FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lf fanontaniana 4 p. 22-29
  • Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?
  • Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HITA FA DISO HEVITRA I DARWIN
  • INONA NO HITA AVY AMIN’NY FÔSILY?
  • “POROFO” MAMPISALASALA
  • INONA NO HITA AMIN’IREO “SARY”?
  • Evolisiona
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Tena Marina ve ny Evolisiona?
    Mifohaza!—2006
  • Aoka isika hiaro ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Miatrika Fitsarana ny Fivoarana Miandalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina
lf fanontaniana 4 p. 22-29

FANONTANIANA 4

Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?

Sarina hazo nampiasain’i Charles Darwin mba hanazavana fa iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra

Nihevitra i Darwin fa iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Nampiasa sarina hazo izy mba hanazavana izany. Nohazavain’ny mpahay siansa bebe kokoa ilay izy, tatỳ aoriana. Hazo kely mbola tsy nisy rantsany, hono, no nisy tamin’ny voalohany, izany hoe sela tsotra. Nisy sampany sy rantsany ary tahony ilay hazo avy eo. Toy izany koa fa nivoatra miandalana sy nizarazara, hono, ilay sela, ka nanome an’ireo karazana zavamananaina misy ankehitriny. Marina ve izany?

Inona no lazain’ny mpahay siansa maro? Iray, hono, ny razamben’ny zavamananaina rehetra, rehefa jerena ny fôsily, izany hoe ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny. Manaporofo izany koa, hono, ny ADN. Mitovitovy mantsy ny ADN ao amin’ny zavamananaina rehetra.

Inona no lazain’ny Baiboly? Milaza ny Genesisy fa noforonina “araka ny karazany avy” ny zavamaniry, biby any an-dranomasina sy an-tanety, ary ny vorona. (Genesisy 1:12, 20-25) Manana heviny roa ilay hoe “araka ny karazany avy.” Voalohany, isan-karazany ny biby sy zavamaniry, ka na ireo iray karazana aza mety hisy tsy itovizany ihany. Faharoa, misy biby tena tsy mitovy karazana mihitsy ary tsy afaka mifanambady. Hita avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly koa fa tsy nivoatra miandalana ny zavamananaina, fa nisy tampoka sady efa nanana vatana feno.

Inona no tena marina? Ny tenin’ny Baiboly sa ny hevitr’i Darwin? Inona no hita avy amin’ireo fikarohana natao nandritra ny 150 taona?

HITA FA DISO HEVITRA I DARWIN

Nampitaha ny ADN tao amin’ny biby maromaro ny mpahay siansa. Nampitahainy koa ny an’ny zavamaniry, ary ny an’ny zavamananaina tokan-tsela. Ho voaporofo, hono, amin’izay fa marina ny fampianaran’i Darwin. Tsy izany anefa no nitranga.

Inona no hitan’izy ireo avy tamin’ilay fikarohana? Hoy i Malcolm Gordon, mpikaroka momba ny zavamananaina, tamin’ny 1999: “Toa tsy iray ihany fa samy hafa ny razamben’ny zavamananaina.” Hoy ihany izy momba ny fampianaran’i Darwin: ‘Toa tsy marina ilay fampianarana nisy hatramin’izay hoe iray ny razamben’ny fianakaviamben’ny biby. Toa tsy iray koa ny razamben’ny biby iray tarika.’29a

Hita avy amin’ny fikarohana vao haingana koa fa diso ny fampianaran’i Darwin. Izao, ohatra, no tenin’i Eric Bapteste, mpahay siansa mino ny evolisiona, tao amin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), tamin’ny 2009: “Tsy misy porofo mihitsy hoe iray ihany ny razamben’ny zavamananaina.”30 Hoy koa i Michael Rose, mpikaroka mino ny evolisiona, tao amin’io gazety io: ‘Efa nialantsika tsikelikely io fampianaran’i Darwin io, satria fantatsika rehetra fa tsy ahitana porofo. Mbola tsy ekentsika anefa hoe ny fampianarantsika momba ny evolisiona mihitsy no mila ovana.’31b

INONA NO HITA AVY AMIN’NY FÔSILY?

Maro ny mpahay siansa milaza fa tena iray ny razamben’ny zavamananaina, rehefa jerena ireo fôsily. Hita avy amin’izy ireny, hono, hoe ny trondro no lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny biby mandady no lasa biby mampinono. Inona anefa no tena marina?

Hoy i David Raup, manam-pahaizana momba ny fôsily: “Tsy nahita porofo mihitsy ny mpikaroka ankehitriny sy tamin’ny andron’i Darwin hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina. Nifanohitra tanteraka tamin’izany ny zavatra hitany. Nisy tampoka ny karazam-biby ary zara raha niova na tsy niova mihitsy. Betsaka koa no lany tamingana.”32

Hita avy tamin’ny ankamaroan’ny fôsily fa tsy niova mihitsy ny biby, nandritra ny fotoana ela be. Tsy niova miandalana ho karazany hafa izy ireo. Efa samy nanana ny vatana mampiavaka azy izy ireo rehefa nisy. Mbola hafa tanteraka koa izay biby nisy tatỳ aoriana. Jereo, ohatra, ny ramanavy, izay biby mahay mampiasa ako. Mbola tsy voaporofo hoe nisy nitovitovy taminy fahiny, ka azo lazaina hoe razambeny.

Toa ny ankamaroan’ny karazam-biby mihitsy aza no nipoitra tao anatin’ny fotoana fohy. Antsoin’ny manam-pahaizana hoe Vanim-potoana Cambrien ilay fotoana nipoiran’izy ireo. Oviana izany?

Andeha hatao hoe mitovy halava amin’ny kianja fanaovam-baolina (1) ny halavan’ny fotoana efa nisian’ny tany. Mirefy 120 metatra eo ho eo ny lavan’io kianja io. Aiza ho aiza eo ny Vanim-potoana Cambrien? Eo amin’ny faha-105 metatra. Tao anatin’io vanim-potoana io no nisy tampoka ny ankamaroan’ny karazam-biby. Fotoana fohy ihany anefa izany. Mba hahatakaranao an’izany, dia aoka hatao hoe nandeha an-tongotra avy any amin’ny ilany iray amin’ilay kianja ianao, ary tonga teo amin’ilay Vanim-potoana Cambrien (2). Vao nanomboka nanainga tongotra fotsiny ianao rehefa tonga teo, dia efa nisy daholo ireo biby isan-karazany!

Halavam-potoana mitovy halava amin’ny kianja fanaovam-baolina, mampiseho ny niandohan’ny fotoana nisian’ny tany ka hatreo amin’ny vanim-potoana Cambrien

Lasa mampisalasala ny mpikaroka sasany mino ny evolisiona àry ny fampianaran’i Darwin. Nilaza, ohatra, i Stuart Newman, tamin’ny 2008, fa mila havaozina ny fampianarana momba ny evolisiona. Hita mantsy, hoy izy, fa nisy biby nipoitra tampoka, ka mila hazavaina ny anton’izany. Hoy ihany izy: “Nampiasaina foana ny fampianaran’i Darwin, mba hanaporofoana fa misy ny evolisiona, na ilay fiovana lehibe eo amin’ny zavamananaina iray, ka nahatonga azy ho zavamananaina hafa. Mino anefa aho fa tsy ho ela dia tsy hasian’ny olona vidiny firy intsony izy io, tsy misy hafa amin’ireo fampianarana hafa nentina nanaporofoana ny evolisiona.”33

“POROFO” MAMPISALASALA

Sarina fôsily aseho ao amin’ny boky sasany sy ny tena habeny

Nahoana no ovan’ny mpahay siansa ny haben’ireo sarina fôsily, rehefa alahany ao anaty boky?

Ambony ankavia: Haben’ny fôsily aseho ao amin’ny boky sasany

Ambony ankavanana: Tena habeny

Ahoana àry ny amin’ireo fôsily nentina nanaporofoana fa ny trondro no lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny biby mandady no lasa biby mampinono? Manaporofo tokoa ve izy ireny fa tena misy ny evolisiona? Tsia. Mbola betsaka mantsy ny zavatra mampisalasala.

Voalohany, mody ataon’ny mpahay siansa mitovitovy habe ireo sarina fôsily alahany ao anaty boky, mba hanaporofoany fa niova ho biby mampinono ny biby mandady. Ngezabe anefa ny biby sasany, raha ny marina, ary ny sasany kosa kely.

Faharoa, tsy voaporofo hoe misy ifandraisany ireo biby ireo. Efa nisy an-tapitrisany taona mantsy ny sasany vao nisy ny hafa, araka ny tombantomban’ny mpahay siansa. Hoy i Henry Gee, manam-pahaizana momba ny biby: “Nifanalavitra be ny fotoana niainan’ireo biby, ka tsy hita amin’ny fôsilin’izy ireo izay ifandraisany, izany hoe iza no razamben’iza ary iza no taranak’iza.”34c

Izao no tenin’i Malcolm Gordon momba ny fôsilin’ny trondro sy ny biby iray tarika amin’ny sahona: ‘Tena vitsy kely ny fôsily ananantsika, nefa tsy tambo isaina ny karazam-biby nisy fahiny. Tsy misy fomba ahalalana mihitsy àry hoe niova kely sa niova be ireo biby ireo, sa tsy niova mihitsy. Tsy fantatra koa hoe inona no itovizany.’35d

Tabilao manondro ilay lazaina fa fivoaran’ny biby iray ho lasa biby hafa

INONA NO HITA AMIN’IREO “SARY”?

Nilaza ny gazety Vaovao Momba ny Tany (anglisy), tamin’ny 2004, fa toy ny hoe “filma entina hanaporofoana ny evolisiona” ny fôsily. Ny ampahany kely amin’ilay filma ihany anefa no manohana ny fampianarana momba ny evolisiona.36

Horonana pelikiolina misy filma sy ampahany efa notapatapahina

Hita avy amin’ireo “sary 95”, na ny ankamaroan’ireo fôsily, fa tsy niova ho biby hafa ny biby iray. Nahoana anefa ny mpahay siansa no tsy mety miova hevitra, nefa “sary 5” fotsiny, izany hoe porofo faran’izay kely, no ananany?

Sary amin’ny pelikiolina no nanaovana filma taloha. Aoka hatao hoe nampiasana sary 100 000 ny filma iray. Nisy olona iray mba te hamantatra ny votoatin’ilay filma, nefa sary 100 tamin’ilay pelikiolina ihany no nisy. Mbola tsy nijery azy ireo akory izy, dia efa naminavina hoe toy izao sy toy izao ny fizotran’ilay filma. Rehefa nojerena ireo sary, dia ny dimy taminy ihany no nanamarina ny eritreriny. Hita tamin’ireo sary 95 kosa fa hafa tanteraka ny votoatin’ilay filma. Mety ve raha mbola manizingizina ihany izy hoe marina ny heviny, na dia sary dimy monja aza no porofo ananany? Sao dia mba nalahany araka izay tiany fotsiny ireo sary dimy, mba hifanaraka amin’ny eritreriny? Tsy tsara kokoa ve raha miaiky izy hoe hafa noho ny tao an-tsainy ilay filma, araka ny hita avy amin’ireo sary 95?

Toa an’io olona manizingizina ny heviny io ireo mpino ny evolisiona. Fôsily vitsivitsy ihany no mba hitany, tsy misy hafa amin’ireo sary 100 tamin’ireo sary 100 000. Hita avy amin’ny ankamaroan’ireo fôsily ireo koa anefa fa zara raha niova ireo biby isan-karazany. Nahoana àry ny mpikaroka no tsy mety miaiky an’izany? Hoy i Richard Morris, mpanoratra: “Efa nino foana ny mpahay siansa hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina. Tsy te hiova hevitra izy ireo, na dia efa hitany aza fa tsy marina ilay izy. Rehefa manazava momba ny fôsily izy ireo, dia ataony foana izay hampifandraisana izany amin’ny evolisiona, satria izay no eken’ny ankamaroany.”37

“Misy mpahay siansa maka fôsily vitsivitsy, ary milaza fa anisan’ny razamben’ny olona sy ny biby ireo. Tsy voaporofo anefa raha marina izany na tsia. Toy ny angano fotsiny ilay izy, ka mahafinaritra ny sofina ary ahalalan-javatra aza angamba, saingy tsy marina ara-tsiansa.”—Boky momba ny niandohan’ny zavamananaina, nosoratan’i Henry Gee

Tsy te hiova hevitra tokoa ireo mpino ny evolisiona, na dia efa hita avy amin’ny fikarohana momba ny ADN sy ny fôsily aza fa tsy nivoatra miandalana ny biby. Mbola alahany araka izay itiavany azy ihany ireo fôsily. Sao dia marina tokoa ilay hoe tsy te hiala amin’ny fampianarana arahin’ny ankamaroan’ny mpahay siansa izy ireo?e

Ahoana ny hevitrao? Ny Baiboly sa ny hevitr’i Darwin no marina, rehefa jerena ny porofo? Diniho ireto zavatra efa hitantsika ireto:

  • Tsy “tsotra” mihitsy ny sela.

  • Tsy azo inoana mihitsy hoe nisy ho azy teo ny zava-drehetra ao anatin’ny sela.

  • Tena be pitsiny ny ADN, ary miankina amin’izy io ny asan’ny sela. Tsy misy dikany ny programana ordinatera sy ny fitaovana hafa natao hitehirizana fanazavana, raha oharina aminy.

  • Hita avy amin’ny fikarohana momba ny ADN fa tsy iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Nisy tampoka koa ny ankamaroan’ny karazam-biby, rehefa dinihina ireo fôsily.

Ahoana àry izao ny hevitrao? Tsy hitanao ve hoe marina ny voalazan’ny Baiboly fa nisy namorona ny zavamananaina? Maro anefa no milaza fa mifanohitra amin’ny siansa ny ankamaroan’ireo zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana. Mitombina ve izany? Inona no tena lazain’ny Baiboly?

a Nalahatry ny mpahay siansa ho sokajy fito ny biby, ary izay mitovitovy bika no nampiarahiny. Manomboka amin’ny fianakaviambe, izay sokajy lehibe indrindra izany, ary miafara amin’ny karazana, izay sokajy kely indrindra. Ireto avy izy ireo: Fianakaviambe, foko, tarika, sokajy, fianakaviana, sampana, ary karazana. Izao, ohatra, no nanasokajiana ny soavaly: Fianakaviambe: Biby; foko: Chordates; tarika: Biby mampinono; sokajy: Périssodactyles; fianakaviana: Équidés; sampana: Equus; karazana: Caballus.

b Samy tsy te hilaza na ilay gazety na i Bapteste na i Rose fa diso ny fampianarana momba ny evolisiona. Te hilaza kosa izy ireo hoe tsy misy porofo ilay fampianarana hoe iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Mbola mitady fomba hafa izy ireo hanaporofoana fa tena misy ny evolisiona.

c Tsy te hilaza i Henry Gee hoe diso ny fampianarana momba ny evolisiona. Te hiteny fotsiny izy hoe tsy tena manaporofo ny evolisiona ny fôsily.

d Mino ny evolisiona i Malcolm Gordon.

e Jereo, ohatra, ilay efajoro hoe “Avy Amin’ny Rajako Tokoa ve Isika?”

DINIHO IZAO

  • Misy mpahay siansa tsy mino ny Baiboly, nefa manohitra ny lafiny roa lehibe amin’ny fampianaran’i Darwin. Tsy inona izany fa ilay hoe iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra, sy ilay hoe nivoatra miandalana ny ankamaroan’ny karazam-biby.

    Fanontaniana: Tena azo lazaina hoe marina ara-tsiansa ve ny fampianaran’i Darwin, raha ny samy mpahay siansa aza tsy mitovy hevitra momba azy io?

  • Voaporofo fa mitovitovy ny ADN ao amin’ny zavamananaina rehetra. Ny ADN no mibaiko hoe hoatran’ny ahoana no tokony ho bikan’ny sela sy ny asany.

    Fanontaniana: Nahoana ny ADN ao amin’ny zavamananaina no mitovitovy? Sao dia noho izy ireo asa tanan’ny Mpamorona iray ihany, fa tsy hoe iray ihany ny razambeny?

Avy amin’ny rajako tokoa ve isika?

Maro ny boky milaza fa avy amin’ny rajako isika. Mahita sary maromaro milahatra ianao ao anatin’ireny boky ireny. Biby mivokoka be sy toy ny rajako no eo amin’ny voalohany. Tsy dia mivokoka kosa ireo manarakaraka azy, ary ngeza kokoa ny lohany. Eo amin’ny farany no misy ny olona. Tsy vitan’izay fa ankalazaina be amin’ny fampitam-baovao raha vao misy mpahay siansa mahita fôsilina zavamananaina heverina fa anisan’ny razambentsika. Lasa mihevitra àry ny olona fa nivoatra avy tamin’ny rajako tokoa isika. Tena voaporofo ve anefa izany? Diniho ny tenin’ny mpikaroka sasany mino ny evolisiona.f

INONA NO TENA MARINA REHEFA JERENA IREO FÔSILY?

Fôsily vitsivitsy ihany, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, no nentina nanaporofoana fa iray ny razamben’ny olona sy ny rajako. Latabatra lehibebe iray dia efa antonona azy rehetra. Nihamaro anefa ny fôsily hita, tatỳ aoriana. Voalaza fa mahafeno vagao iray izy ireo izao.38 Tena vitsy anefa ny karandoha na karana feno, fa taolana mitsitokantokana sy nify no tena betsaka.39

Fanontaniana: Miady hevitra foana ny mpikaroka mino ny evolisiona hoe oviana marina ny rajako no lasa olona, ary ahoana no nitrangan’izany. Nilamina ve ilay adihevitra rehefa nihamaro ny fôsily hita?

Valiny: Tsia. Tamin’ny 2009, dia nilaza i Robin Derricourt, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Nouvelle-Galles Atsimo, any Aostralia, fa “tsy mitovy hevitra mihitsy ny mpahay siansa”, rehefa miara-mandinika hoe taolan’inona marina ilay hitan’izy ireo.40 Noresahin’ny gazety Natiora (anglisy), tamin’ny 2007, fa nisy mpikaroka nahita fôsilina rajako, ary nolazainy fa anisan’ny razamben’ny olona ilay izy. Voalaza tao anefa fa mbola tsy fantatra hoe oviana marina ny rajako no lasa olona, ary ahoana no nitrangan’izany.41 Hoy koa i Gyula Gyenis, mpikaroka ao amin’ny Oniversite Eötvös Loránd, any Hongria, tamin’ny 2002: “Miady hevitra foana ny mpahay siansa rehefa mamantatra hoe taolan’inona ilay hitany: Mbola rajako sa efa nivoatra kokoa ho olona?” Nilaza koa izy fa mbola tsy fantatra foana hoe oviana marina, taiza, ary tamin’ny fomba ahoana ny rajako no lasa olona, na efa betsaka aza ny fôsily hita.42

ATAO MAHORAKA BE IZAY FÔSILY HITA

Matetika no ankalazaina be ao amin’ny fampitam-baovao rehefa misy fôsily hita, ka heverina hoe manaporofo fa avy amin’ny biby ny olona. Nisy fôsily iray, ohatra, hita, ary nantsoin’ny mpahay siansa hoe Ida izy io. Nilaza ny gazety iray fa natao nahoraka be ilay vaovao tamin’ny 2009.43 Izao, ohatra, no lohateny lehibe teo amin’ny gazety Ilay Mpiambina any Angletera: “Zavatra Miavaka Hita vao Haingana: Taolan’i Ida Razambentsika.”44 Andro vitsivitsy taorian’izay anefa, dia hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao, izay ao amin’io tany io ihany: “Tsy anisan’ny razamben’ny olona i Ida.”45

Fanontaniana: Nahoana no atao mahoraka be rehefa misy fôsily hita, nefa tsy resahina firy ilay izy raha vao fantatra hoe tsy razamben’ny olona indray?

Valiny: Hoy i Robin Derricourt momba an’ireo olona nahita an’ireny fôsily ireny: “Tsy hahita mpamatsy vola ankoatra an’ireo fikambanana efa mahazatra ny lehiben’ny ekipa mpanao fikarohana, raha tsy asehony hoe tena miavaka ny zavatra hitany. Soa ihany fa eo ny fampitam-baovao, izay tsy mitsahatra mitady vaovao miavaka.”46

SARINA OLONA RAJAKO AO AMIN’NY BOKY

Misy sarin’ireo lazaina fa razamben’ny olona ao amin’ny boky sy tranombakoka sasany. Aseho amin’ireny sary ireny hoe manana ny endrika sy volon-koditra mampiavaka azy izy ireo. Mitovitovy amin’ny rajako ny sarin’ireo lazaina fa razambentsika voalohany, ary feno volo. Mitovitovy endrika sy volon-koditra amin’ny olona kosa ireo tatỳ aoriana kokoa, ary tsy be volo intsony.

Fanontaniana: Azo antoka ve hoe marina ireny sary ireny, nefa fôsily vitsivitsy no mba ananan’ireo mpahay siansa nanao azy?

Valiny: Tsia. Hoy i Carl Stephan, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Adélaïde, any Aostralia, tamin’ny 2003: ‘Tsy misy tena mahavita manao ny sarin’ireo razamben’ny olombelona, na afaka manaporofo fa tena izy ilay sary nataony, indrindra moa raha ny rajako amin’izao andro izao no atao modely. Mety ho tombantombana be fotsiny ilay izy, sady diso tanteraka ary tsy azo ekena. Tsy voatery ho tena izy àry izay sarina olona rajako ataon’ny mpahay siansa.’47

KINGA SAINA VE IZAY MANANA ATIDOHA LEHIBE?

Fantarin’ny mpahay siansa raha kely na lehibe ny atidohan’izay zavamananaina heveriny fa razamben’ny olona. Izany mantsy, hono, no hahalalana raha mbola toy ny rajako ilay izy na efa mitovy kokoa amin’ny olona.

Fanontaniana: Aoka àry hatao hoe mitovy ny haben’ny atidohan’ilay zavamananaina sy ny an’ny olona. Midika ve izany fa kinga saina izy, ka azo lazaina hoe razamben’ny olona?

Valiny: Tsia. Nisy mpikaroka nampitaha ny haben’ny atidohan’ny olona sy ny an’ny biby nisy fahiny, mba hanombantombanana hoe iza no mahira-tsaina toy ny olona. Niaiky anefa izy ireo fa “mazàna no diso ny tombantombany.”48 Nahoana? Hoy ny gazety Fisainan’ny Mpahay Siansa Amerikanina (anglisy), tamin’ny 2008: “Mbola tsy nisy mpikaroka nahavita nanaporofo hoe ahalalana ny hakingan-tsain’ny olona na ny biby ny haben’ny atidohany. Tsy voatery ho kinga saina koa izy, na misy faritra somary miavaka aza ao amin’ny atidohany, ary na lehibe na kely ilay faritra. Ny olona ihany angamba no miavaka, satria misy faritra mahatonga azy hahay hiteny ao amin’ny atidohany.”49

Ahoana ny hevitrao? Raha efa fantatra fa tsy miankina amin’ny haben’ny atidoha ny hakingan-tsaina, nahoana ny mpahay siansa no mbola mandahatra an’ireo fôsily arakaraka ny haben’ny atidohany ihany? Sao dia mba tereny hanaraka ny heviny fotsiny ny olona? Ary nahoana ny mpikaroka no miady hevitra foana hoe iza amin’ireo fôsily no anisan’ny razamben’ny olona? Sao dia mba tsy razamben’ny olona akory ireny, fa rajako efa lany tamingana fotsiny?

Marina aloha fa misy fôsily lazain’ny mpahay siansa fa tena manamarina hoe avy amin’ny rajako ny olona. Fôsilina olona rajako, hono, izy ireo, ary olon’i Néanderthal no iantsoana azy. Manomboka misalasala indray anefa izao ny mpikaroka. Hoy i Milford Wolpoff tao amin’ny gazety iray, tamin’ny 2009: “Mety ho tena olombelona ny olon’i Néanderthal.”50

Raha mandinika amin’ny saina tsy miangatra ianao, dia hahita fa amboamboarin’ny mpahay siansa sasany ny fomba ilazany ny zavatra hitany. Tsy te hiaiky mantsy izy fa diso, na te hahazo vola fotsiny, na te hiseho tele sy gazety. Mbola hino ny porofo omen’izy ireo momba ny evolisiona ve ianao?

f Tsara homarihina fa tsy inoan’ireo mpikaroka ireo ilay tenin’ny Baiboly hoe nisy namorona ny zavamananaina. Mino ny evolisiona izy rehetra.

INONA NO TSY MAMPETY AN’IRETO SARY IRETO?

  • Noforomporonin’ny mpikaroka sy mpanao sary ny sasany amin’ireo, sady nataony araka izay eritreriny fotsiny.51

  • Mazàna ny mpikaroka no tsy nahita karandoha na karana feno. Silaka karandoha sy nify fotsiny no mba hitany, dia ireo no nakany hevitra hanaovana sary.

  • Mbola tsy mitovy hevitra koa anefa ny mpikaroka rehefa manasokajy an’ireo fôsily hitany.

  • Efa lany tamingana, hono, ny sasany amin’ireo zavamananaina ireo. Koa ahoana moa no hinoana hoe toy ireo mihitsy ny tarehiny sy ny volon-kodiny ary ny volony?

  • Arakaraka ny haben’ny atidohan’ireo zavamananaina ireo no andaharan’ny mpahay siansa azy. Efa fantany tsara anefa fa tsy miankina amin’ny haben’ny atidoha ny hakingan-tsaina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara