FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 7 p. 105-p. 106 feh. 2
  • Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fanamafisan-kevitra Mety Tsara
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 7 p. 105-p. 106 feh. 2

LESONA 7

Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra

Inona no ilainao hatao?

Rehefa mamaky teny amin’ny feo avo, dia ireo hevitra fototra ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo no hamafiso manokana, fa tsy ireo ao anatin’ny fehezanteny tsirairay fotsiny.

Nahoana izany no tena ilaina?

Ho mora tadidy kokoa ilay hafatra, raha hamafisinao ireo hevitra fototra.

TSY ny fehezanteny tsirairay, na ilay fehintsoratra misy ireo hevitra fototra akory aza, no jeren’ny mpamaky teny mahay. Tadidiny tsara ao an-tsaina izy ireo ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo, rehefa mamaky teny izy. Manampy azy hamantatra izay tokony hohamafisina izany.

Tsy hisy zava-misongadina ny vakiteniny, raha tsy manao izany ilay mpamaky teny. Tsy hisy na inona na inona hiavaka mazava tsara. Mety ho sarotra ny hitadidy izay zavatra niavaka rehefa vita ilay anjara.

Hanatsara ny famakiana fitantarana iray ao amin’ny Baiboly ny fanamafisana tsara ireo hevitra fototra. Manjary misy heviny kokoa ireo fehintsoratra vakina toy izany, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana. Ary tena ilaina indrindra izany, rehefa manao lahateny vakina, toy ny atao tsindraindray any amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra.

Ny fomba hanaovana azy. Mety hasaina hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ianao, ao amin’ny sekoly. Inona no tokony hohamafisina? Raha misy hevitra fototra iray na fisehoan-javatra lehibe iray resahina ao, dia tsara ny hanasongadinanao azy.

Na tononkalo ilay zavatra hovakinao na soratra tsotra, na ohabolana na fitantarana, dia ho azon’ny mpihaino tsara raha vakinao tsara. (2 Tim. 3:16, 17) Koa tsy maintsy manisy fiheverana ilay zavatra hovakinao sy ny mpihaino anao àry ianao.

Raha hamaky teny avy ao amin’ny boky iray ianao, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana, inona avy moa ireo hevitra fototra ilainao hohamafisina? Ny valin’ireo fanontaniana vita pirinty ao amin’ilay toko na lahatsoratra mazàna no hevitra fototra ao. Hamafiso koa ireo hevitra mifandray amin’ilay lohatenikely amin’ny sora-matevina mialoha ilay zavatra vakinao.

Tsy ampirisihina hampiasa lahateny vakina ianao, rehefa manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Indraindray anefa, dia lahateny vakina no anaovana famelabelarana sasany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, satria tiana hitovy sy haseho amin’ny fomba mitovy ireo hevitra lazaina any amin’ny fivoriambe rehetra. Tsy maintsy mamakafaka tsara ilay fanazavana aloha ilay mpandahateny mba hanamafisana ireo hevitra fototra ao amin’ny lahateny vakina toy izany. Inona avy, ohatra, ireo hevi-dehibe? Tokony ho hain’ilay mpandahateny ny hanavaka azy ireny. Tsy hevitra heveriny fa mahaliana fotsiny akory no atao hevi-dehibe, fa ireo hevitra fototra ifantohan’ilay fanazavana. Misy fehezanteny kely mamintina hevitra fototra iray indraindray, alohan’ny fitantarana na ny fanjohian-kevitra iray. Matetika kokoa anefa no misy fanambarana mafonja iray aorian’ilay fanaporofoan-kevitra. Tokony homarihin’ilay mpandahateny ao amin’ilay lahateniny ireny hevitra fototra ireny, rehefa hitany. Vitsivitsy ihany izy ireny mazàna, efatra na dimy angamba. Manaraka izany, rehefa manao famerenana mamaky izy, dia tokony hianarany hasongadina izy ireny, mba ho mora amin’ny mpihaino ny hamantatra azy ireny, mandritra ny lahateniny. Ireny no hevitra misongadina ao amin’ilay lahateny. Ho mora tadidy kokoa ireny hevitra fototra ireny raha mety tsara ny fanamafisana. Izany no tokony ho zava-kendren’ilay mpandahateny.

Afaka mampiasa fomba fanamafisana samihafa ny mpandahateny iray mba hanampiana ny mpihaino hamantatra ireo hevi-dehibe. Misy mampitombo ny hafanam-pony, manova ny hafainganam-piteniny, maneho fihetseham-po lalina kokoa, na mampiasa fihetsehana mety, raha ireo fotsiny aza no hotononina.

HEVITRA TOKONY HOTADIDINA

  • Fakafakao ilay fehintsoratra na lahatsoratra, ka fantaro ireo hevitra fototra velabelariny, ary asio marika.

  • Rehefa mamaky teny amin’ny feo avo, dia ampitomboy ny hafanam-po, mitenena miadana kokoa, na manehoa fihetseham-po lalina kokoa, mba hisongadinan’ireo hevitra fototra ireo.

FANAZARAN-TENA: Mifidiana fehintsoratra dimy ao amin’ny lahatsoratra fianarana iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Tsipiho ny valin’ireo fanontaniana mifandray amin’ireo fehintsoratra ireo. Vakio amin’ny feo avo ny fehintsoratra, ka ataovy mora amin’ny mpihaino ny hamantatra ireny valin-teny ireny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara