FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • dp toko 1 p. 4-11
  • Ny Bokin’i Daniela sy Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Bokin’i Daniela sy Ianao
  • Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • DANIELA — BOKY TRANAINY IRAY HO AN’IZAO ANDRO IZAO
  • DANIELA — TENA TIAN’ANDRIAMANITRA
  • FANAMBARANA IREO HAFATR’ANDRIAMANITRA
  • LAFINY ROA SAMY HAFA, FA HAFATRA IRAY IHANY
  • Mampanantena Valisoa Mahatalanjona ho An’i Daniela i Jehovah
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Daniela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Miatrika Fitsarana ny Bokin’i Daniela
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’Andriamanitra
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
Hijery Hafa
Diniho ny Faminanian’i Daniela
dp toko 1 p. 4-11

Toko Voalohany

Ny Bokin’i Daniela sy Ianao

1, 2. a) Inona avy no sasantsasany amin’ireo toe-javatra tsy fahita aseho ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly? b) Fanontaniana inona avy momba ny bokin’i Daniela no mipoitra amin’izao androntsika izao?

NANDRAHONA ny hamono an’ireo olon-kendriny izay tsy nahay nanambara ilay nofiny nahasanganehana azy sy nilaza ny heviny ny mpanjaka nahery iray. Natsipy tao anaty lafaoro nohafanaina tafahoatra ny tanora telo lahy, izay tsy nety nivavaka tamina sariolona goavam-be iray, nefa tafavoaka velona. Nandritra ny fanasana iray, dia nisy olona an-jatony maro nahita tanana iray nanoratra teny tsy hay fantarina teo amin’ny rindrin’ny lapa iray. Nisy mpioko ratsy fanahy nampanipy lehilahy efa zokiolona iray tao an-davaky ny liona, nefa tsy naninon-tsy naninona izy io nivoaka avy tao. Nahazo fahitana ny amin’ny biby efatra ny mpaminanin’Andriamanitra iray, ary ny hevitr’izy io ara-paminaniana dia mahatratra an’arivony taona maro atỳ aoriana.

2 Ireo dia sasantsasany monja amin’ireo fitantarana ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Mendrika ny hodinihina amim-pitandremana ve izy ireo? Mety hisy heviny amin’izao androntsika izao ve io boky efa tranainy io? Nahoana isika no tokony hiahy momba ny zava-niseho tokony ho 2 600 taona lasa izay?

DANIELA — BOKY TRANAINY IRAY HO AN’IZAO ANDRO IZAO

3, 4. Nahoana no ara-drariny ny fiahian’ny olona maro momba ny hoavin’ny olombelona?

3 Ampahany lehibe amin’ny bokin’i Daniela no mifantoka amin’ny fanapahana maneran-tany, izay foto-kevitra faran’izay mitana ny sain’ny olona ankehitriny. Saika ny rehetra no hanaiky fa fotoan-tsarotra no iainantsika izao. Isan’andro isika dia tototra vaovao ratsy mampahatsiahy antsika fa mihamilentika ao anatin’ny fotaka mandrevon’ny zava-manahirana tsy hay alamina ny olombelona — na dia eo aza ireo zava-bita mahavarianan’ny siansa sy ny teknôlôjia.

4 Hevero fotsiny izao: Nahavita nanitsaka ny volana ny olombelona, nefa any amin’ny toerana maro dia tsy afaka mandehandeha tsy amin-tahotra eny amin’ireo araben’ity tany misy azy ity. Afaka mameno ny tokantrano iray amin’izao karazam-pitaovana sy kojakoja maoderina rehetra izao izy, nefa tsy afaka misakana ny fitomboan’ny faharavan’ny fianakaviana. Afaka mamorona ny vanim-potoanan’ny fampahalalam-baovao koa izy, nefa tsy afaka mampianatra ny olona hiara-miaina amim-pilaminana. Hoy ny nosoratan’i Hugh Thomas, mpampianatra tantara, indray mandeha: “Na dia nihanivelatra aza ny fahalalana sy ny fanabeazana, dia tsy nampianatra ny olombelona zavatra firy momba ny fifehezan-tena, mainka fa momba ny fahaiza-mifankahazo amin’olon-kafa.”

5. Inona no vokatry ny fanapahan’ny olombelona, tamin’ny ankapobeny?

5 Mba hitondrana filaminana kely teo amin’ny fiaraha-monina misy azy, dia nanangana fitondram-panjakana maro isan-karazany ny olombelona. Tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza anefa nahitana porofo hoe diso ny tenin’i Solomona Mpanjaka manao hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 4:1; 8:9). Marina fa nisy mpanapaka nanan-java-kendrena mendri-piderana. Na dia izany aza, dia tsy misy mpanjaka, prezidà, na mpitondra tsy refesi-mandidy na iray aza afaka manafoana ny aretina sy ny fahafatesana. Tsy misy olombelona afaka mamerina eto amin’ity tanintsika ity ilay Paradisa nokasain’Andriamanitra haorina tamin’ny voalohany.

6. Nahoana i Jehovah no tsy mila ny fiaraha-miasan’ny fanapahan’ny olombelona mba hanatanterahana ny sitrapony?

6 Ny Mpamorona anefa dia sady vonona no afaka manao izany. Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izy mba hanatanterahana ny fikasany, satria aminy “ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana”. (Isaia 40:15). Eny, Mpanapaka Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao i Jehovah. Noho izany, dia manana fahefana ambony lavitra noho ny an’ny fitondram-panjakan’olombelona izy. Ny Fanjakan’Andriamanitra no haka ny toeran’ny fanapahan’olombelona rehetra, ka hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona. Tsy misy boky hafa ao amin’ny Baiboly angamba ahitana izany mazava kokoa noho ny ao amin’ny bokin’i Daniela.

DANIELA — TENA TIAN’ANDRIAMANITRA

7. Iza moa i Daniela, ary nanao ahoana ny fomba fiheveran’i Jehovah azy?

7 Nanam-pitiavana lehibe an’i Daniela, izay mpaminaniny nandritra ny taona maro, i Jehovah Andriamanitra. Eny tokoa, nolazain’ny anjelin’Andriamanitra ho ilay “malala indrindra” i Daniela. (Daniela 9:23). Ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe “malala indrindra” dia afaka midika koa hoe “tena tiana”, “hajaina fatratra”, na “olona tiana manokana” mihitsy aza. Sarobidy indrindra tamin’Andriamanitra i Daniela.

8. Ahoana no nahatongavan’i Daniela tany Babylona?

8 Andeha isika handinika vetivety ny tarehin-javatra niavaka nisy an’io mpaminany malala indrindra io. Tamin’ny 618 al.f.i., dia nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona. (Daniela 1:1). Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy tanora jiosy nahita fianarana, nentina an-tery ho babo tany Babylona. Anisan’izy ireny i Daniela. Mbola zatovo angamba izy tamin’izay fotoana izay.

9. Fampiofanana inona no nomena an’i Daniela sy ireo namany hebreo?

9 Anisan’ireo Hebreo nofantenana mba hampianarina momba “ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana” nandritra ny telo taona, i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria namany. (Daniela 1:3, 4). Araka ny manam-pahaizana sasany, izany dia nihoatra noho ny fianarana fiteny vahiny fotsiny. Izao, ohatra, no nolazain’ny Profesora C. F. Keil: “Natao hobeazina araka ny fahendren’ireo mpisorona sy avara-pianarana kaldeanina i Daniela sy ireo namany, dia araka ny fahendrena nampianarina tao amin’ireo sekolin’i Babylona.” Koa nampiofanina indrindra indrindra mba hiasa tao amin’ny fitondram-panjakana àry i Daniela sy ireo namany.

10, 11. Zava-tsarotra inona avy no natrehin’i Daniela sy ireo namany, ary inona no fanampiana nomen’i Jehovah azy ireo?

10 Tena fiovana lehibe dia lehibe teo amin’ny fiainan’i Daniela sy ireo namany izany! Tany Joda, dia niaina teo anivon’ny mpivavaka tamin’i Jehovah izy ireo. Izao izy ireo dia voahodidina vahoaka nivavaka tamin’andriamanitra sy andriamanibavin’ny angano. Na izany aza, dia tsy nampahatahotra an’i Daniela, i Hanania, i Misaela ary i Azaria mbola tanora izany. Na dia nisedra ny finoany aza ilay toe-javatra, dia tapa-kevitra ny hifikitra tamin’ny fanompoam-pivavahana marina izy ireo.

11 Tsy ho mora anefa izany. Mpivavaka nafana fo tamin’i Mardoka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, i Nebokadnezara Mpanjaka. Tena tsy azon’ny mpivavaka tamin’i Jehovah nekena mihitsy indraindray ny zavatra notakiny. (Jereo, ohatra, ny Daniela 3:1-7.) Nanana ny tari-dalana azo antoka avy tamin’i Jehovah anefa i Daniela sy ireo namany. Nandritra ilay fampiofanana azy ireo telo taona, dia notahin’Andriamanitra izy ireo, ka nomeny “fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra”. Ambonin’izany, dia nahazo ny fahaizana hahatakatra ny hevitry ny fahitana sy ny nofy i Daniela. Tatỳ aoriana, fony nanao fanadihadiana tamin’izy efatra mirahalahy tanora ny mpanjaka, dia nahita fa “nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra” izy ireo. — Daniela 1:17, 20.

FANAMBARANA IREO HAFATR’ANDRIAMANITRA

12. Asa manokana inona no nanendrena an’i Daniela?

12 Nandritra ireo taona maro niainany tany Babylona, dia mpitondra hafatr’Andriamanitra tamin’olona toa an’i Nebokadnezara sy i Belsazara Mpanjaka, i Daniela. Tena lehibe dia lehibe ny asa nanendrena azy. Nampiasa an’i Nebokadnezara ho toy ny fitaovana i Jehovah, ka namela azy handringana an’i Jerosalema. I Babylona koa anefa dia ho ringana atỳ aoriana. Eny, tena mankalaza an’i Jehovah Andriamanitra ho ilay Avo Indrindra sady Mpanapaka eo amin’ny “fanjakan’ny olona”, marina ny bokin’i Daniela. — Daniela 4:14.

13, 14. Inona no nitranga tamin’i Daniela taorian’ny nianjeran’i Babylona?

13 Nanompo tao an-dapa nandritra ny fitopolo taona teo ho eo i Daniela, mandra-pianjeran’i Babylona. Mbola velona izy fony niverina tany an-tanindrazany tamin’ny 537 al.f.i. ny Jiosy maro, na dia tsy milaza aza ny Baiboly hoe niaraka tamin’izy ireo izy. Mbola teo am-perinasa izy, fara fahelany, hatramin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka, izay nanorina ny Empira Persanina. Tamin’izay fotoana izay, dia tsy maintsy ho efa nananika ny faha-100 taonany i Daniela!

14 Taorian’ny nianjeran’i Babylona, dia nanoratra ireo zava-niseho lehibe indrindra teo amin’ny fiainany i Daniela. Tapany iray tena miavaka ao amin’ny Baiboly Masina ankehitriny ny asa sorany, ka fantatra amin’ny hoe bokin’i Daniela. Nahoana anefa isika no tokony handinika an’io boky efa tranainy io?

LAFINY ROA SAMY HAFA, FA HAFATRA IRAY IHANY

15. a) Lafiny roa inona avy no raketin’ny bokin’i Daniela? b) Inona no soa azontsika avy amin’ireo fitantarana ao amin’ny bokin’i Daniela?

15 Mirakitra lafiny roa samy hafa be ny boky tsy manam-paharoan’i Daniela — ny iray fitantarana, ilay faharoa faminaniana. Samy afaka mampiorina ny finoantsika ireo lafiny roa amin’ny bokin’i Daniela ireo. Amin’ny fomba ahoana? Ireo fitantarana — izay anisan’ny velombelona indrindra ao amin’ny Baiboly — dia mampiseho amintsika fa hitahy sy hikarakara an’ireo izay tsy mivadika aminy i Jehovah Andriamanitra. Tsy nihozongozona mihitsy i Daniela sy ireo namany telo, na dia tao anatin’ny fisedrana nahatandindomin-doza ny ainy aza. Ankehitriny, izay rehetra maniry tsy hivadika amin’i Jehovah dia hahazo tanjaka avy amin’ny fandinihana akaiky ny ohatra navelan’izy ireo.

16. Inona no fianarana azontsika avy amin’ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela?

16 Ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela kosa dia mampiorina ny finoana, amin’ny fampisehoana fa fantatr’i Jehovah, taonjato maro mialoha — arivo taona maro mialoha mihitsy aza — ny ho fandehan’ny tantara. Ohatra ny amin’izany ireo tsipiriany nomen’i Daniela momba ny nisandratan’ireo firenena matanjaka indrindra sy ny nianjerany, nanomboka tamin’ny andron’i Babylona fahiny ka hatratỳ amin’ny “andro farany”. (Daniela 12:4). Misarika ny saintsika ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’ilay Mpanjaka voatendriny sy ireo ‘olo-masina’ namany, i Daniela, ka manondro azy io ho ilay fitondram-panjakana haharitra mandrakizay. Hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tanintsika io fitondram-panjakana io, ka hitondra fitahiana ho an’izay rehetra maniry hanompo an’Andriamanitra. — Daniela 2:44; 7:13, 14, 22.

17, 18. a) Amin’ny ahoana ny finoantsika no hihamatanjaka noho ny fandinihana akaiky ny bokin’i Daniela? b) Inona no ilaina hofotopotorana, alohan’ny hanombohantsika ny fianarana io boky ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly io?

17 Soa ihany fa tsy hazonin’i Jehovah ho an’ny tenany izany fahalalana momba ny zavatra hitranga amin’ny hoavy izany. Malala-tanana kosa izy raha ny amin’ny ‘fampisehoana zava-miafina’. (Daniela 2:28). Eo am-pandinihantsika ny fahatanterahan’ireo faminaniana raketin’ny bokin’i Daniela, dia hihamatanjaka ny finoantsika ireo fampanantenan’Andriamanitra. Vao mainka hihamafy ny fiekentsika fa hanatanteraka ny fikasany amin’ilay fotoana tsy diso sy araka ilay fomba nofidiny, Andriamanitra.

18 Hitombo ny finoan’izay rehetra mianatra ny bokin’i Daniela amin’ny fo vonon-kandray. Alohan’ny hanombohantsika handinika io boky io amin’ny fomba lalina anefa, dia ilaintsika ny mandinika porofo raha tena marina tokoa izy io. Namely ny bokin’i Daniela ny mpanao tsikera sasany, tamin’ny filazana fa tatỳ aorian’ny nahatanterahan’ireo faminaniana ao anatiny, hono, no nanoratana azy io, raha ny tena izy. Mitombina ve ny filazan’ireo mpisalasala ireo? Hamotopototra ny momba izany ny toko manaraka.

INONA NO AZONAO?

• Nahoana no natao ho an’izao andro izao ny bokin’i Daniela?

• Ahoana no nahatongavan’i Daniela sy ireo namany hiasa tao amin’ny fitondram-panjakan’i Babylona?

• Asa manokana inona no nanendrena an’i Daniela tao Babylona?

• Nahoana isika no tokony handinika ny faminanian’i Daniela?

[Sary, pejy 4]

[Sary, pejy 11]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara