TOKO VOALOHANY
“Efa Nataoko ao Am-bavanao ny Teniko”
1, 2. Nahoana ianao no matoky ny Baiboly?
‘MISY namana mifikitra noho ny rahalahy’, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Ohab. 18:24) Efa nahatsapa an’izany ve ianao? Azo atokisana ny olona tena namana. Mino azy ianao rehefa milaza zavatra tsara izy na manazava izay hataony. Rehefa manitsy anao izy, dia manaiky ianao ary manova an’ilay zavatra tsy mety. Nasehony taminao foana mantsy fa tena miahy anao izy, eny fa na dia rehefa manome torohevitra aza. Tiany hahomby ianao. Manao toy izany aminy koa ianao, ka maharitra ny fisakaizanareo.
2 Namana toy izany ireo lehilahy nampiasain’Andriamanitra hanoratra ny Baiboly. Afaka mino izay ambarany ianao, sady matoky hoe hahasoa anao izay lazainy. Tsy mba toy izany no fiheveran’ny Israelita an’ireo mpaminany, nefa ‘avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’izy ireny, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ (2 Pet. 1:20, 21) I Jeremia no nasain’Andriamanitra hanoratra ny faminaniana lava indrindra. Nanoratra boky telo hafa koa izy, anisan’izany ny Fitomaniana.
3, 4. Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana? Nahoana izany no diso?
3 Mety ho voamarikao anefa fa mieritreritra ny olona sasany hoe tsy mahakasika azy ny boky nosoratan’i Jeremia. Mihevitra angamba izy ireo hoe fampitandremana mampatahotra sy filazana loza fotsiny ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana.a Marina ve anefa izany?
4 Marina fa tsy niolakolaka i Jeremia rehefa nanome fampitandremana sy torohevitra. Tsy manao toy izany koa ve anefa ny namanao indraindray? Na i Jesosy aza tsy niolakolaka nanitsy an’ireo apostoly namany, rehefa nanana toe-tsaina ratsy izy ireo. (Mar. 9:33-37) Na izany aza, dia hafatra mahabe fanantenana no tena nambaran’i Jesosy. Natorony ny fomba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy hananana hoavy sambatra. (Mat. 5:3-10, 43-45) Toy izany koa i Jeremia. Anisan’ny “Soratra Masina iray manontolo” ny boky nosoratany, ka ‘mahasoa mba hanitsiana izay diso.’ (2 Tim. 3:16) Nolazain’i Jeremia mazava tsara ny fiheveran’i Jehovah an’ireo mihambo ho manompo azy, izay mendrika hijinja ny vokatry ny ratsy nataony. Nilaza hafatra mahabe fanantenana koa anefa izy, sady nampiseho ny fomba hananana hoavy sambatra. Nolazainy koa hoe ahoana no fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany, izay mahakasika ny fiainantsika ankehitriny. Ahitana teny mampahery koa ao amin’ireo boky ireo.—Vakio ny Jeremia 31:13, 33; 33:10, 11; Fitomaniana 3:22, 23.
5. Inona no soa raisintsika avy amin’ny boky nosoratan’i Jeremia?
5 Mahakasika ny fahasambarantsika vahoakan’Andriamanitra sy ny fanantenantsika amin’ny hoavy koa ny zavatra nosoratan’i Jeremia. Manampy antsika Kristianina, ohatra, izy ireny mba hiray saina kokoa sy hampihatra ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Ry rahalahy, miezaha foana ianareo hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana, hifanara-tsaina, hiaina amim-pihavanana. Ary ho aminareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!” (2 Kor. 13:11) Misy ifandraisany koa ny hafatra torintsika sy ny zavatra nosoratan’i Jeremia. Na dia mitory momba ny andro farany aza isika, ary mampitandrina fa akaiky ny faran’ity tontolo ity, dia mahabe fanantenana ny hafatra entintsika. Ankoatra izany, dia betsaka amin’ny zavatra nosoratan’i Jeremia sy niainany no mitovy amin’ny zavatra iainantsika, ka manampy antsika amin’ny fiainana andavanandro. Hahita izany isika raha mandinika ny fiainany sy ny asa nanendrena azy. Mpaminany fakan-tahaka mantsy izy, sady nilazan’Andriamanitra hoe: “Efa nataoko ao am-bavanao ny teniko.”—Jer. 1:9.
6, 7. Inona no mampiseho fa niahy manokana an’i Jeremia i Jehovah? Nanao ahoana ny fiainana tao Joda tamin’izy teraka?
6 Matetika ny ray aman-dreny no mieritreritra ny hoavin-janany na dia mbola ao am-bohoka aza ilay zaza. Hanao ahoana ny toetran’izy io? Inona no mety ho asany, ny zavatra tiany, ary ny zavatra ho vitany? Azo inoana fa nieritreritra toy izany koa ny ray aman-drenin’i Jeremia. Niavaka anefa i Jeremia. Nahoana? Satria ny Mpamorona an’izao rehetra izao mihitsy no nieritreritra momba azy sy ny asa hataony.—Vakio ny Jeremia 1:5.
7 Mbola tao an-kibon-dreniny i Jeremia dia efa nodinihin’Andriamanitra. Hitany hoe mety amin’ilay asa ilany azy izy. Tany antenatenan’ny taonjato fahafito T.K.b izany no nitranga, tamin’ny fotoana nanjakan’i Manase, mpanjaka ratsy fanahy. (Jereo ny pejy faha-19.) Tsy nahafinaritra ny fiainana tao Joda tamin’izany. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Manase, saika nandritra ireo 55 taona nanjakany. Nanao toy izany koa i Amona zanany, rehefa nanjaka. (2 Mpanj. 21:1-9, 19-26) Nisy fiovana lehibe anefa rehefa nanjaka i Josia zanak’izy io. Nitady an’Andriamanitra i Josia, ary nahavita namongotra ny fanompoan-tsampy tao Joda tamin’ny taona faha-18 nanjakany. Tsy maintsy ho faly tamin’izany ny ray aman-drenin’i Jeremia, izay anisan’ny fianakaviana mpisorona nipetraka tany avaratr’i Jerosalema. Tao anatin’ny fotoana nanjakan’i Josia ny zanak’izy ireo no notendren’Andriamanitra ho mpaminany.—2 Tan. 34:3-8.
Nahoana ianao no tokony ho liana amin’ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana?
NIFIDY MPITONDRA TENY ANDRIAMANITRA
8. Inona ny asa nanendrena an’i Jeremia, ary nanao ahoana ny fihetseham-pony tamin’izay?
8 Tsy fantatsika hoe firy taona i Jeremia rehefa nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Notendreko ho mpaminany ho an’ireo firenena ianao.” Efa ho 25 taona angamba izy, satria amin’izay ny mpisorona no manomboka ny asany. (Nom. 8:24) Na firy taona anefa izy na firy taona, dia izao no navaliny: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza ihany.” (Jer. 1:6) Nisalasala izy satria nieritreritra angamba hoe mbola tanora loatra, na tsy ho hainy ny hanao ny andraikitra lehibe ankinina amin’ny mpaminany sy hiteny eny imasom-bahoaka.
9, 10. Tamin’ny fotoana nanao ahoana i Jeremia no nanomboka naminany? Nahoana no nampahatahotra izany asany izany tatỳ aoriana?
9 Tamin’ny fotoana nanesoran’i Josia Mpanjaka ny fivavahan-diso sy nampiroboroboany ny fivavahana marina no voatendry haminany i Jeremia. Tsy fantatsika hoe nifandray be ve i Jeremia sy Josia sa tsia, fa ny azo antoka dia hoe afaka nanao tsara ny asany ny mpaminanin’i Jehovah tamin’izany. Naminany tany Joda i Zefania sy Nahoma tamin’ireo taona voalohandohany nanjakan’i Josia.c Tamin’ny andron’i Josia koa i Holda mpaminanivavy no nanao ny asany, saingy nanambara loza. Niaina nandritra izany loza izany i Jeremia, ary nisy fotoana izy saika niharan-doza. (2 Mpanj. 22:14) Soa ihany fa novonjen’i Ebeda-meleka sy Baroka namany izy, ary narovan’izy ireo tamin’ny fahavalo te hamaly faty.
10 Ahoana raha milaza aminao Andriamanitra hoe notendreny haminany ianao ka hanambara hafatra henjana? (Vakio ny Jeremia 1:10.) Diniho ny hafatra tsy maintsy nambaran’i Jeremia, rehefa nitady hanafika an’i Jerosalema ny Babylonianina tamin’ny 609 T.K. Te handre hafatra tsara i Zedekia Mpanjaka, nefa hafatra nifanohitra tamin’izany no nasain’Andriamanitra nolazain’i Jeremia.—Vakio ny Jeremia 21:4-7, 10.
OLONA TOA ANTSIKA
11. Nahoana no mety ho sarotra tamin’i Jeremia ny nanatanteraka ny asany? Inona no nampahery azy?
11 Ahoana raha tsy maintsy manambara didim-pitsarana henjana amin’ny mpanjaka ratsy fanahy sy mpisorona tia kolikoly ary mpaminany sandoka isika? Nanao toy izany i Jeremia, ary nampian’i Jehovah. (Jer. 1:7-9) Natoky azy i Jehovah, ka nampahery azy hoe: “Ankehitriny, dia ataoko toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina ianao mba hiatrehanao ilay tany manontolo, dia ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny andrianany, sy ny mpisorony ary ny vahoakany. Tsy maintsy hiady aminao ireo, nefa tsy haharesy anao, satria ‘momba anao aho, mba hanafaka anao.’ ” (Jer. 1:18, 19) Afaka mahazo antoka àry isika fa hanohana antsika koa i Jehovah.
12. Inona no itovizantsika amin’i Jeremia?
12 Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe olona hafakely i Jeremia. Olona toa antsika ihany izy. Niatrika toe-javatra mitovy amin’ny antsika izy, na dia velona tamin’ny andro fahiny aza. Tsy maintsy nifanerasera tamin’ny olona nanodidina azy i Jeremia, toa antsika mifanerasera amin’ny olona isan-karazany eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy rehefa manao ny asan’ny fiangonana. Betsaka àry ny azontsika ianarana avy amin’i Jeremia, izay “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany” tsy misy hafa amin’i Elia mpaminany. (Jak. 5:17) Andeha isika handinika vitsivitsy amin’izany.
13, 14. Inona no tsapan’i Jeremia rehefa nampijalin’i Pasora, araka ny aseho an-tsary eo amin’ny pejy faha-10? Rahoviana ny Kristianina no mety ho kivy toa azy?
13 Efa nisy zavatra ratsy ve nitranga teo amin’ny fiainanao? Efa toy izany koa i Jeremia. Nikapoka azy i Pasora, mpisorona nitana andraikitra lehibe, ary nangeja azy tamin’ny boloky hazo. Voageja nandritra ny ora maro ny tongony sy ny tanany ary ny tendany. Voatery nivonkina izy ka nanaintaina. Tsy maintsy niaritra ny fanesoan’ireo mpanohitra koa izy. Ho zakanao ve raha ianao no misy manaratsy sy maneso, na misy mampijaly toy izany?—Jer. 20:1-4.
14 Tsy mahagaga raha nilaza i Jeremia hoe: “Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! ... Nahoana re aho no nivoaka avy tao an-kibo e, mba hisasatra sy ho vonton’alahelo toy izao, ka hifarana amin-kenatra ny androm-piainako?” (Jer. 20:14-18) Hain’i Jeremia tsara hoe hoatran’ny ahoana izany kivy be. Efa kivy be koa ve ianao? Mety ho nieritreritra ianao tamin’izay hoe: ‘Tena misy ilana ahy ve? Mba misy dikany ve ny zavatra ataoko? Mbola misy antony tokony hanompoako an’i Jehovah ve?’ Raha efa nihatra taminao izany, dia handray soa ianao raha mahafantatra tsara izay nanjo an’i Jeremia sy ny hoe nanao ahoana izy tamin’ny farany.
Inona no nanaitra anao tamin’ny asa nanendren’i Jehovah an’i Jeremia? Inona no nitranga tamin’i Jeremia ka mety hitovy amin’izay mitranga aminao?
15. Nahoana no mahasoa antsika ny mahafantatra hoe niovaova indraindray ny fihetseham-pon’i Jeremia?
15 Hitantsika tao amin’ny Jeremia 20:14-18 fa kivy be ilay mpaminany. Vao avy nilaza anefa izy talohan’izay hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah! Miderà an’i Jehovah!” (Vakio ny Jeremia 20:12, 13.) Mora miovaova koa ve indraindray ny fihetseham-ponao? Falifaly be ianao, nefa kivy avy eo. Toy izany koa i Jeremia. Nanana fihetseham-po mitovy amin’ny antsika izy, ary ara-dalàna ireny fihetseham-po ireny. Handray soa be dia be àry isika, raha mandinika ny nataon’i Jeremia, ilay nampiasain’Andriamanitra ho mpitondra teniny.—2 Tan. 36:12, 21, 22; Ezra 1:1.
16. Mety hahakasika an’iza ny tantaran’i Jeremia?
16 Mahaliana koa fa nomen’Andriamanitra toromarika hafakely i Jeremia, ary angamba sarotra notanterahina ilay izy. Nilaza taminy i Jehovah mba tsy hanambady. (Vakio ny Jeremia 16:2.) Nahoana? Inona no vokatr’izany taminy? Tsy manambady toa an’i Jeremia ny rahalahy sy anabavy sasany. Mety ho izy no nisafidy izany, na noho ny toe-javatra misy azy. Inona amin’ny tantaran’i Jeremia no mety hanampy azy ireo? Misy zavatra tokony hosaintsainin’ny Vavolombelona manambady ve amin’io toromarika io? Ary ahoana ny amin’ireo mpivady tsy ‘manan-janakalahy na zanakavavy’? Mety hanampy anao ny tantaran’i Jeremia.
17. Inona no mety hoeritreretintsika rehefa mamaky ny Jeremia 38:20?
17 Misy zavatra hafa mahaliana koa nataon’i Jeremia. Niangavy ny mpanjakan’ny Joda izy hoe: “Mba ankatoavy re ny tenin’i Jehovah lazaiko aminao e! Dia hahita soa ianao ary ho velon’aina.” (Jer. 38:20) Misy tari-dalana tsara momba ny fifandraisana amin’ny hafa ao amin’io fitantarana io. Anisan’izany ny fifandraisana amin’ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah nefa mety ho azontsika ampiana. Modely ho antsika koa ny fifandraisan’i Jeremia tamin’ireo nankatò an’Andriamanitra. Be dia be tokoa ny zavatra azo ianarana avy amin’i Jeremia.
INONA NO HO HITANAO ATO?
18, 19. Ahoana no fomba azo andinihana ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana?
18 Hanampy antsika ity boky ity mba haka lesona avy amin’ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana. Nanoratra toy izao i Paoly rehefa nahazo ny fanahy masina: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Tim. 3:16) Anisan’izany ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana.
19 Maro ny fomba azo andinihana an’ireo boky ireo mba handraisantsika soa. Afaka mianatra azy ireo isan’andininy isika, sady atao izay hahazoana ny hevitry ny teny manodidina. Azo atao koa ny mampitaha ny olona na ny toe-javatra nisy tamin’izany, amin’ny zava-misy amin’ny androntsika. (Ampitahao amin’ny Jeremia 24:6, 7; 1 Korintianina 3:6.) Afaka mamantatra ny zava-nisy ara-tantara niainan’i Jeremia koa isika. (Jer. 39:1-9) Ilaintsika ny fanazavana sasany amin’ireo, ka horesahina ao amin’ny Toko faha-2, amin’ny ambangovangony, ny zava-nisy tamin’ny andron’i Jeremia sy izay nataon’Andriamanitra tamin’izany.
20. Inona no tena horesahin’ity boky ity?
20 Hafa mihitsy anefa ny tena horesahin’ity boky ity. Aseho ato fa fanomezana nomen’Andriamanitra antsika ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana, mba hanampiana antsika hanana fomba fiaina kristianina. (Tit. 2:12) Ho hitantsika fa misy fanazavana “mahasoa” be dia be ao amin’ireo boky ireo, “mba hampianarana” antsika. Misy ohatra fakan-tahaka sy torohevitra azo ampiharina ao. Hanampy antsika hahay hiatrika zava-tsarotra izy ireny, na manambady isika na tsia, na anti-panahy, na mpisava lalana, na mamelona fianakaviana, na mikarakara tokantrano, na mbola mianatra. Misy fanampiana omen’Andriamanitra ao amin’ireo boky ireo, mba hahatonga antsika ho ‘ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra.’—2 Tim. 3:17.
21. Nahoana no tsy andrinao izay hianarana an’ity boky ity?
21 Jereo izay hevitra azonao ampiharina, rehefa mandinika ny toko tsirairay ianao. Azo antoka fa hanamafy an’ity tenin’i Paoly ity ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Rom. 15:4.
Inona no ho hitanao ao amin’ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana, ka azonao ampiharina amin’ny fiainana andavanandro?
a Manana teny mifandray amin’ny hoe Jeremia ny firenena sasany, ary midika hoe “fitarainana sy fanamelohana” na “kabary feno hatezerana” izy io. Nampiasa an’io teny io Ny Gazetin’i Washington (anglisy) mba hilazana ny filma iray mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny toetrandro.
b Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy.”
c Mpaminany niara-belona tamin’i Jeremia koa i Habakoka, Obadia, Daniela, ary Ezekiela. Efa naminany nandritra ny 40 taona teo ho eo i Jeremia no noravana i Jerosalema (607 T.K.). Mbola velona izy 20 taona mahery taorian’izay.