FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ol hevitra 8 p. 25-28
  • Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina
  • Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mialà amin’ny fivavahan-diso
  • Poteho ny zavatra nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso
  • Miaraha amin’ny vahoakan’i Jehovah
  • Iza no Tena Mpivavaka?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manompoa An’i Jehovah, fa Tsy An’i Satana
    Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
Hijery Hafa
Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
ol hevitra 8 p. 25-28

FIZARANA 8

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina

1. Inona no safidy momba ny fivavahana tsy maintsy ataon’ny olona?

HOY i Jesosy: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.” (Matio 12:30) Na miandany amin’i Jehovah àry ny olona, na miandany amin’i Satana. Maro no mihevitra fa manompo an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy. Milaza anefa ny Baiboly fa “mamitaka izao tontolo izao” i Satana. (Apokalypsy 12:9) Olona an-tapitrisa no mino fa mivavaka amin’Andriamanitra, nefa manompo an’i Satana Devoly, raha ny tena izy! Tsy maintsy misafidy ny olona: Na hanompo an’i Jehovah, “Andriamanitry ny fahamarinana”, na hanompo an’i Satana, “rain’ny lainga.”—Salamo 31:5; Jaona 8:44.

Mialà amin’ny fivavahan-diso

2. Inona no anisan’ny fomba ataon’i Satana hanakanana ny olona tsy hivavaka amin’i Jehovah?

2 Safidy mampiseho fahendrena sy ahazoana sitraka amin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra hanompo azy. Tsy faly amin’ireo maniry hanompo an’Andriamanitra anefa i Satana, ka mamorona zava-manahirana ho azy ireny. Anisan’ny ataony amin’izany ny fanesoana sy fanoheran’ny olona, indrindra fa ny namana sy ny havana. Efa nilaza anefa i Jesosy fa “ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.”—Matio 10:36.

3. Inona no hataonao raha manohitra ny fivavahanao amin’Andriamanitra ny havanao na ny namanao?

3 Ahoana no hataonao raha mitranga aminao izany? Maro no mahafantatra fa diso ny fivavahany, nefa misalasala ny hiala amin’izany, satria heveriny fa mivadika amin’ny fianakaviany izy raha manao izany. Mety ve izany eritreritra izany? Tsy hampitandrina ny havanao ve ianao, ohatra, raha fantatrao fa mampiasa zava-mahadomelina tena manimba azy izy? Tsy hety raha ianao indray no handeha hanaraka azy hampiasa an’ilay zava-mahadomelina.

4. Inona no nolazain’i Josoa tamin’ny Isiraelita, momba ny fivavahana tamin’ny androny?

4 Nampirisika ny Isiraelita hiala tamin’ny fivavahan-diso sy ny fomban-drazana diso i Josoa. Hoy izy: “Ankehitriny, matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’i Jehovah.” (Josoa 24:14) Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Josoa, ka notahin’i Jehovah. Hitahy antsika koa i Jehovah, raha tsy mivadika aminy isika.—2 Samoela 22:26.

Fampianarana Marina sy Diso

  • Vavolombelon’i Jehovah mianatra Baiboly miaraka amin’ny vehivavy iray sy ny zanany

    Andriamanitra telo izay iray: Maro ny fivavahana milaza fa telo izay iray Andriamanitra. Milaza izy ireo fa “Andriamanitra daholo ny Ray sy ny Zanaka [Jesosy], ary ny Fanahy Masina, nefa iray ihany ny Andriamanitra, fa tsy telo.”

    Tsy milaza an’ilay teny hoe “telo izay iray” mihitsy ny Baiboly, sady tsy milaza hoe “tokana olona telo” Andriamanitra. I Jehovah ihany no Andriamanitra. Hoy ny 1 Korintiana 8:6: “Amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray.” I Jehovah no Avo Indrindra. Tsy Andriamanitra i Jesosy fa “Zanak’Andriamanitra.” (1 Jaona 4:15) Tsy Andriamanitra koa ny fanahy masina. Tsy olona akory aza ny fanahy masina, fa hery ampiasain’Andriamanitra kosa.—Asan’ny Apostoly 1:8; Efesiana 5:18.

  • Fanahy: Maro ny fivavahana milaza fa zavatra tsy mety maty ao anatin’ny olona ny fanahy. Milaza anefa ny Baiboly fa ny hery mamelona ny vatana no atao hoe fanahy; ary tsy afaka manao na inona na inona izy io raha miala amin’ny vatana. Lazain’ny Baiboly koa fa tsy afaka manao na inona na inona ny maty.—Jakoba 2:26; Mpitoriteny 9:10.

  • Afobe: Milaza ny fivavahan-diso fa ampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny fanahin’ny ratsy fanahy. Milaza anefa ny Baiboly fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Milaza koa ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy hampijalijaly olona ao anaty afo mihitsy i Jehovah Andriamanitra fitiavana.

Fanontaniana: Inona no lazain’ny Baiboly momba ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy ary ny afobe?

Poteho ny zavatra nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso

Vehivavy iray mandoro ny odiny sy ny zavatra hafa mifandray amin’izany

5. Nahoana no tokony hopotehintsika ny ody?

5 Rehefa miala amin’ny fivavahan-diso, dia tokony hopotehina koa ny ody, na fiarovana izany, na peratra na firavaka na zavatra hafa mifandray amin’ny ody. Zava-dehibe izany satria mampiseho fa mitoky tanteraka amin’i Jehovah isika.

6. Nataon’ny Kristianina voalohany ahoana ny bokiny momba ny fanaovana ody?

6 Eritrereto ny nataon’ny Kristianina voalohany, rehefa nanaraka ny fivavahana marina izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra.”—Asan’ny Apostoly 19:19.

7. Inona no azontsika atao raha mampijaly antsika ny demonia?

7 Mety hisy hampijalin’ny demonia ireo nanao ody, na famosaviana, na zavatra mifandray amin’izany, nefa manomboka manompo an’i Jehovah izao. Antsoy mafy amin’ny vavaka ny anaran’i Jehovah, raha mitranga aminao izany. Hanampy anao izy.—Ohabolana 18:10; Jakoba 4:7.

8. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny sampy sy ny sary masina ampiasaina amin’ny fivavahan-diso?

8 Tsy mahazo mitahiry na mampiasa sampy, na sary masina nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ireo maniry hanompo an’i Jehovah. ‘Mandeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fahitana’ ny Kristianina marina. (2 Korintiana 5:7) Mandrara ny fampiasana sary ivavahana ny lalàn’Andriamanitra, ka arahin’izy ireo izany.—Eksodosy 20:4, 5.

Miaraha amin’ny vahoakan’i Jehovah

Vehivavy iray sy ny zanany vavy miara-mikarakara sakafo

9. Inona no atoron’ny Baiboly mba hahatonga antsika ho hendry?

9 Hoy ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20) Mila miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah isika, raha te ho hendry. Mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana izy ireo.—Matio 7:14.

10. Ahoana no anampian’ny Vavolombelon’i Jehovah anao hanompo an’Andriamanitra?

10 Tena miahy ny olona ny Vavolombelona. Asan’izy ireo ny manampy olona tso-po hahatakatra ny fahamarinana ara-baiboly mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Afaka manampy anao maimaim-poana hianatra ny Baiboly izy ireo. Hamaly ny fanontanianao izy ireo, ary hampiseho aminao ny fomba hampiharana ny fahalalana ara-baiboly eo amin’ny fiainana.—Jaona 17:3.

11. Ahoana no anampian’ny fivoriana kristianina anao?

11 Hianatra bebe kokoa momba ny lalan’i Jehovah ianao any amin’ny fivorian’izy ireo, atao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Vao mainka hampitombo ny fanirianao hanaraka ny fivavahana marina izany. Hahazo fampiofanana eo amin’ny fanampiana olon-kafa hianatra ny fahamarinana ara-baiboly koa ianao.—Hebreo 10:24, 25.

Fiangonana iray mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana

12. Nahoana no manampy anao hanompo an’Andriamanitra ny vavaka?

12 Azo inoana fa hitombo ny fankasitrahanao ny lalana feno fitiavan’i Jehovah, rehefa mianatra bebe kokoa momba ny sitrapony sy ny fikasany ianao. Tokony hitombo koa ny fanirianao hampifaly azy sy hanalavitra ny zavatra tsy tiany. Tadidio fa afaka mangataka fanampiana amin’ny vavaka ianao, mba hanaovanao ny tsara sy hanalaviranao ny ratsy.—1 Korintiana 6:9, 10; Filipiana 4:6.

Fianakaviana iray miara-mamaky Baiboly

Ahoana no anarahanao ny fivavahana marina?

13. Ahoana no ampifalinao ny fon’i Jehovah?

13 Ho hitanao ihany, rehefa mitombo ara-panahy ianao, fa ilaina ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa. Hampifaly ny fon’i Jehovah ianao, rehefa manjary anisan’ny vahoakany. (Ohabolana 27:11) Ho anisan’ny vahoaka sambatra lazain’Andriamanitra toy izao ianao: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.”—2 Korintiana 6:16.

Afaka Tamin’ny Demonia Aho

Josephine Ikezu sy ny zanany sasany

Natory tsara teo akaikin’ny vadiko aho indray alina, rehefa nandre feo niantso ny anarako intelo. Avy eo dia hitako nitresaka ny valitafo ka nisy zavatra boribory toy ny baolina mirehitra nilatsaka teo amin’ny kiboko. Mazava ho azy fa tsy nahita izany mihitsy ny vadiko. Nahatsapa namaivay nandritra ny volana maromaro anefa aho.

Niantso ahy indray ilay feo, enim-bolana tatỳ aoriana. Toy ny tao anaty rano lalina be ny trano tamin’izay. Nisy bibilava be nivoaka avy tao anaty rano ary nandady tamin’ny tanako. Nakifiko ilay izy fa tsy nety afaka. Natahotra be aho. Tsy hita intsony avy eo ilay rano sy ilay bibilava, ary nianjera mafy teo amin’ny gorodona aho. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny ora maro aho. Avy eo ilay feo dia niteny tamiko mba handeha tany amin’ny trano fivavahan’ireo mpanao fanasitranana teo an-tanàna. Nanontaniako an’ilay fanahy ny anarany. Namaly ilay feo hoe “tompon’ny harena fa tsy manan-janaka” no dikan’ny anarany. Nampanantena ny hampanan-karena ahy tamin’ny alalan’ny hery fanasitranana izy.

Nisy marary avy lavitra sy teo amin’ny manodidina tonga tao amiko. Mbola tsy tonga tao an-trano akory ilay olona dia efa hitako teo amin’ny fitaratro manokana. Nopehiko tamin’ny felatanako ny felatanan’ilay olona, rehefa tonga izy, ka hitako avy hatrany ny aretina na ny zava-manahirana azy, sy ny fanafodin’izany. Nolazain’ilay fanahy tamiko koa ny vola tokony haloan’ny olona.

Be dia be ny vola sy fanomezana azoko, satria nahomby ny fitsaboana. Nanjary “tompon’ny harena” aho, nefa nanjary fantatro koa ny dikan’ilay hoe “tsy manan-janaka.” Raha vao mitoe-jaza aho, dia maty avy hatrany ny zokin’izy io. Tena nahakivy be izany. Enina ny zanako maty nandritra ny 12 taona nanompoako an’io fanahy io.

Nanomboka nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy. Tena nivavaka mafy aho. Nandondòna tao amiko ny Vavolombelon’i Jehovah, indray andro. Nanapa-kevitra ny hihaino azy ireo aho tamin’izay, na dia noroahiko foana aza izy ireo teo aloha. Fantatro tamin’ny resadresakay fa manompo demonia aho! Tapa-kevitra ny tsy hifandray tamin’ny fanahy ratsy intsony aho.

Nampitandrina ahy ilay fanahy, rehefa nilazako momba izany. Nilaza taminy anefa aho hoe: “Tsy hifandray aminao intsony aho.”

Nodorako daholo ny zavatra nampiasaiko tamin’ny fanandroana. Nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tonga mpanompon’i Jehovah, ary natao batisa tamin’ny 1973. Manan-janaka dimy salama tsara aho izao. Tonga Vavolombelona vita batisa koa ny vadiko.—Notantarain’i Josephine Ikezu.

Fanontaniana: Ahoana no nahafahan’ny vehivavy iray tamin’ny demonia?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara