FIZARANA 2
‘Nampianatra Sy Nitory Ny Vaovao Tsara’
Mpandrafitra. Mpanao fahagagana. Mpanasitrana. Samy nataon’i Jesosy ireo, ary mbola be noho izany aza no nataony. Tsy ireo anefa no anarana niantsoan’ny olona azy, fa hoe Mpampianatra. Ny ‘fampianarana sy ny fitoriana ny vaovao tsara’ mantsy no tena nimasoany. (Matio 4:23) Io koa no asa tokony hataontsika, satria mpanara-dia azy isika. Hodinihintsika ato amin’ity fizarana ity ny modely nomeny, mba hahitantsika ny fomba hanatanterahana ilay asa.