FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 2 p. 4-5
  • Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Atao hoe Tena Finoana?
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no hananana ny tena finoana?
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mety hanampy anao ny tena finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Finoana: Ilay Toetra Manome Hery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • “Ampitomboy ny Finoanay”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 2 p. 4-5

FIZARANA 2

Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Lehilahy iray mijery an’ilay vola eny an-tanany

Toy ny vola ny finoana, ka tsy misy vidiny raha tsy tena izy

MARO no mino fa misy Andriamanitra. Tsy izany fotsiny anefa no atao hoe tena finoana. Olona an-tapitrisany mantsy no mino an’Andriamanitra, nefa minia manao ratsy. Azo oharina amin’ny vola sandoka ny finoana toy izany, satria toy ny tena izy nefa tsy misy vidiny. Inona àry no atao hoe tena finoana?

Mifototra amin’ny fahalalana marina tsara ny tena finoana. Ny Soratra Masina no milaza ny marina momba an’Andriamanitra, ary manampy antsika hahalala azy. Hita ao ny lalàny sy ny fikasany, ary koa ny fampianarany, anisan’izany ireto:

  • Tokana Andriamanitra. Tsy misy mitovy aminy.

  • Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy, fa mpaminanin’Andriamanitra.

  • Melohin’Andriamanitra rehefa mety ho fanompoan-tsampy.

  • Hiatrika andro fitsarana isika olombelona.

  • Hisy olona maro be hatsangana amin’ny maty, ka hiaina ao amin’ny Paradisa.

Mandrisika hanao ny tsara ny tena finoana. Mahazo voninahitra Andriamanitra ary mandray soa ny tenantsika sy ny hafa, rehefa manao ny tsara isika, ohatra hoe

  • manompo an’Andriamanitra.

  • miezaka hanana toetra tsara, indrindra fa ny fitiavana.

  • miady mafy mba tsy haniry na hieritreritra zava-dratsy.

  • matoky an’Andriamanitra foana, na dia misy olana aza.

  • mampianatra ny hafa momba an’Andriamanitra.

Fianakaviana iray mitondra sakafo ho an’ny vehivavy zokiolona iray

Mandrisika hanao ny tsara ny tena finoana

Ahoana no hananana ny tena finoana?

Lehilahy iray manao fanatanjahan-tena

Toy ny hozatra ny finoana, ka mihamatanjaka rehefa ampiasaina

Mangataha ny fanampian’Andriamanitra. Nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra i Mosesy mpaminany: “Mba ampahafantaro ahy re ny lalanao, hahafantarako anao ka hahazoako sitraka aminao e!”a Nohenoin’Andriamanitra izy, ka nanjary nanana finoana niavaka. Hanampy anao hanana ny tena finoana koa Andriamanitra.

Manokàna fotoana hianarana ny Soratra Masina. Anisan’ny Soratra Masina ny Torah sy ny Salamo ary ny Filazantsara, izay samy hita ao amin’ny Baiboly Masina. Ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra sy miely indrindra eran-tany. Misy anananao ve ireo soratra masina ireo?

Ampiharo eo amin’ny fiainanao ny torohevitry ny Soratra Masina. Toy ny hozatra ny finoana, ka mihamatanjaka rehefa ampiasaina. Hatanjaka koa ny finoanao raha asehonao amin’ny ataonao. Ianao mihitsy no hahita fa mahasoa ny torohevitr’Andriamanitra. Olona maro dia maro no nanaraka ny torohevitry ny Soratra Masina, ka nihatsara ny fiainany. Hahita ohatra momba izany ianao ato.

a Eksodosy 33:13.

Ahoana no Havalinao?

  • Mifototra amin’ny inona ny tena finoana?

  • Mandrisika antsika hanao zavatra tsara inona avy ny tena finoana?

  • Inona no azonao atao mba hananana ny tena finoana?

Arovan’Andriamanitra ny Teniny

Azo antoka fa narovan’Andriamanitra ny Soratra Masina mba hitovy amin’ilay tany am-boalohany ihany no ananantsika ankehitriny. Mahery Indrindra izy ka mahavita miaro ny bokiny. Hoy ny Teniny: “Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Isaia 40:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara