FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 10 p. 16-17
  • Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 10 p. 16-17

LESONA 10

Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?

Tsy maintsy manaraka izay fivavahana tian’Andriamanitra ianao, raha te ho namany. Nilaza i Jesosy fa “ny tena mpivavaka” dia mivavaka amin’Andriamanitra araka ny “fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24) Iray ihany ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra. (Efesianina 4:4-6) Hiaina mandrakizay ireo manaraka ny fivavahana marina, fa ho ringana kosa ireo manaraka ny fivavahan-diso.—Matio 7:13, 14.

Lehilahy vitsivitsy mandinika an’ilay Vavolombelon’i Jehovah mipetraka eny akaikiny

Ny mpivavaka ao aminy no amantaranao ny fivavahana marina. Tsara toetra i Jehovah, ka tsy maintsy tsara toetra koa ny tena mpivavaka aminy. Manome voankazo tsara ny hazo tsara. Olona tsara toetra koa no ao amin’ny fivavahana marina.—Matio 7:15-20.

Tena manaja ny Baiboly ny naman’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa avy amin’Andriamanitra izy io. Tena mampihatra ny tari-dalan’ny Baiboly izy ireo, ary mitady torohevitra ao rehefa misy olana. Izy io koa no ahafantaran’izy ireo momba an’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Tsy mitory fotsiny izy ireo fa mampihatra izay lazainy koa.

Mifankatia ny naman’i Jehovah. Be fitiavana i Jesosy, ka nampianariny momba an’Andriamanitra ny olona, ary nositraniny ny marary. Tia olona koa ireo manaraka ny fivavahana marina. Manahaka an’i Jesosy izy ireo ka tsy manambany ny mahantra na manavakavaka. Nilaza i Jesosy fa ny fifankatiavana no hahafantaran’ny olona ny mpianany.—Jaona 13:35.

Manome voninahitra an’Andriamanitra ny namany, ka mampiasa ny anarany hoe Jehovah. Ho namanao akaiky ve ny olona iray, raha tsy mety miantso anao amin’ny anaranao? Tsia! Antsointsika amin’ny anarany ny namantsika, ary milaza zavatra tsara momba azy isika. Tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra sy hiresaka momba azy àry, izay te ho namany. Izany no tian’i Jehovah hataontsika.—Matio 6:9; Romanina 10:13, 14.

Mampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny namany, toy ny nataon’i Jesosy. Io ilay fitondram-panjakana any an-danitra, izay hanova ny tany ho paradisa. Mitory ny vaovao tsara momba an’io Fanjakana io ny naman’Andriamanitra.—Matio 24:14.

Miezaka ny ho naman’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaja ny Baiboly sy mifankatia izy ireo, ary mampiasa sy manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa izy ireo. Manaraka ny fivavahana marina resahin’ny Baiboly àry ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara