Inona no Dikan’izany Rehetra Izany?
NILAZA i Jesosy Kristy fa anisan’ny famantarana ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ny ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany.—Matio 24:1-8; Lioka 21:10, 11.
Nandrava firenena sy foko maro ny ady, nanomboka tamin’ny 1914. Ireo mpitondra fivavahana nitsabaka tamin’ny politika, sy ny fampihorohoroana miely eran-tany, matetika no mahatonga azy ireny.
Olona an-jatony tapitrisa eran-tany no zara raha mahita hohanina, na dia mandroso aza ny famokarana sakafo. An-tapitrisany no maty mosary isan-taona.
Anisan’ny famantarana nolazain’i Jesosy koa ny areti-mandringana. Nisy gripa nahafaty olona 21 tapitrisa mahery taorian’ny Ady Lehibe I. Firenena maro no tratran’izy io, anisan’izany ireo nosy lavitra. Faritra vitsivitsy ihany anefa taloha no nisy valanaretina namoizana ain’olona maro. Be dia be izao ny olona voan’ny SIDA eran-tany. Mbola mamely ny tany mahantra koa ny tioberkilaozy, tazo, fahajambana avy amin’ny renirano, ary ny aretin-torimaso.
Voalaza koa fa misy horohoron-tany an’aliny isan-taona, ary miovaova ny hamafiny. Tena ary fomba ireo fitaovana famantarana horohoron-tany, kanefa mbola maro ihany ny tanàna be mponina ravan’ny horohoron-tany, araka ny voalazan’ny vaovao.
Nilaza mialoha koa ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.”—2 Timoty 3:1-5.
Tsy miaiky ve ianao fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika ankehitriny?
Tsy voamarikao ve fa maro be izao ny olona tia tena sy tia vola ary mieboebo?
Iza no tsy hiaiky fa lasa sarotiny ny olona amin’ny ankapobeny, nefa tsy mahay mankasitraka sy tsy azo ifanarahana ary tsy mena-mivadika?
Tsy hitanao ve fa manjary tsy mankatò ray aman-dreny ny ankizy, ary tsy manam-pitiavana intsony ny olona, tsy amin’ny toerana vitsy monja fa maneran-tany mihitsy?
Tsy voamarikao ve fa manjary tia fahafinaretana loatra ny olona, fa tsy tia ny tsara intsony? Izany no lazain’ny baiboly fa ho toetran’ny olona amin’ny “andro farany.”
Mbola misy porofo hafa ve azo amantarana ny vanim-potoana iainantsika? Nilaza mialoha i Jesosy fa hotorina amin’ny tany onenana manontolo ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Mitranga ve izany ankehitriny?
Avoaka tsy tapaka amin’ny fiteny maro lavitra noho ny gazety hafa Ny Tilikambo Fiambenana, gazety ara-baiboly manambara ny Fanjakan’i Jehovah.
Mitory amin’ny olona koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mandany ora an’arivony tapitrisa mahery isan-taona, iresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Mamoaka boky manazava ny Baiboly ihany koa izy ireo, amin’ny fiteny 400 eo ho eo, ka anisan’izany ny fitenin’olom-bitsy any amin’ny faritra lavitra. Mitory ny vaovao tsara any amin’ny firenena rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah. Tonga hatrany amin’ny nosy sy faritany tsy be mpahalala izy ireo. Miara-mianatra ny Baiboly tsy tapaka koa izy ireo any amin’ny ankamaroan’ireny tany ireny.
Torina amin’ny tany onenana manontolo tokoa àry ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny. Ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra anefa no anton’izany fa tsy ny hanova ny finoan’ny olona tsirairay akory. Samy afaka misafidy ny olona rehetra raha hihaino ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany, sy hanaja ny lalàny, ary ho tia ny mpiara-belona aminy.—Lioka 10:25-27; Apokalypsy 4:11.
Tsy ho ela dia hanaisotra ny faharatsiana rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanova ny tany ho paradisa.—Lioka 23:43.
[Efajoro, pejy 6]
Inona no Hitranga Amin’ny Fara Andro?
Tsy ho ringana akory ny olombelona rehetra. Milaza ny Baiboly fa ho afaka ny hiaina mandrakizay izay manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Jaona 3:16, 36; 1 Jaona 2:17.
Tsy ho potika koa ny tany. Mampanantena ny Tenin’Andriamanitra fa haharitra mandrakizay ny tany, sady ho azo onenana foana.—Salamo 37:29; 104:5; Isaia 45:18.
Hifarana kosa ity tontolo ratsy tsy manam-pitiavana ity, sy izay rehetra manahaka azy.—Ohabolana 2:21, 22.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Tenin’Andriamanitra Tokoa ve ny Baiboly?
Imbetsaka ny mpaminany no nanoratra tao amin’ny Baiboly hoe: “Izao no lazain’i Jehovah.” (Isaia 43:14; Jeremia 2:2) Nanazava koa i Jesosy Kristy fa avy amin’ny Ray ny teny nolazainy. (Jaona 14:10) Ny Baiboly mihitsy aza no milaza fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16.
Milaza Ireo Fikambanana Mampiely Baiboly Mitambatra fa tsy misy boky mitovy amin’ny Baiboly, izay vita amin’ny fiteny maherin’ny 2 200. Tsy misy boky betsaka toy ny Baiboly koa, satria efatra arivo tapitrisa mahery izao no efa natonta. Tsy ara-dalàna ve raha boky toy izany no mirakitra hafatra avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra?
Raha mila fanazavana feno kokoa ianao mba hanaporofoana fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, dia jereo ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tena handray soa amin’ny famakiana ny Baiboly ianao raha ekenao fa Tenin’Andriamanitra tokoa izy io.
[Efajoro/Sary, pejy 8]
Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
Fanjakana any an-danitra izy io. I Jehovah, ilay Andriamanitra marina, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, no tompon’io fanjakana io.—Jeremia 10:10, 12.
Milaza ny Baiboly fa i Jesosy Kristy no notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’izy io. (Apokalypsy 11:15) Nasehon’i Jesosy, fony izy teto an-tany, fa efa nahazo fahefana lehibe avy tamin’Andriamanitra izy, ka afaka nifehy ny herin’ny natiora sy nanasitrana ny aretina rehetra ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Matio 9:2-8; Marka 4:37-41; Jaona 11:11-44) Voalazan’ny faminanian’ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Daniela 7:13, 14) Antsoina hoe Fanjakan’ny lanitra io fitondram-panjakana io, satria any an-danitra izao i Jesosy Kristy no manjaka.
[Sary, pejy 7]
Fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany