Toko 38
Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?
“Tsy nivaky loha momba ny hoaviko mihitsy aho taloha. Rehefa ho vita ny fianarako, vao tonga saina aho hoe tsy maintsy hiatrika ny fiainana amin’izay, sady hamelon-tena.”—Alex.
AOKA hatao hoe mieritreritra ny hanao dia lavitra be ianao. Mety hijery sarintany aloha ianao, mba hifidiananao ny lalana tsara indrindra. Toy izany koa no tokony hataonao, rehefa mifidy izay tianao hatao any aoriana any ianao. Hoy i Michael, tovolahy manompo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Betsaka ny zavatra azonao atao.” Inona àry no hofidinao? Hoy ihany izy: “Mila fantatrao aloha hoe inona no tena tanjonao.”
Ataovy toy ny hoe toerana iray tianao haleha ny tanjonao. Tsy ho tonga any mihitsy ianao raha manaraka fotsiny izay lalana sendra hitanao. Tsara lavitra ny mijery sarintany sy mieritreritra ny lalana tokony haleha. Toy izany koa fa tsara ny mieritreritra ny fomba hanatratraranao ny tanjonao. Manaraka izao torohevitra ao amin’ny Ohabolana 4:26 izao ianao raha manao an’izany: “Ataovy mitovy tantana izay hodiavin’ny tongotrao.” Izao no andikan’ny Dikan-teny Anglisy Maoderina azy io: “Fantaro izay alehanao.”
Maro ny fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy horaisinao any aoriana any. Ohatra hoe momba ny fivavahana, asa, fanambadiana, fianakaviana, na zava-dehibe hafa. Ho mora kokoa aminao ny handray fanapahan-kevitra tsara, raha efa fantatrao ny tanjonao. Misy zavatra tsy tokony hohadinoinao anefa, rehefa mieritreritra izay hataonao ianao.
‘Tsarovy ny Mpamorona anao’
Tsy maintsy manaraka ireto tenin’i Solomona mpanjaka hendry ireto ianao, raha tena te ho sambatra: ‘Tsarovy ny Mpamorona anao amin’ny andro fahatanoranao.’ (Mpitoriteny 12:1) Tokony ho hita eo amin’ny tanjona fidinao àry, fa te hampifaly an’Andriamanitra ianao.
Nahoana izany no zava-dehibe? Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” Tokony hisaotra ny Mpamorona àry ny zavamananaina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Misaotra azy ve ianao, noho izy nanome anao “aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra”? (Asan’ny Apostoly 17:25) Azo inoana fa te hanome zavatra ho an’i Jehovah Andriamanitra ianao, ho setrin’izany.
Mahatsiaro ny Mpamorona azy foana ny tanora Vavolombelon’i Jehovah maro, ka mifidy ny hanompo azy manontolo andro. Ireto misy fanompoana mahafinaritra azonao isafidianana.
Mpisava lalana. Manokana ora maro hanompoana ny mpisava lalana maharitra. Lasa mahay kokoa mampianatra Baiboly izy ireo, noho ny fampiofanana sy ny traikefa azony.
Mankany amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Manao an’izany ny mpitory sasany. Misy mianatra fiteny hafa, ka mifindra any amin’ny fiangonana mampiasa an’ilay fiteny, na manompo any an-tany hafa mihitsy aza.a
Misionera. Natao ho an’ny mpisava lalana mahay sy salama ary matanjaka izy io. Ampiofanina hanompo any an-tany hafa izy ireo. Mahafinaritra ny fiainan’ny misionera.
Betelita. Manompo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Betelita. Mamokatra sy mandefa boky sy gazety ara-baiboly no ataon’izy ireo, any amin’ny tany sasany.
Mpanompo iraisam-pirenena. Mankany an-tany hafa izy ireo, mba hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe na biraon’ny sampana.
Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Natao ho an’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo sy mahafeno fepetra izy io. Mianatra momba ny fanaovana lahateny sy ny fomba fiasan’ny fandaminana izy ireo. Tendrena hanompo any an-tany hafa ny sasany.
Miomàna tsara
Tanjona mendrika hotratrarina ny fanompoana manontolo andro, sady ahazoana fitahiana maro. Mila fiomanana anefa izany. Eritrereto, ohatra, izao: ‘Inona no zavatra tena haiko, ka azoko ampiasaina mba hameloman-tena?’
Ny ho mpisava lalana, ohatra, no tanjon’i Kelly. Nieritreritra ny asa hanampy azy hanatratra ny tanjony àry izy. Hoy izy: “Tsy maintsy nifidy asa hahafahako hamelon-tena sy hanompo aho.”
Nianatra asa i Kelly, tany amin’ny lise. Nanampy azy hahatratra ilay tanjony izany. Hoy izy: “Ny fanompoana manontolo andro no tanjoko. Tsy nisy natakaloko an’io.” Tsy nanenenan’i Kelly ny safidy nataony. Hoy izy: “Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko.”
Mangataha torohevitra
Raha mankany amin’ny toerana mbola tsy nalehanao ianao, dia azo inoana fa hanontany olona rehefa eny an-dalana. Afaka manao toy izany koa ianao, rehefa mieritreritra izay hataonao any aoriana any. Mangataha torohevitra. Hoy ny Ohabolana 20:18: “Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina.”
Ny ray aman-dreninao no tokony hiresahanao voalohany. Afaka mangataka torohevitra amin’ny Kristianina matotra koa anefa ianao. Hita amin’ny fiainany mantsy fa mahay mampihatra ny toro lalan’i Jehovah izy ireo. Hoy ny Betelita iray 27 taona, atao hoe Roberto: “Mangataha torohevitra amin’ny olon-dehibe matotra ao amin’ny fiangonanareo, na fiangonana eny akaikinareo.”
I Jehovah Andriamanitra anefa no tena te hanampy anao hanana tanjona tsara. Fantany mantsy izay tena hahasambatra anao. Mivavaha àry mba hanampiany anao ‘hahafantatra hatrany izay sitrapony’ momba ny hoavinao. (Efesianina 5:17) Araho foana ity torohevitra ato amin’ny Ohabolana 3:5, 6 ity: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”
Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay DVD hoe “Manontany ny Tanora—Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?” Misy amin’ny fiteny 30 mahery izy io
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 164.
ANDININ-TENY
‘ “Tsapao toetra aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.” ’—Malakia 3:10.
SOSO-KEVITRA
Miresaha amin’ny olona efa nanompo manontolo andro an-taonany maro. Anontanio azy hoe nahoana izy no nifidy an’io asa io, ary inona no fitahiana azony.
FANTATRAO VE... ?
Mandeha ny fitaovana elektrika rehefa misy elektrisite. Mahavita fanompoana betsaka koa ianao, rehefa mahazo ny fanahy masin’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 1:8.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Ireto ny olona hiresahako mba hahafinaritra ahy kokoa ny manompo: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Inona no zavatra tena hainao?
● Ahoana no azonao ampiasana izany mba hiderana an’i Jehovah?
● Inona no fanompoana manontolo andro noresahina tato, ka tena tianao?
[Teny notsongaina, pejy 313]
Tena midera ny ray aman-dreniko aho. Mazoto manompo foana ry zareo. Hainy ny miatrika fahasahiranana ara-bola. Nampirisika ahy hanompo manontolo andro koa ry zareo. Nisy vokany tsara teo amiko izany rehetra izany.’’—Andry
[Efajoro, pejy 314]
Fanampiana Hisaintsaina
Ny Tanjoko
Asio marika izay tanjona tianao hotratrarina amin’ireo ambany ireo. Raha misy tianao hamboarina kely, na manana tanjona hafa ianao, dia fenoy ny banga eo amin’ny farany.
Fanompoana
□ Hiezaka hanompo adiny ․․․․․ isam-bolana
□ Hametraka gazety ․․․․․ sy boky ․․․․․ ary bokikely ․․․․․ isam-bolana
□ Hampiasa Baiboly rehefa mitory
□ Hanao fiverenana mitsidika ․․․․․ isam-bolana
□ Hanomboka fampianarana Baiboly
Tanjona hafa: ․․․․․
Fianarana Samirery
□ Hamaky ․․․․․ pejy amin’ny Baiboly isan’andro
□ Hanomana ireo fivoriana rehetra isan-kerinandro
□Hanao fikarohana momba ireto foto-kevitra ara-baiboly ireto: ․․․․․
Fiangonana
□ Hanome valin-teny iray, fara fahakeliny, isaky ny fivoriana
□ Hiresaka amin’ny olon-dehibe iray, mba hahalalana azy bebe kokoa
□ Hitsidika mpiara-manompo zokiolona na kilemaina
Tanjona hafa: ․․․․․
Daty Androany
Jereo ity rehefa afaka enim-bolana, ary diniho ny ezaka vitanao. Amboary kely indray ny tanjonao na ampio tanjona vaovao raha ilaina.
[Sary, pejy 312]
Ho very maina ny ezaka ataonao raha tsy manana tanjona ianao