Nahita fanerena ara-bola ny apostoly Paoly. Teo am-piatrehana azy ireo, dia nianatra lesona sarobidy iray, izay nohazavainy tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty namany, izy. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:7, 8). Marina fa mihoatra noho ny sakafo sy ny fitafiana fotsiny no ilain’ny fianakaviana iray. Mila toerana hipetrahana koa izy. Mila fianarana ny ankizy. Ary eo koa ny fitsaboana sy ny fandaniana hafa. Na dia izany aza, dia mihatra ny fotopoto-pitsipika ao amin’ireo tenin’i Paoly. Raha mianina amin’ny fanomezana fahafaham-po an’ireo zavatra ilaintsika isika, fa tsy manaram-po amin’ireo zavatra tiantsika ho azo, dia ho mora kokoa ny fiainana.

4, 5. Amin’ny ahoana ny fieritreretana mialoha sy ny fanaovana fiomanana mialoha no afaka manampy eo amin’ny fitantanana ankohonana?

4 Ny fotopoto-pitsipika iray hafa manampy dia hita ao amin’ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy. Hoy izy: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” (Lioka 14:28). I Jesosy eto dia miresaka ny amin’ny fieritreretana mialoha, ny fanaovana fiomanana mialoha. Hitantsika tao amin’ny toko iray teo aloha ny fomba ahafahan’izany manampy ny tanora roa izay mieritreritra ny hivady. Ary aorian’ny fampakaram-bady, dia manampy koa izy io mba hitantanana ankohonana. Tafiditra ao amin’ny fieritreretana mialoha amin’io lafiny io ny fananana teti-bola, ny fanaovana fiomanana mialoha momba ny fampiasana amim-pahendrena indrindra ny fananana eo am-pelatanana. Amin’izany fomba izany, ny fianakaviana iray dia afaka mifehy ny fandaniany, amin’ny fanokanana vola holanina amin’ny zavatra tena ilaina isan’andro na isan-kerinandro, ka tsy hanana fomba fiaina mihoatra ny fahafahany ara-bola.

5 Any amin’ny tany sasany, ny fanaovana teti-bola toy izany dia mety hidika hoe tsy maintsy manohitra ny faniriana hisambo-bola misy zanabola ambony be, mba hividianan-javatra tsy ilaina. Any amin’ny hafa, izany dia mety hidika hoe fehezina mafy ny fampiasana ny cartes de crédit. (Ohabolana 22:7). Izany dia mety hidika koa hoe manohitra ny faniriana tampoka hividy — ny fividianan-javatra eo no ho eo, tsy misy fandanjalanjana izay zavatra ilaina sy izay ho vokany. Ankoatra izany, ny teti-bola dia hampiharihary fa ny fandanilaniana foana amim-pitiavan-tena ny vola amin’ny filokana, sy ny fampiasana sigara sy paraky ary ny fisotroana tafahoatra dia manimba ny toe-bolan’ny fianakaviana, no sady mifanipaka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. — Ohabolana 23:20, 21, 29-35; Romana 6:19; Efesiana 5:3-5.

6. Fahamarinana araka ny Soratra Masina inona avy no manampy an’ireo izay voatery miaina ao anatin’ny fahantrana?

6 Ahoana anefa ny amin’ireo izay voatery miaina ao anatin’ny fahantrana? Voalohany aloha, dia afaka mahazo fampiononana izy ireo amin’ny fahafantarana fa mihelina ihany io zava-manahirana hita maneran-tany io. Ao amin’ilay tontolo vaovao mihamanatona haingana, i Jehovah dia hanafoana ny fahantrana, miaraka amin’ny zava-dratsy hafa rehetra izay miteraka fijaliana ho an’ny olombelona. (Salamo 72:1, 12-16). Mandra-pahatongan’izany, ny Kristiana marina, na dia mahantra be aza, dia tsy mahatsapa famoizam-po tanteraka, satria manam-pinoana ny fampanantenan’i Jehovah manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Noho izany, ny mpino iray dia afaka milaza amim-patokiana hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho”. (Hebreo 13:5, 6). Amin’izao andro sarotra izao, i Jehovah dia efa nanohana ireo mpanompony tamin’ny fomba maro, rehefa manaraka ireo fotopoto-pitsipiny izy ireo ka mametraka ny Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany. (Matio 6:33). Afaka manamarina izany ny maro be amin’izy ireo, ka hilaza, araka ny tenin’ny apostoly Paoly, hoe: “Na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:12, 13.

FIZARANA NY ENTA-MAVESATRA

Sary, pejy 42

Ny fikarakarana ny ankohonana dia tetik’asa ifarimbonan’ny fianakaviana

7. Ny tenin’i Jesosy hoe ahoana, raha ampiharina, no hanampy eo amin’ny fitantanana ankohonana amim-pahombiazana?

7 Teo amin’ny faramparan’ny fanompoany teto an-tany, dia hoy i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39). Ny fampiharana an’io torohevitra io ao anatin’ny fianakaviana dia manampy be dia be eo amin’ny fitantanana ankohonana. Rehefa dinihina tokoa, moa ve ny namana akaiky antsika indrindra sy malalantsika indrindra tsy ireo ao amin’ny fianakaviantsika — ny lehilahy sy ny vadiny, ny ray aman-dreny sy ny zanaka? Ahoana no ahafahan’ny mpianakavy mifaneho fitiavana?

8. Ahoana no azo anehoana fitiavana eo anivon’ny fianakaviana?

8 Ny fomba iray dia ny hanaovan’ny mpianakavy tsirairay ny anjarany antonona amin’ny raharaha ao an-tokantrano. Ohatra, ny ankizy dia mila ny hampianarina hampirina entana aorian’ny nampiasana azy, na akanjo izany na kilalao. Mety hitaky fotoana sy ezaka ny fampirimana ny fandriana isa-maraina, nefa izany dia fanampiana lehibe eo amin’ny fitantanana ankohonana. Mazava ho azy fa tsy ho azo halavirina ny korontana kely mihelina, nefa ny rehetra dia afaka miara-miasa mba hihazona ny trano hadio araka ny antonona, ary koa mba hanadio aorian’ny sakafo. Ny hakamoana sy ny fanaranam-po amin’izay tian’ny tena ary ny toe-tsaina manao tsy satry na tsy sazoka dia misy vokany ratsy eo amin’ny rehetra. (Ohabolana 26:14-16). Etsy an-danin’izany kosa, ny toe-tsaina falifaly sy vonona hanampy dia mampandroso fiainam-pianakaviana sambatra. “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”. — 2 Korintiana 9:7.

9, 10. a) Enta-mavesatra inona matetika no mipetraka eo amin’ilay vehivavy ao an-tokantrano, ary ahoana no azo anamaivanana azy io? b) Fomba fihevitra voalanjalanja manao ahoana momba ny asa ao an-trano no anipazana hevitra?

9 Ny fanehoam-piheverana sy ny fitiavana dia hanampy mba hisoroka tarehin-javatra iray izay zava-manahirana lehibe ao amin’ny ankohonana sasany. Ny reny, araka ny fahazarana nentim-paharazana, no tohan’ny fianakaviany. Nikarakara ny ankizy izy, nanadio ny trano, nanasa ny lamban’ny fianakaviana ary niantsena sy nahandro ny sakafo. Any amin’ny tany sasany, ny vehivavy dia niasa tany an-tsaha koa, araka ny nahazatra, nivarotra ny vokatra teny an-tsena, na namatsy tamin’ny fomba hafa ny teti-bolan’ny fianakaviana. Na dia tany amin’izay tsy naha-fanao nahazatra izany teo aloha aza, ny faneren’ny toe-javatra dia nanosika vehivavy manambady an-tapitrisany maro hitady asa any ivelan’ny tokantrano. Mendrika ny hanaovana teny fiderana ny vehivavy manambady sady renim-pianakaviana izay miasa mafy amin’ireo lafiny samy hafa ireo. Sahala amin’ilay “vehivavy mahay” voalazalaza ao amin’ny Baiboly, dia tsy mijanona miasa izy mandritra ny andro. “Tsy homana ny mofon’ny fahalainana [izy].” (Ohabolana 31:10, 27, fanamarihana ambany pejy). Tsy midika akory anefa izany fa ny vehivavy no hany afaka manao raharaha ao an-trano. Rehefa samy avy niasa tontolo andro tany ivelan’ny tokantrano ny lehilahy sy ny vadiny, moa ve ravehivavy irery no mizaka ny enta-mavesatry ny raharaha ao an-trano, fa ralehilahy sy ny mpianakavy sisa kosa miala sasatra? Tsy izany mihitsy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:13, 14.) Koa raha handeha hanomana sakafo àry ilay reny, ohatra, dia mety ho velom-pankasitrahana izy raha manampy ny mpianakavy hafa, amin’ny fanomanana ny latabatra, amin’ny fiantsenana kely, na amin’ny fanadiovana kely ny ao an-trano. Eny, afaka mifampizara ilay andraikitra ny rehetra. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:2.

10 Mety hilaza ny sasany hoe: “Eto amin’ny misy anay ange, tsy anjaran’ny lehilahy ny manao zavatra toy izany e.” Mety ho marina izany, nefa tsy ho tsara ve raha maneho fiheverana kely an’io raharaha io ianao? Fony i Jehovah Andriamanitra namorona ny fianakaviana, dia tsy nandidy izy hoe ny vehivavy ihany no hanao izao asa izao na izao. Indray mandeha, rehefa notsidihin’ny iraka manokana avy tamin’i Jehovah i Abrahama, lehilahy nahatoky, dia nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fandrosoana sakafo ho an’ireo mpitsidika, ny tenany manokana. (Genesisy 18:1-8). Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.” (Efesiana 5:28). Raha vizana ralehilahy amin’ny faran’ny andro, ka maniry hiala sasatra, moa ve tsy azo inoana fa toy izany koa no tsapan-dravehivavy, ary mihoatra noho izany aza angamba? (1 Petera 3:7). Moa àry ve tsy hety sy ho fanehoam-pitiavana ny hanampian-dralehilahy ao an-tokantrano? — Filipiana 2:3, 4.

11. Tamin’ny ahoana i Jesosy no ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny ankohonana?

11 I Jesosy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny olona nampifaly an’Andriamanitra sy nitondra fahasambarana ho an’ireo niaraka taminy. Na dia tsy nanambady mihitsy aza i Jesosy, dia ohatra tsara ho an’ny lehilahy manambady, ary koa ho an’ny vehivavy manambady sy ho an’ny ankizy. Hoy izy momba ny tenany: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo”, izany hoe hanompo ny hafa. (Matio 20:28). Maharavoravo toy inona moa ireo fianakaviana misy mpianakavy samy mamboly fihetsika toy izany!

NY FAHADIOVANA — NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE AOKA IZANY?

12. Inona no takin’i Jehovah amin’ireo izay manompo azy?

12 Ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly iray hafa izay afaka manampy eo amin’ny fitantanana ankohonana dia hita ao amin’ny 2 Korintiana 7:1. Hoy ny vakintsika ao: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. Ireo izay mankato ireo teny ara-tsindrimandry ireo dia azo ekena eo imason’i Jehovah, izay mitaky “fivavahana madio sady tsy misy loto”. (Jakoba 1:27). Ary mandray tombontsoa avy amin’izany ny ankohonan’izy ireo.

13. Nahoana ny fahadiovana no zava-dehibe eo amin’ny fitantanana ankohonana?

13 Ohatra, ny Baiboly dia manome toky antsika fa ho avy ny andro izay tsy hisian’ny aretina sy ny rofy intsony. Amin’izay fotoana izay, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4, 5). Kanefa mandra-pahatongan’izany, ny fianakaviana tsirairay dia tsy maintsy iharan’ny aretina indraindray. Na i Paoly sy i Timoty aza dia narary. (Galatiana 4:13; 1 Timoty 5:23). Na dia izany aza, ireo manam-pahaizana ara-pitsaboana dia milaza fa misy aretina be dia be azo sorohina. Ny fianakaviana hendry dia ho afa-mandositra aretina sasany azo sorohina, raha manalavitra fahalotoana ara-nofo sy ara-panahy. Andeha hodinihintsika hoe amin’ny fomba ahoana. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 22:3.

14. Amin’ny ahoana ny fahadiovana ara-pitondran-tena no miaro ny fianakaviana amin’ny aretina?

14 Tafiditra ao amin’ny fahadiovana ara-panahy ny fahadiovana ara-pitondran-tena. Araka ny fantatra tsara, ny Baiboly dia mampirisika ny hananana fari-pitondran-tena ambony ary manameloka izay karazana firaisana eo amin’ny lahy sy ny vavy rehetra any ivelan’ny fanambadiana. “Ny mpijangajanga (...) sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [“lehilahy miray amin’ny lehilahy”, NW ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Ny fitandremana ireo fari-pitsipika hentitra ireo dia tena zava-dehibe ho an’ny Kristiana miaina ao amin’ny tontolo mivarilavo amin’izao andro izao. Mampifaly an’Andriamanitra ny fanaovana izany, no sady manampy mba hiarovana ny fianakaviana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny SIDA, ny tety, ny angatra ary ny chlamydiae. — Ohabolana 7:10-23.

15. Manomeza ohatra iray ny amin’ny hoe afaka miteraka aretina tsy ilaina, ny tsy fisian’ny fahadiovana ara-batana.

15 ‘Ny fanadiovana ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoan’ny nofo’ dia manampy mba hiarovana ny fianakaviana amin’ny aretina hafa koa. Aretina maro no ateraky ny tsy fisian’ny fahadiovana ara-batana. Ny ohatra miavaka ny amin’izany dia ny fahazarana mifoka sigara. Tsy vitan’ny hoe mandoto ny havokavoka sy ny akanjo ary ny rivotra mihitsy ny fifohana sigara, fa mankarary ny olona koa. Olona an-tapitrisany maro no maty isan-taona, satria nifoka sigara. Eritrereto ange izany e; isan-taona dia olona an-tapitrisany maro no tsy ho narary ka maty talohan’ny fotoana, raha nanalavitra io ‘fahalotoan’ny nofo’ io izy ireo!

16, 17. a) Lalàna inona nomen’i Jehovah no niaro ny Isiraelita tamin’ny aretina sasany? b) Ahoana no ahafahana mampihatra ilay fotopoto-pitsipika ao ambadiky ny Deoteronomia 23:13, 14 ao amin’ny ankohonana rehetra?

16 Hevero ny ohatra iray hafa. Tokony ho 3 500 taona lasa izay, Andriamanitra dia nanome ho an’ny firenen’ny Isiraely ny Lalàny mba handaminana ny fanompoam-pivavahan’izy ireo, ary koa, hatramin’ny ambaratonga sasany, ny fiainan’izy ireo andavanandro. Izany Lalàna izany dia nanampy mba hiarovana ilay firenena tamin’ny aretina, tamin’ny fanorenana fitsipi-pahadiovana fototra sasany. Ny lalàna iray toy izany dia nifandray tamin’ny fanariana ny dikin’olombelona, izay tsy maintsy nalevina tsara, lavitra ny toby, mba tsy ho voaloto ny faritra nonenan’ny olona. (Deoteronomia 23:13, 14). Iny lalàna fahizay iny dia mbola torohevitra tsara ihany. Na dia amin’izao andro izao aza ny olona dia marary sy maty satria tsy manaraka azy io.a

17 Mifanaraka amin’ilay fotopoto-pitsipika ao ambadik’ilay lalàn’ny Isiraelita, ny toerana fidiovana sy ny kabinen’ny fianakaviana — na ao anaty trano izany na any ivelany — dia tokony hohazonina ho madio sy hasiana famonoana mikraoby. Raha tsy voahazona ho madio sy voasarona ny kabine, dia hitangorona ny lalitra ary hanaparitaka otrikaretina any amin’ny faritra hafa amin’ny trano — sy eo amin’ny sakafo hanintsika! Ankoatra izany, ny ankizy sy ny olon-dehibe dia tokony hanasa tanana rehefa avy any amin’io toerana io. Raha tsy izany, dia hitondra otrikaretina hiaraka aminy eo amin’ny hodiny izy. Araka ny dokotera frantsay iray, ny fanasana tanana “dia mbola ny iray amin’ireo antoka tsara indrindra hisorohana ny aretina sasany eo amin’ny fandevonan-kanina sy ny fisefoana ary ny hoditra, ihany”.

Sary, pejy 47

Ny fihazonana ny zava-drehetra ho madio dia mora vidy kokoa noho ny fividianana fanafody

18, 19. Fanipazan-kevitra inona avy no omena mba hihazonana trano madio na dia eo amin’ny manodidina mahantra aza?

18 Marina fa zava-tsarotra ny fahadiovana eo amin’ny manodidina mahantra. Hoy ny nohazavain’ny olona iray mahafantatra tsara ny fari-ponenana toy izany: “Ny toetr’andro mafana manevokevoka dia mampitombo avo roa heny ny fahasarotan’ny asa fanadiovana. Ny tafiotram-bovoka dia mandrakotra ny hirika rehetra amin’ny trano amin’ny vovoka mena manify. (...) Ny mponina mitombo haingana any amin’ireo tanàn-dehibe, ary koa any amin’ny faritra ambanivohitra sasany, dia mampidi-doza ho an’ny fahasalamana koa. Ny dalles vaky, ny antontam-pako tsy misy mandroaka, ny kabinem-panjakana maharikoriko, ny voalavo sy ny kalalao ary ny lalitra mitondra aretina, dia nanjary zavatra fahita mahazatra.”

19 Sarotra ny mihazona fahadiovana ao anatin’izany toe-javatra izany. Na dia izany aza, dia mendrika ny hanaovana ezaka izy io. Ny savony sy ny rano ary ny asa kely fanampiny dia mora vidy kokoa noho ny fanafody sy ny faktioran’ny hopitaly. Raha mipetraka ao amin’ny manodidina toy izany ianao, araka izay azonao atao, dia hazony ho madio sy tsy hisy taim-biby ny tranonao sy ny tokotaninao. Raha mora feno fotaka ny lalana mankany amin’ny tranonao amin’ny andro fahavaratra, ho afaka hanisy vatokely na vato ve ianao, mba tsy hitondrana fotaka ao an-trano? Raha manao kiraro na kapa ny olona, azony esorina ve izy ireny alohan’ny hidirany ao an-trano? Afa-tsy izany koa, dia tsy maintsy mihazona ny toeram-pantsakàna tsy ho voaloto ianao. Tombanana fa fahafatesan’olona roa tapitrisa fara fahakeliny isan-taona no ateraky ny aretina mifandray amin’ny rano maloto sy ny tsy fisian’ny fitandroana ny fahadiovana.

20. Raha tiana hadio ny trano, iza avy no tsy maintsy mifampizara ilay andraikitra?

20 Ny trano madio dia miankina amin’ny rehetra — ny reny, ny ray, ny ankizy ary ny mpitsidika. Hoy ny reny iray manan-janaka valo atsy Kenya: “Samy nianatra hanao ny anjarany ny rehetra.” Ny trano madio sy mimpirina dia manome taratra tsara momba ilay fianakaviana manontolo. Hoy ny ambaran’ny ohabolana espaniola iray: “Tsy mifanipaka velively ny fahantrana sy ny fahadiovana.” Na mipetraka ao amin’ny trano lehibe iray ny tena, na ao amin’ny fitambarana efitra iray, na ao amin’ny trano tsotsotra iray, na ao amin’ny trano bongo iray, ny fahadiovana dia fanalahidy iray ho an’ny fianakaviana salama kokoa.

MAHATONGA ANTSIKA HIROBOROBO NY FAMPAHEREZANA

21. Mifanaraka amin’ny Ohabolana 31:28, inona no hanampy mba hitondra fahasambarana ho an’ny ankohonana?

21 Rehefa miresaka ny amin’ilay vehivavy mahay ny bokin’ny Ohabolana, dia manao hoe: “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy”. (Ohabolana 31:28). Oviana no farany nanaovanao teny fiderana ny mpikambana iray tao amin’ny fianakavianao? Raha ny tena izy tokoa, isika dia toy ny zavamaniry amin’ny lohataona, izay vonona ny hamony rehefa mahazo hafanana sy hamandoana. Raha ny amintsika, isika dia mila ny hafanan’ny teny fiderana. Izany dia manampy ny vehivavy hahafantatra fa mankasitraka ny asa mafy ataony sy ny fikarakarany feno fitiavana, ny vadiny, no sady tsy mihevitra azy ho toy ny tsy ilaina hisaorana. (Ohabolana 15:23; 25:11). Ary mahafinaritra rehefa manao teny fiderana ny vadiny noho ny asa nataony tany ivelany sy tao an-trano ny vehivavy. Ny ankizy koa dia mivelatra rehefa midera azy ireo noho ny ezaka ataony ao an-trano, any am-pianarana, na any amin’ny kongregasiona kristiana, ny ray aman-dreniny. Ary toy inona moa ny zavatra vitan’ny fankasitrahana kely! Inona moa no takin’ny filazana hoe: “Misaotra”? Zavatra kely dia kely, kanefa ny tambiny eo amin’ny fihetseham-po tsapan’ny fianakaviana dia afaka ny ho be dia be.

22. Inona no ilaina mba ‘hampaharitra’ ny ankohonana iray, ary ahoana no hahazoana izany?

22 Noho ny antony maro, dia tsy mora ny fitantanana ankohonana. Na dia izany aza, dia azo atao amim-pahombiazana izany. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Fahendrena no anaovana trano; ary [fahaiza-manavaka, NW ] no mampaharitra azy”. (Ohabolana 24:3). Ho azo ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka raha samy mikely aina mianatra ny sitrapon’Andriamanitra sy mampihatra azy eo amin’ny fiainany, ny rehetra ao anatin’ny fianakaviana. Tena mendrika ny hanaovana ny ezaka tokoa ny fananana fianakaviana sambatra!

a Ao amin’ny boky iray manoro hevitra ny amin’ny fomba hisorohana ny aretim-pivalanana — aretina fahita izay mahafaty zazakely maro — dia hoy ny ambaran’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: “Raha tsy misy kabine, dia mandehana mivalana lavitra ny trano, sy lavitra ny faritra ilalaovan’ny ankizy, ary folo metatra fara fahakeliny avy eo amin’ny toeram-pantsakàna; totofy tany ny fivalananao.”

AHOANA NO AHAFAHAN’IRETO FOTOPOTO-PITSIPIKY NY BAIBOLY IRETO MANAMPY (...) NY FIANAKAVIANA IRAY HITANTANA NY ANKOHONANY?

Fahendrena ny hoe afa-po amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana. — 1 Timoty 6:7, 8.

Tsy hahafoy an’ireo izay manompo azy i Jehovah. — Hebreo 13:5, 6.

Ny fitiavana ny hafa dia toetra kristiana miavaka. — Matio 22:39.

Ny Kristiana dia mitoetra ho madio ara-batana sy ara-panahy. — 2 Korintiana 7:1.

RANO MADIO, FAHASALAMANA TSARA

Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia manolotra fanipazan-kevitra sasany azo ampiharina ho an’ny olona any amin’ny tany izay mety ho sarotra ny fahazoana rano madio ary mety ho toy ny tamin’ny andron’ny ntaolo ny fitandroana ny fahadiovana.

“Angony sy tahirizo ao anaty fitoerany madio ny rano sotroina. Hazony hisarona foana ilay fitoerany, ary aza avela hisy ankizy na biby hisotro avy ao. (...) Aza maka rano avy ao afa-tsy amin’ny alalan’ny zinga lava taho, izay natao ho amin’izany manokana. Ataovy ritra sy kobano isan’andro ilay fitoerany.

“Ampangotrahy ny rano izay hampiasaina hanaovana sakafo na fisotro ho an’ny ankizy kely. (...) Tsy mila hampangotrahina afa-tsy mandritra ny segondra vitsivitsy ny rano.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara