LESONA 5
Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy
TENA ilaina ny fiatoana eo amin’ny tokony hisy azy, rehefa miteny. Marina izany, na manao lahateny ianao, na miresaka amin’olona. Mety ho toy ny miteniteny foana tsy misy heviny ny olona iray, raha tsy misy fiatoana. Mazava kokoa ny fitenenana misy fiatoana araka ny tokony ho izy. Hahatonga ny mpihaino hahatadidy ireo hevi-dehibe lazainao koa izy io.
Ahoana no hamaritanao ny fotoana tokony hanaovana fiatoana? Tokony haharitra toy inona ny fiatoana?
Fiatoana takin’ireo mari-piatoana. Nanjary tapany tsy misaraka amin’ny soratra ny mari-piatoana. Mety hilaza ny faran’ny teny nolazaina na ny faran’ny fanontaniana izy ireny. Natao hanavahana tenin’olona tononina izy ireny, amin’ny fiteny sasany. Ny mari-piatoana sasany dia manondro ny fifandraisan’ireo tapany samihafa ao amin’ny fehezanteny iray. Mahita ireo mari-piatoana ny olona iray mamaky teny samirery. Rehefa mamaky amin’ny feo avo ho an’ny hafa kosa anefa izy, dia tsy maintsy mampita ny hevitra asehon’ireo mari-piatoana ny feony. (Jereo ny Lesona Voalohany hoe “Vakiteny Tsy Misy Diso.”) Raha tsy miato araka izay takin’ny mari-piatoana ianao, dia mety ho sarotra amin’ny hafa ny hahazo izay vakinao, na mety ho voaolana mihitsy aza ny hevitr’izay voasoratra.
Ankoatra ny mari-piatoana, ny fomba filaza ireo hevitra ao anatin’ny fehezanteny iray koa dia hamaritra ny toerana tokony hiatoana. Hoy ny mpahay mozika malaza iray, indray mandeha: “Tsy hoe mahay manaraka naoty kokoa noho ny mpitendry piano hafa aho akory. Ny fahaizana miato eo anelanelan’ireo naoty kosa anefa, eny, izany no ahitana ny hakingan’ny mpanakanto.” Mitovy amin’izany koa ny fitenenana. Raha mahay miato ianao, dia vao mainka hihatsara sy hisy heviny kokoa ny anjaranao izay efa nomaninao tsara.
Rehefa manomana famakian-teny ampahibemaso ianao, dia asio marika eo amin’ilay lahatsoratra hovakinao. Tsipika kely mitsangana iray no soraty eo amin’ny tokony hiatoana vetivety. Tsipika mitsangana roa mifanakaiky kosa no ampiasao, raha fiatoana maharitra kokoa no ilaina. Raha hafahafa aminao ny tapany sasany ao amin’ny fehezanteny iray, ka mamerimberina mandiso ny toerana iatoanao ianao, dia asio marika mampitambatra azy, ireo teny miaraka rehetra ao amin’izany tapany sarotra vakina izany. Vakio hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ilay izy avy eo. Mpandahateny za-draharaha maro no manao toy izany.
Mazàna no tsy manahirana ny fiatoana rehefa miresaka andavanandro, satria fantatrao ireo hevitra tianao holazaina. Raha za-dratsy miato tsy tapaka anefa ianao, na takin’ilay hevitra lazainao izany na tsia, dia sady tsy hazava no tsy hisy heriny ny teninao. Misy fanoloran-kevitra hanatsarana izany, ao amin’ny Lesona Faha-4 hoe “Fitenenana Misosa Tsara.”
Fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa. Rehefa miato ianao alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevi-dehibe hafa, dia ho afaka hieritreritra ny mpihaino, haharaka izay lazainao, hahita fa hisy fiovan’ny zavatra holazaina, ary hahatakatra mora kokoa ilay hevitra manaraka. Mitovy amin’ny familiana fiara miadana kokoa rehefa handeha hivily lalana, izany fiatoana izany.
Ny antony iray mahamaika ny mpandahateny sasany hifindra ho amin’ny hevitra hafa, tsy misy fiatoana, dia ny fitadiavany hanazava zavatra be loatra. Efa fahazarana eo amin’ny fitenenany andavanandro izany, amin’ny olona sasany. Angamba miteny toy izany ny olona rehetra manodidina azy. Tsy mandaitra anefa ny fampianarana atao toy izany. Raha manan-javatra mendri-kohenoina sy mendri-kotadidina ianao, dia makà fotoana tsara hampisongadinana izany hevitra izany. Ekeo fa tena ilaina ny fiatoana, mba hampitana hevitra mazava.
Raha hanao lahateny miorina amin’ny drafitra ianao, dia alamino ny fanazavanao mba hahitanao tsara ny toerana tokony hiatoana eo anelanelan’ireo hevi-dehibe. Raha lahateny vakina kosa no hataonao, dia asio marika ireo toerana ifindrana ho amin’ny hevi-dehibe manaraka.
Mazàna ny fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa no maharitra kokoa noho ny fiatoana takin’ny mari-piatoana, kanefa tsy maharitra loatra ka hahatonga ny lahateninao hitarazoka be. Raha maharitra loatra ny fiatoana, dia ho toy ny hoe tsy nanomana tsara ianao ary mitady izay holazainao manaraka.
Fiatoana ho fanamafisana. Matetika ny fiatoana ho fanamafisana no fiatoana manaitra, izany hoe mialoha na manaraka fanambarana iray na fanontaniana iray tiana hohamafisina. Rehefa miato toy izany ianao, dia afaka mieritreritra momba izay vao avy nolazainao ny mpihaino, na miandrandra izay hanaraka. Tsy mitovy ireo zavatra roa ireo, ka fidio izay mety indrindra. Tadidio anefa fa tokony hoferana ho amin’ny hevitra tena lehibe ny fiatoana ho fanamafisana. Raha tsy izany, dia tsy hisongadina izy ireny.
Nanao fiatoana nandaitra i Jesosy rehefa namaky ny Soratra Masina tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Namaky momba ilay asa nanirahana azy tao amin’ny horonan’i Isaia mpaminany aloha izy. Talohan’ny nampiharana azy io anefa, dia nahorony ilay horonana ka naveriny tamin’ilay mpanao raharaha, ary dia nipetraka izy. Niteny toy izao izy avy eo, raha mbola nibanjina azy ny mason’ny rehetra tao amin’ny synagoga: “Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”—Lioka 4:16-21.
Fiatoana takin’ny toe-javatra. Mety hitaky ny hiatoanao koa indraindray ny fanelingelenana. Mety ho voatery hanapaka ny resaka ifanaovanao amin’ny tompon-trano iray eny amin’ny fanompoana ianao, rehefa misy fiara mandalo na zaza mitomany. Raha tsy dia tafahoatra ny fanelingelenana any amin’ny fivoriambe, dia mety ho afaka hanohy hiteny ianao, fa amin’ny feo mafy kokoa fotsiny. Raha mafy sy mitohy anefa ilay fanelingelenana, dia tsy maintsy miato ianao. Tsy hihaino anao akory ny mpanatrika, na hiteny aza ianao. Koa ampiasao tsara àry ny fiatoana, mba hanampiana ny mpihaino anao handre an’ireo zava-tsoa rehetra tianao holazaina aminy.
Fiatoana mamela hanome valin-teny. Na dia mety tsy hisy fandraisana anjaran’ny mpanatrika aza ny famelabelarana ataonao, dia omeo fahafahana hamaly ao an-tsainy izy ireo. Raha mametraka fanontaniana tokony hampieritreritra ny mpihaino anao ianao, nefa tsy miato, dia ho very maina ny zava-kendren’izany fanontaniana izany.
Mazava ho azy fa tena ilaina ny miato, tsy rehefa miteny avy eny amin’ny lampihazo ihany, fa rehefa mitory koa. Misy olona toa tsy miato mihitsy. Raha anisany ianao, dia miezaha mafy hamboly io lafiny iray amin’ny fahaiza-miteny io. Hanatsara ny fifampiresahanao amin’ny hafa sy ny fanompoanao eny amin’ny saha izany. Fotoam-panginana ny fiatoana, ary marina ilay filazana fa ny fanginana dia manasongadina, manamafy, misarika ny saina ary mampiala sasatra ny sofina.
Hevitra mifamaly ny resaka andavanandro. Ho vonona kokoa ny hihaino anao ny hafa, rehefa mihaino azy ianao ka maneho fahalianana amin’izay lazainy. Izany dia mitaky ny hiatoanao mba hahafahan’izy ireo hilaza ny heviny.
Handaitra kokoa ny fitoriantsika eny amin’ny saha fanompoana, rehefa ataontsika toy ny resaka. Vavolombelona maro no milaza ny anton-diany sy mametraka fanontaniana iray, aorian’ny fifampiarahabana. Miato izy ireo mba hahafahan’ilay olona hamaly, ary misaotra azy noho izay nolazainy, aorian’izay. Mety hanome an’ilay tompon-trano fahafahana hiteny matetika izy, mandritra ilay resaka. Fantany fa afaka manampy bebe kokoa ny olona iray ny tenany, raha mahafantatra ny fomba fiheviny momba ilay zavatra resahina.—Ohab. 20:5.
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no tia ny hametrahana fanontaniana. Niato foana anefa i Jesosy mba hamelana ny hafa hiteny, eny, na dia ny mpanohitra aza. (Marka 3:1-5) Ny famelana an’ilay olona hiteny dia mampirisika azy hieritreritra, ary mety hilaza izay ao am-pony izy amin’izany. Ny hanohina ny fon’ny olona tokoa mantsy no iray amin’ireo zava-kendren’ny fitoriantsika. Hanao izany isika, amin’ny fampisehoana aminy ireo zavatra lehibe dia lehibe ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay tsy maintsy anaovany fanapahan-kevitra.—Heb. 4:12.
Tena mitaky fahaizana tokoa ny fiatoana araka ny tokony ho izy eo amin’ny fanompoantsika. Rehefa atao tsara ny fiatoana, dia mazava kokoa ireo hevitra ampitaina, ary matetika no tadidy ela be.