Fizarana 6
Ny Ray Aman-dreny
Efa nahita fiainana ny ray aman-dreny. Efa mba niova koa ny vatany sy ny fihetseham-pony, tamin’izy nitovy taona taminao, ka efa nikorontan-tsaina toa anao izy. Izy ireo àry no tena afaka manampy anao mandra-pahalehibenao. Tsy mahavita an’izany anefa ny ray aman-dreny sasany. Toa izy ireo indray aza no mahatonga olana ho an’ny zanany. Izany ve no zavatra iainanao? Iza amin’ireto no mahazo anao?
□ Mibedy anao foana ny ray aman-dreninao.
□ Mpifoka rongony na mpisotro toaka ny dadanao na ny mamanao.
□ Miady lava ny ray aman-dreninao.
□ Tsy miara-mipetraka intsony ry zareo.
Hanampy anao hizaka an’ireo sy ny olana hafa koa ny Toko 21-25.
[Sary, pejy 172, 173]