FIZARANA 1
“Tena Mahatalanjona ny Heriny”
Hofakafakaintsika ato amin’ity fizarana ity ny fitantaran’ny Baiboly manaporofo ny herin’i Jehovah mba hamoronana, handringanana, hiarovana, ary hamerenana amin’ny laoniny. ‘Tena mahatalanjona ny herin’i Jehovah Andriamanitra’ ary “matanjaka be” izy. Rehefa takatsika ny fomba ampiasany an’izany heriny izany, dia lasa be herim-po sy be fanantenana isika.—Isaia 40:26.