TOKO FAHA-4
Tandremo fa Mamitaka ny Fo
1, 2. Nahoana no sarotra ny mamantatra ny tena toe-pontsika?
AOKA atao hoe mbola matory eo am-pandriana ianao amin’ny maraina, ary mandre hoe misy manaintaina be eo amin’ny tratranao, ka tsy avy miaina ianao. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Sao dia mba voan’ny aretim-po àry aho?’ Tsy mety raha avelanao fotsiny amin’izao ilay izy, fa tsy maintsy manao zavatra haingana ianao. Mety hamonjy dokotera avy hatrany ianao. Hizaha tsara ny fahasalamanao izy, ary angamba hamantatra ny fitepon’ny fonao. Mety tsy ho faty ianao raha voatsabo haingana.
2 Mila mandinika ny toe-pontsika koa isika, mba ho salama ara-panahy foana. Mety ho sarotra anefa izany, satria hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?” (Jer. 17:9) Mety hamitaka antsika ny fo, ka na dia efa manana olana aza isika, dia mety hieritreritra hoe tsy misy na inona na inona. Ny hafa anefa mety ho efa mahatsikaritra zavatra hafahafa ka manahy. Fa nahoana isika no mety ho voafitaka? Satria tsy lavorary isika. Eo koa i Satana sy ity tontolo ity, izay misakana antsika tsy hahita ny tena toe-pontsika. Hofakafakaintsika àry ny zavatra nataon’i Jeremia sy ny olona tao Joda, satria hanampy antsika handinika ny fontsika izany.
3. Inona avy no lasa andriamanitry ny olona maro?
3 Nanana toe-po ratsy ny ankamaroan’ny olona tao Joda. Nivadika tamin’ilay tena Andriamanitra izy ireo, ka nanompo ny andriamanitry ny Kananita. Tsy mba nenjehin’ny eritreriny akory izy ireo. Hoy àry i Jehovah: “Aiza ireo andriamanitra nataonareo? Aoka ireny no hitsangana raha mahavonjy anareo amin’ny fotoana mahory anareo. Fa mitovy isa amin’ny tanànanareo ny andriamanitrareo!” (Jer. 2:28) Ary ahoana isika? Tsy hisy hieritreritra aloha isika hoe manompo andriamani-kafa. Milaza anefa ny diksionera iray fa ny atao hoe “andriamanitra” dia “olona na zavatra heverina ho sarobidy indrindra.” Ny asa, ny fahasalamana, na ny fianakaviana no zava-dehibe indrindra amin’ny olona maro. Ny an’ny hafa indray dia ny fanatanjahan-tena, ny vakansy, ny fanarahana fomban-drazana, ny fananana fitaovana nivoaka farany. Misy koa tia tafahoatra an’ireny olo-malaza ireny. Maro no variana be amin’izany, ka afoiny hatramin’ny fifandraisany amin’ny Mpamorona. Mety hanjo ny tena Kristianina koa ve izany, toy ny efa nanjo ny olona tao Joda?
MAMITAKA NY FO
4. Nahoana no azo lazaina hoe tsy tena nitady ny tenin’i Jehovah ny olona tao Joda?
4 Mahaliana ny teny manodidina an’ilay andinin-teny milaza hoe: ‘Mamitaka ny fo.’ Nilaza ny olona tao Joda hoe: “Aiza ihany izay tenin’i Jehovah eo? Aoka ho tanteraka amin’izay izany!” (Jer. 17:15) Tsy tena nitady ny tenin’i Jehovah anefa izy ireo. Izao mantsy no voalaza eo am-piandohan’io toko io: “Voasoratra amin’ny penina vy ny fahotan’ny Joda, sady vita sokitra amin’ny fantsika diamondra, eo amin’ny fon’izy ireo.” Ny tena olana dia hoe: ‘Natoky olona’ izy ireo, ‘niantehitra tamin’ny sandry nofo’, ary ‘niala tamin’i Jehovah ny fony.’ Nisy olona vitsivitsy kosa anefa natoky an’Andriamanitra, ka nangataka tari-dalana sy fitahiana taminy.—Jer. 17:1, 5, 7.
5. Ahoana no nataon’ny mpiray tanindrazana tamin’i Jeremia, rehefa nanome toromarika i Jehovah?
5 Hita tamin’ny fomba nandraisan’ny Jiosy ny toromarik’i Jehovah ny tena tao am-pon’izy ireo. (Vakio ny Jeremia 17:21, 22.) Tokony hiala sasatra, ohatra, izy ireo rehefa Sabata, ka hanajanona ny asa fanaony andavanandro. Ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana izy ireo amin’izay. Tsy tokony hanao raharaham-barotra na hivezivezy etsy sy eroa izy ireo. “Tsy nihaino anefa” ny ankamaroany “na nanongilan-tsofina.” “Nanamafy hatoka” izy ireo “ka tsy nihaino na nandray anatra.” Fantatr’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra, nefa te hanao izay tiany izy, ka nieritreritra fa mba manan-katao izy rehefa Sabata.—Jer. 17:23; Isaia 58:13.
6, 7. a) Inona no mety hoeritreretin’ny Kristianina iray, na dia eo aza ny torohevitra avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana? b) Inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny famonjena fivoriana?
6 Tsy voatery mitandrina ny Sabata isika izao. Azontsika akana lesona anefa ny fihetsik’ireo Jiosy ireo, izay nahitana hoe nanana toe-po ratsy izy ireo. (Kol. 2:16) Mety ho voafitaka koa mantsy isika. Marina fa mampandefitra ny zavatra tiantsika sy mahazatra antsika isika mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Tsapantsika fa tena hadalana ny hoe isika ihany no mifidy izay fomba hampifaliana an’Andriamanitra. Mahafantatra olona maro mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra koa isika, ary fantatsika fa tena mamelombelona azy ireo izany. Mila mitandrina anefa isika.
7 Voafitaky ny fony ny olona tao Joda, ka mety hanjo antsika koa izany. Mety ho diso hevitra mantsy ny Kristianina iray, ka hihevitra hoe tsy hamitaka azy mihitsy ny fony. Mety hieritreritra, ohatra, ny lehilahy iray hoe tsy maintsy manana asa izy, mba hamelomana ny fianakaviany. Ara-dalàna izany! Mety hieritreritra àry izy hoe mila manao fianarana fanampiny mba hahazoana asa tsara karama na hitazonana ny asany. Mety ho ara-dalàna koa izany. Mety ho tonga ao an-tsainy àry ny hoe: ‘Efa hafa ny fiainana izao. Mila mianatra eny amin’ny oniversite aho na manao fianarana ambony hafa. Raha tsy izany dia tsy ho tafavoaka mihitsy aho sady tsy ho voatazoko ny asako.’ Ho mora erỳ amin’izay ny hanamaivana ny torohevitra tsara sy voalanjalanja omen’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina momba ny fianarana ambony, ka hanomboka hanapatapaka fivoriana. Namolavola tsikelikely ny toe-tsain’ny olona sasany ny fomba fihevitr’ity tontolo ity momba ny fianarana ambony. (Efes. 2:2, 3) Mety tsara àry ny fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.”—Rom. 12:2.a
Namitaka anao ve ny fonao, ka lasa manapatapaka fivoriana ianao?
8. a) Inona no azon’ny Kristianina ireharehana? b) Nahoana no tsy ampy ny hoe mahalala zavatra sasany momba an’Andriamanitra?
8 Nanan-karena ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ary angamba nanana toerana ambony. Misy Kristianina toy izany koa ankehitriny. Ahoana no tokony hiheveran’izy ireny ny zava-bitany? Ary ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? Mamaly an’izany i Jehovah amin’ny alalan’i Jeremia. (Vakio ny Jeremia 9:23, 24.) Tsy tokony hirehareha amin’ny zava-bitan’ny olombelona isika raha hendry, fa hanaiky kosa hoe ny fahafantarana an’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao no zava-dehibe indrindra. (1 Kor. 1:31) Tsy midika fotsiny hoe mahalala zavatra momba an’i Jehovah anefa ny hoe mahafantatra azy. Toy izany mantsy ny olona tamin’ny andron’i Jeremia. Nahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy ireo. Fantany koa ny nataon’i Jehovah mba hamonjena ny razamben’izy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena sy rehefa niditra ny Tany Nampanantenaina. Fantany koa ny tamin’ny andron’ny Mpitsara sy ny tamin’ny andron’ireo mpanjaka tsy nivadika. Na izany aza, dia tsy ‘nahafantatra tsara an’i Jehovah’ izy ireo, sady tsy naneho finoana azy. Nilaza anefa izy ireo hoe: “Tsy manan-tsiny aho, ka tsy tezitra amiko intsony [Andriamanitra].”—Jer. 2:35.
Nahoana isika no tena mila manaiky hoe mamitaka ny fo? Ahoana no fomba handinihantsika ny fontsika? I Jehovah no Mpandinika ny fo, ka ahoana no hahalalantsika ny fiheverany antsika?
NY FOMBA AMOLAVOLAN’I JEHOVAH ANTSIKA
Avelanao hamolavola anao ve i Jehovah?
9. Nahoana isika no matoky fa azo atao ny miova, ary inona no tokony hatao raha te hiova?
9 Nila nanova ny toe-pony ireo Jiosy nitorian’i Jeremia. Afaka nanao izany izy ireo, satria hoy Andriamanitra momba an’ireo Jiosy hiverina avy any amin’ny fahababoana: ‘Homeko fo mahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah. Dia ho oloko izy ireo ary izaho ho Andriamaniny, satria hiverina amiko izy ireo.’ (Jer. 24:7) Afaka miova koa isika. Afaka manatsara ny toe-pontsika ny ankamaroantsika. Amin’ny fomba ahoana? Mila mianatra tsara isika rehefa manao fianarana samirery, mila mamantatra ny fomba itarihan’i Jehovah ny fiainantsika, ary mampihatra izay ianarantsika. Tsy hanahaka an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia isika. Irintsika kosa ilay Mpandinika ny fo mba handinika ny fontsika. Hanampy antsika handinika ny fontsika ny fandinihana ny Baiboly sy izay nataon’i Jehovah ho antsika. (Sal. 17:3) Tena hendry isika raha manao izany!
10, 11. a) Nahoana i Jeremia no nankany amin’ny mpanefy tanimanga? b) Ahoana no amolavolan’i Jehovah ny olona?
10 Tian’i Satana hovolavolaina mba hitovy ny olona rehetra. Andriamanitra kosa anefa mamolavola ny olona tsirairay, arakaraka ny maha izy azy. Mampiseho an’izany ity zavatra hitan’i Jeremia ity: Nasain’Andriamanitra nankany amin’ny mpanefy tanimanga izy indray andro. Niasa teo amin’ny milina fanefeny tanimanga ilay mpanefy. Simba anefa ilay zavatra nataony. Novany ho zavatra hafa fotsiny àry ilay tanimanga, izay mbola mando. (Vakio ny Jeremia 18:1-4.) Nahoana i Jeremia no nasaina hijery an’izany, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
11 Tian’i Jehovah haseho amin’i Jeremia sy ny Israelita fa manana zo hamolavola ny olona sy ny firenena araka izay tiany izy. Tsy mba manao diso toy ny olona manefy tanimanga anefa izy, na mamotika ny asany tsy amin’antony. Ahoana àry no fomba amolavolany ny olona? Arakaraka ny fihetsiky ny olona iray mandritra ny amolavolany azy no ataony aminy.—Vakio ny Jeremia 18:6-10.
12. a) Ahoana no nataon’i Joiakima rehefa namolavola azy i Jehovah? b) Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Joiakima?
12 Ny Baiboly no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’i Jehovah, mba hamolavolana ny olona. Rehefa mamaky ny Teniny ny olona dia mety hampihatra na tsia. Ho hita amin’izany ny maha izy azy, ary afaka mamolavola azy i Jehovah. Hijery ohatra iray isika, dia ny namolavolany an’i Joiakima Mpanjaka. Milaza ny Lalàna fa tsy azo atao ny ‘manambaka mpikarama.’ Nohararaotiny anefa ireo Israelita nanorina “trano lehibe” ho azy, ka tsy nomeny karama. (Deot. 24:14; Jer. 22:13, 14, 17) Nanandrana namolavola azy àry Andriamanitra, ka naniraka mpaminany mba hampita ny teniny. Hoy anefa izy: “Tsy hankatò aho”, ary izay nataony hatramin’ny fahazazany ihany no nataony. Mamitaka ny fo nefa izay nahafinaritra ny fony no nataony. Hoy àry Andriamanitra: “Halevina toy ny fandevina ampondra izy, ka hotaritaritina sy hatsipy any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.” (Jer. 22:19, 21) Hadalana koa raha tsy mety miova isika, ka hiteny hoe: ‘Izaho efa izao mihitsy!’ Tsy maniraka mpaminany intsony i Jehovah ankehitriny. Manome tari-dalana anefa izy. Mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy, mba hanoro antsika ny toro lalan’ny Baiboly sy ny fomba hampiharana azy ireny. Mety hahakasika ny fiainantsika andavanandro ilay izy, ohatra hoe ny fitafiana sy taovolontsika, na ny mozika sy ny dihy ataontsika rehefa misy mariazy na fiaraha-mikorana. Hanaiky hovolavolain’ny Tenin’Andriamanitra ve isika amin’izay?
13, 14. a) Nahoana ireo Jiosy no nanaiky hanafaka ny mpanompony? b) Inona no zava-nitranga nampiharihary ny tao am-pon’ireo Jiosy ireo?
13 Ity koa misy ohatra. Teo ambany fahefan’ny Babylonianina i Zedekia mpanjakan’ny Joda. Nikomy anefa izy fa tsy nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jeremia. (Jer. 27:8, 12) Nataon’ny Babylonianina fahirano àry i Jerosalema. Tsapan’i Zedekia sy ny andriana tao Joda, fa mila mankatò ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo mba hahazo sitraka aminy sy harovany. Nasain’i Zedekia nampiharina àry ilay Lalàna hoe: Hafahana ny mpanompo hebreo amin’ny taona fahafito nanompoany. (Eks. 21:2; Jer. 34:14) Efa voahodidina fahavalo i Jerosalema, vao mailaka erỳ ry zareo hankatò ny Lalàna!—Vakio ny Jeremia 34:8-10.
14 Tonga hanampy an’i Jerosalema ny Ejipsianina taorian’izay, ka lasa ny Babylonianina. (Jer. 37:5) Inona no nataon’ny Jiosy ho setrin’izany? Noteren’izy ireo hiverina indray ireo mpanompo efa nafahany. (Jer. 34:11) Hita amin’izany fa nankatò an’Andriamanitra ny Jiosy rehefa notandindomin-doza, satria nihevitra izy ireo fa hanonitra ny tsy mety nataony izany. Rehefa lasa indray ny loza dia niverina nanao ratsy izy ireo. Na dia nankatò ny Lalàna àry izy ireo, dia hita tamin’ny zavatra nataony taorian’izay fa tsy te hanaraka ny Tenin’Andriamanitra izy ireo no sady tsy te hovolavolain’izy io.
Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra nosoratan’i Jeremia momba ilay mpanefy tanimanga? Ahoana no fomba amolavolan’i Jehovah antsika?
MANEKE HOVOLAVOLAIN’I JEHOVAH
15. Inona no tokony hataonao, raha manaiky hovolavolain’i Jehovah ianao? Manomeza ohatra.
15 Manampy antsika hahalala ny toro lalan’ny Baiboly ny fandaharana ataon’ny fandaminana. Fantatsika, ohatra, ny tokony hataontsika raha misy mpiara-manompo mampahatezitra antsika. (Efes. 4:32) Manaiky isika fa marina sy feno fahendrena ny torohevitry ny Baiboly. Ho karazana tanimanga manao ahoana anefa isika, rehefa mitranga izany? Hanaiky hovolavolain’i Jehovah ve isika? Raha mora volavolaina ny fontsika, dia hiova isika, ary hovolavolain’ilay Mpanefy Tanimanga ho lasa fitaovana mahasoa kokoa. (Vakio ny Romanina 9:20, 21; 2 Timoty 2:20, 21.) Tsy tokony hanana toe-po ratsy toa an’i Joiakima sy ireo Jiosy nanana mpanompo isika, fa hanaiky hovolavolain’i Jehovah ho fitaovana hampiasaina amin-javatra mendri-kaja.
16. Inona no zava-dehibe nolazain’i Jeremia momba ny olombelona?
16 Novolavolain’i Jehovah koa na dia i Jeremia aza. Ahoana no nandraisan’i Jeremia izany? Niaiky izy hoe: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ Niangavy izy avy eo hoe: “Ahitsio aho, Jehovah ô.” (Jer. 10:23, 24) Hanahaka an’i Jeremia ve ianareo ry tanora? Maro ny fanapahan-kevitra horaisinareo. Te “hitondra samirery ny fiainany” anefa ny tanora sasany. Ary ianao? Hitady ny tari-dalan’Andriamanitra ve ianao rehefa hanapa-kevitra? Hanetry tena toa an’i Jeremia ve ianao ka hanaiky fa tsy mahavita mitondra samirery ny fiainany ny olona? Tadidio fa hamolavola anao Andriamanitra raha mitady ny tari-dalany ianao.
17-19. a) Nahoana i Jeremia no nanao dia lavitra nankany Eofrata? b) Nahoana no mety ho sarotra tamin’i Jeremia ny nankatò? d) Nanampy an’i Jehovah hanao inona ny fankatoavan’i Jeremia ny toromarika momba an’ilay fehikibo?
17 Ho nankatò ny toromarik’i Jehovah rehetra ve ianao raha ianao no Jeremia? Nirahin’i Jehovah haka fehikibo vita amin’ny lamba rongony izy indray mandeha, ary nasainy nanaovany ilay izy. Nirahiny hankany amin’ny Reniranon’i Eofrata izy avy eo, izay lalana 500 kilaometatra eo ho eo. Nasainy nafenin’i Jeremia tao an-tsefatsefaky ny harambato ilay fehikibo, ary nasainy niverina tany Jerosalema izy. Nirahiny haka an’ilay fehikibo indray anefa izy tatỳ aoriana. (Vakio ny Jeremia 13:1-9.) Nandeha an-tongotra 1 900 kilaometatra teo ho eo i Jeremia raha atambatra. Tsy mino ireo mpitsikera ny Baiboly hoe nanao dia lavitra toy izany nandritra ny volana maro izy.b (Ezra 7:9) Izany mihitsy anefa ilay toromarik’Andriamanitra, ary izay no nataon’i Jeremia.
18 Alao sary an-tsaina ilay mpaminany namakivaky ny tendrombohitr’i Joda, ary angamba nandalo tany efitra, mba hanafina fotsiny an’ilay fehikibo! Tsy maintsy ho gaga ny mpiray tanàna taminy tsy nahita azy ela be, sady rehefa niverina izy dia tsy teny aminy ilay fehikibo. Nasaina nanao dia lavitra indray anefa izy avy eo mba haka an’ilay fehikibo, izay efa simba sady “tsy azo natao na inona na inona intsony.” Mety ho mora erỳ àry ny hieritreritra hoe: ‘Tafahoatra loatra izany iraka izany, sady tsisy dikany mihitsy!’ Tsy nieritreritra toy izany anefa i Jeremia, satria efa novolavolain’i Jehovah. Tsy nitaraina izy fa nankatò.
Nahoana isika no tokony hankatò ny toromarik’i Jehovah, na dia tsy azontsika tsara aza ilay izy?
19 Efa taorian’ilay dia faharoa vao nanome fanazavana Andriamanitra. Hampiasainy mba hampitana an’izao hafatra mafonja izao ny zavatra nataon’i Jeremia: “Ho sahala amin’io fehikibo tsy azo atao na inona na inona io koa ity vahoaka ratsy toetra ity, izay mandà tsy hankatò ny teniko, sy mandeha araka ny ditran’ny fony, ary manaraka andriamani-kafa mba hanompo an’ireny sy hiankohoka eo anatrehany.” (Jer. 13:10) Miavaka tokoa izany fomba fampianaran’i Jehovah izany! Nandray anjara tamin’ny ezaka nataon’i Jehovah mba hanohinana ny fon’ny olona i Jeremia, rehefa nankatò tamin’ny fony na dia tamin-javatra toa tsy misy dikany aza.—Jer. 13:11.
20. Nahoana no mety hahagaga ny olona sasany ny fankatoavanao? Nahoana anefa ianao no tokony hankatò foana?
20 Tsy irahina handeha lavitra hanafina fehikibo toy izany ny Kristianina ankehitriny. Mety hahagaga ny mpiara-monina na ny mpiara-miasa amintsika anefa ny fomba fiaina arahintsika. Mety hanakiana antsika mihitsy aza izy ireny. Mety ho ny fitafiana sy ny taovolontsika no mahatonga izany, na ny fianarana na ny asa fidintsika, na ny fiheverantsika ny zava-pisotro misy alkaola. Na eo aza anefa izany, mbola tapa-kevitra hankatò an’Andriamanitra toa an’i Jeremia ve ianao? Raha mamela an’i Jehovah hamolavola ny fonao ianao, dia ho afaka hanao safidy tsara. Ho afaka hitory ianao amin’izay. Na ahoana na ahoana anefa, dia mahasoa foana ny mankatò ny tari-dalana omen’i Jehovah ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Tena afaka manahaka an’i Jeremia ianao, fa tsy voatery hobaikoin’ny fo mamitaka. Aoka àry ianao hanaiky hovolavolain’i Jehovah ho fitaovana mendri-kaja, mba ho azony ampiasaina foana.
Nahoana isika no tena mila manohitra an’i Satana sy ny fontsika tsy lavorary ary ity tontolo ity?
a Misy fanamarihana ambany pejy manazava an’ilay hoe ‘manaiky hovolavolain’ity tontolo ity’, ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Anglisy Vaovao (2005). Voalaza ao fa “mety ho fanahy inianao no mahatonga anao ho voavolavolan’ity tontolo ity, nefa mety tsy ho fanahy inianao koa ka tsy tsapanao akory. Mety ho izy roa mitambatra koa anefa.”
b Misy mihevitra hoe toerana akaikikaiky no nandehanan’i Jeremia fa tsy tany amin’ny Reniranon’i Eofrata. ‘Mihevitra an’izany izy ireo’, hoy ny manam-pahaizana iray, ‘satria fotsiny hoe tsy mora ny hiverina indroa any Eofrata, ka tsy ho vitan’i Jeremia.’