Toko 7
Inona no Hataoko fa Halako ny Bikako?
Kivy ve ianao matetika, rehefa mijery ny bika aman’endrikao?
□ Eny □ Tsia
Misy ankizy zara raha misakafo na manao fandidiana mihitsy, mba hanatsarana izay tsy metimety amin’ny bikany. Efa nieritreritra ny hanao an’izany koa ve ianao?
□ Eny □ Tsia
Inona amin’ireto no hovanao, raha azonao atao? (Asio boribory izay izy.)
Halavana
Bika
Lokon’ny hoditra
Lanja
Volo
Feo
ENY ve ny valin-teninao tamin’ireo fanontaniana roa voalohany? Ary telo na mihoatra kosa ve no nofidinao tao amin’ilay fahatelo? Aza kivy raha izany no izy. Azo inoana mantsy fa tsy dia ratsy araka ny eritreretinao, ny fahitan’ny olona anao. Mety ho ianao fotsiny no manahy be loatra. Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa matahotra ny hatavy ny ankamaroan’ny tovovavy. Izany no atahorany kokoa noho ny ady, na ny kansera, na ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny mihitsy aza!
Marina fa mety hahamenatra anao ny bika aman’endrikao. Mety hisy olona hanadala anao koa. Hoy i Maritza, 19 taona: “Nahafatifaty kely ny zokiko roa vavy rehefa lehibe, fa izaho kosa lasa botakely. Nihomehezan’ny ankizy foana aho tany am-pianarana. Mbola nopetahin’ny nenitoanay anarana hoe Chubs [Botakely] koa aho, nefa anaran’ny alikany izany. Pôtakely izay ilay izy sady matavy be!” Izany koa no nanjo an’i Julie, 16 taona. Hoy izy: “Nisy ankizivavy nanadala ahy hoe ‘lava nify’, tany am-pianarana. Tsy dia nampaninona ahy ilay izy, nefa menatra ihany aho. Mbola mahamenatra ahy ny nifiko hatramin’izao!”
Sao dia tafahoatra kosa ny fanahianao?
Tsy diso ianao raha manatsaratsara ny bikanao. Na ny Baiboly aza mitantara fa nisy lehilahy sy vehivavy tsara tarehy, toa an-dry Saraha, Rahely, Josefa, Davida, ary Abigaila. Voalaza ao, ohatra, fa “faran’izay tsara tarehy” ny vehivavy iray atao hoe Abisaga.—1 Mpanjaka 1:4.
Tanora maro anefa no manahy be loatra momba ny bikany. Misy ankizivavy mieritreritra, ohatra, fa ny vehivavy manifinify no tsara. Sarin’ankizivavy manifinify foana mantsy no asehon’ireo dokam-barotra manaitra, amin’ny gazety. Odian’ny tanora tsy fantatra anefa, fa efa namboarina tsara ireny sary ireny, na nohatsaraina tamin’ny alalan’ny ordinatera. Ary zara raha misakafo ireny vehivavy ireny, mba tsy hatavy! Na izany aza, dia mety ho kivy ianao rehefa mampitaha ny tenanao amin’izy ireny. Inona àry no tokony hataonao? Diniho tsara aloha ny tenanao.
Sao dia tsy araka ny tena izy?
Asa ianao raha efa nahita ireny karazana fitaratra manova bika aman’endrika ireny. Tsy ny tena bikanao no hitanao eo, fa toy ny hoe matavy be ianao na mahia kely.
Tsy araka ny tena izy koa ny zavatra hitan’ny tanora maro, rehefa mijery ny tenany izy. Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa ny 58 isan-jaton’ny ankizivavy no milaza hoe matavy, nefa ny 17 isan-jaton’izy ireo ihany no tena matavy. Tamin’ny fanadihadiana hafa indray, dia hita fa ny 45 isan-jaton’ny vehivavy mahia kely, no mihevitra hoe matavy loatra!
Milaza ny mpikaroka sasany, fa tsy matavy ny ankamaroan’ny ankizivavy, ka tsy tokony hiady saina. Mety tsy dia hampahery anao anefa izany, raha tena matavy ianao. Inona anefa no mety ho antony mahatonga anao hatavy?
Eo, ohatra, ny fototarazo. Izy io no mamaritra izay toetra holovain’ny olona avy amin’ny ray aman-dreniny sy ny razambeny. Anisan’izany ny bika aman’endriny. Manifinify àry ny olona sasany, satria efa vahany mihitsy. Ny hafa kosa somary matavy, ka tsy azony ovana izany. Mety ho mbola matavy tsy araka ny itiavanao azy anefa ny fahitanao ny tenanao, na dia efa ara-dalàna aza ny lanjanao. Somary hihena ihany ianao, raha manao fanatanjahan-tena sy mihinana sakafo tsy mampahatavy. Tsy afaka ny hiova firy anefa ny bikanao.
Eo koa ny fiovana tsy maintsy mitranga mandritra ny fahamaotiana. Mitombo ny tavy ao amin’ny vatan’ny ankizivavy amin’izay, ka lasa 22 isan-jato raha 8 isan-jato taloha. Miova izany matetika rehefa lehibe izy. Lasa tovovavy tsara bika ilay ankizivavy, na dia botabota aza tamin’izy 11 na 12 taona. Ahoana kosa raha matavy ianao, satria tsy manao fanatanjahan-tena na mihinana sakafo tsy mahasalama? Inona no tokony hataonao, raha tena mila mihena ianao mba ho salama?
Mahaiza mandanjalanja
Mampirisika antsika “hahay handanjalanja” ny Baiboly. (1 Timoty 3:11) Tandremo àry sao diso mifady sakafo loatra. Miezaha koa hisakafo foana amin’ny maraina sy antoandro ary hariva. Inona no zavatra tsara indrindra azonao atao, raha te hihena ianao? Mihinàna foana sakafo mahasalama, ary manaova fanatanjahan-tena araka ny antonony.
Maro ny zavatra fanaon’ny olona mba hampihenana tena. Misy koa fanafody lazaina fa mampahia. Tsy voatery hampiasa an’ireny ianao. Marina fa mety halain-komana ianao amin’ny voalohany, nefa vetivety dia ho zatra an’ilay fanafody ny vatanao, ka hazoto homana indray ianao. Na koa, hotehirizin’ny vatanao ny zavatra mahavelona azony avy amin’ilay sakafo kely haninao, ary havadiny ho tavy avy eo. Vetivety dia hiverina ny lanjanao taloha. Misy koa olona lasa fanimpanina, miakatra tosidra, mitebiteby, ary mety tsy ho afaka amin’ilay fanafody mihitsy aza. Mitovitovy amin’izany ihany ny vokatry ny fanafody manala rano amin’ny vatana na manafaingana ny fanesorana ny tavy.
Ho tsara bika sy ho salama kosa ianao, raha mandanjalanja ny sakafo haninao, ary manao fanatanjahan-tena araka ny antonony sy tsy tapaka. Zavatra tsotra, toy ny dia maika, na fiakarana tohatra dia efa ampy. Ho tianao koa ny bikanao amin’izay.
Mitandrema sao lasa malain-komana lava!
Te hihena mafy ny tanora sasany, ka aleony tsy mihinan-kanina na zara raha mihinana. Lasa aretina ilay izy amin’ny farany, satria manjary malain-komana lava izy. Mety hahafaty azy mihitsy izany! Hoy i Masami, rehefa avy nitsabo tena nandritra ny efa-bolana: “Isaky ny misy miteny amiko hoe efa salama ny fahitany ahy, dia mieritreritra aho hoe: ‘Nihanatavy indray angamba aho!’ Mitomany aho rehefa atao an’izany, sady miteny anakampo hoe: ‘Tahaka izay ihany aho tsy nanaiky hitombo, fa nijanona ho kelikely hoatran’ilay tamin’ny efa-bolana lasa!’ ”
Mety ho voan’io aretina io ny tanora, na tsy fanahy iniany aza. Te hihena kely fotsiny angamba ny ankizivavy iray, ka tsy dia misakafo. Toa tsy dia mankarary rahateo ilay izy. Tsy afa-po anefa izy rehefa tratrany ny tanjony. Mimenomenona eo anoloan’ny fitaratra izy hoe: “Mbola matavy be ihany aho!” Tapa-kevitra ny hihena kely indray àry izy. Mbola tsy afa-po ihany anefa izy aorian’izay, ka mampihena tena kely indray, ary dia toy izany hatrany. Manjary fanaony izany, ka lasa aretina.
Mila fitsaboana ianao, raha hita fa voan’io aretina io na aretina hafa mifandray amin’ny sakafo. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, na olon-dehibe hafa atokisanao. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.
Ny tena hatsaran-tarehy
Tsy ny hatsaran’ny bika aman’endrika no zava-dehibe, araka ny Baiboly. Miankina amin’ny toetran’ny olona iray kosa no itiavan’Andriamanitra azy na tsia.—Ohabolana 11:20, 22.
Diniho, ohatra, i Absaloma zanak’i Davida Mpanjaka. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy nisy lehilahy tsara tarehy tahaka azy teo amin’ny Israely rehetra, eny, tsy nisy lehilahy nodokafana fatratra toa azy. Tsy nisy tsininy izy hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.’ (2 Samoela 14:25) Mpamitaka anefa io tovolahy io. Nanambony tena sy naniry laza izy, ka nanandrana nandrombaka ny fahefan’ilay mpanjaka notendren’i Jehovah. Tsy ny hatsaran-tarehin’i Absaloma àry no tena asongadin’ny Baiboly. Resahina ao kosa fa lehilahy tsy mena-mivadika izy, mpamono olona, ary feno fankahalana.
Tadidio fa ‘ny fo no dinihin’i Jehovah’, fa tsy ny hakelin’ny andilan’ny ankizivavy na ny haben’ny sandrin’ny ankizilahy. (Ohabolana 21:2) Marina fa tsy ratsy ny hoe te ho tsara bika. Ny toetranao anefa no zava-dehibe indrindra, fa tsy ny bikanao. Miezaha àry hanana ireo toetra tsara voalaza ao amin’ny Baiboly. Izany no tena hahatonga anao ho tian’ny olona, fa tsy noho ianao bokona hozatra na tsara bika!
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 10, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Tanora maro no kilemaina na manana aretina mitaiza. Inona no azonao atao raha anisan’izy ireny ianao?
ANDININ-TENY
“Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:7.
SOSO-KEVITRA
Raha te hihena ianao, dia...
● Tandremo sao tsy misakafo maraina. Ho noana be mantsy ianao, ka vao mainka te hihinana mihoatra noho ny mahazatra.
● Misotroa foana rano eran’ny vera lehibe alohan’ny sakafo. Tsy dia hazoto homana ianao amin’izay, ka tsy hahalany betsaka.
FANTATRAO VE... ?
Misy manam-pahaizana mampitandrina fa, raha te hihena ianao ka zara raha mihinan-kanina, dia mety hihena ianao, saingy vetivety dia hiverina ihany ilay lanjanao teo aloha.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba ho salama foana aho: ․․․․․
Izao no fanatanjahan-tena tsy mafy loatra amiko, ka tiako hatao tsy tapaka: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Tianao ve ny bika aman’endrikao?
● Inona no zavatra tsotra azonao atao, mba hanatsarana ny bika aman’endrikao?
● Inona no holazainao amin’ny namanao, raha lasa malain-komana lava izy na misakafo be loatra?
● Inona no holazainao amin’ny zandrinao, mba tsy hiasa saina loatra amin’ny bika aman’endriny izy?
[Teny notsongana, pejy 69]
“Nadalain’ny olona foana aho hoe be voamaso. Niezaka nihomehy aho, nefa koa nifantoka tamin’ny toetra tsarako. Namboariko koa ny saiko hoe efa io mihitsy ny masoko, ka tsy misy azoko atao. Efa zatra aho izao.’’—Harena
[Sary, pejy 68]
Mety tsy ho araka ny tena izy ny fahitanao ny tenanao. Toy ny hoe mijery fitaratra manova bika ianao